Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilaina sy Tiana — Mendrika Izany ny Ankizy

Ilaina sy Tiana — Mendrika Izany ny Ankizy

Ilaina sy Tiana — Mendrika Izany ny Ankizy

“ANEHOY fitiavana kely ny ankizy iray, dia ho tiany be ianao ho setriny.” Izany no nosoratan’i John Ruskin, lehilahy anglisy mpanoratra sady mpanao tsikera tamin’ny taonjato faha-19. Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny angamba dia hanaiky fa mitondra valisoa ny fitiavan-janaka, tsy noho ny fitiavana raisiny ho valiny fotsiny, fa noho ny vokany tsara entin’izany fitiavana izany eo amin’ny zanaka koa, ary izay no zava-dehibe kokoa.

Ilay boky hoe Love and Its Place in Nature (Ny Fitiavana sy ny Anjara Toerany eo Amin’ny Natiora), ohatra, dia nanamarika fa raha tsy tiavina “ny ankizy, dia mazàna no mihamihena ny heriny”. Ary ilay Britanika atao hoe Ashley Montagu, manam-pahaizana malaza eo amin’ny sehatry ny siansa momba ny olombelona, dia tonga hatramin’ny filazana mihitsy aza hoe: ‘Ny ankizy tsy notiavina dia tena hafa tanteraka noho ny ankizy notiavina, raha ny amin’ny fiovana simika ao amin’ny vatany, sy ny fiasan’ny vatany sy ny sainy. Hafa mihitsy koa aza ny fitomboan’iretsy voalohany raha oharina amin’ireto farany.’

Nanao tatitra momba ny fandinihana iray, izay nanaovana fanatsoahan-kevitra nitovy tamin’izany, ny gazety Toronto Star. Hoy izy io: “Ambony tsy araka ny tokony ho izy ny tahan’ny hôrmônin’ny fihenjanana ao amin’ny (...) ankizy tsy nahazo famihinana na safosafo tsy tapaka nandritra ny fitaizana azy.” “Misy fiantraikany lehibe sy maharitra eo amin’ny fahazoana fahalalana sy ny fitadidiana” tokoa ny fanaovana tsirambina toy izany mandritra ny fahazazana.

Manantitrantitra ny ilana ny maha eo ny ray aman-dreny ireo vokatry ny fandinihana ireo. Raha tsy izany, ahoana tokoa moa no ahafahana mampitombo fifamatorana mafy eo amin’ny ray na ny reny sy ny zanaka? Mampalahelo anefa fa, na dia any amin’ny faritra manankarena eto an-tany aza, ankehitriny ny ray aman-dreny dia mirona hanome izay ilain’ny zanany, saingy ny tenany tsy eo mihitsy. Alefa mianatra any an-tsekoly ny ankizy, alefa manao sekoly alahady, alefa miasa, alefa milasy, ary omena vola sy alefa any amin’ny toeram-pialam-boly. Ankizy an-tapitrisany maro no ailika tsy ho eo anivon’ny fianakaviany, ka manana fiainana mihodinkodina lavitra azy io, raha azo atao ny milaza izany, hany ka mahatsapa ho azy — na dia any an-tsainy lalina any fotsiny aza — hoe atao tsirambina, tsy ilaina, ary tsy tiana izy ireo, eo afovoan’ny tontolon’ny olon-dehibe, tontolo tsy mahatamana. Izany fihetseham-po mahazo vahana ao amin’ny ankizy izany angamba no anisan’ny antony mampisy ankizy mpirenireny tombanana ho 3 000 any Berlin. Iray amin’izy ireny i Micha, izay nilaza hoe: “Tsy misy olona mila ahy intsony.” Nitaraina toy izao koa ny ankizilahy alemà iray, sivy taona: “Aleoko kokoa aza eo amin’ny toeran’ilay alikanay.”

Maka endriny maro izao ny fampijaliana ankizy

Ny fanaovana tsirambina ny ankizy dia endriny iray amin’ny fampijaliana, izay mampiharihary tsy fananana ilay antsoin’ny Baiboly hoe “firaiketam-po voajanahary”. (Romana 1:31; 2 Timoty 3:3, NW ). Ary miteraka fampijaliana amin’ny endriny mahatsiravina kokoa izy io. Nanomboka tamin’ny Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Ankizy, tamin’ny 1979, ohatra, dia nasiam-piheverana kokoa ny fampijaliana sy ny fametavetana ankizy. Mazava ho azy fa sarotra ny manangona antontan’isa marina momba izany, sady miovaova isaky ny faritra ilay izy. Tsy isalasalana firy anefa ny hoe sarotra kosehina ny holatra ara-pihetseham-po entin’ireo ankizy novetavetaina, entiny mandra-pahatongany ho olon-dehibe.

Ny fampijaliana ankizy, na inona na inona endriny, dia mampita hafatra amin’izy ireo hoe tsy tiana sy tsy ilaina izy. Ary toa mihamitombo io olana io. Araka ny voalazan’ny gazety alemà Die Welt, dia “mihabetsaka hatrany ny ankizy tsy mahay miara-miaina amin’ny hafa”. Hoy koa izy io: “Tsy mahazo firaiketam-po ampy ny ankizy ao an-tranony. Araka ny voalazan’i [Gerd Romeike, talen’ny foibe iray momba ny fitarihan-dalana ny ankizy, any Hambourg], dia mihamihena — na tsy misy mihitsy, hatrany am-boalohany — ny fifamatorana ara-pihetseham-po eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Mahatsapa ho natao tsirambina ny ankizy toy izany, ary tsy mahazo fahafaham-po ny faniriany hahatsapa tsy fananana ahiahy.”

Mety hanjary ho sosotra ny ankizy tsy nomena ny zony hahatsapa ho ilaina sy tiana, ka hamoaka ny fahadisoam-panantenany amin’ireo izay nanao tsirambina azy, na angamba amin’ny fiaraha-monina amin’ny fitambarany. Folo taona lasa izay, fara fahakeliny, ny tatitra iray nataon’ny antokon’olona niara-niasa tany Kanada dia nanamarika ny ilana hanaovan-javatra avy hatrany, raha tsy izany dia hahita fahavoazana ny taranaka iray manontolo, “izay mihevitra fa tsy miraharaha azy ny fiaraha-monina”.

Mety halaim-panahy handositra ny tranony ny tanora tsy tiana sy tsy ilaina, mba hanalavirana ny olana mahazo azy, kanjo vao mainka mahita olana lehibe kokoa any amin’ireo tanàn-dehibe feno heloka bevava sy zava-mahadomelina ary faharatsiam-pitondran-tena. Raha ny marina, 20 taona mahery lasa izay, dia notombanan’ny polisy ho 20 000 ny ankizy latsaka ny 16 taona, nandositra, izay nonina tao amin’ny faritra an-tanàn-dehibe iray monja any Etazonia. Izy ireny dia nolazalazaina ho “ny vokatra nateraky ny tokantrano rava sy ny halozana, izay matetika no nampiharin-dray aman-dreny alkaolika na mpidoroka zava-mahadomelina. Mivaro-tena eny an-dalam-be izy ireny, mampiasa ny vatany mba hivelomana, ary avy eo, dia velezin’ireo mpanera ho an’ny mpivaro-tena ary tsy manana ny hajan’ny tenany intsony, ka miaina ao anatin’ny tahotra valifaty raha mba manandrana mandositra ilay fitadiavam-bola tsy ara-dalàna”. Mampalahelo fa mbola misy ihany izany toe-javatra mampahonena izany, na eo aza ny ezaka amim-pahatsorana atao mba hanovana izany.

Ny ankizy mihalehibe ao anatin’ny tarehin-javatra voalazalaza etsy ambony dia lasa olon-dehibe tsy dia ara-dalàna loatra, izay matetika no tsy mahay mitaiza araka ny tokony ho izy ny zanany. Tsy ilaina sy tsy tiana izy ireo, ka any aoriana dia miteraka zanaka maro kokoa toa azy ihany koa — zanaka mahatsapa ho tsy ilaina sy tsy tiana. Nofintinin’ny lehilahy alemà iray mpanao politika toy izao ilay izy: “Ny ankizy tsy notiavina dia manjary olon-dehibe feno fankahalana.”

Mazava ho azy fa ray aman-dreny an-tapitrisany maro no manao araka izay fara heriny mba hahazoana antoka fa fantatr’ireo zanany hoe ilaina sy tiana izy ireo. Tsy vitan’ny hoe lazainy amin-janany izany, fa porofoiny aminy amin’ny fiahiana amim-pitiavana sy fanehoana fiheverana manokana koa, ary mendrika an’izany ny zanaka na iza na iza. Na izany aza, dia mbola eo ihany ireo olana — olana izay hita mazava fa tsy voavahan’ny ray aman-dreny tsirairay. Any amin’ny faritra sasany amin’izao tontolo izao, ohatra, ny rafitra ara-toe-karena sy politika tsy lavorary naorin’olombelona dia tsy manome ho an’ny ankizy ny fikarakarana ara-pahasalamana ampy, ny fampianarana mety, sy ny sakafo ampy, ary koa ny fiarovana azy amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, sy ny toe-piainana mampahonena. Ary matetika tokoa ny olon-dehibe feno fitsiriritana tafahoatra sy ratsy fitondran-tena sy tia tena ary tsy manisy fiheverana ny hafa no vao mainka manaratsy izany toe-piainana izany.

Nanonona ny sasany amin’ireo olana lehibe atrehin’ny ankizy amin’izao andro izao i Kofi Annan, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, rehefa nanoratra hoe: “Ankizy an-tapitrisany maro no mbola mizaka foana ny fampietrena mahatsiravina ateraky ny fahantrana; ana hetsiny maro no mijaly noho ny vokatry ny ady sy ny fikorontanana tanteraka ara-toe-karena; an’aliny maro no manjary kilemaina any an’ady; ary betsaka kokoa noho izany no tonga kamboty na matin’ny VIH/SIDA.”

Tsy vaovao ratsy ihany anefa no misy! Niasa mafy ny fikambanana ao amin’ny ONU, toy ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF) sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, mba hanatsarana ny toe-piainan’ny ankizy. Izao no nomarihin’i Annan: “Betsaka kokoa ny ankizy teraka salama tsara, ary betsaka kokoa ny vita fanefitra; betsaka kokoa ny mahay mamaky teny sy manoratra; betsaka kokoa ny afaka mianatra sy milalao ary miaina tsotra izao amin’ny maha ankizy azy, eny, betsaka kokoa tsy araka ny nieritreretana azy, folo taona lasa monja izay.” Na izany aza, dia nampitandrina toy izao izy: “Tsy fotoana ifantohana amin’ireo zava-bita tamin’ny lasa izao.”

Ireo mendrika ny hahina manokana

Misy ankizy mendrika ny hahina manokana. Teo am-piandohan’ireo taona 1960, dia taitra mafy izao tontolo izao nandre tatitra avy tany amin’ny tany maherin’ny 12 mahakasika ny fahaterahan’ny zaza an’arivony maro antsoina hoe zanaky ny fanafody thalidomide. Raha misy reny bevohoka mihinana io pilina io mba hampitony sy hampatory azy, ny vokany hafa tsy ampoizina dia ny fiterahana zaza maty rantsambatana na zara raha misy rantsambatana. Matetika ny sandry sy ny tongotr’ireny zaza ireny no mihoatra kely fotsiny noho ny vombon’ny lambondriaka.

Efa-polo taona atỳ aoriana, dia ny vanja milevina no tena azo inoana fa manakilema ankizy. * Misy manombantombana hoe misy vanja 60 tapitrisa ka hatramin’ny 110 tapitrisa, vanja mbola afaka mipoaka, no miely patrana eran’izao tontolo izao. Olona 26 000 eo ho eo no maty na kilemaina isan-taona — anisan’izany ny ankizy maro. Nanao ezaka manokana mba handrarana ny fandevenana vanja i Jody Williams, ka nahazo ny Loka Nobel ho An’ny Fandriampahalemana tamin’ny 1997. Nanomboka tamin’io taona io, dia nomena fiheverana betsaka io olana io. Mbola misy faritra ilevenam-banja ihany anefa. Nilaza toy izao ny lehilahy alemà iray mpanao politika, mahakasika ny ezaka natao mba hanesorana ny vanja milevina tsy ho eto amin’izao tontolo izao: “Izany dia toy ny miezaka mandritra ny rano ao anaty koveta be fandroana amin’ny alalan’ny sotrokely, nefa ny raobine mbola mandeha ihany.”

Ankizy hafa mila fiahiana manokana ireo tsy manan-dray aman-dreny intsony. Ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny olombelona, dia ny hitomboan’ireo zanaka ao anatin’ny rivo-piainana anjakan’ny fitiavana sy ny fanehoam-piheverana avy amin’ny ray sy ny reny miaraka. Mila sady mendrika ny hahazo fitaizana misy fifandanjana toy izany ny zanaka.

Miezaka hikarakara ny zavatra ilain’ny ankizy tsy manan-dray aman-dreny ny trano fitaizana zaza kamboty sy ny fikambanana momba ny fananganan-jaza. Misy amin’ireo ankizy mahantra mila mafy indrindra fananganan-jaza. Mampalahelo anefa fa izy ireny indrindra matetika no faran’izay odian-tsy hita: ireo izay marary, tsy afaka miana-javatra ny sainy, sembana ara-batana na manana ray na reny hafa firenena.

Nisy fikambanana naorina mba hampirisihana ny isam-batan’olona hanome vola fanampiana tsy tapaka, ka amin’izany fomba izany dia “hanangana” zaza mipetraka any amin’ny tany tsy manankarena firy. Ampiasaina mba hampianarana ilay zaza na hanomezana ny zavatra tena ilainy eo amin’ny fiainana ilay vola fanomezana. Azo atao mihitsy aza, raha iriny, ny mifandefa sary sy taratasy mba hanamafisana ny fifandraisana. Manampy io fandaharana io, saingy tsy io ilay vahaolana filamatra.

Ny hetsika iray, izay nankalaza ny faha-50 taona niasany tamin’ny 1999, dia ohatra hafa mahaliana ny amin’izay natao mba hanampiana ny ankizy tsy manan-dray aman-dreny.

Ny Vohitry ny Ankizy Mila Famonjena

Tamin’ny 1949, dia nanangana ilay nantsoiny hoe ny Vohitry ny Ankizy Mila Famonjena tany Imst, any Aotrisy, i Hermann Gmeiner. Teo amin’ny faritra voafetra ihany no niasan’io fikambanana io tamin’ny voalohany. Avy eo, dia nitombo izy io ka mahafaoka vohitra sy ivon-toerana mitovy aminy efa ho 1 500, any amin’ny tany 131 atsy Afrika, any Amerika, Azia, ary Eoropa.

Foto-pitsipika tari-dalana efatra no nataon’i Gmeiner fototry ny ezaka nataony: ny reny, ny rahalahy sy anabavy, ny tokantrano ary ny vohitra. Misy “reny” iray fototry ny “fianakaviana” iray misy ankizy dimy na enina — mety ho maro kokoa noho izany. Miara-mipetraka amin’izy ireo ilay “reny”, ary miezaka maneho ilay fitiavana sy fiheverana antenaina omen’ny reny niteraka. Miara-mipetraka ao amin’ny “fianakaviana” iray sy miaraka amin’ny “reny” iray ireo ankizy, mandra-pahatongan’ny fotoana handaozany ny “tokantrano”. Misy ankizy samy hafa taona ao amin’ilay “fianakaviana”. Manana “rahalahy” sy “anabavy”, zoky sy zandry, ireo ankizy ary mianatra ny mifampiahy, ka izany dia misakana azy ireo tsy ho tia tena. Iezahana ny hampidirana ireo ankizy ao amin’ny “fianakaviana” iray, dieny mbola kely araka izay azo atao. Ampiarahina foana ao amin’ny “fianakaviana” iray ihany ireo tena iray tam-po.

Misy “fianakaviana” 15 eo ho eo ireo vohitra, ary ny tsirairay dia mipetraka ao amin’ny tranony manokana. Ampiofanina ny ankizy rehetra mba hanampy ‘an-dreniny’ amin’ny fanaovana ny raharaha tena ilaina ao an-trano. Na dia mety tsy hisy raim-pianakaviana aza, dia noraisina ny fandaharana mba hisian’ny lehilahy hanampy sy hanome torohevitra toy ny omen’ny ray ary hampihatra ny fifehezana tena ilaina. Mankany an-tsekoly eo an-toerana ireo ankizy. Mahazo vola fanampiana, efa voafaritra, isam-bolana ny “fianakaviana” tsirairay mba hisahanana ny fandaniana. Vidina eo an-toerana ny sakafo sy ny fitafiana. Ny zava-kendrena dia ny hampahafantarana an’ireo ankizy ny atao hoe fiainam-pianakaviana, miaraka amin’ireo olana sy fifaliana rehetra hitan’ny fianakaviana, ka ahafahan’ireo ankizy manana fiainana ara-dalàna, araka izay farany azo atao. Izany dia manomana azy ireo hanorina ny fianakavian’ny tenany rehefa tonga olon-dehibe izy ireo.

Mbola mikaroka ilay vahaolana filamatra

Rehefa miezaka manome fanampiana an’ireo ankizy mahantra ny fikambanana momba ny fananganan-jaza sy ny trano fitaizana zaza kamboty, ny Vohitry ny Ankizy Mila Famonjena, ny UNICEF, ary fikambanana na antokon’olona mitovy amin’izany, dia manatratra zava-kendrena tsara. Tsy misy na iray aza amin’izy ireo anefa afaka manao izay tsy hisian’ny mahantra. Na dia mety ho tena tian’izy ireo aza ny hanao ireto zavatra manaraka ireto, dia tsy azony atao: manome rantsambatana salama ho an’ny ankizy kilemaina, manao izay hampahavitrika ny sain’ny ankizy sembana ara-tsaina, manakambana indray ny ankizy iray amin’ny ray aman-dreniny nisara-toerana na nisara-panambadiana, mametraka azy indray hofihinin’ny rainy na ny reniny be fitiavana izay efa nodimandry.

Na dia miezaka aza ny olombelona, dia tsy afaka manome ilay vahaolana filamatra ho an’ny olana mahazo ny ankizy. Ho voavaha anefa ireo olana ireo! Eny, ary mety ho aloha kokoa tsy araka ny mety hampoizinao. Amin’ny fomba ahoana anefa?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Jereo ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Vanja Milevina — Inona no Azo Atao?” ao amin’ny nomerao tamin’ny 8 May 2000.

[Sary, pejy 8, 9]

Mila sady mendrika ny hotiavin’ny rainy sy ny reniny miaraka ny ankizy