Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Holazaiko Amin’olona ve hoe Ketraka Aho?

Tokony Holazaiko Amin’olona ve hoe Ketraka Aho?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Tokony Holazaiko Amin’olona ve hoe Ketraka Aho?

“Rehefa ketraka aho, dia aleoko aloha tsy miresaka momba ilay izy, satria mety hoheverin’ny olona ho ankizy manahirana aho. Takatro anefa avy eo fa tokony hiresaka amin’olona ihany aho, mba hahazoako fanampiana.” — Alejandro, 13 taona.

“Rehefa ketraka aho, dia tsy mitady fanampiana amin’ireo namako, satria tsy inoako hoe afaka hanampy ahy ry zareo. Hihomehezany eo fotsiny aho.” — Arturo, 13 taona.

SAIKA ny rehetra no malahelohelo indraindray. * Noho ianao tanora sy tsy dia nandia fiainana loatra anefa, dia mora mahatsapa ho tototry ny faneren’ny fiainana ianao. Ireo zavatra takin’ny ray aman-dreninao sy ny namanao ary ny mpampianatra anao; ny fiovana ara-batana sy ara-pihetseham-po eo amin’ny fe-potoana maha maoty; na ny fahatsapanao ho tsy nahomby noho ny kilema madinika — izany zavatra rehetra izany dia mety hahatonga anao ho malahelohelo sy kivy.

Rehefa mitranga izany, dia tsara ny manana olona azonao amborahana ny fihetseham-ponao. “Raha tsy afaka miresaka amin’olona momba ny zava-manahirana ahy aho, dia heveriko fa mety hipoaka ny fihetseham-poko”, hoy i Beatriz, 17 taona. Mampalahelo anefa fa tanora maro no mihazona ny zava-manahirana azy ho azy samirery, ka matetika izy ireny no mihamilentika kokoa hatrany ao anatin’ny famoizam-po. Voamarik’i María de Jesús Mardomingo, mpampianatra ao amin’ny Sampam-pianarana Fitsaboana any Madrid, fa matetika ireo tanora tonga hatramin’ny fanandramana hamono tena no mahatsiaro mafy ho irery. Maro tamin’ireo tanora tsy maty tamin’ny nanandramany namono tena no niteny fa tsy afaka nahita olon-dehibe azony nifampiresahana sy namborahana ny fihetseham-pony izy ireo, eny fa na dia olon-dehibe iray aza.

Ahoana ny aminao? Misy olona azonao iresahana ve rehefa kivikivy ianao? Raha tsy misy, dia iza no ho azonao itodihana?

Miresaha amin’ireo ray aman-dreninao

Lazalazain’i Alejandro, voatonona terỳ am-piandohana, toy izao izay ataony rehefa ketraka izy: “Manatona ny reniko aho satria hatramin’ny nahaterahako, dia nanohana ahy foana izy, sady nanao izay hananako fatokisan-tena. Manatona ny raiko koa aho satria efa niaina ny zavatra iainako izy. Rehefa kivy aho, nefa tsy miresaka na amin’iza na iza, dia vao mainka aho kivy.” Izao no tsaroan’i Rodolfo, 11 taona: “Indraindray ny mpampianatra dia nanao tsinontsinona ahy sy nibedy ahy, ka nalahelo be aho. Nandeha tany amin’ny trano fivoahana aho mba hitomany. Niresaka tamin’ny reniko aho tatỳ aoriana, ka nanampy ahy hamaha ilay olana izy. Raha tsy niresaka taminy aho, dia vao mainka ho kivy.”

Efa noeritreretinao ve ny hiresaka amim-pahatsorana amin’ireo ray aman-dreninao? Angamba ianao hihevitra fa tsy azo inoana hahatakatra ny zava-manahirana anao izy ireo. Tena izany ve anefa no izy? Mety ho tsy takatr’izy ireo amin’ny fomba feno ireo fanerena rehetra mahazo ny tanora eo amin’ny tontolo ankehitriny. Tsy marina ve anefa fa izy ireo no azo inoana ho mahafantatra anao tsara kokoa noho ny olon-kafa na iza na iza? Hoy i Alejandro: “Indraindray dia tsy mora ho an’ireo ray aman-dreniko ny miombom-pihetseham-po amiko sy ny mahatakatra ny tena fihetseham-poko.” Niaiky anefa izy hoe: “Fantatro fa afaka mitady fanampiana amin’izy ireo aho.” Matetika ireo tanora no gaga rehefa mahita hoe tena takatr’ireo ray aman-dreniny tsara mihitsy ny zava-manahirana azy! Koa satria be taona kokoa ireo ray aman-dreny ary efa nandia fiainana kokoa, dia matetika izy ireo no afaka manome torohevitra mahasoa, ary marina indrindra izany raha za-draharaha amin’ny fampiharana ireo foto-pitsipiky ny Baiboly izy ireo.

“Mahazo fampaherezana sy vahaolana azo ampiharina mahakasika ireo zava-manahirana ahy aho, rehefa miresaka amin’ireo ray aman-dreniko”, hoy i Beatriz, voatonona tetsy aloha. Ara-dalàna àry raha manome izao torohevitra izao ho an’ny tanora ny Baiboly: “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao. Maneke ny rainao izay niteraka anao, ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” — Ohabolana 6:20; 23:22.

Mazava ho azy fa sarotra ny mamboraka fihetseham-po amin’ireo ray aman-dreninao, raha ratsy ny fifandraisanao amin’izy ireo. Araka ny filazan’ny Dr. Catalina González Forteza, dia hita tamin’ny fanadihadiana iray natao teo amin’ireo mpianatra any amin’ny lise fa ireo nilaza ho nanandrana namono tena dia nahatsiaro ny tenany ho tsy misy vidiny ary tsy nanana fifandraisana tsara tamin’ireo ray aman-dreniny. Ireo tanora tsy mieritreritra ny hamono tena kosa anefa, amin’ny ankapobeny, dia “ireo manana fifandraisana tsara amin’ny rainy sy ny reniny”.

Noho izany, dia fahendrena ny miezaka mamboly fifandraisana tsara amin’ireo ray aman-dreninao. Ataovy fahazaranao ny miresaka tsy tapaka amin’izy ireo. Lazao amin’izy ireo izay zava-mitranga eo amin’ny fiainanao. Ametraho fanontaniana izy ireo. Ny resadresaka tsy misy fihafahafana toy izany dia mety hanamora kokoa ny fanatonanao azy ireo rehefa manan-java-manahirana lehibe ianao.

Miresaha amin’ny namana iray

Tsy ho mora kokoa ve anefa ny miresaka ny zava-manahirana anao amin’ny olona iray mitovy taona aminao? Tsara tokoa ny manana namana azonao itokisana. Milaza ny Ohabolana 18:24 fa “misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza”. Na dia afaka miombom-pihetseham-po aminao sy manohana anao aza ireo mitovy taona aminao, dia mety tsy hanolotra foana ny torohevitra tsara indrindra ho anao izy ireny. Rehefa dinihina tokoa, dia mazàna izy ireny no tsy nandia fiainana betsaka kokoa noho ianao. Tadidinao ve i Rehoboama? Mpanjaka tamin’ny andron’ny Baiboly izy. Tsy nanaiky ny torohevitr’ireo lehilahy za-draharaha sy matotra izy, fa naleony nihaino ireo nitovy taona taminy. Inona no vokany? Loza! Verin-dRehoboama na ny fanohanan’ny maro tao amin’ny fireneny, na ny fankasitrahan’Andriamanitra. — 1 Mpanjaka 12:8-19.

Zava-manahirana hafa iray amin’ny famborahana ny fihetseham-po amin’ireo mitovy taona ny raharaha mahakasika ny tsiambaratelo. Nanamarika toy izao i Arturo, voatonona tery am-piandohana: “Ny ankamaroan’ireo ankizilahy fantatro dia miresaka amin’ny namany rehefa kivy, nefa, atỳ aoriana, dia resahin’ireo namany amin’olon-kafa ny zava-drehetra, ary ataony ho fihomehezana izy ireo.” Izany no nanjo an’i Gabriela, 13 taona. Hoy izy: “Indray andro dia nanjary fantatro fa noresahin’ilay namako tamin’ny namany ny fiainako manokana, ka tsy namboraka taminy ny fihetseham-poko intsony aho. Marina fa miresaka amin’olona mitovy taona amiko aho, nefa miezaka aho mba tsy hilaza zavatra izay mety hisy vokany ratsy eo amiko raha holazain’izy ireo amin’ny hafa.” Rehefa mitady fanampiana àry ianao, dia zava-dehibe ny hitadiavana olona izay ‘tsy hampiseho izay tsy tian’ny sasany holazaina’. (Ohabolana 25:9). Tena azo inoana fa zokinao kokoa ny olona toy izany.

Raha toa àry ka tsy afaka mahazo fanohanana ao an-trano ianao, dia mety ny mitady namana hamborahana ny fihetseham-ponao, nefa ataovy azo antoka fa efa nandia fiainana izy ary mahalala ny foto-pitsipiky ny Baiboly. Tsy isalasalana fa misy olona mifanentana amin’io filazalazana io ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana. Hoy i Liliana, 16 taona: “Namboraka ny fihetseham-poko tamin’ny sasany tamin’ireo rahavaviko kristianina aho, ary tena nahasoa izany. Tsara ny torohevitr’izy ireo, satria zokiko izy ireo. Lasa namako izy ireo.”

Ahoana raha nanomboka voa koa ny fahasalamanao ara-panahy? Angamba kivy loatra ianao, ka nanomboka nanao tsirambina ny vavaka, na ny famakiana Baiboly. Manome izao torohevitra izao ny Baiboly, ao amin’ny Jakoba 5:14, 15: “Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy”. Ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana dia manana loholona izay za-draharaha amin’ny fanampiana olona kivy na marary ara-panahy. Aza misalasala miresaka amin’izy ireo. Milaza ny Baiboly fa ny lehilahy toy izany dia afaka ny ho “fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra”. — Isaia 32:2.

‘Ambarao amin’Andriamanitra ny fangatahanareo’

Ny tena loharanom-panampiana tsara indrindra anefa dia ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”. (2 Korintiana 1:3). Rehefa kivy ianao na ketraka, dia araho izao torohevitry ny Filipiana 4:6, 7 izao: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Vonona ny hihaino anao foana i Jehovah. (Salamo 46:1; 77:1). Ary indraindray, dia ny vavaka no hany ilainao mba hanamaivanana ny manavesatra ny sainao.

Raha kivy na ketraka ianao indraindray, dia aza hadinoina mihitsy fa mahatsapa zavatra toy izany koa ny tanora maro hafa. Mazàna no misinda izany fihetseham-po izany rehefa mandeha ny fotoana. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia aza miady irery. Ampahafantaro ny hafa fa mijaly ianao. Milaza ny Ohabolana 12:25 hoe: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.” Ahoana no ahazoanao izany “teny soa” fampaherezana izany? Amin’ny firesahana amin’olona, eny, olona efa nandia fiainana sy manana fahalalana sy fahendrena araka an’Andriamanitra mba hanome anao ny fampiononana sy ny fanampiana ilainao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Raha tsy mety afaka ny fahakiviana, izany dia mety ho mariky ny zava-manahirana lehibe ara-pihetseham-po na ara-batana. Tsara kokoa ny hanatonana mpitsabo avy hatrany. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fomba Handresena Amin’ny Ady Atao Amin’ny Fahaketrahana”, ao amin’ny nomeraon’ny 1 Jona 1990 amin’Ny Tilikambo Fiambenana, naman’ity gazety ity.

[Teny notsongaina, pejy 24]

“Mahazo fampaherezana sy vahaolana azo ampiharina mahakasika ireo zava-manahirana ahy aho, rehefa miresaka amin’ireo ray aman-dreniko”

[Sary, pejy 25]

Ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra, fa tsy ireo mitovy taona aminao, mazàna no tsara toerana indrindra mba hanoro hevitra anao