Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tany — ‘Naorin’ny’ Kisendrasendra Ve?

Ny Tany — ‘Naorin’ny’ Kisendrasendra Ve?

Ny Tany — ‘Naorin’ny’ Kisendrasendra Ve?

TSY maintsy mihodidina ny masoandro eo amin’ny halavirana mety tsara ny tany mba tsy hisian’ny maripana ambony loatra na ambany loatra. Ao amin’ny rafi-kintana hafa mitovy amin’ny rafi-masoandro misy antsika, dia nahitana planeta izay mihodidina ny kintana mitovy amin’ny masoandro, ary heverina fa ao anatin’ny ‘faritra azo onenana’ — izany hoe afaka mihazona ny rano ho ranoka izy ireny. Mety ho mbola tsy azon’ny olombelona iainana ihany anefa, na dia ireny planeta lazaina hoe azo onenana ireny aza. Tsy maintsy ho araka ny tokony ho izy koa ny hafainganan’ny fihodinkodinany amin’ny tenany, sy ny habeny.

Raha somary kely sy maivana kokoa noho izao ny tany, dia halefaka kokoa ny herin’ny sintony, ka ho lasa any ambony tsy taka-maso any ny ampahany lehibe amin’ny atmôsfera sarobidin’ny tany. Toy izany no izy ny amin’ny volana sy ny planeta roa, dia Mercure sy Mars. Kely kokoa sady maivana kokoa noho ny tany mantsy izy ireo, hany ka kely na tsy misy mihitsy ny atmôsferany. Ahoana anefa raha somary lehibe sy mavesatra kokoa noho izao ny tany?

Amin’izay, dia ho mafy kokoa ny herin’ny sinton’ny tany, ka hila fotoana ela kokoa ny gaza maivana, toy ny hidrôzenina sy ny heliôma, vao ho afa-miala amin’ny atmôsfera. “Ny mbola zava-dehibe kokoa”, hoy ny fanazavan’ilay boky fianarana siansa hoe Environment of Life, “dia ho voakorontana ny fifandanjana marefo eo amin’ireo gazan’ny atmôsfera.”

Na diniho ny ôksizenina, izay gaza mampirehitra zavatra. Raha miakatra 1 isan-jato ny fatrany, dia hisy doro tanety matetika kokoa. Etsy an-danin’izany, raha manohy mitombo foana ny gaza karbônika, dia hijaly noho ny vokatra ateraky ny tany mahamay loatra isika.

Lalana fihodinkodinan’ny tany

Lafin-javatra iray hafa tonga lafatra koa ny endriky ny lalan’ny tany. Raha boribory lavalava kokoa ny lalany, dia hijaly noho ny maripana ambony loatra na ambany loatra izay tsy ho zaka isika. Tsy izany anefa fa somary manao boribory ilay izy. Mazava ho azy fa hiova ny toe-javatra raha misy planeta goavana mitovy amin’i Jupiter mandalo etỳ akaikin’ny tany. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy mpahay siansa nampahafantatra fa voaporofo ny hoe misy kintana ihodinkodinan’ny planeta lehibe mitovy amin’i Jupiter akaiky dia akaiky. Tsy manaraka lalana boribory ny maro amin’ireny planeta mitovy amin’i Jupiter ireny. Hahita olana izay planeta rehetra mitovy amin’ny tany ao anatin’ny rafi-kintana toy izany.

Ilay astronoma atao hoe Geoffrey Marcy, dia nampiseho ny tsy fitovian’ireny rafi-planeta tsy misy antsika ireny sy ireo planeta efatra — Mercure, Vénus, Tany, ary Mars — izay mahaforona ny ampahany anatiny amin’ny rafi-masoandro misy antsika. Rehefa nadinadinina i Marcy, dia nihiaka toy izao: “Jereo ange e! Tena tonga lafatra mihitsy ny [filaharany]. Sahala amin’ny vatosoa ilay izy. Hitanao fa boribory ny lalana fihodinkodinany. Mitovy tantana izy rehetra. Samy mihodinkodina manaraka zotra mitovy izy rehetra. (...) Saika hafahafa mahagaga ilay izy.” Tena azo hazavaina amin’ny alalan’ny kisendrasendra ve izany?

Misy lafin-javatra mahatalanjona hafa iray amin’ny rafi-masoandro misy antsika. Eo amin’ny halavirana mety no ihodinkodinan’ireo planeta goavana — Jupiter, Saturne, Uranus, ary Neptune — manodidina ny masoandro, ka tsy misy atahorana ho antsika. Tsy miteraka fandrahonana ireny planeta ireny, fa manatanteraka anjara asa iankinan’ny aina kosa. Nisy astronoma nampitovy azy ireny tamin’ny ‘milina mpitroka manadio eny amin’ny lanitra eny’, satria ny herin’ny fisintonan’izy ireny dia misarika tainkintana lehibe, izay nety ho nahatandindomin-doza ny fiainana teto an-tany, raha tsy izany. Tena ‘voaorina’ tsara tokoa ny tany. (Joba 38:4). Na ny habeny na ny toerany ao amin’ny rafi-masoandro misy antsika, dia samy ao amin’ny ilana azy indrindra. Tsy izay ihany anefa. Misy lafin-javatra hafa mampiavaka ny tany ary tena ilaina mba hahaveloman’ny olombelona.

Ôksizenina sy fôtôsentezy

Ataoman’ny ôksizenina no mahaforona ny 63 isan-jaton’ny lanjan’ny zavamananaina eto an-tany. Ambonin’izany, dia miaro ny zavamaniry sy ny biby eto an-tany amin’ny taratra manimba avy amin’ny masoandro ny ôksizenina ao amin’ny sosona ambony kokoa amin’ny atmôsfera. Mora miova anefa ny ôksizenina rehefa miaraka amin’ny singa hafa, toy ny rehefa miaraka amin’ny vy izy dia miteraka harafesina. Ahoana àry no tsy mampiova ny fatran’io singa mora miova io fa 21 isan-jato hatrany ao amin’ny atmôsfera?

Ny valiny dia ny fôtôsentezy — fomba mahatalanjona ampiasan’ny zavamanirin’ny tany ny hazavan’ny masoandro mba hanamboarana sakafo. Vokatra hafa ateraky ny fôtôsentezy ny famoahana ôksizenina. Ôksizenina arivo tapitrisa taonina mahery no avoakan’ny zavamaniry, ka lasa any amin’ny atmôsfera isan’andro. “Raha tsy misy fôtôsentezy”, hoy ny fanazavan’ny The New Encyclopædia Britannica, “dia tsy vitan’ny hoe hitsahatra ny famatsian-tsakafo fototra, fa tsy hisy ôksizenina intsony koa ny Tany amin’ny farany.”

Mameno pejy maromaro ao amin’ny boky fianarana siansa, ny fanazavana ny fizotran’ny fôtôsentezy, izay misy dingana misesy. Mbola tsy takatry ny saina amin’ny fomba feno ny dingana sasany. Tsy mahay manazava ny fomba ivoaran’ny dingana tsirairay avy amin-javatra tsotra kokoa ireo mpino ny evôlisiôna. Hita tokoa fa be pitsiny ary tsy azo hazavaina amin’ny fomba tsotra ny dingana tsirairay. “Tsy misy fomba fihevitra eken’ny maro momba ny niandohan’ny fôtôsentezy”, hoy ny fieken’ny The New Encyclopædia Britannica. Nohamaivanin’ny lehilahy iray mpino ny evôlisiôna ilay olana, ka nilaza izy fa ‘noforonin’ny sela vitsivitsy nisava lalana’ ny fôtôsentezy.

Na dia tsy mifanaraka amin’ny siansa aza izany fanambarana izany, dia mampiharihary zavatra hafa mahagaga ihany koa: ny hoe mila fonon-tsela ny fôtôsentezy, ka ao anatin’ny fonon-tsela no hahafahany hizotra soa aman-tsara, ary tena ilainy koa ny fizarazaran’ny sela mba hitohizany hatrany. Nitranga noho ny kisendrasendra fotsiny tao amin’ny “sela vitsivitsy nisava lalana” ve izany rehetra izany?

Avy eo amin’ny sela afaka mizarazara ho amin’ny olombelona

Azo antenaina ve ny hiforonan’ny sela tsotra indrindra afaka mizarazara avy amin’ny ataoma maromaro sendra nitambatra? Ao amin’ilay bokiny hoe A Guided Tour of the Living Cell, dia miaiky toy izao i Christian de Duve, mpahay siansa nahazo ny Loka Nobel: “Raha ataonao fa mety hahazoana selam-bakteria iray ireo zavatra mahaforona ny ataoman’ilay sela izay sendra nitambatambatra, dia tsy hahazo sela iray mihitsy — ianao, na ho tapitra eo aza ny mandrakizay.”

Koa satria efa lasa lavitra toy izao ihany isika, dia andeha hitsambikina lavitra avy eo amin’ny selam-bakteria iray ho any amin’ireo selam-pitatitra an’arivo tapitrisany maro, natao ho afaka hanao zavatra manokana, izay mahaforona ny atidohan’ny olombelona. Lazalazain’ny mpahay siansa ho ny rafitra be kojakojany indrindra eo amin’izao rehetra izao fantatra ny atidohan’olombelona. Tena miavaka tokoa izy io. Ohatra, misy tapany lehibe amin’ny atidohan’olombelona antsoina hoe faritra mpampifandray, izay mamakafaka sy mamantatra hafatra avy any amin’ny tapany amin’ny atidoha mifandray amin’ireo vavahadin-tsaina. Ahafahanao misaintsaina ny hakanton’izao rehetra izao ny iray amin’ireny faritra mpampifandray ireny, izay tandrifin’ny handrinao. Tena afaka manazava ny fisian’ireny faritra mpampifandray ireny ve ny kisendrasendra? “Tsy ahitana ny mitovitovy amin’ny ampahany lehibe amin’ireny faritra ireny ao amin’ny biby hafa, na inona na inona”, hoy ny fieken’ny Dr. Sherwin Nuland, mpino ny evôlisiôna, ao amin’ilay bokiny hoe The Wisdom of the Body.

Noporofoin’ny mpahay siansa fa haingana lavitra noho ny ordinatera matanjaka indrindra ny fandraisan’ny atidohan’olombelona sy ny famakafakany hafatra. Tadidio fa vokatry ny ezaka nataon’olombelona nandritra ny am-polony taona maro ny teknolojia maoderina momba ny ordinatera. Ahoana ny amin’ny atidohan’olombelona izay ambony kokoa? Miaiky izao manaraka izao i John Barrow sy i Frank Tipler, samy mpahay siansa, ao amin’ilay bokiny hoe The Anthropic Cosmological Principle: “Nanjary nisy fifanarahana teo amin’ireo mpino ny evôlisiôna tamin’ny ankapobeny hoe ny fivoaran’ny zava-miaina misaina — izay azo ampitovina amin’ny an’ny olombelona ny fahaizan[’ny sainy] mandray sy mamakafaka hafatra — dia tena tsy azo inoana ho marina, ka tsy azo inoana ho nitranga tany amin’ny planeta hafa na iza na iza eo amin’izao rehetra izao hita maso.” “Kisendrasendra tanteraka” ny fisiantsika, hoy ny fanatsoahan-kevitr’ireo mpahay siansa ireo.

Nitranga noho ny kisendrasendra ve izany rehetra izany?

Ahoana no fanatsoahan-kevitrao? Nety ho niseho noho ny kisendrasendra tokoa ve izao rehetra izao sy ny zavatra mahatalanjona rehetra ao aminy? Tsy ekenao ve fa tsy maintsy nisy mpamorona ny tapany tsirairay amin’ny mozika mendri-kaja, ary tsy maintsy nasiana fanitsiana maty paika ny zavamaneno, mba hamoahany feo mahafinaritra? Ahoana ny amin’izao rehetra izao mahatahotra misy antsika? “Izao rehetra izao nasiana fanitsiana tena maty paika no misy antsika”, hoy ny fanamarihan’i David Block, mpahay matematika sady astronoma. Inona àry no fanatsoahan-keviny? “Toeram-ponenana izao rehetra izao misy antsika. Novolavolain’ny tanan’Andriamanitra izy io, ary mino izany aho.”

Raha izany koa no fanatsoahan-kevitrao, dia azo antoka fa hiombon-kevitra amin’izao filazalazan’ny Baiboly an’i Jehovah, Mpamorona, izao, ianao: “Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany.” — Jeremia 51:15.

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

PLANETA HAFAKELY

“Tonga lafatra ny haben’ny tany. Ahitana singa ara-tsimia eto an-tany. Tonga lafatra ny elanelan’ny tany amin’ny masoandro, izay kintana nisy hatry ny ela, ary somary manao boribory ny lalana fihodidinany azy io. Izany rehetra izany dia niteraka toe-javatra hafakely eto an-tany, izay nahatonga ny rano hiangona eo amin’ny vohon’ny tany. Sarotra na dia ny haka sary an-tsaina fotsiny ny amin’ny fiandohan’ny fiainana tsy nisy rano aza.” — Integrated Principles of Zoology, Fanontana Fanineniny.

[Sary nahazoan-dalana]

NASA photo

[Efajoro/Sary, pejy 10]

FIAINANA — NISEHO NOHO NY KISENDRASENDRA VE?

Tamin’ny 1988, dia notsikeraina ny boky iray, izay niezaka nanazava ny nety ho nisehoan’ny fiainana noho ny kisendrasendra. Tao amin’ilay gazety hoe Search, navoakan’ny Fikambanana any Aostralia sy Nouvelle-Zélande Momba ny Fampandrosoana ny Siansa, no namoahana ilay fitsikerana. Tao amin’ny pejy iray monja tao amin’ilay boky no nahitan’i L. A. Bennett, mpanoratra momba ny siansa, “fanambarana 16 miorina amin’ny tombantombana ranofotsiny, ka ny finoana ny fanambarana tsirairay dia miankina amin’ilay eo alohany”. Inona no fanatsoahan-kevitr’i Bennett rehefa avy namaky ilay boky manontolo? Hoy ny nosoratany: “Mora lavitra ny manaiky ny hoe misy Mpamorona iray tena be fitiavana, izay namorona avy hatrany ny fiainana sy nitari-dalana azy io araka izay nikendreny azy (...) noho ny manaiky ireo ‘kisendrasendra an-jambany’ tsy tambo isaina, izay nilaina hanohanana ny tsangan-kevitr’ilay mpanoratra.”

[Sary]

Tena ilaina ny fôtôsentezy mba hisian’ny famokarana sakafo sy ny tsingerin’ny ôksizenina

Ahoana no mahatonga ireo lafin-javatra tonga lafatra eto an-tany, lafin-javatra tena ilaina mba hitohizan’ny fiainana hatrany?

Lazalazain’ny mpahay siansa ho ny rafitra be kojakojany indrindra eo amin’izao rehetra izao ny atidohan’olombelona. Ahoana no nampisy azy io noho ny kisendrasendra?

[Sary nahazoan-dalana]

Photo: Zoo de la Casa de Campo, Madrid

Monte Costa, Sea Life Park Hawaii

[Sary, pejy 8, 9]

Haben’ny planeta, aseho araka ny maridrefy

Masoandro

Mercure

Vénus

Tany

Mars

Jupiter

Saturne

Uranus

Neptune

Pluton

[Sary nahazoan-dalana]

Masoandro: National Optical Astronomy Observatories; Mercure, Jupiter, ary Saturne: Courtesy of NASA/JPL/Caltech/USGS; Vénus sy Uranus: Courtesy of NASA/JPL/Caltech; Tany: NASA photo; Mars: NASA/JPL; Neptune: JPL; Pluto: A. Stern (SwRI), M. Buie (Lowell Obs.), NASA, ESA