Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Mpitory Kilemaina Tsy tanako ny ranomasoko rehefa namaky ny tantaran’i Konstantin Morozov aho, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Sambatra na dia Kilemaina Aza”. (8 Martsa 2000). Reny mitaiza irery ny zanako roa aho. Tsy mora izany, ary indraindray ny zava-manahirana ahy dia toa tsy ho tapitra mihitsy. Tsy misy dikany anefa izy ireny raha oharina amin’izay tsy maintsy zakain’i Konstantin!

I., Rosia

Mpitory ny filazantsara manontolo andro aho. Mihasimba ny temimasoko (rétine), ary tena sarotra amiko ny mamaky teny. Olona tia namaky boky be foana aho, ary indraindray dia diso fanantenana sy ketraka. Rehefa mieritreritra ny amin’i Konstantin aho, dia mihevitra fa tsy tokony hitaraina na oviana na oviana. Nandresy sakana toy ny tendrombohitra izy ary manompo amin’ny maha mpitory ny filazantsara manontolo andro. Izany ka hery omen’i Jehovah!

W. W., Inde

Nanjary nalemy nanomboka teo amin’ny andilako no ho midina aho, fony aho 16 taona. Toa an’i Konstantin, dia sarotra ny fiainako isan’andro. Nasehon’ilay lahatsoratra anefa fa afaka manana ny toerany ao anatin’ny fiaraha-monina sy mandray anjara amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ny olona kilemaina. Na dia tsy mandre tsara aza aho ary tsy tena mahita tsara, dia mitory irery matetika eny amin’ny arabe aho, mipetraka eo amin’ny sezakely iray na miankin-drindrina. Midera an’i Konstantin aho noho ny zotom-pony sy ny fandavan-tenany.

D. F., Côte d’Ivoire

Fanandevozana Maoderina Misy filazana toy izao ao amin’ireo fitohitohizan-dahatsoratra manohina ny fo hoe “Fanandevozana Maoderina — Hifarana Tsy ho Ela” (8 Martsa 2000): “Tsy misy afaka ny ho Kristianina marina no sady handray anjara amin’ny fanambakana tsy misy antra, sy ny famoretana ny mpiara-belona aminy na iza na iza.” Hatraiza no fetran’ny zavatra tsy maintsy ataon’ny Kristianina mba hanalavirana an’io fanao mamoafady io? Atỳ amin’ny tany Tandrefana dia saika tsy azo atao ny mahita zavatra tsy namboarina tamin’ny fomba mampisalasala.

K. H., Etazonia

Ilay lahatsoratra dia niresaka ny fanambakana olona mivantana ataon’ireo mpampiasa sy ny hafa. Tsy te hilaza akory izahay hoe tsy maintsy mandany fotoana be dia be ny Kristianina iray mba hikarohana ny fomba nanaovana ny zavatra rehetra vidiny. Rehefa fantatra kosa anefa fa vokatry ny asan’olona nandevozina ilay izy, dia tsy maintsy manao fanapahan-kevitra manokana ny Kristianina iray hoe hividy an’io zavatra io izy sa tsia. Amin’io raharaha io, toy ny amin’ny raharaha rehetra, ny Kristianina iray dia maniry ny hihazona feon’ny fieritreretana tsara eo imason’Andriamanitra. (1 Petera 3:16). — MPAMPANONTA.

Ankizivavy 16 taona aho, ary nampihetsi-po ahy ilay lahatsoratrareo. Misy tovovavy vitsivitsy fantatro ianjadian’ny fanandevozana maoderina. Miasa mafy be izy ireo ao amin’ireo fianakaviana ipetrahany, nefa tsy alefa mianatra, na mba anehoana firaiketam-po. Nahatsiaro ho maivamaivana mihitsy aho rehefa namaky tao amin’ny Baiboly fa tsy ho ela i Jehovah dia hanafaka an’ireo ampahorina.

A. O., Burkina Faso

Taonjato Faha-20 Arahabaina ianareo noho ny asa ataonareo, izay sady ahalalan-javatra no manome fanabeazana. Mpampita vaovao ara-politika sy ara-tafika aho, ka mitsikera foana ny lahatsoratra vakiko. Tsy manam-paharoa anefa ilay andian-dahatsoratra hoe “Ny Taonjato Faha-20 — Fotoam-piovana Tena Lehibe”. (8 Desambra 1999). Nampiseho tsara ireo fisehoan-javatra lehibe indrindra tamin’ity taonjato ity ny sary teo amin’ny fonony.

A. P., Angola

Fialana Amin’ny Sigara Nandevozin’ny sigara, marijuana, toaka, ary kôkainina, aho, fa vao haingana kely no afaka. Nanandrana niala imbetsaka aho, fa tsy nahomby. Hatramin’ny nanombohako niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nanombohako nahatsapa fa misy vidiny aho. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia tsy nampiasa zava-mahadomelina na nifoka intsony aho nanomboka tamin’ny Janoary. Mampijaly ahy ilay fahatsapako ho tsy metimety vokatry ny fialako. Tsy matory tsara aho, nanomboka tamin’ny Janoary. Ilay nomeraon’ny 8 Aprily 2000, misy ilay lahatsoratra hoe “Fomba Ahafahana Amin’ny Sigara”, dia nanampy ahy hahita fa fahatsapana ho tsy metimety vokatry ny fialana no mahatonga ahy tsy hahita tory firy, ary tsy hoe lasa adala akory aho! Misaotra indrindra.

D. M., Etazonia