Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ombivavy Mandeha Vakansy!

Ombivavy Mandeha Vakansy!

Ombivavy Mandeha Vakansy!

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY SOISA

FANTATRAO ve fa ombivavy an’arivony maro atỳ Soisa no mandeha manao vakansy isan-taona? Hafaliana moa ny azy ireo amin’izany!

Mandritra ireo volana mangatsiaka sy misy ranomandry amin’ny ririnina atỳ Soisa, dia arovana ao an-tranon’omby ny ombivavy be ronono. Mahatsiaro ho maivamaivana sy faly erỳ izy ireo rehefa tonga ny vanin-taona mafana, ka afaka mivoaka any ivelany izy ireo, mba hiraoka eny amin’ny tany rakotra ahi-maitso, ahitana voninkazo mavo antitra etsy sy eroa. Mibitaka mifalihavanja izy ireo indraindray, ary izany no toa hanehoany ny hafaliany noho ny fiovan’ny zavatra manodidina sy ny fizaran-taona.

Amin’ny May na ny voalohandohan’ny Jona, dia manjary bebe kokoa ny kijana azo iraofana, rehefa mitsonika ny ranomandry ka mipoitra ireo ahitra any amin’ny faritra ambony kokoa. Tonga izao ny fotoana hitondrana ilay andiam-biby hiraoka any an-tendrombohitra.

Faritra misy kijana azon-drano tsara

Atỳ Soisa, dia misy kijana tokony ho 10 000 any amin’ireo faritra avo kokoa, ka mandrakotra faritra 10 000 kilaometatra toradroa. Izany dia ny ampahefatry ny velaran-tanin’i Soisa manontolo. Noho izany, dia arovana tsara io loharanon-karena sarobidy io.

Miara-miasa ny olona sy ny biby mba tsy hisy mihitsy kirihitra sy hazo madinika haniry eny amin’ireo tany rakotra ahitra any amin’ny faritra ambony any. Mba hanaovana izany, dia misy mpiompy manankina ny fikarakarana omby tokony ho 500 000 amin’ny mpiandry omby matihanina. Ny ombivavy efa mampinono, mbamin’ny ombivavy mbola tsy niteraka dia taterin’ny kamiao na ny fiarandalamby mba hanao vakansy mandritra ny vanin-taona mafana, ka hiraoka any an-tendrombohitra.

Koa satria tsy tonga hatrany ambony ny arabe sy ny lalamby, dia mbola tsy maintsy atao an-tongotra ny dingana farany amin’ilay dia. Mikisaka miakatra hatrany ilay andiany, arakaraka ny irosoan’ny vanin-taona mafana. Eny amin’ny kijana any amin’ny 2 000 ka hatramin’ny 2 200 metatra any ambony haabon’ny ranomasina, ireo omby dia mahita ahitra matsiro ary voninkazo tsara tarehy sy maro loko. Be loharano any an-tendrombohitra, ka ho ampy ny rano hosotroina.

Indraindray ny ronono avy amin’ireo ombivavy dia taterina midina ny tendrombohitra mba hohanina na hahodina. Mazàna anefa izy io no anaovana dibera na fromazy eo an-toerana ihany, eny amin’ireo tranokely eny an-tendrombohitra. Rehefa mihafohy ny andro, dia roahina midina eny amin’ireo kijana ambany kokoa ireo andiany. Ela ny ela ka tonga ilay andro — izay mazàna amin’ny faramparan’ny Septambra — hiverenan’ireo andiany ho any amin’ny fitoerany amin’ny ririnina, nefa miankina amin’ny toetr’andro izany. Akaiky tokoa ny faran’ny vakansy ataon’izy ireo! Misy hetsika manokana atao anefa alohan’izay.

Ilay andro lehibe!

Noraketina an-tsoratra ny ronono azo, ka arakaraka ny habetsahan’ny ronono nomeny no andravahana ireo ombivavy. Ilay nanome ronono be indrindra no asaina mitari-dalana ilay andiany amin’ilay diabe mody. Ravahana voninkazo taratasy maro loko sy ribà ary sampan-kazo kesika madinika, ny lohan’ireo ombivavy. Maro no miambozona lakolosy vy, izay manambara ny fanatonan’izy ireo avy any lavitra be.

Manamarika io fotoana manokana io ireo mpiandry omby, amin’ny fanaovana lobaka fotsy sy palitao volory mainty misy amboradara. Mandritra izany, any amin’ireo lohasaha, ny mponina any amin’ireo toeram-piompiana dia manamorona ny lalana mba hiarahaba ilay filaharana, amin’ny tehaka eo am-pitsanganana.

Rehefa tonga eny ambany ireo omby, dia averina any amin’ireo tompony avy mandritra ny ririnina iray hafa. Tsy ho ela anefa dia ho tonga indray ny fotoana hafa hanaovana vakansy any an-tendrombohitra! Fiainana izany an!