Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zirafy Mirijarija sy Avo Dia ary Bikàna

Zirafy Mirijarija sy Avo Dia ary Bikàna

Zirafy Mirijarija sy Avo Dia ary Bikàna

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY KENYA

MANDO sy mangatsiaka erỳ ireo bolongana granita volondavenona, rehefa hangiran-dratsy ny andro. Nitampify teny amin’ireny vato makadiry ireny izahay, ka ny dite mafana tao anaty kaopy vy tamin’izany teny an-tanana ihany, ary ny maso nibanjina ny tany afrikanina lava volo terỳ ambany. * Novalian-tsoa ny faharetanay. Tao anatin’ny taratr’andro malefaky ny maraina no indreny andiana zirafy — mirijarija sy avo dia ary bikàna — nandeha nilamina namakivaky ny tany lemaka. Mamindra toy ny amin’ireny sarimihetsika alefa miadana ireny izy ireo, manao dingan-dava mahafinaritra amin’izato tongotra lava marotsaka, ary ny tendany lava sy miolika dia mihevingevina toy ny andrin-tsambo tsofin’ny rivotra. Saiky tsy avy niaina izahay. Kanto loatra ilay zavatra hitanay!

Tsy voahelingelin’ny fisianay teo izy ireo, ka niara-nihodina nitsofoka tao anaty alan’akasia nirobona, ary nanakatra ireo rantsana avo feno tsilo. Tamin’ny fomba moramora sy tamim-pitandremana no nakan’ireo goavana malemy paika ireo, tamin’ny lelany lava, ny ravi-maitso madinika. Tao izy ireo dia nampiditra fotsiny izao ny lohany teo anivon’ireo akanin’ny vorona mpanenona, avo be niala ny tany, ary tsy rototra akory nihinana ravinkazo tao. Nitezitra mafy an’ireto lava tenda mpitsofotsofoka ireo vorona. Taitran’izany fandavana tamim-pitabatabana izany izy ireo, ka nifindra moramora, tamim-pahamendrehana, nankeny amin’ny hazo hafa.

Manana famindra kinga sy mahafatifaty

Mety ho sarotra ho an’izay efa nahita ireo biby ireo, tamin’izato lohany nihoatra ny fefin’ny toeram-pijerem-biby, ny hahazo sary an-tsaina ny tena bikany sy ny hakantony, rehefa miriaria sy mikarenjy any anaty kirihitrala atỳ Afrika, izy ireo. Mahafatifaty sy tony ny fihetsiky ny zirafy. Rehefa mihazakazaka mamakivaky ny tany lava volo izy ireo, ny fisehoany ho toa marefo sy ho toa mora mitolefika mihitsy aza, dia mahatonga hieritreritra fa mety hahatafintohina azy na dia ny zavatra faran’izay kely aza, ary hiongana izy. Ny zirafilahy lehibe iray milanja 1 300 kilao anefa, dia biby tsy malemy lohalika sy mahery mihazakazaka, ka afaka mahatratra ny hafainganam-pandeha eo amin’ny 60 kilaometatra isan’ora.

Atỳ Afrika ihany no ahitana ity biby mahaliana fatratra ity. Mahatonga azy ho mahafinaritra jerena ny toetrany malemy fanahy sy tsy masiaka. Azo lazaina ho hafakely sy mambabo mihitsy aza ny endriky ny zirafy, noho ireto sofina lavalava kely, sy ireto tandroka kely roa misy volovolo mainty toy ny volory eo an-tampony. Baribary be sady mainty ny masony, voaron’ny volomaso oly sady lava. Rehefa mibanjina lavitra ny zirafy, dia toy ny liana ta hahafantatra amim-pahatsorana no fijery ny endriny.

Fahiny, dia nankasitrahana sy nomena vidiny ny zirafy, noho ny hakanton’ny bikany sy ny toetrany matahotahotra, malemy paika ary tsy masiaka. Nentina natao fanomezana teo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ny zirafy tanora, mba ho mariky ny fandriampahalemana sy ny firahalahiana nisy teo amin’ny firenena roa. Mbola ahitana sarina zirafy efa vasoka, amin’izao andro izao, ny vato tranainy misy sary hoso-doko, atỳ Afrika.

Avo tsanganana

Ny zirafy no lava indrindra amin’ny biby rehetra. Mety hirefy dimy metatra sy sasany, avy eo amin’ny kitrony ka hatrany an-tampon-dohany, ny zirafilahy efa lehibe. Teo amin’ny soratra hiéroglyphe ejipsianina fahiny, ny zirafy dia nentina nilazana ny matoanteny hoe “milaza mialoha” na “manambara mialoha”, noho ny tsanganany nampiaiky volana sy ny fahafahany mitsinjo lavitra.

Rehefa mijoro eo anivon’ny andiana zebra, aotirisy, antilopan’i Afrika, sy ny biby hafa mpirenireny eny amin’ny tany lemak’i Afrika ny zirafy, dia toy ny tilikambo fiambenana izy. Ahafahany mahatsinjo lavitra sy mahita aloha be ny fanatonan’ny loza ny haavony sy ny masony matsilo. Araka izany, dia tsy isalasalana fa mandray anjara amin’ny fiarovana ny biby hafa ny fisiany mijoalajoala eo.

Zava-mahatalanjon’ny famoronana

Tena voavolavola mba hihinana ny ravin’ny rantsankazo ambony indrindran’ny hazo avo ny zirafy, rantsankazo izay tsy takatry ny biby hafa rehetra ankoatra ny elefanta. Ny molony ambony, izay voavolavola tamin’ny fomba hafakely fa afaka miovaova be, sy ny lelany mora milefitra, dia ahafahany mioty mora foana ny ravina maraorao sy matsilotsilo avy amin’ny rantsankazo.

Mety hihinana zavamaniry 34 kilao isan’andro ny zirafy. Na dia afaka mihinana karazan-java-maitso maro aza izy ireo, dia ny ravin’ny hazo akasia be tsilony, izay maniry etsy sy eroa any amin’ny tany lemak’i Afrika, no tena tiany. Afaka mamoaka ny lelany ho 42 santimetatra ny zirafilahy, eo am-pitadiavana sakafo. Mora milefitra aoka izany ny tendan’ny zirafy. Mamela ny zirafy hampitodika sy hampihilana ny lohany lava amin’ny fomba mahagaga izany, rehefa mikarokaroka amim-pitandremana any amin’ny rantsankazo ambony any izy.

Tsy mampananosarotra ny zirafy ny manakatra avo, fa ny misotro rano no raharaha aminy. Rehefa manatona kamory ny zirafy, dia tsy maintsy asabakany moramora aloha ny tongony aloha, ary avy eo dia alefiny ny lohaliny roa, mba hanatratrarana ilay rano. Amin’izany fitoetry ny vatana ratsy tarehy izany, dia ahinjitry ny zirafy araka izay azony atao ny tendany lava, mba hahazoany misotro ilay rano. Soa ihany fa tsy mila misotro rano matetika ny zirafy, noho izy mahazo izany avy amin’ny hamandoana ao amin’ny ravina be ranony ataony sakafo.

Ny tenda sy ny takiban’ny zirafy dia ahitana sary tsara tarehy misy tsipika fotsy manify, miendrika ravinkazo misoratsoratra. Miovaova eo amin’ny volombolamena sy ny volontsôkôlà antitra, ary ny mainty mihitsy aza, ny lokony. Rehefa mihantitra ny zirafy, dia mihavasoka ny lokony.

Fiainam-pianakaviana

Biby mirona hiaraka ny zirafy, manao andiany tsy mitambatra, misy 2 ka hatramin’ny 50, izy ireo. Ny zirafivavy bevohoka dia mitondra vohoka mandritra ny 420 andro ka hatramin’ny 468 andro, mandra-piterany zirafy kely mirefy roa metatra ny haavony. Rehefa teraka ilay zanany, dia tena mianjera ara-bakiteny eo amin’ny tany, avy eny amin’ny roa metatra mahery, ka ny lohany no mandeha aloha! Tsy maratra anefa ilay zirafy kely, ary afaka ampahefatr’adiny izy dia efa mihozohozo mijoro, vonona ny hinono. Afaka tapa-bolana na roatokom-bolana, dia mandeha ho azy ny fanombohany mihinana laingony malemilemy amin’ny rantsan’ny akasia, ary tsy ela dia ampy tanjaka hanarahana ny dingan-dava ataon’ny reniny izy.

Mitovy be amin’ny ray aman-dreniny, saingy izy kely fotsiny, ny zanaka zirafy. Mbola tsy mahatratra ny tena halavan’ny zirafy izy, nefa lava noho ny ankamaroan’ny lehilahy. Mahafinaritra tokoa ny mijery ny zanaka zirafy, amin’izato fijorony toa ta hanontany sy tsy misy tahotra, eo ambany maso matsilon’ny reniny mijoalajoala.

Mandritra ny vanim-potoam-piterahana, ireo zirafy kely dia angonina eo amin’ny toeram-pitomboana sy fikarakarana ny zana-jirafy, toerana ialany sasatra sy ilalaovany ary andinihany izay miseho manodidina azy. Mila tsy hampino ny fitomboana haingan’ny zirafy kely vao teraka. Mety hahatratra iray metatra ny fitomboana azon’ny zanaka zirafy ao anatin’ny enim-bolana, ary mitombo avo roa heny ny haavony ao anatin’ny taona. Mety hitombo hatramin’ny 23 santimetatra ny zanaka zirafy iray, ao anatin’ny herinandro monja! Tena miaro ny zanany ny zirafivavy, ary na dia avelany hifalihavanja lavidavitra aza ilay zanany, ny fananany fahitana tsara dia tsara dia ahafahany manara-maso azy io.

Noho izy lava be sy mailaka ary mahery mandeha, sy noho ny fananany fahitana faran’izay tsara, dia tsy manana bibidia fahavalo firy, ankoatra ny liona, ny zirafy. Ny olona anefa no tena mihaza sy mamono be dia be an’io biby tsara tarehy io. Hazaina tsy an-kijanona noho ny hodiny tsara tarehy sy ny henany matsiro ary ny volo mainty sady lava amin’ny rambony — izay inoan’ny olona sasany ho manana hery miafina — io biby tsy masiaka io, ary tsy azo antoka ny hoaviny ankehitriny. Raha maro be ny zirafy fahiny tany amin’ny ankamaroan’ny faritr’i Afrika, dia ao anaty fefin’ny valam-biby voaro sy toerana voatokana hiarovana azy ihany izy sisa no toa tsy mahita loza ankehitriny.

Mbola afaka ny hientam-po ihany, amin’izao andro izao, ireo mpanao safari atỳ Afrika, mahita ireo zirafy lava tenda mikarenjy eny amin’ny tany lava volo midadasika. Eny no ahitana azy ireo mihinana amin’ny hazo akasia avo feno tsilo, na mibanjina lavitra fotsiny, araka ny fomba mampiavaka ny zirafy. Io biby tsara tarehy io, noho izato hatsaram-bikany miavaka sy ny toetrany malemy paika, dia tena anisan’ny zava-mahatalanjon’ny famoronana. Izy io dia porofo hafan’ny fahaizana sy ny maha izy manokana an’ilay Andriamanitra Tsitoha, i Jehovah. — Salamo 104:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Antsoina hoe kopjes ireny havoana kely be vato fahita eny amin’ny tany lemaka midadasik’i Afrika ireny.

[Efajoro, pejy 18]

LAVA TENDA MAHAGAGA

Ny bika hafahafa ananan’ny zirafy, sy ny halavany avo be, dia tokony hiteraka zava-manahirana — na araka ny mety ho fiheveran’ny olona azy. Toa tsy hety ny hikorianan’ny rany ara-dalàna manerana ny vatany, noho ny zirafy avo be sy lava tenda. Rehefa manondrika ny lohany amin’ny tany, ohatra, ny zirafy, ny herin’ny sinton’ny tany dia tokony hahatonga ny rany hikoriana be ho any amin’ny lohany, ka ho vonton-dra ny atidohany. Rehefa hatrakan’ny zirafy indray ny lohany, dia tokony higorodana hiverina any amin’ny fony ny rany, ka ho torana ilay biby. Tsy izany anefa no mitranga. Fa nahoana moa?

Tena zava-mahagaga teo amin’ny famoronana ny rafi-pikorianan-dran’ny zirafy, izay voavolavola tamim-pitandremana hifanaraka amin’ny bika manokan’ilay biby sy ny haavony. Ny fony mihitsy aza dia lehibe sy tsy maintsy matanjaka, mba ho afaka handefa ny ra ho any amin’ny atidohany, izay any amin’ny telo metatra sy sasany ambonin’ny fony any. Ilay rindrina fito santimetatry ny hoza-pony, izay mitempo in-170 isa-minitra, dia mamokatra tosika sistôlika efa ho avo telo heny noho ny an’ny olombelona. Mba hihazonana izany tanjaka izany, dia tsy maintsy ho ngeza be, na ny mpanelira izay mitondra ny ra ho any amin’ny atidoha, na ny lalandra lehibe izay mamerina ny ra ho any amin’ny fo. Manana savaivo maherin’ny roa santimetatra sy sasany tokoa ireny lalandra ireny, ary manana tambatsela mafy matezaroritina, izay mahatonga azy ho mora milefitra sy matanjaka.

Rehefa manondrika ny lohany ny zirafy, dia misy takela-nofo manokana misakana ny figorodanan’ny ra, ka ara-dalàna ihany ny fikorianany mankany amin’ny atidoha. Eo am-pototry ny atidoha, ilay mpanelira ngeza be dia miditra ao amin’ny fitaovana hafa mahazendana, izay antsoina hoe ilay harato mahatalanjona. Eo dia mikoriana miadana ilay ra miboiboika be, ka miely ao amin’ireo lalandra madinika manokana, izay mahatonga ny tosidra ho ara-dalàna sy ny atidoha ho voaro amin’ny fibosesiky ny ra. Mitatra ilay harato mahatalanjona rehefa miondrika ny lohan’ny zirafy, ary mifintina kosa rehefa mitraka izy, ka izany dia manakana ny vokatry ny sinton’ny tany, izay hampihena amin’ny fomba mampidi-doza ny tosidra, ka mety hahatorana azy.

Zava-mahatalanjona teo amin’ny famoronana koa ny tendan’ny zirafy. Gaga ireo mpahay siansa nahita fa io tenda mahazendan’ny zirafy io dia misy vaniny mitovy isa amin’ny an’ny totozy, na amin’ny an’ny biby mampinono hafa! Tsy mitovy amin’ny an’ny ankamaroan’ireo biby mampinono hafa anefa ny vaniny lava amin’ny tendan’ny zirafy, izay voavolavola manokana natao kiboribory, ka mahatonga izany ho mora milefitra. Araka izany, dia afaka mampiondrika sy mampiolika ny tendany mba hanatratrarana ny faritra rehetra amin’ny vatany ny zirafy, na haninjitra izany mba hanatratrarana ny laingon’ny hazo ataony sakafo.