Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Mpiadina Tezitra

“Nanomboka tamin’ny 1994 dia niakatra ho 150 isan-jato ny herisetra am-bava sy ara-batana natao tamin’ireo ‘ínspektera’ 500 ao amin’ny fanadinana familiana fiarakodia, eto Frantsa”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety hoe International Herald Tribune ao Paris. Latsaka ny 60 isan-jaton’ireo mpiadina rehetra no afaka amin’ny fanadinana familiana fiarakodia maharitra 20 minitra, ary saika tsy afaka daholo ireo mpiadina rehetra tsy nanao fianarana namily nandaniam-bola be. Mihamitombo ny fanamparan’ireo tsy afaka ny hatezerany amin’ny mpanadina, izay nasiana totohondry sy nosintonina tamin’ny volony mba hivoaka ny fiara. Ny mpanadina iray aza dia nenjehin’ny lehilahy iray nitana seraingy feno ra izay nolazainy hoe misy SIDA. Vao haingana, ny lehilahy iray 23 taona izay tsy afa-panadinana no nitifitra ilay mpanadina tamin’ny basy nisy bala fingotra. Mba hialana amin’izany herisetra rehetra izany, dia milaza ireo inspektera fa tsara kokoa raha ampahafantarina an’ireo mpamily amin’ny alalan’ny taratasy, fa tsy amin’ny resaka mivantana, ny valin’ny fanadinana.

Mpianatra Mizaka Fihenjanana

Mampitombo ny fihenjanana mahazo ny mpianatra maro any Inde ny fotoam-panadinana faran’ny taona, araka ny tatitry ny gazety Asian Age any Mumbai. Tsy araky ny sasany ny fanenjehana famerenan-desona aloha kelin’ny fanadinana sy ny fanerena hahazo naoty tsara, ary mitombo avo roa heny ny isan’ireo izay manatona mpitsabo aretin-tsaina, mandritra ny vanim-potoam-panadinana. Ahenan’ny ray aman-dreny sasany izay endrika fialam-boly rehetra, satria irin’izy ireo mafy ny hahavitan-janany tsara ny fanadinana. “Iharan’ny fanerena be avy amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Eo koa ny fifaninanana amin’ny mpianatra hafa”, hoy ny fanamarihan’i V. K. Mundra, mpitsabo aretin-tsaina. Nilaza koa izy hoe ray aman-dreny maro no “tsy mahatsapa fa ny fanampiana ilay ankizy ho tony dia hamelombelona ny sainy ary hanampy azy hianatra tsara kokoa”. Marihin’ny Dr. Harish Shetty fa ny fihenjanana amin’ny fanadinana dia “niditra tsikelikely ka nidina hatrany amin’ny mpianatra ao amin’ny [taona] voalohany ka hatramin’ny fahafito mihitsy aza”.

Miakatra An-tanàna ny Lambo

Hitan’ny lambo, izay mponina an’ala mipetrapetraka, fa tsy vitan’ny hoe feno sakafo betsaka ny tanàna, fa manome fiarovana amin’ireo mpihaza koa, hoy ny gazety alemà mpiseho isan-kerinandro hoe Die Woche. Nisy mihitsy aza lambo vavy niteraka tao amin’ny tanànan’i Berlin. Tsy eny amin’ny faritra misy ala, na ny zaridainam-panjakana ihany no ivezivezen’ireo biby noana, fa manimba ny zaridainan’olona manokana koa izy ireo, mitsamontsamona ny vodin’ireo voninkazo. Nampitahorin’ireny lambo, izay mety hilanja hatramin’ny 350 kilao ireny ny mponina maro, ka matetika no nitady fiarovana teny amin’ny hazo na tranon-telefaonina. Niteraka lozam-pifamoivoizana tsy tambo isaina ireo biby. Nifanena tamin’ireo mpanafika manana volo maranidranitra ireo ny ankamaroan’ireo mponina rehefa nody avy niasa. Nanontany toy izao ny olona iray: “Ahoana no hahafahako hiditra ao an-trano raha misy lambo 20 mitsangana eo anelanelan’ny fiarako sy ny varavarana?”

Fanambadian’ny Zatovo

Any Inde dia 36 isan-jaton’ireo zatovo manambady no 13 ka hatramin’ny 16 taona, araka ny fanadihadiana iray nataon’ny National Family Health vao haingana. Hita tamin’ilay fanadihadiana koa fa 64 isan-jaton’ireo tovovavy 17 ka hatramin’ny 19 taona no efa niteraka iray na bevohoka, araka ny tatitry ny gazety Asian Age any Mumbai. Avo roa heny ireo tanora 15 ka hatramin’ny 19 taona mety ho fatin-javatra mifandray amin’ny fiterahana noho ireo 20 ka hatramin’ny 24 taona, hoy ilay tatitra. Ankoatra izany, dia nitombo ho avo roa heny ny aretina azo avy amin’ny firaisana, teo amin’ireo tanora 15 ka hatramin’ny 24 taona, nandritra ireo taona faramparany. Tanan’ireo manam-pahaizana manokana ho tompon’andraikitra amin’ny fitomboan’ny zava-manahirana ny tsy fahampian’ny fahalalana sy ny fanazavana mamitaka momba ny lahy sy ny vavy, avy amin’ireo namana sy ny fampitam-baovao.

Aretina Ampifanakalozina

“Telopolo taona lasa izay, dia Ejipsianina telo tao anatin’ny dimy no voan’ny bilariziôzy, aretina mampihena hery vokatry ny katsentsitra entin’ny sifo-drano”, hoy ny The Economist. Nihena be io fandrahonana io, noho ny ezaka manokana niadiana tamin’ny bilariziôzy, nampiasana fanafody maoderina. Hita anefa ankehitriny fa ireo ezaka manokana voalohandohany dia mety “ho nahatonga olona an-tapitrisany maro ho voan’ny hépatite C, virosy mahafaty izay mety hisolo toerana ny bilariziôzy amin’ny maha loha laharana amin’ny zava-manahirana ara-pahasalamana any Ejipta azy”. Ny anton’izany dia noho ireo fanjaitra nampiasaina hanindronana tamin’ny bilariziôzy “naverina nampiasaina tamim-pahazarana fotsiny, ary mahalana vao notanehina araka ny tokony ho izy. (...) Tsy hitan’ireo mpahay siansa akory ny virosin’ny hépatite C avy amin’ny ra (VHC) raha tsy tamin’ny 1988”, hoy ilay gazetiboky. Asehon’ny fanadihadiana izao fa i Ejipta no “be olona voan’ny hépatite C indrindra eran-tany”. Ejipsianina 11 tapitrisa eo ho eo — sahabo ho 1 ao anatin’ny 6 — no voalaza fa mitondra ilay aretina, izay mihombo ka lasa aretin’aty mitaiza eo amin’ny 70 isan-jaton’ny olona voa, ary hita ho mahafaty ho an’ny 5 isan-jatony. Niantso azy io hoe “ny hany fifindran’aretina avy amin’ny virosy lehibe indrindra fantatra hatramin’izao fa vokatry ny nataon’ny dokotera” ny lahatsoratra iray, ka nanampy hoe: “Anisan’ny mampionona ny hoe raha tsy teo ilay ezaka manokana lehibe, dia ho nisy olona maro kokoa matin’ny bilariziôzy”.

Miakatra ny Bibikely Noho ny Fandotoana

Ny fandotoana ny rano dia anisan’ny nandray anjara tamin’ny zava-manahirana momba ireo bibikely manaikitra teo akaikin’ny Renirano Chili, izay mikoriana mamakivaky an’i Arequipa, iray amin’ireo tanàna lehibe indrindra any Peroa. Nolanin’ny mponina tao ny tahirim-panafody fihosotra miaro amin’ny bibikely teo an-toerana, noho ny famelezan’ireo bibikely manaikitra. Ilay fiakaran’ny bibikely, araka ny gazety El Comercio any Lima, dia inoana ho vokatry ny fandotoana simika ny Renirano Chili. Toa namono ny ankamaroan’ireo saobakaka tao amin’ilay renirano ny poizina, nefa izy ireo no “nifehy hatrany tamin’ny fomba voajanahary ny fiainan’ireny bibikely ireny, nandritra ny taona maro”, hoy ilay gazety.

Divay Mahery Kokoa

Mampitandrina ny polisy sy ny antokon’olona mpandinika momba ny alkaola any Grande-Bretagne fa mety hahatonga ny olona tsy zatra misotro ho mamo ny fitomboan’ny herin’ny alkaola ao anatin’ny divay. Folo taona lasa izay, dia mazàna divay manokana na divay fanao tsindrin-tsakafo no misy alkaola 13 na 14 isan-jato. Amin’izao fotoana izao anefa, dia mazàna misy alkaola 14 isan-jato ny divay fisotro mahazatra. Ny ankamaroan’ireny divay ireny dia avy any amin’ny tany toa an’i Aostralia sy i Afrika Atsimo ary i Silia, izay tany mafana kokoa, mamokatra voaloboka masaka kokoa sy mamy kokoa, hany ka mamokatra divay mahery kokoa. Nanao tatitra momba izany ny The Sunday Times any Londres, ka nanonona ny tenin’i Mary-Ann McKibben, tale lefitry ny Alcohol Concern hoe: “Mitombo ny herin’ny alkaola ao amin’ny divay, ary izany dia manjary mampikorontan-tsaina ny mpanjifa izay tsy mihevitra ny alkaola betsaka kokoa ao anatiny.”

Madio Loatra Ve?

Araka ny Institute of Environmental Medicine and Hospital Hygiene any amin’ny Oniversiten’i Freiburg any Alemaina, ny zavatra mamono bakteria atao amin’ireo savony sy fanadiovan-javatra ao an-trano dia mety ho tsy ilaina na hampidi-doza mihitsy aza, hoy ny tatitry ny gazety alemà hoe Westfälische Nachrichten. “Tsy misy tena ilaina izy ireo”, hoy ny Profesora Franz Daschner, lehiben’ilay ivon-toerana. “Tena mifanohitra amin’izany aza, fa mety hiharan-doza ireo mpampiasa azy”. Anisan’ny mahatonga izany ny hoe misy zavatra tena mety tsy ho zakan’ny olona ao anatin’ireny fanadiovan-javatra ireny. Ilaina hosasana fotsiny ny akanjo mamofona iray, fa tsy hasiana zavatra simika mamono bakteria, hoy ilay tatitra. Namarana i Daschner hoe: “Tena ampy ny fanasana mahazatra ampiasana ireo fanadiovan-javatra tsy manimba ny tontolo iainana.”

Fanerena Hanaraka ny Ataon’ny Hafa

Nasehon’ny fanadihadiana iray nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny zatovo 500 tany Angletera fa ny tanora dia “miady amin’ny fitomboan’ny fanerena hanaraka ny ataon’ireo olona filamatra aseho ao amin’ny dokam-barotra sy ny fampahalalam-baovao”, hoy ny tatitry ny The Guardian any Londres. Miezaka hiatrika izany fihenjanana izany ny tovovavy, amin’ny firesahana amin’ny namana akaiky. Sarotra kokoa amin’ny tovolahy anefa ny miresaka ny amin’ny fihetseham-pony, hany ka maro amin’izy ireo no maneho ny fahatezerany amin’ny fitondran-tena mahery setra na manao heloka bevava. Noho ny fiheveran-tena ho tsy misy vidiny sy ny fahaketrahana mihamitombo, dia avo telo heny noho ny tovovavy mitovy taona aminy, ny tovolahy azo inoana kokoa fa hamono tena. Etsy an-danin’izany anefa, dia avo dimy heny ny tovovavy azo inoana kokoa fa hinia handratra tena na hijaly noho ny fihinanana tsy ara-dalàna toy ny tsy fahazotoan-komana sy ny fahatendan-kanina samy zary aretina.

Mpilalao Baolina Nariana Tanteraka

“Maherin’ny 90 isan-jaton’ny tanora mpilalao baolina kitra nalaina avy any Afrika mba hilalao ao amin’ny ekipa frantsay no lasa mpiasa tsy ara-dalàna, nefa [tsy] manana fanantenana ny ho voaray ao anatin’ny fiaraha-monina frantsay”, hoy ny Marianne, gazety ao Paris. Ampangain’ny tatitra ofisialy iray nataon’ny fitondram-panjakana frantsay ireo olona maty eritreritra mpitady mpilalao, izay mitety an’izao tontolo izao mba hitady “tanora manan-dranjo volamena”. Zazalahy afrikanina an’arivony maro, anisan’izany ny 300 eo ho eo latsaka ny 13 taona, no voasarik’ilay nofinofy hanana hoavy mamirapiratra ho matihanina amin’ny fanatanjahan-tena. Ny ankamaroan’izy ireo anefa dia tsy nanao sonia fifanekena ofisialy tamin’ny klioba iray, ka lany vola tanteraka amin’ny farany. Nanamarika ilay gazety hoe: “Tantara mampalahelo no betsaka kokoa noho ny tantara mahafinaritra, ao amin’ny antontan-taratasin’ny mpahay lalàna nifandray tamin’ny mpanao baolina kitra.”