Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fianakaviana Tsy Misy Ray Misaotra indrindra noho ireo lahatsoratra momba ny hoe “Fianakaviana Tsy Misy Ray — Fisakanana ny Hiverenan’izany”! (8 Febroary 2000). Sosotra mafy noho ny nisarahako tamin’ny vadiko aho, hany ka te hiady mafy mba hahazoako ny zo feno hikarakara ny zanako vavy. Ireny lahatsoratra ireny anefa dia nahatonga ahy hahatakatra fa mila mihazona fifandraisana tsara araka izay azo atao amin’ny rainy ny zanako vavy. Tsy ny fiadiana ho amin’ny fahazoana ny zo hikarakara ny zanako no vahaolana.

L. D., Guam

Noho izaho reny mitaiza zanaka irery, dia niezaka mafy foana aho mba hitaiza ny zanako lahy araka ny foto-pitsipika ara-baiboly. Anisan’irony antsoina hoe “tsy miraika firy” irony ny vadiko taloha; tsy maneho fiheverana ny zanany lahy velively izy. Na izany aza, dia nampianatra ny zanako lahy ho tia sy hanaja ny rainy aho, araka ny fanoloran-kevitra tao amin’ny lahatsoratrareo. Tena nampahery ny nahafantatra fa nety ny nataoko.

R. S., Brezila

Nisaraka ny ray aman-dreniko, fony aho dimy taona. Tsy naneho fiheverana ny zanany mihitsy ny raiko. Indraindray aho dia mihevitra fa ho tsara kokoa ny tsy nahafantatra azy akory, toy izay nahita ny tsy firaikany. Misaotra an’i Jehovah aho fa nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha mbola kely. Nanampy ahy hiatrika ireny fahatsapana ho nafoy sy fahasosorana ireny ny fianarana ireo fahamarinana ara-baiboly.

C. B., Porto Rico

Efa ho fito taona izao no nitaizako irery ny zanako telo mirahalahy, ary tena tsy mora ilay izy indraindray. Ohatra, misy fotoana maha tena sarotra alamina azy ireo. Kanefa, tia azy ireo amin’ny foko rehetra aho, ary misaotra an’i Jehovah noho ny fananako azy ireo. Natao batisa vao haingana ilay lahimatoa, koa tsy very maina ny ezaka rehetra nataoko. Mampirisika ahy hanohy ny ezaka ataoko ny lahatsoratra toy ireny. Hamaky azy ireo matetika aho.

N. B., Canada

Nandao anay ny raiko, fony aho enin-taona. Iraika amby roapolo taona aho izao, ary izao vao mahatakatra ny vokatr’izany teo amiko. Natahotra aoka izany ny hanambady aho, satria nihevitra fa angamba hilaozan’ny vadiko koa aho amin’ny farany. Nihevitra koa aho fa tsy hanana na inona na inona hatolotra ho an’ny lehilahy iray, satria tsy nahafantatra izay tokony ho fandehan’ny fianakaviana ara-dalàna iray. Kanefa, nampahery be ahy io lahatsoratra io. Nampahafantatra ahy izy io fa afaka ny ho tonga vady mahay mandanjalanja sy mahatoky ary be fitiavana aho, indray andro any.

E.V.W., Etazonia

Zava-manahirana eo Amin’ny Mpinamana Ta hanoratra ho anareo foana aho, saingy tsy nahasoratra mihitsy. Vao avy namaky ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana no Nanao Izay Nampalahelo Ahy ny Namako?” (8 Martsa 2000), aho. Nisy zava-nanahirana lehibe teo aminay sy ny namako akaiky iray, ary nitahiry fahatezerana taminy aho. Tonga amin’ny ilako azy io lahatsoratra io.

C. V., Italia

Nanao izay nampalahelo ahy ny iray tamin’ny namako. Nanampy ahy ilay lahatsoratra mba hahita fa noho isika tsy lavorary, dia mifanorisory isika indraindray. Nanao izay nolazain’ilay lahatsoratra aho, ka nifandamina tamin’io namako io.

N. T., Trinité

Valo ambin’ny folo taona aho, ary manana namana akaiky roa. Be taona kokoa noho izaho ilay iray, ary ilay iray hafa zandriko roa taona. Nisy zava-nanahirana teo aminay sy ilay zandriny kokoa, vao haingana. Tonga tamin’ny fotoana nilainay azy io lahatsoratra io. Ny Kolosiana 3:13 dia nampahatsiahy antsika fa mamela heloka antsika amin-kalalahana sy imbetsaka i Jehovah, ka tokony hifamela heloka koa isika. Nanampy ahy hahatakatra izany ilay fehintsoratra farany. Koa isika rehetra àry dia maniry ny ho namana izay lazaina toy izao ao amin’ny Ohabolana 18:24 (NW): “Mifikitra mafy kokoa noho ny rahalahy”, na rahavavy!

W. C., Etazonia