Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Amin’ireo Fomba Fitsaboana Hafa

Topy Maso Amin’ireo Fomba Fitsaboana Hafa

Topy Maso Amin’ireo Fomba Fitsaboana Hafa

“Tena zava-dehibe ny hanombohana fifanakalozan-kevitry ny dokotera mahazatra sy ny dokotera mampiasa fomba fitsaboana hafa, izay samy matihanina, mba hitsaboana amin’ny fomba tsara kokoa ireo marary mifidy fomba fitsaboana hafa.”

IO FANAMBARANA io dia navoaka tao amin’ny gazetiboky The Journal of the American Medical Association (JAMA) tamin’ny 11 Novambra 1998. Hoy ilay lahatsoratra: “Azo ampoizina ny hoe arakaraka ny itomboan’ny olona mampiasa ny fomba fitsaboana hafa, dia mihamanjary ilaina koa [izany fifanakalozan-kevitra izany], eny, ilaina indrindra satria tafiditra ao amin’ny fandaharan’asan’ny fiantohana ara-pahasalamana ny fomba fitsaboana hafa, ka ahazoana fanonerana koa.”

Mihabetsaka ny marary mampiasa fomba fitsaboana hafa no sady mampiasa koa fomba fitsaboana mahazatra. Na izany aza, dia tsy mampahafantatra ny dokoterany momba izay ataony ny marary sasany. Noho izany, dia nampirisika toy izao ny gazetikely Tufts University Health & Nutrition Letter tamin’ny Aprily 2000: “Tokony hanao izay hahasoa anao indrindra ianao, ka hiara-miasa amin’ny dokoteranao, fa tsy hanao zavatra samirery.” Hoy koa izy io: “Na mankasitraka ny fomba fitsaboana arahinao izy na tsia, dia mbola tsy hahafaty antoka anao ihany ny filazana aminy momba izany.”

Izany no izy, satria mety hisy loza ara-pahasalamana hoentin’ny fampiarahana ny raokandro sasany amin’ny fitsaboana mahazatra. Matihanina maro momba ny fahasalamana, izay mahalala fa mifidy fomba fitsaboana hafa ny sasany amin’ireo marariny, no miezaka mafy tsy hamela ny heviny manokana momba ny fikarakarana ara-pahasalamana hisakana azy tsy hiara-miasa amin’ny dokotera mampiasa fomba fitsaboana hafa, mba ho tombontsoan’ny marary.

Mba hananan’ny mpamaky anay fahalalana tsotsotra momba ny fomba fitsaboana hafa izay mihabe mpampiasa any amin’ny tany maro ankehitriny, dia indro misy filazalazana fohy momba ny vitsivitsy aminy, omenay eto. Mariho kely anefa fa ny Mifohaza! dia tsy manohana na iza na iza amin’ireo, na ny fomba fitsaboana hafa na inona na inona.

Ny raokandro

Ny raokandro angamba no fomba fitsaboana hafa fampiasan’ny maro indrindra. Na dia nampiasaina teo amin’ny fitsaboana nandritra ireo taonjato aza ny zavamaniry, dia vitsy ihany no efa nanaovan’ny mpahay siansa fandinihana lalina. Mbola vitsy noho izany aza ny zavamaniry sy ny ranoka nalaina avy tamin-javamaniry efa nodinihina lalina ka ananana fanazavana momba ny maha azo antoka sy mandaitra azy ireny. Ny fampiasana zavamaniry nandritra ny tantara no nanjary nahazoana ny ankamaroan’ny fanazavana ananana momba azy ireny.

Tato anatin’ireo taona faramparany anefa, dia nisy fandinihana ara-tsiansa maromaro mampiseho fa mahasoa ny zavamaniry sasany hitsaboana tsy fahasalamana toy ny fahaketrahana tsy dia mafy, ny fahaverezan’ny fitadidiana rehefa mandroso ny taona, ary ny fivontosan’ny prostaty tsy misy atahorana firy. Anisan’ny zavamaniry nodinihina ny black cohosh. Nampangotrahin’ny Indianina any Amerika ny fakan’izy io ary nampiasainy nifandray tamin’ny tsy metimety rehefa tonga fotoana sy rehefa miteraka. Araka ny voalazan’ny gazetikely Harvard Women’s Health Watch tamin’ny Aprily 2000, dia toa manondro ny fandinihana natao vao haingana fa mety handaitra “hanamaivanana ny tsy metimety ateraky ny famantarana ny fitsaharam-potoana” ny ranoka nalaina avy tamin’ny black cohosh maniry any Alemaina, izay namboarina mba ho azo amidy.

Matoa be mpangataka ireny fanafody voajanahary ireny dia satria takatry ny olona fa azo antoka kokoa noho ny fanafody sentetika izy ireny. Mety ho marina izany matetika, nefa miteraka vokany hafa ny zavamaniry sasany, indrindra raha ampiasaina miaraka amin’ny fanafody hafa. Ohatra, afaka mampiakatra ny tosidra sy mahatonga ny fo hitepo haingana kokoa ny zavamaniry iray be mpampiasa, izay ambara ho fanafody voajanahary manala ny tsentsina sy mampahia.

Misy koa zavamaniry izay hampitombo ny ra very ao amin’ny marary. Raha ampiasaina miaraka amin’ny fanafody “mahatonga ny ra hatsora” ireny zavamaniry ireny, dia olana lehibe no mety ho vokany. Tokony hitandrina ny olona taizan’aretina, toy ny diabeta, na manana tosidra ambony na ireo izay mihinana fanafody hafa, rehefa mampiasa raokandro. — Jereo ny faritra voafefy.

Anisan’ny mampanahy amin’ny raokandro koa ny tsy fahazoana antoka hatrany raha voamboatra tamin’ny fomba tsara ilay izy. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy tatitra voaray ny amin’ny raokandro voaloton’ny metaly mavesatra sy ny loto hafa. Fanampin’izany, dia hita fa tsy nisy afa-tsy kely fotsiny, na tsy nisy mihitsy, an’ireo fangaron-javatra voasoratra eo amin’ny fonony, ny raokandro sasany. Ireo ohatra ireo dia manamafy ny ilana hividy raokandro, ary koa fanafody hafa na inona na inona, any amin’ny fivarotana tsara laza sy azo antoka.

Ny fanampin-tsakafo

Voalaza fa nanampy teo amin’ny fisorohana sy ny fitsaboana aretina maro, anisan’izany ny tsy fahampian-dra sy ny fahosan’ny taolana — ary na dia ny fisorohana kilema sasany hatrany am-bohoka aza — ny fanampin-tsakafo, toy ny vitaminina sy ny mineraly. Heverina fa somary azo antoka sy mahasoa ny fihinanana vitaminina sy mineraly araka ny fatra ampirisihan’ny fanjakana hohanina isan’andro.

Etsy an-danin’izany, dia mety hahitan-doza ara-pahasalamana ny fihinanana be loatra vitaminina hitsaboana aretina sasany. Mety hisakana ny fandraisan’ny vatana otrikaina mahavelona hafa izany na hisakana ny fiasan’ireny otrikaina ireny, ary mety hiteraka vokany hafa lehibe koa. Tsy tokony hodian-tsy hita izany, mbamin’ny tsy fisian’ny porofo mafy orina milaza ny amin’ny hoe mety ny mihinana vitaminina amin’ny fatrany betsaka.

Ny hômeôpatia

Nivoatra tsikelikely nandritra ireo taona 1700 ny hômeôpatia, ka lasa fomba fitsaboana tsy misy vokany manimba firy sy malefaka kokoa noho ireo fampiasan’ny maro tamin’izany fotoana izany. Ny hômeôpatia dia miorina amin’ilay foto-pitsipika hoe “izay mitovy aminy ihany no manasitrana azy”, sy amin’ny teorian’ny fatra faran’izay kely. Ny fomba fanamboarana ny fanafody hômeôpatika dia amin’ny fanatsatsoana imbetsaka ny zavatra mahasitrana — indraindray aza imbetsaka loatra, hany ka tsy misy tavela intsony na môlekiola iray aza amin’ilay zavatra tany am-boalohany.

Na izany aza, rehefa ampitahaina amin’ny fanafody tsy mandaitra fa natao hampandriana saina fotsiny ny fanafody hômeôpatika, dia hita fa misy heriny ihany hitsaboana aretina toy ny sohika, ny tsy fahazakana zavatra ary ny aretim-pivalanana eo amin’ny ankizy. Heverina fa tena azo antoka ny fanafody hômeôpatika, satria notsatsoina be. Nisy lahatsoratra navoaka tao amin’ny JAMA tamin’ny 4 Martsa 1998 nanamarika toy izao: “Ho an’ny marary maro voan’ny aretina mitaiza izay tsy fantatra marina hoe inona, dia mety ho fitsaboana tsara sy mahasoa azo fidina ny hômeôpatia. Raha ampiasaina tsy mihoatra ny fetrany ny hômeôpatia, dia mety ho famenon’ny fitsaboana maoderina, ho toy ny fitsaboana ‘iray hafa azo fidina’.” Raha misy tarehin-javatra mety hilana vonjy aina anefa, dia mety ho fahendrena kokoa ny mampiasa fitsaboana mahazatra.

Ny fitsaboana mifandray amin’ny rafi-pitatitra

Misy fomba fitsaboana hafa maromaro ikasihana ny vatana. Anisan’ny be mpampiasa indrindra ny fitsaboana mifandray amin’ny rafi-pitatitra, indrindra fa any Etazonia. Izy io dia miorina amin’ilay hevitra hoe afaka ho sitrana ny tena rehefa voahitsy ny hazondamosina mivilana. Izany no antony ifantohan’ny dokotera mampiasa io fomba fitsaboana io amin’ny fikasihana ny hazondamosina mba hanitsiana ny taolan’ny hazondamosin’ny marariny.

Tsy afaka mitondra fanamaivanana amin’ny maharary ao amin’ny tapany ambany amin’ny lamosina foana ny fitsaboana mahazatra. Etsy an-danin’izany, ny marary sasany izay notsaboina tamin’ny alalan’ny fitsaboana mifandray amin’ny rafi-pitatitra dia milaza fa tena afa-po. Tsy misy firy ny porofo ny amin’ny hoe nampiasaina hitsaboana aretina hafa ankoatra ny fanaintainana izy io.

Tsara homarihina fa faran’izay mahalana ny fitrangan’ny vokany hafa ateraky ny fitsaboana mifandray amin’ny rafi-pitatitra, raha dokotera tena mahay no manao azy. Na izany aza, dia tokony ho fantatra koa fa ny fikasihana ny hatoka dia misy fifandraisany amin’ny mety hisehoan’ny aretina hafa lehibe, anisan’izany ny mety hahatapaka lalan-dra sy hampahalemy. Mba hampihenana ny mety hisehoan’ny aretina hafa, dia mampirisika ny hanaovan’ny olona iray fizaham-pahasalamana feno ny manam-pahaizana sasany, mba hahitana raha tsy hitera-doza aminy ny fikasihana faritra iray voafaritra tsara.

Ny otra

Nekena efa hatramin’ny ela saika tao amin’ny kolontsaina rehetra fa andraisan-tsoa ny otra. Voalaza ao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny fampiasana azy io. (Estera 2:12, NW ). “Manana anjara toerana lehibe ao amin’ny fikarakarana ara-pahasalamana nentim-paharazana sinoa sy karàna ny teknikam-panorana”, hoy ny fanamarihan’ny gazetiboky British Medical Journal (BMJ ) tamin’ny 6 Novambra 1999. “Narafitra teo am-piandohan’ny taonjato faha-19 ny fomba fanorana eoropeanina. I Per Henrik Ling no nanao izany sady nampivoatra ilay fantatra ankehitriny hoe fomba fanorana soedoà.”

Heverina fa manalefaka ny hozatra ny otra, sy manatsara ny fikorianan’ny ra ary manaisotra ny poizina niangona tao amin’ireo tambatsela. Ankehitriny, dia misy dokotera mampirisika ny hiorana mba hitsaboana aretina toy ny fanaintainan’ny lamosina, ny aretin’andoha, ary ny tsy fahalevonan-kanina. Ny ankamaroan’ny olona nahazo otra dia milaza fa tena mahatonga azy ireo hahatsapa ho maivamaivana tokoa ilay izy. Araka ny voalazan’ny Dr. Sandra McLanahan, dia “mifandray amin’ny fihenjanana ny valopolo isan-jaton’ny aretina, ary ny otra dia mampihena fihenjanana”.

“Tsy misy voka-dratsiny firy ny ankamaroan’ny teknikam-panorana”, hoy ny tatitra nataon’ny BMJ. “Amin’ny ankapobeny, dia ny fahaiza-mitsara zavatra no ahalalana izay tsy tokony horina (ohatra, tsy tokony hokosehina ny faritra may, na horina ny rantsambatana misy ra mivaingana ao amin’ny lalan-dra lalina) (...) Tsy voaporofo ny hoe vao mainka mampitatra ny kansera ny otra.”

“Rehefa mihabe mpampiasa ny otra, dia mihamanahy koa ny olona mila otra ny amin’ny fahaizan’ny mpanotra iray, ary tokony hanahy ny amin’izany tokoa izy”, hoy ny fanamarihan’i E. Houston LeBrun, prezidà teo aloha tao amin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Otra ho Fitsaboana. Ny BMJ dia nanoro hevitra ny amin’ny “tokony hanaovan’ny marary izay hahazoany antoka fa mpanotra voasoratra anarana ao amin’ny fikambanana ara-dalàna no manotra azy”, mba tsy ho tojo mpanotra tsy matihanina izy. Nisy tatitra tamin’ny taon-dasa nanamarika fa fanjakana 28 any Etazonia no nahitana mpanotra manana fahazoan-dalana.

Ny tsindrona volamena

Ny tsindrona volamena dia teknikam-pitsaboana izay nanjary tena be mpampiasa maneran-tany. Na dia teknikam-pitsaboana maromaro aza no voafaoka ao amin’ny hoe “tsindrona volamena”, izy io dia mahafaoka indrindra indrindra ny fampiasana fanjaitra manify ampidirina ao amin’ny faritra voafaritra tsara amin’ny vatana, mba hahazoana fahasitranana. Ny fikarohana natao nandritra ireo am-polony taona faramparany dia toa manondro fa mety handaitra ny tsindrona volamena hitsaboana aretina sasany, satria manao izay hamoahana ao amin’ny atidoha zavatra simika, toy ny endorphines, izay manampy mba hanamaivanana ny fanaintainana sy izay mamaivay.

Misy fikarohana toa manondro fa mety handaitra hitsaboana aretina maro dia maro ny tsindrona volamena, ary fomba hafa azo antoka azo asolo ny fanafody fanatoranana na manadonto. Manaiky ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa ampiasaina amin’ny fitsaboana aretina 104 ny tsindrona volamena. Ary nanonona porofo ny komity iray nofantenan’ireo Ivon-toeram-pirenena Amerikanina Momba ny Fahasalamana fa ny tsindrona volamena dia fitsaboana azo ekena eo amin’ny fitsaboana ny fanaintainana aorian’ny fandidiana, ny fanaintainan’ny hozatra, ny fivonkinan-kozatra rehefa tonga fotoana, ary ny fisaleboleboana sy ny fandoavana vokatry ny fitsaboana simika na ny fitondrana vohoka.

Na dia mahalana aza vao miteraka vokany hafa lehibe ny tsindrona volamena, dia misy ihany olona mety hahatsiaro marary, donto, na mangorintsina. Mety ho faran’izay kely ny hidiran’ny otrikaretina rehefa diovina tsara ny fanjaitra, na fanjaitra fanary no ampiasaina. Maro amin’ireo dokotera mpanao tsindrona volamena no tsy manana ny fahaizana ara-pitsaboana ilaina mba hamantarana marina tsara izay aretina mahazo, na mba hanoroana hevitra ny amin’ny hanarahana fitsaboana hafa mety kokoa. Tsy ho fahendrena ny hody tsy hahafantatra izany, indrindra raha tsindrona volamena no fitsaboana nofidina mba hanamaivanana ny soritr’aretina mitaiza.

Be dia be ny azo fidina

Ireo voalaza ireo dia santionany fotsiny amin’ireo fitsaboana maro izay mahazatra ny miantso azy ankehitriny any amin’ny tany sasany hoe fomba fitsaboana hafa. Amin’ny hoavy, dia tena mety hoheverina ho fitsaboana mahazatra ny sasany amin’izy ireo, ary koa ny hafa izay tsy voaresaka teto, na dia efa toy izany aza izy ireo any amin’ny faritra sasany eto an-tany. Mazava ho azy fa mety tsy hampiasaina intsony ny hafa, na ho ratsy laza mihitsy aza.

Mampalahelo fa tandra vadin-koditra amin’ny olombelona ny fanaintainana sy ny aretina, tsy misy hafa amin’izao ambaran’ny Baiboly araka ny marina izao: “Fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny”. (Romana 8:22). Azo ampoizina tsotra izao ny hitadiavan’ny olombelona fanamaivanana. Aiza anefa no azontsika itodihana? Diniho ange ny fanamarihana sasany izay mety hanampy anao eo amin’ny fifidianana fomba fitsaboana e!

[Efajoro/Sary, pejy 8]

Fampiarahana ny Raokandro Amin’ny Fanafodin’ny Dokotera — INONA AVY NO LOZA METY HOENTIN’IZANY?

Matetika ny besinimaro no nampitandremana ny amin’ny fampiasana miaraka fanafody sasany avy amin’ny dokotera, na ny fampiarahana fanafody toy izany sy ny fisotro misy alkaola. Mampidi-doza koa ve ny fampiarahana ny raokandro sasany amin’ny fanafodin’ny dokotera? Fahita ve izany fanao izany?

Nisy lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky The Journal of the American Medical Association niresaka momba ny “fampiasana miaraka ny fanafodin’ny dokotera sy ny raokandro”. Izao no nomarihiny: “Tamin’ireo olon-dehibe 44% izay nilaza fa nihinana tsy tapaka fanafodin’ny dokotera, dia efa ho 1 (18,4%) amin’ny 5 no nilaza fa nampiasa koa raokandro 1, vitaminina mahery 1, fara fahakeliny, na izy roa miaraka.” Zava-dehibe ny hahazoana fahalalana tsara momba ny loza mety hoentin’ny fanao toy izany.

Ireo izay mampiasa raokandro sasany dia tokony hanahy koa rehefa manaraka fitsaboana mitaky fanatoranana. Hoy ny fanazavan’ny Dr. John Neeld, prezidàn’ny Fikambanana Amerikanin’ireo Mpanao Fanatoranana: “Misy fitantarana milaza fa mampiovaova be ny tosidra ny raokandro sasany be mpampiasa, anisan’izany ny ginseng sy ny St. John’s wort. Mety hampidi-doza be izany mandritra ny fanatoranana.”

Hoy ihany io dokotera io: “Ny zavamaniry hafa, toy ny ginkgo sy ny sakamalao ary ny feverfew, dia afaka misakana ny ra tsy hivaingana. Tena mampidi-doza izany mandritra ny fotoana iasan’ny tsindrona manadonto ny tapany ambany amin’ny hazondamosina — raha misy mandeha ra mantsy eo akaikin’ny tsokan-damosina, dia mety hampahalemy izany. Afaka mampitombo ny herin’ny fanafody sasany mahadomelina na mahatorana koa ny St. John’s wort.”

Mazava àry fa iankinan’ny aina ny hahalalana momba ny loza mety hoentin’ny fampiarahana raokandro toy izao na izao amin’ny fanafodin’ny dokotera. Ny vehivavy bevohoka sy mampinono indrindra indrindra no tokony hahalala izay voka-dratsy mety hisy sy mety hahavoa ny zanany, vokatry ny nampiarahana ny raokandro sasany tamin’ny fanafodin’ny dokotera. Ampirisihina àry ny marary mba hilaza amin’ny dokoterany hoe fanafody inona avy no haniny, na avy tamin’ny fomba fitsaboana hafa izany na tsia.

[Sary, pejy 7]

Nahasoa ny zavamaniry sasany teo amin’ny fitsaboana aretina

“Black cohosh”

“Saint-John’s-wort”

[Sary nahazoan-dalana]

© Bill Johnson/Visuals Unlimited

[Sary, pejy 7]

Mba hahazoana vokatra tsara indrindra, dia mila miara-miasa ny marary sy ny matihanina momba ny fahasalamana