Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manome Fiainana Mandrakizay ve ny Siansa?

Afaka Manome Fiainana Mandrakizay ve ny Siansa?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Afaka Manome Fiainana Mandrakizay ve ny Siansa?

TOA adaladala ny fanontaniana toy izany, taona maro lasa izay. Misy olona mandinika lalina ilay fahafahan’ny siansa hanao izany anefa amin’izao fotoana izao. Efa afaka nampitombo ho avo roa heny ny faharetan’ny fiainan’ny lalitra sy ny kankana ny mpahay siansa, noho ny fampiasana teknika izay heverin’ny sasany ho mety ho azo ampiharina amin’ny olombelona.

Mety maty ny sela ara-dalàn’ny olombelona, araka ny nasehon’ny fikarohana, ka voafetra ny hoe impiry izy ireo no mizarazara. Mitsahatra tsy mizarazara intsony izy ireo aorian’izay. Nampitahaina tamin’ny famantaranandro ao anatin’ny vatana izany fizotran-javatra izany. Fehezin’ilay famantaranandro ny fotoana hoe rahoviana ny olona no mihantitra sy maty. Miasa mba hanitsiana io famantaranandro io izao ireo mpahay siansa.

Teoria iray fatra-piely ny hoe ao amin’ny faritra iray antsoina hoe telômera, eo amin’ny tendron’ny kofehin’ADN tsirairay, no ahafantarana ny antony mahatonga ny olona hihantitra. Ireo telômera dia nampitahaina tamin’ny fonony plastika eo amin’ny lohan’ny tadin-kiraro, natao hisakanana ilay tady tsy hivaha. Voamarik’ireo mpahay siansa fa mihafohy toy ny lahin-jiro mirehitra ireo telômera isaky ny misy sela mizarazara. Amin’ny farany, dia toa fohy loatra ireo telômera ka mitsahatra tsy mizarazara intsony ireo sela. Manjary tsy mihafohy anefa ireo telômera raha misy anzima sasany. Izany dia afaka manome fahafahana an’ireo sela hanohy hizarazara tsy misy farany, araka io teoria io. Hoy ny tompon’andraikitry ny orinasa iray tafiditra amin’io asa io: “Izao no fotoana voalohany ahafahanay mieritreritra ny amin’ny tsy fahafatesan’ny olombelona.” Tsy ny mpahay siansa rehetra anefa no manaiky izany.

Ny nahatonga ny fahafatesana

Mazava ho azy fa efa nino ny fahafahan’ny olombelona hiaina mandrakizay, ny olona mino ny Baiboly, efa nandritra ny an’arivony taona maro. Tsy ny olombelona mpahay siansa no itokisan’izy ireo fa ilay Mpahay Siansa Faran’izay Mahay, namorona ny zavamiaina rehetra, dia i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 104:24, 25.

Asehon’ny Baiboly fa tsy anisan’ny fikasan’ilay Mpamorona ny hahafaty ny olombelona. Noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra ilay mpivady olombelona voalohany, ary napetraka tao amin’ny zaridaina paradisa iray. Lavorary izy ireo, tsy nisy kilema ara-tsaina na ara-batana. Nanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay teto an-tany àry izy ireo. Izany no fanirian’Andriamanitra ho azy ireo. Nanome toromarika azy ireo izy mba hiteraka sy hanitatra tsikelikely ny Paradisa haneran-tany. — Genesisy 1:27, 28; 2:8, 9, 15.

Araka ny asehon’ny Genesisy toko faha-3, dia ninia nikomy tamin’Andriamanitra i Adama, na dia fantany aza fa ny fahafatesana no ho saziny. Ankoatra izany, dia nitondra ota sy fahafatesana ho an’ny taranany mbola tsy teraka izy, noho izy tsy nankatò. Nohazavain’ny apostoly Paoly toy izao izany: “[Niditra] ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (Romana 5:12). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy lavorary intsony ny vatan’i Adama satria nanota izy. Nihantitra tsikelikely izy, ary maty. Nandova an’io tsy fahalavorariana io ny taranany.

Noho ny fikomian’i Adama sy ny fanamelohan’Andriamanitra taorian’izay, araka izany, no nahatonga ny fahafatesan’olombelona. Tsy afaka ny hanova io fanamelohana io ny olombelona. Na dia nanao fandrosoana ara-pitsaboana maro aza ny siansa, dia mbola marina foana ny tenin’i Mosesy ara-tsindrimandry, nosoratana 3 500 taona lasa izay, manao hoe: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” — Salamo 90:10.

Fandaharan’i Jehovah hahazoana fiainana mandrakizay

Soa ihany fa misy fanantenana! Na dia maty aza ny olombelona amin’ny farany ankehitriny, dia tsy fikasan’i Jehovah ny hitohizan’izany tarehin-javatra izany tsy misy farany. Na dia mendrika ny ho faty aza i Adama sy i Eva, dia fantatr’Andriamanitra fa hisy maro be amin’ny taranany mbola tsy teraka haneho fihetsika tsara sy fankasitrahana manoloana ny fitarihany feno fitiavana. Ho an’ireny olona ireny no nanaovany fandaharana hahazoana fiainana tsy manam-petra eto an-tany. Nanoratra ilay mpanao salamo hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). Ahoana anefa no hahatanterahan’izany?

Tsy noho ny fahitan’ny olombelona ny misterin’ny ADN akory no hahatonga ny fiainana mandrakizay, fa fanomezana hataon’i Jehovah ho an’ireo maneho finoana azy kosa. Nekeny fa mila famonjena ny taranak’i Adama sy i Eva, ka noho izany dia nanome fitaovana hahafahan’izy ireo hahazo fiainana mandrakizay izy, dia ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Niresaka momba io fandaharana io i Jesosy, rehefa nilaza hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” — Jaona 3:16.

Olombelona lavorary i Jesosy, toa an’i Adama. Nankatò tanteraka an’Andriamanitra anefa i Jesosy, tsy toa an’i Adama. Noho izany, dia afaka nanao sorona ny ain’olombelona lavorary nananany i Jesosy, mba hanonerana ny fahotan’i Adama. Noho io asa feno fitiavana io, izay nampifandanja ny mizanan’ny fahamarinana, dia azo atao ny manafaka ny taranak’i Adama amin’ny fanamelohana ho faty. Vokatr’izany, dia hahazo ny fanomezan’Andriamanitra fiainana mandrakizay izay rehetra maneho finoana an’i Jesosy. — Romana 5:18, 19; 1 Timoty 2:5, 6.

Tsy hisy ilana ny avotra, raha mandresy ny tsy fahalavorariana sy manome ny fiainana mandrakizay ho an’ny tenany, ny olombelona. Manome torohevitra feno fahendrena toy izao ny Baiboly: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany. Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay”. — Salamo 146:3-6.

Ny fiainana mandrakizay dia tsy ho avy amin’ny fikarohana siantifika, fa ho avy amin’i Jehovah kosa. Ny zava-drehetra kasain’Andriamanitra hatao dia azony tanterahina sady hotanterahiny. “Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra.” — Lioka 1:37.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

© Charles Orrico/SuperStock, Inc.