Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanampy Azy Hamonjy ny Ainy Izy Io

Nanampy Azy Hamonjy ny Ainy Izy Io

Nanampy Azy Hamonjy ny Ainy Izy Io

Ny nomeraon’ny “Mifohaza!” (frantsay) tamin’ny 22 Desambra 1999 dia niompana tamin’ilay foto-kevitra teo amin’ny fonony, manao hoe “Ny Fakana Olona An-keriny — Zava-manahirana Maneran-tany”. Nitantara i William Louis Terrell fa nanampy azy hamonjy ny ainy io nomerao tamin’ny “Mifohaza!” io.

TSY ela taorian’ny tamin’ny folo maraina, ny zoma 10 Martsa 2000, dia nisy naka an-keriny tao an-tranony i Terrell. I Joseph C. Palczynski no naka azy an-keriny rehefa nanambana basy azy. Ireo lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza!, izay nolazain’i Terrell hoe niezahany notadidina nandritra izany zava-tsarotra izany, dia nirakitra torohevitra ny amin’izay tokony hatao rehefa alain’olona an-keriny ny tena. Ireto avy izany torohevitra izany, izay avy tamin’ny manam-pahaizana manokana:

“Aoka ianao hanaiky mora foana izay asaina ataonao, ary aza be di-doha. Matetika kokoa no entina amin’ny fomba henjana ireo takalon’aina tia manohitra, ary izy ireo no atahorana kokoa hovonoina na ho voafantina mba hosazina.

Aza misahotaka. Tadidio fa tafavoaka soa aman-tsara ny ankamaroan’ireo nalaina an-keriny.

Manaova resadresaka kely raha mety, ary miezaha hanorina fifandraisana. Rehefa mihevitra anao manokana ireo mpaka an-keriny, dia ho azo inoana kokoa fa tsy handratra na hamono anao izy ireo.

Ampahafantaro azy ireo [ireo mpaka an-keriny] amim-pahalalam-pomba ny zavatra ilainao.

Niaro an’ireo nalaina an-keriny ny fifandraisany tamin’ireo mpaka an-keriny, araka ny hazavain’ilay boky hoe Criminal Behavior: ‘Arakaraka ny ifankahalalan’ilay nalaina an-keriny sy ilay mpaka an-keriny no mahatonga azy ireo hirona kokoa hifankahazo. Mampiseho izany fa rehefa afaka fotoana vitsivitsy, dia tsy azo inoana loatra hamely an’ilay takalon’aina ilay mpanao heloka bevava.’ ”

Nanao araka izay fara heriny i William Terrell, 53 taona, sady Vavolombelon’i Jehovah, mba hanarahana ireo torohevitra ireo, nandritra ny efa ho 14 ora nihazonana azy ho takalon’aina, ary nambanana basy izy tamin’ny ankamaroan’io fotoana io. Nanomboka ilay zava-tsarotra, taoriana kelin’ny nandondonan’i Palczynski ny varavaran’i Terrell, any amin’ny faritra ambanivohitra iray, any akaikin’ny Lalambe Faha-95 Mampitohy Ireo Fanjakana. Teo amin’io Lalambe io tokoa mantsy no lany lasantsy ilay fiara nangalarin’i Palczynski.

Rehefa ren’i Terrell izay nanjo an’ilay olon-tsy fantany, dia naneho faniriana hanampy azy izy. Nangataka rano iray vera i Palczynski, ary nangataka ny hoentina tany Baltimore, any Maryland, Etazonia. Nolazain’i Terrell fa hitady olona izy mba hitondra an’i Palczynski ho any amin’ny tanànan’i Fredericksburg, any Virginie, ka any izy dia ho afaka handray aotobisy mba hahatongavana any amin’ny alehany. Rehefa nitodika i Terrell, nitondra ilay rano iray vera ho an’ilay olon-tsy fantatra, dia basy no efa niandry azy. Nodidian’i Palczynski hitondra azy any amin’ny alehany i Terrell.

Fanarahana ilay torohevitra

Nandritra ilay dia nanaraka ny Lalambe Faha-95, dia narahin’i Terrell ny toromarik’i Palczynski, dia ny hanajana ny hafainganam-pandeha takina sy ny tsy hitondrana ny fiara amin’ny fomba mety hisarika ny sain’ny olona ho amin’izy ireo. Tony foana i Terrell, ka nataony izay hiresahan’i Palczynski, 31 taona. Ny fomba nentiny nanao izany dia ny nanehoany fiheverana azy tamim-pahatsorana, sy ny niheverany tamim-pahatsorana koa ireo tarehin-javatra nahatonga azy ireo ho tafahaona. Notantarain’i Palczynski fa nandeha nitsidika an’i Tracy olon-tiany izay efa nisaraka taminy izy, telo andro talohan’io. Tao dia notifiriny ka maty ny roa tamin’ireo naman’i Tracy sy ny mpiara-monina iray izay nanandrana nisakana azy tsy haka an’i Tracy hiaraka taminy. Nandositra i Tracy tatỳ aoriana.

Ny ampitso takariva, rehefa niezaka haka an-keriny fiara iray i Palczynski, dia voan’ny iray tamin’ireo balany ny zazakely iray roa taona, ka potika ny valanoranony. Voa koa ny fiara iray nentin’i Jennifer Lyn McDonel. Nampalahelo fa matin’ny bala iray izy, ary nisy bala iray hafa koa namely ilay seza kely fipetrahan’ilay zanany herintaona, izay tsy nisy olona tamin’izay. Teny an-dalana ho any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Jennifer sy i Thomas vadiny, ary samy tokony ho nanao ny anjara nanendrena azy tamin’ny fivoriana izy mivady tamin’io hariva io. Manazava i Sarah Francis, renin’i Jennifer, hoe: “Tamin’io alina io ihany izy mivady no tsy nitondra an’io zazakely io tany amin’ny Efitrano Fanjakana. [Raha tsy izany] dia ho olona roa no nitomanianay.”

Rehefa nanohy nanao izay hiresahan’ilay mpaka azy an-keriny i Terrell, ary nanao izany tamim-pahaiza-mandanjalanja, dia nilaza i Palczynski fa tsy nieritreritra mihitsy ny hanisy ratsy na iza na iza izy, ary tena tiany i Tracy ka tiany ny hiaraka aminy. Nanazava toy izao i Terrell: “Nolazaiko taminy fa tsy afaka manova ny lasa izy, nefa afaka manova ny hoavy kosa, ary nampirisihiko hitolo-batana izy. Nolazaiko taminy fa ho tonga hitsidika azy any am-pigadrana aho, ary hiara-mianatra ny Baiboly aminy.” Voalaza, tatỳ aoriana, fa hatramin’ny nahavitan’i Palczynski ny fianarany tany amin’ny lise tamin’ny 1987, dia folo volana monja tamin’ny fiainany manontolo no tsy nolaniny tany am-pigadrana na tany amin’ny trano fitsaboana aretin-tsaina, na tamin’ny fahazoana fahafahana misy fanaraha-maso.

Nampiasa ny traikefany tamin’ny naha loholona kristianina tranainy azy i Terrel, ka nanohy nanohina ny fon’ilay lehilahy tanora nikorontan-tsaina, tamin’ny fampiasana ohatra tena nisy avy tao amin’ny Baiboly. Nolazainy, ohatra, ny zavatra niainan’ny olo-marina iray, dia i Davida Mpanjaka teo amin’i Isiraely. Nanjary matimaty tamin’ny vadin’i Oria, iray tamin’ireo miaramila tao amin’ny tafiny, i Davida. Rehefa bevohokan’i Davida ilay vehivavy, dia nataony izay hahafaty an’i Oria tany an’ady. Rehefa naseho tamin’i Davida tamim-pahaiza-mandanjalanja ny fahotany, dia nibebaka tamim-pahatsorana izy ary nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra indray. — 2 Samoela 11:2–12:14.

Nanao izay hifankahazoana tamin’ilay mpandositra i Terrell, ka niantso azy tamin’ilay anaram-bosony hoe Joby. Rehefa nijanona teo amin’ny fivarotana iray izy roa lahy, ary nirahina mba hividy sakafo sy televiziona fitondra mandeha i Terrell, dia nilaza i Palczynski fa hamono olona maro kokoa izy raha manandrana hilaza amin’olon-kafa i Terrell. Nanaiky i Terrell, satria takany fa tsy azo antoka be ihany izay mety hataon’ilay mpandositra. Tamin’ny farany, rehefa avy nijery ny zavatra navoakan’ny televiziona tamin’ny 11 ora, mahakasika ny heloka bevava nataon’i Palczynski, izy ireo, dia nofihinin’i Palczynski i Terrell, ary lasa nisitrika tany amin’ny faritanàna manamorona an’i Baltimore izy.

Tokony ho herinandro taorian’izay, dia voahodidina tao amin’ny trano iray nihazonany takalon’aina i Palczynski. Nantsoina mba hanampy tamin’ny fifampiraharahana i Terrell, izay noresahin’ilay mpandositra. Nampalahelo fa tsy nahomby izany, ary tamin’ny 22 Martsa, dia maty voatifitry ny polisy izay nanafika tao amin’ilay trano, i Palczynski. Tsy nisy olon-kafa niharam-pahavoazana.

Taorian’izay i Terrell dia naka 600 teo ho eo tamin’ilay nomeraon’ny Mifohaza! izay nolazainy fa nanampy azy hamonjy ny ainy. Nizara an-jatony maro tamin’izy io tamin’ny hafa izy. Velom-pankasitrahana i Terrell noho izy nanao ho fahazarana ny mamaky ny fanazavana sarobidy ao amin’ny Mifohaza!, ary heverinay fa ho toy izany koa ianao.

[Sary, pejy 30]

William Terrell