Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fandotoana ao An-trano

“Avo folo heny no azo inoana fa hahavoaloto ny ao anatin’ny tranonao, noho ny any an-tokotaninao”, hoy ny The Times any Londres. Ny fandinihana iray natao tamin’ny tokantrano britanika 174, notarihin’ny Fikambanana Manao Fikarohana Momba ny Fanorenana, dia nampiseho fa ny habetsahan’ny etona formaldéhyde, mivoaka avy amin’ny fanaka misy takela-kazo manify sy zavatra sentetika hafa, ao anaty trano, dia avo folo heny noho ny any ivelany. Roa ambin’ny folo tamin’ireo trano nozahana no tsy nahafeno ny fepetra notakin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, momba ny tahan’ny rivotra madio. Ny fanaka sentetika, ny gorodona plastika, ny fitaovana fanamboarana sy fandravahana trano, ny fitaovana fanadiovana simika, na ny fanafanana sy ny fatana dia miteraka oksida-na karbônina sy roanôksida-na nitrôzenina, etona benzenina, na fangaro organika mora mietona. Ny etona benzenina, izay fantatra ho mahavoan’ny kansera, dia iray amin’ireo taharon’ny ranon-javatra fanadiovana sy ny setro-tsigara, izay mpandoto lehibe iray ny ao an-trano koa. I Charlotte Gann, mpanoratra ny gazetiboky hoe Health Which?, dia nilaza fa olona maro no mandany ny 80 ka hatramin’ny 90 isan-jaton’ny fotoanany ao an-trano. Manoro hevitra antsika izy mba “hampihena ny fampiasana ny zavatra simika, sy hanokatra ny varavarankely sasantsasany ary hanara-masony fatana mandeha amin’ny gaza”, mba hanatsarana ny rivotra ao anaty trano.

“Sady Be Taona Kokoa no Hendry Kokoa”

Hitan’ireo mpikaroka fa misy faritra ao amin’ny atidoha afaka miteraka sela vaovao, rehefa mihalehibe ny olona, hoy ny tatitra nataon’ny The Times any Londres. Taloha, dia ninoana fa tsy nitombo isa ny selan’ny atidoha, rehefa mihalehibe ny olona. “Ny fanalahidin’ilay fitomboana dia ny fampiasana hatrany ny saina”, hoy ny The Times. Ny fandinihana iray natao vao haingana, tamin’olona maherin’ny 65 taona, dia nahitana fa ny fianarana sy ny fifandraisana amin’olon-kafa, dia toa mahatonga fitomboana vaovao eo amin’ny selan’ny atidoha sy ny fihaonan’ny nerônina. Hitan’ireo mpikaroka fa ny fifandraisana amin’ny olon-kafa dia manatsara ny “fahasalamana sy ny halavan’ny fiainana ary ny toetran’ny fiainana mihitsy”. Milaza toy izao i Susan Greenfield, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra: “Arakaraka ny habetsahan’ny zavatra iainanao, no itomboan’ny fihaonan’ny nerônina ao amin’ny selan’ny atidohanao. Koa ny olona àry dia sady be taona kokoa no hendry kokoa.”

Zava-dehibe ve ny Hanontaniana ny Hevitry ny Dokotera Hafa?

“Raha ny amin’ny fanontaniana ny hevitry ny dokotera hafa, dia maro be loatra amintsika no diso mahalala fomba. Ny tsy fananana fahasahiana toy izany anefa dia mety hamoizan’ny marary ny ainy”, hoy ny The News, any Mexico. Matetika no matahotra ny marary hoe ho tezitra ny dokoterany, raha maniry hanontany ny hevitry ny dokotera hafa izy ireo. Kanefa, “tsy mampaninona ny ankamaroan’ny dokotera ny fangatahan’ny marary izany”, hoy ilay gazety. “Raha tsy toy izany ny dokoteranao, dia mety hilaza fahasahiranana amin’ny hoavy izany.” Ankehitriny, ny fanontaniana ny hevitry ny dokotera hafa dia heverin’ny dokotera sy ny kompaniam-piantohana ho fomba tsara hahazoana ny fitsaboana tsara indrindra ho an’ny marary. Milaza ny Dr. Michael Andrews, prezidàn’ny Fikambanana Misahana ny Fianarana Momba ny Homamiadana any Géorgie, fa mampirisika ny marariny hanontany ny hevitry ny dokotera hafa izy, satria matetika izy ireo no manana fatokisana bebe kokoa momba ny torohevitra omeny. Hoy ny lehiben’ny fikambanana iray misahana ny fahasalamam-bahoaka: “Mila ny mitadidy ny marary fa ny tenany no tandindomin-doza.”

Namana Mampidi-doza

Ny zatovo mamily fiarakodia no azo inoana kokoa fa hitera-doza mahafaty, raha misy mpandeha ao anatin’ilay fiara, araka ny fandinihana iray navoaka tao amin’ny The Journal of the American Medical Association. Ny mpikaroka tao amin’ny Oniversite Johns Hopkins, any Maryland (any Etazonia), dia nahita fa ny mety hahafaty ny mpitondra fiarakodia 16 taona, dia mitombo 39 isan-jato raha misy mpandeha iray, sy 86 isan-jato raha misy mpandeha roa, ary 282 isan-jato raha misy mpandeha telo na mihoatra. Ny antony lehibe indrindra voatonona tao amin’ilay fandinihana dia ny “fihetsika mampidi-doza eo am-pamiliana fiarakodia (...), izay mifandray indrindra amin’ny fisian’ny namana miaraka aminy”. Anisan’ny fihetsika mampidi-doza toy izany ny fandehanana haingana loatra, ny fanarahana akaiky loatra fiarakodia hafa, ny tsy firaharahana ny jiro mena, ny familiana fiarakodia raha eo ambanin’ny herin’ny zava-mahadomelina na ny alkaola, ary ny fanelingelenan’ny mpandeha izay manao sangy ratsy.

Lalana An-dranomasina any Avaratra

Indray mandeha, i Robert Thorne, mpivarotra zavamanitra, tamin’ny taonjato faha-16, dia nanonofy ny hahita lalana an-dranomasina iray avy any Eoropa hankany Extrême-Orient, ka hamakivaky ny Arktika. Ankehitriny, dia nanjary tena izy ny nofinofin’i Thorne, noho ny fiakaran’ny maripanan’ny tany, hoy ny The Times any Londres. Ireo rano manaraka ny morontsirak’i Rosia sy ny morontsiraka atsinanan’i Siberia izao dia saika tsy misy ranomandry intsony, mandritra ireo vanin-taona mafana, ka mahatonga sambo ho afaka handeha avy any amin’ny Ranomasina Avaratra, ka manodidina ny Faribolan-tendrontany Arktika, ary mankany Pasifika avy eo amin’ny andilan-dranomasin’i Béring. Rehefa feno ranomandry ilay lalana, dia voatery mampiasa ny Lakan-dranon’i Suez ny sambo avy any Eoropa, ka manodidina ny tendro atsimon’i Afrika, na mamakivaky ny Lakan-dranon’i Panama, mba hahatongavana any Extrême-Orient. Be dia be ny tombony ara-toe-karena azo amin’ny fampiasana ilay lalana any avaratra. Efa ho antsasaky ny elanelan’i Hambourg, any Alemaina, sy i Yokohama, any Japon, izy io — latsaka ny 13 000 kilaometatra monja.

Zava-manahirana eo Amin’ny Fitsirihana Ra

“Antsasany mahery amin’ireo tany eran’izao tontolo izao no tsy manao fitsirihana amin’ny fomba feno ny ra nomen’olona, ka mampitombo ny mety ho fihanaky ny SIDA sy ny aretina hafa izany”, hoy ny tatitra iray nataon’ny Associated Press. Io tatitra io, izay miorina amin’ny fanazavana avy tany amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, dia milaza koa fa ny “5 ka hatramin’ny 10 isan-jaton’ny olona mitondra ny virosin’ny SIDA, dia voalaza fa nahazo azy io tamin’ny alalan’ny fampidiran-dra”. Kanefa, ny SIDA dia iray monja amin’ireo aretina izay mifindra amin’io fomba io. Isan-taona, dia hépatite-B 8 ka hatramin’ny 16 tapitrisa sy hépatite-C 2 ka hatramin’ny 4 tapitrisa no miely amin’ny alalan’ny fampidiran-dra sy ny fitaovam-panindronana tsy azo antoka. Antony iray nomena ho nahatonga ny tsy fahampian’ny fanaovana ny fitsirihana ny ra, ny halafon’izany. Eo anelanelan’ny 40 dolara (240 000 FMG) sy 50 dolara (300 000 FMG) isaky ny antsasa-litatra no aloa mba hijerena ireo otrikaretina ireo. Na izany aza, ny fitsirihana toy izany dia “tsy azo itokisana foana, indrindra fa raha ataon’ny mpiasa tsy ampy fampiofanana, na atao amin’ny alalan’ny fitaovana tsizarizary”, hoy ilay tatitra.

Mpanenona Faran’izay Mahay

“Ny landin-kala dia iray amin’ireo lamba mafy indrindra eto an-tany”, hoy ny gazetiboky New Scientist. Afaka mitatra ho avo roa ka hatramin’ny efatra heny noho ny halavany ny kofehy tsirairay alohan’ny hahatapaka azy, ary mafy aoka izany, ka nolazaina fa ny fitambarana landy mitovy hatevenana amin’ny pensilihazo iray dia mety hampijanona fiaramanidina goavana iray eo am-panidinana. Nanandrana nijery ny zava-miafin’ny fomba fanenoman’ny hala ny mpikaroka, mba hampiasainy any amin’ny indostria maro samihafa. Ohatra, ny lamba nofidina amin’izao fotoana izao hanaovana ny akanjo tsy laitran’ny bala dia ny Kevlar, lamba voatr’olombelona nampiasana “asidra solifiorika marihitra nohafanaina mandra-padivany hangotraka”, hoy ilay gazetiboky. Raha misy poizina sy sarotra ariana ny vokatra fanampiny azo amin’ny fanaovana Kevlar, ny hala kosa dia manenona landy avy amin’ny “prôteinina sy ny rano mahazatra, amin’ny tahan’ny pH sy ny maripana mitovy amin’izay hita ao anaty vavan’ny olombelona”. Ankoatra izany, io fifangaroan’ny rano sy ny prôteinina io dia ahazoana kofehy izay tsy ho lasan’ny orana. Araka izany, dia hoy ny New Scientist: “Na dia teo aza ny fianarana natao nandritra ny an-taonany maro, dia mbola toy ny ankamantatra ihany ny landin-kala.”

Fametavetana Ankizy any Inde

Any Inde, dia ankizy iray isaky ny folo minitra no ampidirina ho amin’ny fivarotan-tena, hoy ny tatitra nataon’ny The New Indian Express. Midika izany fa ankizy karàna 50 000 eo ho eo no terena ho amin’ny fivarotan-tena, isan-taona. Any amin’ny fanjakan’i Kerala, dia nanao tatitra ny amin’ny vokatry ny fandinihana manaitra iray hafa ny seminera iray momba ny fametavetana ankizy. Ny dokotera any dia “tsy ta handinika ny raharaha momba ny fisavihana, satria tsy manana ny fahaizana momba izany izy ireo, na tsy maniry ny ho voarohirohy”, hoy ilay gazety. Amin’ny toe-javatra sasany, dia ny ray aman-dreny mihitsy no mahatonga ilay zava-manahirana. Hoy i Sreelekha, Mpiandraikitra ny Central Vigilance: “Tsy te hilaza amin’ny manam-pahefana ny raharaha [momba ny fisavihana] ny ray aman-dreny, noho ny mety hisian’ny fahafaham-baraka sy ny fanilihana eo amin’ny fiaraha-monina.”

Mahasalama Indrindra ny Fiarahan’ny Mpianakavy Misakafo

Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hiantohan’ny ray aman-dreny ny fahasalamana tsaran’ny zanany dia ny fiaraha-misakafo amin’izy ireo, hoy ny gazety Globe and Mail. Araka ny nambaran’ny Dr. Matthew Gillman, avy ao amin’ny Sekoly Fianarana ho Dokotera any Harvard, dia “mahasalama kokoa ny sakafon’ny fianakaviana noho ny sakafo hohanin’ny ankizy sy ny zatovo any an-toeran-kafa”. Ny ankizy izay miara-misakafo amin’ny fianakaviana dia azo inoana kokoa fa hihinana ny sakafo ampirisihana hohanina, dia voankazo sy legioma, sy hahazo ny otrikaina sy ny mineraly ilainy, ary tsy dia hihinana siramamy sy matavy be loatra. Ireo mpikaroka dia nahita koa fa ny fiarahan’ny mpianakavy misakafo dia miteraka resadresaka momba ny fihinanana mahasoa ary manorina fahazarana ara-tsakafo tsara kokoa eo amin’ny ankizy — fahazarana izay tsy hisaraka amin’izy ireo, rehefa tsy misakafo ao an-trano izy ireo. Io fandinihana vaovao io, izay niorina tamin’ny fikarohana nitohy natao tamin’ny santionan’ankizy 16 000 teo ho eo, teo anelanelan’ny 9 sy 14 taona, dia nahita fa “roa monja ao anatin’ny ankizy dimy mbola mianatra no tena miara-misakafo amin’ny ray aman-dreniny, amin’ny ankamaroan’ireo andro, ary iray ao anatin’ny ankizy dimy no tsy manao izany mihitsy”, hoy ny Globe.