Ny Anton’ny Faharavan’ny Fiainana Ara-pitondran-tena
Ny Anton’ny Faharavan’ny Fiainana Ara-pitondran-tena
TAMIN’NY Oktobra lasa teo, dia naneho fankasitrahana ny fanompoana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpanoratra iray tany Loja, any Ekoatera. Ankoatra ny zavatra hafa, dia hoy ny nomarihiny:
“Ny iray amin’ireo loza ratsy indrindra mampahory ny olombelona dia ny faharavan’ny fiainana ara-pitondran-tena (...). Toa nanadino nampihatra ny Didy Folo sy tsy niraharaha ny feon’ny fieritreretany ny olona, fanaovan-javatra roa izay samy misakana ny olona tsy hahazo ny fihevitry ny hafa. Hatraiza hatraiza sy isan’andro, isika dia mandre vaovao momba ny fankahalana, ny herisetra, ny heloka bevava, ny fivarotana zava-mahadomelina, ny fampihorohoroana, ary ny tsy fanajana ny fahamendrehan’ny olombelona. (...)
“Manatanteraka ny andraikiny amin’ny fomba tsy tia sehoseho sy amim-pilaminana ary amim-pahatoniana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mitsidika ny mpiara-belona aminy isam-baravarana, sy manolotra ny gazetiny roa tsara tarehy, Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, izay ahitana lahatsoratra mahaliana indrindra. Miavaka ny Mifohaza! noho izy mivaofy raharaha mahaliana isan-karazany momba ny siansa sy ny kolontsaina, izay tsy azo lavina. Ireo rehetra ireo dia soratana amin’ny fomba mazava sy marina, izay mahate hidera.”
Miharihary ny faharavan’ny fiainana ara-pitondran-tena amin’izao andro izao, nefa araka ny voalaza eo amin’ny pejy faha-4 amin’ity gazety ity, eo amin’ilay hoe “Nahoana no avoaka ny Mifohaza!”, dia ‘mandalin-javatra ny Mifohaza!, ka manondro ny tena hevitra fonosin’ireo fisehoan-javatra farany’. Ny bokikely Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, dia manaiky ny fisian’ireo fijaliana niaretan’ny olona, nefa manao zavatra mihoatra noho izany izy io. Asehony ny anton’ny faharavan’ny fiainana ara-pitondran-tena sy ireo vokatra mahatsiravina aterany. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia mampiharihary ny fomba hahatongavan’ny fanamaivanana tsy ho ela izy io.
Afaka mangataka ny hahazo iray amin’io bokikely mampionona, misy pejy 32 io, ianao, raha mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.