Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonjy Aina Nanaitra Mafy

Vonjy Aina Nanaitra Mafy

Vonjy Aina Nanaitra Mafy

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY BÉNIN

“TSY velona izy telo lahy ireo raha tsy novonjen’ny Vavolombelon’i Jehovah!” Izany no vaovao niparitaka toy ny doro tanety nanerana ny tanànan’i Calavi, any Bénin, firenena iray atsy Afrika Andrefana, tamin’ny alarobia 19 Aprily 2000. Iza moa ireo lehilahy telo ary inona no nidiran’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny famonjena ny ain’izy ireo?

Tokony ho tamin’ny 6.30 maraina, i Philippe Elegbe sy i Roger Kounougbe dia niomana mba hiasa teo amin’ny tany fanaovana fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo akaikin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Bénin. Tamin’io takariva io dia hisy olona an-jatony maro hivory eo noho ny Fahatsiarovana isan-taona ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. * Nisy zavatra nipoaka tampoka nankarenin-tsofina nanimba ny filaminan’ny maraina. Takatr’i Philippe sy i Roger avy hatrany fa nisy lozam-pifamoivoizana nitranga teo amin’ilay lalam-be.

Tsy ela taorian’izay izy ireo dia nandre lehilahy iray nikiakiaka hoe: “Tototra ao ambanin’ireo kitapon-tsimenitra ireo izy telo lahy mpanampy ahy!” Nihazakazaka nankeny amin’ny lalam-be i Philippe sy i Roger. Nahita kamiao 20 taonina nivadika teo izy ireo. Nikodia avy tao amin’ilay kamiao ny kitapo maro feno simenitra.

Efa teo an-toerana koa i Josué Didolanvi, anisan’ny mpiasa teo amin’ny tany fanaovana fivoriambe, ary teo am-pisintonana lehilahy iray hivoaka avy teo anelanelan’ny lohan’ilay kamiao sy ireo kitapon-tsimenitra. Mbola taitra be ilay mpamily izay namoaka ny tenany avy tao anatin’ny lohan’ilay kamiao. Nanangona ny heriny anefa izy ka niantsoantso hoe: “Mbola misy olona roa ao ambanin’ny kitapon-tsimenitra ao!” Nanomboka nanala ireo kitapo ny mpitazana sasany, nefa tsy ela dia kivy izy ireo, noho ny hafanana be. Vao nivoaka avy tao anaty lafaoron’ny ozinina ireo simenitra!

Tonga hamonjy

Nanomboka niasa mafy teo amin’ireo antontan-kitapon-tsimenitra i Philippe sy i Roger ary i Josué, nanala azy ireny tsirairay. Nanaintaina be ny tanan’izy ireo noho ny hafanana sy ny lanjan’ireo kitapo 50 kilao. Mbola nanampy trotraka ny raharaha ny fisian’ny simenitra nivoaka avy tao amin’ireo kitapo vaky, nampitsovaka ny rantsantanan’izy ireo ary nahatonga ny fisefoana ho sarotra. “May ny tanako, indrindra fa ny rantsantanako”, hoy i Josué tatỳ aoriana. “Nefa nieritreritra foana aho hoe mbola mety hisy fahafahana hamonjy izay mety ho olona ao ambany ao”.

Rehefa avy nanala kitapo 40 teo ho eo izy telo mirahalahy, dia nahita tsihy iray. Gaga be izy ireo nahita fa tao ambanin’ilay tsihy ireo lehilahy roa. Mbola velona izy ireo! Rehefa nitranga ilay loza, dia tao aoriana tamin’ilay kamiao izy ireo, natory teo ambonin’ilay tsihy, izay nandrakotra ireo kitapon-tsimenitra. Rehefa tafapitika avy tao amin’ilay kamiao izy ireo, dia nianjera teo ambonin’izy ireo ilay tsihy, ka niaro azy ireo tamin’ny hafanana mandoron’ireo kitapon-tsimenitra nanototra azy.

Nisy vahoaka be mpitazana niangona teo nandritra ilay famonjena aina sy taorian’izany. Talanjona ny rehetra nahita an’i Philippe sy i Roger ary i Josué afaka nanala haingana aoka izany ny antontan-tsimenitra roa taonina, sady tao anatin’izany tarehin-javatra ratsy izany. Niaiky volana koa izy ireo hoe nahavita nanao zavatra toy izany ireo lehilahy telo ireo mba hanampiana olona izay tsy fantany akory. Tsy ela ny rehetra tao Calavi dia toa nahafantatra ny ezaka feno herim-po nataon’izy ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ho fankatoavana ny didin’i Jesosy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mankalaza an’io fahatsiarovana masina io isan-taona. — Lioka 22:19.

[Sary, pejy 13]

Roger mihazona ilay tsihy, taorian’ilay famonjena aina