Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Fitsaboana Hafa — Antony Ampiasan’ny Maro Azy Ireny

Fomba Fitsaboana Hafa — Antony Ampiasan’ny Maro Azy Ireny

Fomba Fitsaboana Hafa — Antony Ampiasan’ny Maro Azy Ireny

MAHAFAOKA teknikam-pitsaboana maro samihafa ny fomba fitsaboana hafa, na fitsaboana fanampiny. Maro amin’izy ireny no ao anatin’ny sokajin’ny fitsaboana manantitrantitra ny fampiasana zavatra voajanahary na zavatra atao eo amin’ny vatana mba hahasalama azy io sy hamelana azy hanasitran-tena. Efa nilaozan’ny fitsaboana maoderina, na niniany tsy nampiasaina, hatramin’ny ela ny maro be amin’ireny fitsaboana ireny, izay nampiasain’ny maro nandritra ny taonjato maro.

Ohatra, nomarihin’ny gazetiboky Journal of the American Medical Association tamin’ny 27 Aogositra 1960 fa ny fanisiana zavatra mangatsiaka amin’ny faritra may dia “fantatr’ireo olona fahiny, nefa toa ninian’ny dokotera, ary koa ny olon-tsotra, tsy nampiasaina. Mahalana vao misy firesahana momba io fomba fitsaboana io ao amin’ireo asa soratra, nefa ny fanisiana firesahana rehetra dia samy midera azy io avokoa. Na izany aza, dia tsy ampiasaina firy izy io ankehitriny. Ny ankamaroan’ny dokotera tokoa dia milaza hoe: ‘Tsy misy manao intsony izany’, na dia tsy misy mahalala marina izay antony aza”.

Tato anatin’ireo am-polony taona faramparany anefa, dia nanjary nankasitrahan’ny fitsaboana mahazatra indray ny fanisiana rano mangatsiaka na peta-gilasy mangatsiaka eo amin’ny faritra may. Hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky The Journal of Trauma, tamin’ny Septambra 1963: “Taorian’ny nanaovan’i Ofeigsson sy i Schulman tatitra tamin’ny 1959 sy 1960, dia nitombo ny fahalianana amin’ny fampiasana rano mangatsiaka ho fitsaboana atao voalohany eo amin’ny faritra may. Efa herintaona izao no nampiasanay io fomba fitsaboana io; ary mahavelom-panantenana ny vokatra azon’ny toeram-pitsaboanay.”

Azo lazaina ihany hoe azo antoka ilay fitsaboana amin’ny rano mangatsiaka, ary mitondra fanamaivanana marina tokoa izy io. Anisan’ny fomba fitsaboana hafa ny fitsaboana ampiasana rano amin’ny fomba maro samihafa, ary ankehitriny dia eken’ny fitsaboana maoderina fa mandaitra koa ny endriny maro samihafa amin’izy io. *

Mitovy amin’izany koa fa, matetika ireo dokotera mampiasa fomba fitsaboana hafa no mitsabo amin’ny alalan’ny zavamaniry. Fanao efa hatramin’ny an-jatony — eny, an’arivony — taona maro mihitsy aza izy io, tany amin’ny faritra sasany eto an-tany. Any Inde, ohatra, dia andry iankinan’ny fitsaboana efa hatramin’ny ela ny fampiasana zavamaniry. Ankehitriny, saika hatraiza hatraiza, dia eken’ny matihanina maro momba ny fahasalamana fa manasitrana ny zavamaniry sasany.

Fitantarana mendri-komarihina

Tokotokony ho zato taona lasa izay, dia nisy vokany teo amin’i Richard Willstätter ny zava-nitranga tamin’i Sepp Schwab, folo taona, izay namany akaiky. Tsara homarihina fa tatỳ aoriana dia tonga mpianatra momba ny simian’ny zavamaniry i Willstästter. Nisy ratra nanonitra be ny tongotr’i Sepp, ary nilaza ny dokotera fa nilaina hotapahina ny tongony mba hamonjena ny ainy. Nampihemotra ilay fandidiana ho amin’ny ampitso maraina anefa ny ray aman-drenin’i Sepp. Teo anelanelan’izay, dia nandeha nitady mpiandry ondry iray nalaza ho mpampiasa raokandro, izy ireo. Naka zavamaniry isan-karazany ilay mpiandry ondry, ary nitetika azy ireo madinika dia madinika mandra-pahazony vongan-javatra toy ny epinara masaka, ary napetany teo amin’ilay ratra.

Nihasitrana ilay ratra ny ampitso maraina, ka nahemotra indray ilay fandidiana. Notohizina ilay fitsaboana, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia sitrana tanteraka ilay ratra. Nandeha nianatra simia tany amin’ny Oniversiten’i Munich, any Alemaina, i Willstätter. Tatỳ aoriana, dia nahazo ny loka Nobel izy, noho ireo zava-baovao hitany nifandray tamin’ny fianarany momba ny zavatra manome loko ny zavamaniry, indrindra fa ny famaitso. Tsara homarihina fa zavatra simika voajanahary misy ao amin’ny zavamaniry no anaovan’ny kompania mpanamboatra fanafody ny 25 isan-jato eo ho eo amin’ny fanafody ampiasaina ankehitriny, amin’ny ampahany na manontolo.

Ilaina ny maneho fahaiza-mandanjalanja

Tokony hekena anefa aloha fa ny fitsaboana mandaitra amin’ny fomba mahatalanjona amin’ny olona iray dia mety tsy handaitra firy amin’ny iray hafa. Ny mampandaitra karazam-pitsaboana iray, dia miankina amin’ny anton-javatra maro dia maro, anisan’izany ilay karazan’aretina sy ny hamafiny, ary ny toe-pahasalaman’ilay marary amin’ny ankapobeny. Na ny fotoana aza dia mety ho tafiditra amin’izany koa.

Mazàna ny fomba fitsaboana hafa no miadam-piasa kokoa noho ny fomba fitsaboana mahazatra. Koa ny aretina izay nety ho voasoroka raha nofantarina sy notsaboina aloha kokoa àry dia mety hihombo tsikelikely ka ho tonga hatramin’ny hoe ilana fanafody mahery — angamba fandidiana mihitsy aza — mba hamonjena aina. Mety ho tsy fahendrena àry ny hifikirana amin’ny karazam-pitsaboana iray, toy ny hoe izay ihany no hany fomba itsaboana aretina.

Eo amin’ny fomba itondrany fahasalamana no mahasamy hafa ny fomba fitsaboana hafa sy ny fitsaboana mahazatra. Mazàna ny fomba fitsaboana hafa no miompana kokoa amin’ny fisorohana aretina, ary mifantoka amin’ny fomba fiainan’ny olona iray sy ny tontolo iainany ary ny fiantraikan’ireo lafin-javatra ireo eo amin’ny fahasalamany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, amin’ny ankapobeny, ireo dokotera mampiasa fomba fitsaboana hafa dia mijery ny maha izy ilay olona manontolo, fa tsy ilay taova marary, na ilay aretina, fotsiny.

Matoa voasintona mafy ho amin’ny fomba fitsaboana hafa ny olona dia tsy isalasalana fa noho izy ireo mahatakatra fa zavatra voajanahary no ampiasaina ary malefaka kokoa sy tsy ahitan-doza firy ilay fomba fitsaboana, raha oharina amin’ny fitsaboana mahazatra. Koa satria ny olona mihaliana hamantatra izay fitsaboana azo antoka sy mandaitra, dia hisy vitsivitsy amin’ireo fomba fitsaboana hafa, hatolotra hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Jona 1988, pejy faha-25-26.