Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Mipao-tsatroka Aminareo Kosa Aloha Aho E!”

“Tena Mipao-tsatroka Aminareo Kosa Aloha Aho E!”

“Tena Mipao-tsatroka Aminareo Kosa Aloha Aho E!”

IZANY no nosoratan’ny Katolika hiringiriny iray avy any Fairhope, any Alabama, any Etazonia, momba ny gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo izay nitondra izany tany aminy.

“Tsara dia tsara ny fomba nanoratana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, sy ny fitantarana ao anatiny”, hoy izy. “Faly foana aho isaky ny misy aminareo tonga mitondra iray avy amin’ireo gazety ireo. Ary tena mamaky azy roa ireo aho.

Tena mahafinaritra sy mahalala fomba ianareo, ary faly erỳ aho mahita olona mitsikitsiky manao ny asan’Andriamanitra (asan’i Jehovah). Vao haingana izay, dia nisy ankizy kely roa tonga tao am-baravarako ary nampahafantatra ny tenany sy nanolotra ahy ireo gazety ireo. Nisaotra azy ireo aho, ary faly erỳ nahita ankizy madinika manao asa tsara, fa tsy mpanakorontana.

Katolika hiringiriny aho (...), nefa midera anareo noho ny asa tsara dia tsara ataon’ny fikambananareo sy ny olona ao aminy. Amin’ny foko manontolo no ilazako fa tena mankafy ireo gazetinareo aho ary midera anareo, izay olona mahafinaritra sy mitsikitsiky. (...) Tena mipao-tsatroka aminareo kosa aloha aho e! Tohizo ny asa tsara ataonareo.”

Manolotra zavatra vita an-tsoratra koa ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanomezana izay zavatra ilaina voafaritra tsara. Iray amin’ireny ilay bokikely 32 pejy hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Ao anatin’ny lesona 16 no ampahafantarany ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly sy izay lazain’ny Baiboly hoe ilaintsika hatao mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Raha tianao ny hanafatra bokikely iray maimaim-poana, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.