Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahasalamana Tsara Kokoa — Avy Amin-javatra Hafa Indray Ve?

Fahasalamana Tsara Kokoa — Avy Amin-javatra Hafa Indray Ve?

Fahasalamana Tsara Kokoa — Avy Amin-javatra Hafa Indray Ve?

Vitsy ny raharaha mampanahy ny olona kokoa noho ny fahasalamana. Indraindray, dia toa samy manana ny heviny ireo matihanina momba ny fahasalamana. Tsy miandany na amin’iza na amin’iza ny Mifohaza!, fa miezaka kosa, ato amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity, milazalaza momba ireo fitsaboana mihabe mpampiasa, izay mazàna no antsoina hoe fomba fitsaboana hafa. Tsy manohana ny fitsaboana na inona na inona amin’izay horesahinay ato, na fitsaboana hafa na inona na inona, izahay. Karazam-pitsaboana maro no tsy voaresaka ato — ny sasany tena be mpampiasa, ny sasany mahatonga adihevitra. Inoanay fa, amin’ny ankapobeny, dia mahasoa ny fampianarana momba ny raharaha ara-pahasalamana; raharahan’ny tena manokana tanteraka kosa ny fanapahan-kevitra momba izany.

MANIRY ny ho salama ny olon-drehetra. Tsy zavatra mora ananana anefa ny fahasalamana tsara, araka ny hita amin’ny isan’ireo olona manan-javatra itarainana momba ny fahasalamany. Hitan’ny sasany ho toa mbola tsy betsaka toy izao mihitsy ny olona marary.

Mba hiadiana amin’ny aretina, dia dokotera maro no miantehitra be amin’ny fanoroana ny marary mba hampiasa fanafody ataon’ny kompania mpanamboatra fanafody sady anaovany dokam-barotra be dia be. Tsara homarihina fa tato anatin’ireo am-polony taona faramparany, dia niroborobo be tampoka ny varotra fanafody toy izany naneran-tany: avy teo amin’ny an’arivony tapitrisa dolara vitsivitsy monja isan-taona ary lasa ana hetsiny tapitrisa dolara maro isan-taona. Inona no vokany?

Nanampy olona maro ny fanafody toy izany. Na izany aza, dia na tsy niova, na miharatsy, ny fahasalaman’ny olona sasany mampiasa fanafody. Koa tato ho ato, dia nanjary nitodika tany amin’ny fampiasana fomba fitsaboana hafa ny sasany.

Aiza no itodihan’ny maro?

Any amin’ny faritra izay nampiasan’ny olona fitsaboana maoderina sy mahazatra, dia maro izao no mitodika any amin’ilay antsoina hoe fomba fitsaboana hafa, na fitsaboana fanampiny. “Toa mihamirodana ny Rindrin’i Berlin, izay fefy nampisaraka hatramin’ny ela ny fomba fitsaboana hafa tamin’ny fitsaboana fampiasan’ny maro”, hoy ny gazetiboky Consumer Reports tamin’ny May 2000.

Nanao izao fanamarihana izao ny gazetiboky The Journal of the American Medical Association (JAMA) tamin’ny 11 Novambra 1998: “Ireo fomba fitsaboana hafa, izay faritana hoe fitsaboana mandaitra, raha ny asany no jerena, nefa fitsaboana tsy nampianarina firy tany amin’ireo sekoly fianarana ho dokotera, na misy any amin’ireo hopitaly eto Etazonia, amin’ny ankapobeny, dia nihanisarika ny sain’ny ao amin’ny fampitam-baovao, ny fitsaboana, ny masoivohom-panjakana, ary ny vahoaka.”

Nahamarika ny fironan’ny olona tato ho ato anefa ny gazetiboky Journal of Managed Care Pharmacy, ka nanazava toy izao tamin’ny 1997: “Tamin’ny lasa, dia be fisalasalana ny amin’ireo fomba fitsaboana hafa ny dokotera mitsabo araka ny fomba mahazatra. Ankehitriny anefa, dia misy 27 [75, hoy ny tatitra iray vao haingana kokoa] ny sekoly fianarana ho dokotera eto Etazonia, anisan’izany ny Harvard, ny Stanford, ny Oniversiten’i Arizona, ary ny Yale, izay manolotra fianarana fomba fitsaboana hafa azon’ny mpianatra isafidianana.”

Nomarihin’ny JAMA izay ataon’ny marary maro mba hanatsarana ny fahasalamany. Hoy izy: “Tamin’ny 1990, dia tombanana ho olona 1 (19,9%) amin’ny 5, izay nizaha dokotera noho ny tsy fahasalamana lehibe, no nampiasa koa fomba fitsaboana hafa. Nitombo izany ka lasa efa ho 1 (31,8%) amin’ny 3 tamin’ny 1997.” Nanao izao fanamarihana izao koa ilay lahatsoratra: “Ny fanadihadiana firenena tany ivelan’i Etazonia dia toa manondro fa be mpampiasa ny fomba fitsaboana hafa manerana ny tontolo mandroso.”

Araka ny voalazan’ny JAMA, ny ampahany amin’ny mponina nampiasa fomba fitsaboana hafa tato anatin’ny 12 volana farany dia 15 isan-jato tany Kanada, 33 isan-jato tany Failandy, ary 49 isan-jato tany Aostralia. “Mendri-komarihina ny habetsahan’ny olona mangataka fomba fitsaboana hafa”, hoy ny fieken’ny JAMA. Marina indrindra izany rehefa heverina ny hoe tsy mba anisan’ny oneran’ny fiantohana mazàna ny fandaniana amin’ny fomba fitsaboana hafa. Koa nanatsoaka hevitra toy izao àry ilay lahatsoratra ao amin’ny JAMA: “Azo inoana fa ho betsaka kokoa noho izao ny isan’ireo hampiasa fomba fitsaboana hafa, raha toa ka hitombo ny fanoneran’ny fiantohana ny fandaniana amin’izy io amin’ny hoavy.”

Fanaon’ny ankamaroan’ny olona efa hatramin’ny ela ny mampiaraka fomba fitsaboana hafa amin’ny fitsaboana mahazatra, any amin’ny tany maro. Nomarihin’ny Dr. Peter Fisher, ao amin’ny Royal London Homeopathic Hospital, fa nanjary “saika nahazatra tanteraka ny olona any amin’ny tany maro [ny nampiasa ireo fomba fitsaboana fanampiny izay fahita indrindra]. Tsy misy fitsaboana karazany roa intsony — ny mahazatra sy ny fanampiny”, hoy izy. “Ny hany misy dia ny fitsaboana mety sy ny fitsaboana tsy mety.”

Araka izany, dia matihanina ara-pitsaboana maro ankehitriny no manaiky fa samy misy mahatsara azy, na ny fitsaboana mahazatra na ny fomba fitsaboana hafa. Tsy manizingizina ny amin’ny haneken’ny marary, na ny fomba fitsaboana iray na ny iray hafa izy ireo, fa mampirisika kosa ny hanararaotan’ny marary an’izay fitsaboana hitany fa mahasoa azy amin’ireo fomba fitsaboana maro samihafa rehetra misy.

Inona avy no sasany amin’ireo fomba fitsaboana hafa, na fitsaboana fanampiny? Oviana ary taiza no niandohan’ny sasany amin’izy ireny? Ary nahoana no betsaka tokoa ny mampiasa azy ireny?