Fiadiana Amin’ny Aretin’ny Prostaty
Fiadiana Amin’ny Aretin’ny Prostaty
“Nanomboka nipipỳ matetika aho, fony aho 54 taona, ka indraindray isaky ny antsasak’adiny. Nahatonga ahy hanatona dokotera io soritr’aretina io, ary hitako fa nilaina hesorina ny prostatiko.” Fahita ny toy izany any amin’ireo toeram-pitsaboana prostaty maneran-tany. Inona no azon’ny lehilahy atao mba hisorohana ny aretin’ny prostaty? Rahoviana izy no tokony hitady torohevitry ny dokotera?
NY PROSTATY dia fihary iray manana endrika voam-paiso, hita eo ambanin’ny tatavia, ary manodidina ny fantson’amany. (Jereo ny sarin’ny faritry ny maojan’ny lehilahy.) Ho an’ny lehilahy lehibe ara-dalàna iray, dia milanja 20 grama izy io, ary raha be indrindra, dia mirefy 4 santimetatra raha misompirana, 3 santimetatra raha mitsangana, 2 santimetatra raha mitsivalana. Ny asany dia mamokatra tsiranoka izay mahaforona ny sahabo ho 30 isan-jaton’ny ranonaina. Angamba manatsara ny fahafahan’ny tsirilahy milomano sy mamokatra io tsiranoka io, izay misy asidra sitirika sy kalsiôma ary anzima. Ankoatra izany, ilay tsiranoka foronin’ny prostaty dia misy metaly zinc, izay eritreretin’ny mpahay siansa ho miaro ny taovam-pananahana amin’ny otrikaretina.
Famantarana ny prostaty marary
Mifandray amin’ny firehetana na fivontosan’ny prostaty ny ankamaroan’ny soritr’aretina ao amin’ny maojan’ny lehilahy. Ny prostatite, izay tsy inona fa firehetan’ny prostaty, dia mety hahatonga fanaviana, fahatsapana ho mangirifiry rehefa mipipỳ, ary fanaintainana eo amin’ny taolam-pitombenana na ny tatavia. Mety hanakana ilay marary
tsy hipipỳ ny prostaty rehefa mivonto be. Raha avy amin’ny bakteria ilay firehetana, dia antsoina hoe prostatite avy amin’ny bakteria ilay aretina, ary mety ho aretina mandalo izy io na mitaiza. Matetika izy io no ampifandraisina amin’ny fahararian’ny taovam-pamaniana. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, dia tsy hita ny anton’ilay firehetana, ary izany no antony iantsoana azy hoe prostatite tsy avy amin’ny bakteria.Aretin’ny prostaty fahita matetika ireto manaraka ireto: te hipipỳ matetika kokoa, mipipỳ mandritra ny alina, mihena ny herin’ny fandehan’ny pipỳ, mahatsapa ho mbola toa te hipipỳ na dia efa nanao aza. Matetika ireo soritr’aretina ireo no midika ho fivontosan’ny prostaty mbola tsy kansera, izay mety hahazo ny lehilahy 40 taona no ho miakatra. Mitombo arakaraka ny fitombon’ny taona ny fitrangan’izy io. Voan’izy io ny 25 isan-jaton’ny lehilahy 55 taona, ary ny 50 isan-jaton’ny lehilahy 75 taona.
Mety hisy fivontosana efa kansera koa ny prostaty. Amin’ny ankapobeny, dia hita amin’ny fitsirihana mahazatra ny kanseran’ny prostaty, na dia tsy misy soritr’aretin’ny prostaty aza. Rehefa mihombo kokoa ilay aretina, dia mety hitohana tsy hipipỳ ilay olona, ary hivonto ny tataviany. Raha niparitaka tany amin’ny taova hafa ilay kansera, dia mety harary ny lamosina, hisy soritr’aretina mahakasika ny atidoha, hivonto ny ranjo satria tsentsina ny système lymphatique. Tamin’ny taona iray vao haingana, i Etazonia fotsiny dia nanao tatitra fa nisy 300 000 ny olona vao voan’ny kanseran’ny prostaty, ary 41 000 no maty noho izy io. Mihevitra ny mpahay siansa fa ho voan’ny kanseran’ny prostaty ny 30 isan-jaton’ny lehilahy eo anelanelan’ny 60 sy 69 taona, ary ny 67 isan-jaton’ny eo anelanelan’ny 80 sy 89 taona.
Iza no azo inoana kokoa ho voan’izy io?
Asehon’ny fikarohana fa mitombo haingana ny mety hahavoan’ny kanseran’ny prostaty ny olona iray, aorian’ny faha-50 taonany. Fahita avo roa heny eo amin’ny lehilahy mainty hoditra noho ny eo amin’ny lehilahy fotsy hoditra io kansera io, any Etazonia. Miovaova ny isan’ny voan’io aretina io maneran-tany: betsaka any Amerika Avaratra sy ny tany eoropeanina,
antonony any Amerika Atsimo, ary vitsy any Azia. Toa milaza izany fa manana anjara lehibe eo amin’ny fitomboan’ny kanseran’ny prostaty ny fahasamihafan’ny tontolo iainana sy ny sakafo. Mety ho voa kokoa ny lehilahy iray mifindra any amin’ny tany isian’ny olona betsaka kokoa voan’izy io.Mety ho voan’ny kanseran’ny prostaty kokoa ny lehilahy manan-kavana voan’izy io. “Avo roa heny ny mety hahavoan’io aretina io ny lehilahy iray, raha manana ray na rahalahy voan’ny kanseran’ny prostaty izy”, hoy ny nohazavain’ny Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Kansera. Zavatra hafa mety hahavoa koa ny taona, ny firazanana, ny firenena niaviana, ireo aretina efa nahazo ny mpianakavy, ny sakafo, ary ny tsy fanaovana asa vatana. Mety ho voan’ilay kansera kokoa ireo lehilahy mihinana sakafo matavy sy ireo mipetra-dava.
Fisorohana ny aretin’ny prostaty
Na dia tsy fantatry ny mpahay siansa mazava aza izay mahatonga ny kanseran’ny prostaty, dia mihevitra izy ireo fa mety ho fototarazo sy hormonina no mahatonga azy io. Soa ihany fa azontsika fehezina ny zavatra roa mety hahatonga azy io, dia ny sakafo sy ny tsy fanaovana asa vatana. Ny Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Kansera dia manoro hevitra ny amin’ny tokony “hamerana ny fihinanana sakafo matavy be avy amin’ny biby, sy ny hifidianana ny ankamaroan’ny sakafo hohaninao avy amin’ny zavamaniry”. Anoroany hevitra koa ny hihinanana “voankazo sy legioma indimy na mihoatra, isan’andro”, ary koa mofo dipaina, voamadinika, paty, zavatra hafa vita avy amin’ny voan-javatra, vary, ary tsaramaso. Ny voatabiha sy ny voasary hangibe ary ny pasteky dia be likôpena, izay manampy mba hisorohana ny fahasimban’ny ADN, ary mety hanampy mba hampihena ny mety hahavoan’ny kanseran’ny prostaty ny olona iray. Lazain’ny manam-pahaizana sasany koa fa mety hanampy ny tambavy sy ny mineraly sasany.
Ny Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Kansera sy ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Taovam-pamaniana sy ny Taovam-pananahana dia mihevitra fa afaka mamonjy aina ny fitsirihana kanseran’ny prostaty. Tena azo inoana hahomby ny fitsaboana rehefa hita aloha be ilay kansera. Manoro hevitra ny Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Kansera fa tokony hizaha fahasalamana isan-taona ny lehilahy maherin’ny 50 taona, sy ireo maherin’ny 45 taona amin’ireo olona tena mety ho voany. *
Tokony ho tafiditra amin’ilay fizahana atao ny fitsirihana ny antigène alefan’ny prostaty ao amin’ny ra. Io antigène io dia proteinina foronin’ireo selan’ny prostaty. Mitombo ny fatran’izy io rehefa marary ny prostaty. “Raha tsy ara-dalàna ny fatran’ilay antigène ao amin’ny ranao, dia manontania dokotera mba hiresahana ny mety hahavoan’ny kansera anao sy ny hilana hanaovana fitsirihana fanampiny”, hoy ny Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Kansera. Tokony ho anisan’ilay fizahana atao koa ny fitsapana ny tsinaimbody amin’ny rantsantanana. Avy eo amin’ny tsinaimbodin’ilay marary, dia azon’ny dokotera tsapaina izay faritra tsy ara-dalàna rehetra eo amin’ny prostaty, satria manatrika ny tsinaimbody ny prostaty. (Jereo ny sarin’ny faritry ny maojan’ny lehilahy, eo amin’ny pejy faha-20.) Ilaina ny hanaovana fitsirihana ny tsinaimbody amin’ny alalan’ny feo tsy re tsaika (ultrason), “raha misy zavatra tsy ara-dalàna hita tamin’ny fitsirihana ny antigène sy ny fitsapana ny tsinaimbody amin’ny rantsantanana”, ary mila manapa-kevitra ny dokotera raha tokony hanolo-kevitra ny hakana sombiny kely amin’ny prostaty izy na tsia, mba hanaovana fandinihana. Maka 20 minitra eo ho eo io fitsirihana io.
Ny fandinihana isan-taona ny taovam-pamaniana sy ny taovam-pananahan’ny lehilahy dia tsy vitan’ny hoe ahafahana mitily kanseran’ny prostaty, fa ahafahana mahita aloha be koa ny fivontosan’ny prostaty mbola tsy kansera, noresahina tetsy aloha. Izany dia hahatonga fanaovana fitsaboana tsy mahery loatra. (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fitsaboana ny Fivontosan’ny Prostaty Mbola Tsy Kansera”.) Ny fitondran-tena madio dia miaro ny olona amin’ny areti-mifindra avy amin’ny firaisana, izay mety hiteraka prostatite.
Azo antoka fa mendrika ny harovana sy hokarakaraina ny prostatinao. Nitantara ilay lehilahy notononina terỳ am-piandohan’ity lahatsoratra ity fa sitrana tanteraka avy tamin’ny fandidiana azy izy. Araka ny heviny, dia “tokony hanao fitiliana fisorohana isan-taona ny lehilahy rehetra”, na dia tsy misy soritr’aretina na inona na inona aza.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 13 Raha ao anatin’io sokajin-taona io ianao, dia asaina handinika ilay faritra voafefy hoe “Soritr’aretina Hamantarana ny Fivontosan’ny Prostaty Mbola Tsy Kansera”.
[Efajoro, pejy 21]
Soritr’aretina Hamantarana ny Fivontosan’ny Prostaty Mbola Tsy Kansera
Toromarika: Valio ireo fanontaniana etsy ambany, ka farito boribory izay isa marina.
Ny fanontaniana 1-6 dia tokony hovaliana hoe:
0 — Tsy nisy na indray mandeha aza
1 — Latsaka ny indray mandeha tao anatin’ny dimy
2 — Latsaka ny antsasany
3 — Tokony ho ny antsasany
4 — Mihoatra ny antsasany
5 — Saika izay foana
1. Nandritra ny volana lasa, rehefa avy nipipỳ ianao, impiry ianao no nahatsapa ho toa mbola ta hanao? 0 1 2 3 4 5
2. Nandritra ny volana lasa, impiry ianao no voatery nandeha nipipỳ indray tao anatin’ny latsaka ny adiny roa taorian’ny nandehananao nipipỳ farany? 0 1 2 3 4 5
3. Nandritra ny volana lasa, impiry ianao no nahita fa rehefa nipipỳ ianao dia nijanona imbetsaka ilay izy, ary nanomboka indray avy eo? 0 1 2 3 4 5
4. Nandritra ny volana lasa, impiry ianao no nahita fa sarotra ny miaritra tsy hipipỳ? 0 1 2 3 4 5
5. Nandritra ny volana lasa, impiry ianao no nahatsapa fa rehefa nipipỳ ianao, dia malefaka ny fandehany? 0 1 2 3 4 5
6. Nandritra ny volana lasa, impiry ianao no voatery nanena mafy mba handehanan’ny pipỳ? 0 1 2 3 4 5
7. Nandritra ny volana lasa, impiry ianao, tamin’ny antsalany, no voatery nitsangana mba hipipỳ, nanomboka tamin’ny fotoana natorianao ka hatramin’ny fotoana ifohazanao amin’ny maraina? (Farito boribory ny isany) 0 1 2 3 4 5
Ny tontalin’ireo isa voafaritra boribory no manondro ny soritr’aretinao Malefaka: 0-7, antonony: 8-19, mahery: 20-35
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Taovam-pamaniana sy ny Taovam-pananahana
[Efajoro, pejy 22]
Fitsaboana ny Fivontosan’ny Prostaty Mbola Tsy Kansera
◼ FANAFODY: Fanafody maro samy hafa no ampiasaina, arakaraka ny soritr’aretin’ny marary tsirairay. Ny dokoteranao ihany no afaka manome fanafody ho anao.
◼ FIANDRASANA AMIM-PITANDREMANA: Manao fitiliana tsy tapaka fotsiny ilay marary ary tsy mampiasa fanafody.
◼ FANDIDIANA:
a) Fanesorana ny prostaty na ny sombiny aminy, alaina avy eo amin’ny fantson’amany: Atsofok’ilay mpandidy avy ao amin’ny fantson’amany ny fitaovana iray (résectoscope) misy zavatra elektrika mifaingoka, izay mandidy tambatsela sy mampikatona ny lalan-dra. Tsy mila fandidiana avy atỳ ivelany amin’izany. Mandany 90 minitra eo ho eo izany. Tsy mampisy fery kokoa izy io, raha oharina amin’ny fandidiana avy atỳ ivelany.
b) Ny fandidiana prostaty avy eo amin’ny fantson’amany dia mitovy amin’ilay tetsy aloha ihany, saingy mampitombo kosa ny haben’ny fantson’amany, amin’ny alalan’ny fanaovana fandidiana kely vitsivitsy eo amin’ny vozon’ny tatavia sy ao amin’ny prostaty mihitsy.
d) Fandidiana mahazatra no ampiasaina rehefa tsy azo atao ny fandidiana prostaty avy eo amin’ny fantson’amany, satria mivonto loatra ny prostaty. Mitaky fandidiana avy atỳ ivelany izy ity.
e) Ny fandidiana amin’ny lazera dia ny fampiasana lazera mba handevonana ny tambatsela manentsina ny prostaty.
Ilay marary no tsy maintsy manao ny fanapahan-kevitra farany raha ny amin’ny hoe fitsaboana inona, raha misy, no hekeny. Nomarihin’ny tatitra iray nivoaka vao haingana tao amin’ny The New York Times fa tsy azon’ny manam-pahaizana sasany antoka na dia ny fitiliana kanseran’ny prostaty aza, indrindra fa amin’ny lehilahy zokiolona, satria izy io “aretina ela fitombo izay tsy azo inoana loatra hanimba maharitra ny fahasalamana, nefa matetika no misy vokany hafa tena lehibe, ny fitsaboana azy”.
[Efajoro, pejy 22]
Fanontaniana Azonao Apetraka Amin’ny Dokoteranao, Alohan’ny Hanekena Fandidiana
1. Inona no fandidiana anoloranao hevitra?
2. Nahoana aho no mila ilay fandidiana?
3. Misy fitsaboana hafa ankoatra ny fandidiana ve?
4. Inona no soa azo avy amin’ilay fandidiana?
5. Inona no vokany ratsy mety haterak’ilay fandidiana (Fahaverezan-dra na filahiana lasa malemy, ohatra.)
6. Ahoana raha tsy didiana aho?
7. Aiza no misy dokotera hafa azoko anontaniana?
8. Za-draharaha amin’ny fandidiana toy io, tsy misy fampidiran-dra, ve ianao?
9. Aiza no hanaovana ilay fandidiana? Manaja ny zon’ny marary momba ny fampidiran-dra ve ny dokoteran’ilay hopitaly sy ny mpitsabo mpanampy ao?
10. Karazana fanatoranana inona no hilaiko? Za-draharaha amin’ny fandidiana tsy misy fampidiran-dra ve ny mpikarakara ny fanatoranana?
11. Haharitra hafiriana aho vao ho sitrana?
12. Ohatrinona no ho lany amin’ilay fandidiana?
[Kisary, pejy 20]
Fanehoana an-tsary ny faritry ny maojan’ny lehilahy
Tatavia
Prostaty
Tsinaimbody
Fantson’amany
[Sary, pejy 23]
Mety hiaro amin’ny kanseran’ny prostaty ny sakafo mahasalama sy ny fampiasan-tena araka ny antonony