Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tonga Soa eto Amin’ny Hadilanana Mivolombarahina!

Tonga Soa eto Amin’ny Hadilanana Mivolombarahina!

Tonga Soa eto Amin’ny Hadilanana Mivolombarahina!

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

HADILANANA voajanahary mahatalanjona, ao amin’ny tandavan-tendrombohitra fantatra hoe ny Sierra Madre Occidental, any amin’ny faritra avaratr’i Meksika, ny Hadilanana Mivolombarahina. Mandrakotra faritra sahabo ho 50 000 kilaometatra toradroa izy io — mitovitovy velarana amin’i Costa Rica.

Somary mandiso fanantenana anefa ilay anarana. Tsy hadilanana tokana mantsy ny Hadilanana Mivolombarahina, fa hadilanana 20 mifampitohitohy. Iray aminy ny Hadilanana Mivolombarahina, izay nanjary niantsoana azy manontolo. Araka ny voalazan’i Richard Fisher, mpamantatra tany vaovao, dia telo, fara fahakeliny, amin’ireo hadilanana ireo no lalina kokoa noho ny Grand Canyon, izay atsy Etazonia. *

Koa satria midadasika dia midadasika ny Hadilanana Mivolombarahina, dia vitsivitsy monja amin’ireo toerana voajanahary tsara itazanana amin’izy io no voatsidiky ny ankamaroan’ny mpizaha tany. Mahita faritra manaitra indrindra ny tena rehefa mitodika mankamin’ny hadilanana Mivolombarahina sy ny Sinforosa ary ny Urique. Ny olona sasany anefa mihevitra fa eo amin’ny Divisadero no ahatazanana faritra mahavariana, satria ahitana amin’ny fomba feno ny fihaonan’ny hadilanana Mivolombarahina sy Urique ary Tararecua.

Toetany samihafa

Misy akony eo amin’ny toetany sy ny zavamanirin’ny Hadilanana Mivolombarahina ireo fiovana tampoka eo amin’ny haavo. Tsapan’i Miguel Gleanson izany rehefa nidina ny Urique Canyon izy sy ireo niaraka taminy. Izao no nosoratany ao amin’ny gazetiboky México Desconocido: “Nanomboka nafana izahay, ary nanjavona ny alan-kesika ka nosoloan’ny zavamaniry tropikaly, dia akondro sy zavokà ary voasary laoranjy mihitsy aza. Tena tsy nampino ilay izy. Hatrizay niainako aho mbola tsy niala avy tamin’ny ala mangatsiaka ho amin’ny faritra mafana akaikin’ny tropika, tao anatin’ny fotoana fohy toy izany sy tsy nila nandeha lavitra toy izany.”

Rakotra karazan-kazo kesika 15 sy karazan-kazo oaka 25 ny lembalemba avon’ireo hadilanana. Misy hazo peupliers sy kypreso koa ao amin’ny Hadilanana Mivolombarahina. Mirobona ny voninkazo maro samihafa maniry manerana ilay tandavan-tendrombohitra, mandritra ny vanin-taona mafana. Ataon’ny mponina eo an-toerana — fantatra amin’ny hoe Tarahumara — sakafo na fanafody voajanahary ny sasany amin’ireny voninkazo ireny. Any amin’ny 1 800 metatra mahery ambonin’ny haabon’ny ranomasina, dia miovaova be ny toetany ao amin’ilay tandavan-tendrombohitra: rehefa tsy antonontonony dia mangatsiaka, saika mandavantaona. Mitondra erika ny ririnina, ary orampanala mihitsy aza indraindray.

Arakaraka ny idinan’ireo mpitsidika no anamarihany fa manomboka misy karazan-kazo sy raiketa maro samihafa. Toetany toy ny any akaikin’ny tropika no misy any ambany, ary mahafinaritra ny ririnina any satria 17 degre Celsius ny antsalan’ny maripana. Mifanohitra amin’izany fa tena tsy azoazo ny aina mandritra ny vanin-taona mafana ao amin’io faritra io, satria miovaova be eo anelanelan’ny 35 sy 45 degre Celsius ny maripana, ary be ny orana ka mihoatra ny morony mihitsy ny ony.

Riandrano manerinerina roa no manandratra ny hakanton’ilay faritra. Misy 453 metatra ny haavon’ny riandrano Piedra Volada, izay anisan’ny riandrano avo indrindra eran-tany, ary ny riandrano Basaseachic, 246 metatra.

Toeram-pialofana onenan’ny zavamiaina an’ala

Zavamiaina an’ala be dia be isan-karazany no monina ao amin’ny Hadilanana Mivolombarahina. Voalaza fa monina ao amin’io faritra io ny 30 isan-jaton’ny biby mampinono voasoratra anarana eto Meksika. Anisan’izany ny orsa mainty, ny serfa fotsy rambo, ny alikadia meksikanina, ny lambo, ny sakadia, ny hyraka, ny puma, ny loutre, ny raton laveur, ary ny putois, ary koa ny ramanavy, ny bitrodia, ary ny écureuil.

Karazam-borona 400 eo ho eo no monina ao amin’ny Hadilanana Mivolombarahina, anisan’izany ny voromahery mivolombolamena sy ny voromahery mpirenireny. Eo anelanelan’i Amerika Avaratra sy Afovoany no misy ireo hadilanana; tena tsara toerana tokoa eo, satria ahafahan’ny vorona mpifindrafindra monina tonga sy mijanona eo mandra-pahatapitry ny ririnina. Ny hafa miato kely eo fotsiny mba hiala sasatra, alohan’ny hanohizany ny diany.

Azo antoka fa manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny zava-mahatalanjona voajanahary rehetra, ny Hadilanana Mivolombarahina. Indray mandeha, dia nanambara toy izao i Davida Mpanjaka: “Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny fampirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. — 1 Tantara 29:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Mahatratra 1 879 metatra ny halalin’ny Urique Canyon; ny Sinforosa Canyon, 1 830 metatra; ary ny Batopilas Canyon, 1 800 metatra. Ny halalin’ny Grand Canyon dia 1610 metatra eo ho eo.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

Mitazana avy eny Ambonin’ny Lamasinina

Mahatratra 941 kilaometatra ny Lalamby Chihuahua-Pacific, manomboka ao Ojinaga eo amin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Etazonia sy i Meksika, ka hatrany amin’ny seranan-tsambon’i Topolobampo eo amin’ny Oseana Pasifika, ary mamakivaky ny Hadilanana Mivolombarahina. Koa satria miavaka ny vohon-tany amin’iny faritra iny, dia heverina fa zava-bita tena lehibe teo amin’ny fanamboaran-dalana io lalamby io. Ny lamasinina dia mandalo eo ambonin’ny tetezana lehibe 37 eo ho eo, ka ny lava indrindra dia mahatratra 500 metatra ary mamakivaky ny Ony Fuerte. Ny tetezana avo indrindra dia mahatratra 90 metatra eo ambonin’ny Ony Chínipas.

Mandalo ao anaty tionelina miisa 99 koa ilay lamasinina. Ny tionelina El Descanso no lava indrindra: mirefy 1 810 metatra izy io. Afaka mankafy ny fahitana ny Hadilanana Mivolombarahina, faritra manaitra, ireo mpizaha tany, mandritra io dia io.

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

ETAZONIAN’I AMERIKA

MEKSIKA

CHIHUAHUA

Ojinaga

Chihuahua

FARITRY NY HADILANANA MIVOLOMBARAHINA

La Junta

Creel

Divisadero

Topolobampo

[Sary, pejy 15]

Riandranon’i Basaseachic

[Sary nahazoan-dalana]

© Tom Till

[Sary, pejy 16, 17]

Izao no tazana eo amin’ny hadilanana Divisadero

[Sary nahazoan-dalana]

© Tom Till

[Sary, pejy 17]

Monina manerana ilay hadilanana ny Tarahumara

[Sary nahazoan-dalana]

George Hunter/ H. Armstrong Roberts

[Sary, pejy 17]

Farihy Arareco

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

George Hunter/H. Armstrong Roberts