Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Vikings — Mpanani-bohitra Sady Mpanjana-tany

Ireo Vikings — Mpanani-bohitra Sady Mpanjana-tany

Ireo Vikings — Mpanani-bohitra Sady Mpanjana-tany

VOLANA Jona taona 793 am.f.i. tamin’izay. Ireo moanina tao amin’ny nosy kelin’i Lindisfarne, antsoina koa hoe Holy, tandrifin’ny morontsirak’i Northumberland, any Angletera, dia variana teo amin’ny asa aman-draharahany, ka tsy nahafantatra akory fa nisy sambo iva sady tsara bika, nanatona haingana, namakivaky ny onja. Nikorisa moramora teo amin’ny torapasika ireo sambo, ary nisy lehilahy lozabe sy lava volombava, nitana sabatra sy famaky, nitsambikina avy tao sy nihazakazaka nanatona ny mônasitera. Nanafika ireo moanina raiki-tahotra izy ireo, ka nandripaka ain’olona be dia be. Norobain’ireo mpanafika ny volamena sy volafotsy, ny firavaka ary ny zava-tsarobidy hafa tao amin’ilay mônasitera. Avy eo dia nankany amin’ny Ranomasina Avaratra indray izy ireo ary nanjavona.

Ny Vikings ireo mpamabo ireo, ary nisarika ny sain’ny olona tany Eoropa sy nanamarika ny fiandohan’ny vanim-potoanan’ny Vikings ny fanafihany tampoka sady vetivety. Tsy ela dia nahatonga horohoro ireo Vikings, hany ka nanakoako nanerana an’i Angletera ilay vavaka hoe: “Manafaha anay amin’ny fahatezeran’ireo Tavaratra, Tompo ô.” *

Iza ireo Vikings ireo? Nahoana izy ireo no nipoitra tampoka teo amin’ny pejin’ny tantara, ka nitoetra ho nisongadina nandritra ny taonjato telo, ary avy eo dia toa nanjavona?

Mpamboly sy mpamabo

Alemà no razamben’ireo Vikings. Roa arivo taona teo ho eo talohan’ny vanim-potoanan’ny Vikings, ireo Alemà ireo dia nanomboka nifindra monina avy tany avaratrandrefan’i Eoropa ho any Danemark sy Norvezy ary Soeda — Skandinavia. Tahaka an’ireo razambeny, dia mpamboly ireo Vikings, na dia ireo izay nandeha nanafika aza. Any amin’ny faritra mangatsiaka kokoa any Skandinavia, dia niantehitra kokoa tamin’ny fihazana sy ny fanjonoana ary ny fisamborana trozona izy ireo. Niara-niaina tao anatin’ny fiaraha-monina lehibe kokoa ireo Vikings mpivarotra, ary niainga avy tao izy ireo no nivezivezy teny amin’ireo lalana falehan’ny mpivarotra tany Eoropa, tamin’ny alalan’ny sambolainy natanjaka. Inona àry no nahatonga ireo olona toa tsy nampidi-doza sady tsy be mpahalala ireo hanjary ho nalaza ratsy, tao anatin’ny taranaka iray monja?

Anisan’ny mety ho antony ny fihoaran’ny isan’ny mponina. Mpahay tantara maro anefa no mihevitra fa tany amin’ny faritra andrefan’i Norvezy ihany no nety ho nisy izany, satria voafetra ny tany azo novolena tany. Hoy ny The Oxford Illustrated History of the Vikings: “Ny ankamaroan’ireo taranaka voalohandohan’ny Vikings dia nitady harena, fa tsy tany.” Marina indrindra izany ny amin’ireo mpanjaka sy filoham-poko izay nila vola be mba hihazonana ny fahefany. Nety ho nandao an’i Skandinavia ny Vikings hafa mba handosirana fifandrafiana naharitra ara-pianakaviana sy ady teo an-toerana.

Mety ho antony hafa koa ny hoe fahita teo amin’ny lehilahy vikings nanankarena ny fananana vady nihoatra ny iray. Vokatr’izany, dia nanan-janaka maro izy ireo. Mazàna anefa, dia ny lahimatoa ihany no nandova ny fianakaviana, ka namela ireo zandriny hioitra irery teo amin’ny fiainana. Araka ilay boky hoe The Birth of Europe, ireo zanakalahy tsy nandova dia “nahaforona antoko-mpiady lehibe nampidi-doza izay voatery nanao izay hahatafavoahany samirery tamin’ny fomba rehetra, na tamin’ny fandrobana tao amin’ny taniny ihany izany, na tamin’ny fanaovana jiolahin-tsambo tany ivelany”.

Ireo Vikings koa dia nanana ny fitaovana nety tsara ho amin’ny fanaovana fanafihana tampoka sady vetivety no an-tsokosoko — ny sambo lava. Misy mpahay tantara midera ilay sambo lava hoe iray tamin’ny zava-bita ara-teknolojia tsara indrindra, teo am-piandohan’ny Moyen Âge. Tsy milentika firy ao anaty rano ny fanambanin’ireny sambo tsara bika ireny, ary lay na fivoy no mampandeha azy, ka nahatonga ireo Vikings ho kalazalahy teny an-dranomasina sy ny farihy ary ny ony rehetra teo amin’ny faritra nisy azy.

Ny fielezan’ireo Vikings

Misy mpahay tantara milaza fa niantomboka teo antenatenan’ny taonjato fahavalo, taloha kelin’ny nanafihany an’i Lindisfarne, ny vanim-potoanan’ny Vikings. Na ahoana na ahoana, dia nahatonga an’ireo Vikings ho fanta-bahoaka ny nanafihany an’i Lindisfarne. Avy tany Angletera izy ireo dia nankany Irlandy, ka nikendry indray koa ireo mônasitera feno harena. Nody tamin’ireo sambony feno entana norobaina sy andevo, ireo Vikings, ho amin’ny ririnina. Tamin’ny 840 am.f.i. anefa, dia tsy nanaraka fomba nentim-paharazana intsony izy ireo, ka nijanona tany amin’ny faritra norobainy nandritra ny ririnina. Ny tanànan’i Dublin, any Irlandy, raha ny marina, dia nanjary voahodidin’ny Vikings. Tamin’ny 850 am.f.i., dia nanomboka nijanona tany Angletera nandritra ny ririnina koa izy ireo, ka ny Nosy Thanet, eo amin’ny vavan’ny Ony Tamise, no toerana voalohany nitobian’ny tafiny.

Tsy ela dia samy tonga tany amin’ireo Nosy Britanika ny Vikings danoà sy norvezianina, tsy tamin’ny naha mpanafika azy ireo intsony, fa tamin’ny naha tafika an-dranomasina azy. Ny sasany tamin’ireny sambo ireny dia nety ho nahatratra 30 metatra ny halavany, ary nety ho afaka nitondra mpiady hatramin’ny 100. Nandritra ireo taona nanaraka, ireo Vikings dia nandresy ny tany avaratratsinanan’i Angletera. Nanjary fantatra hoe Danelaw io faritra io, satria ny kolontsaina sy ny lalàna danoà no nahazo vahana tany. Kanefa, tany amin’ny faritra atsimon’i Angletera, tany Wessex, i Alfred, mpanjakan’ny Saxons, sy ny mpandimby azy, dia nahavita nampanalavitra an’ireo Vikings. Avy eo anefa, taorian’ny ady lehibe iray tany Ashington tamin’ny 1016 sy ny nahafatesan’i Edmund, mpanjakan’i Wessex taoriana kely tamin’io taona io ihany, dia nanjary hany mpanjakan’i Angletera, i Canute, filohan’ny Vikings — lehilahy iray nitonona ho Kristianina.

Tafiditra hatrany afovoany sy tany ankoatra an’i Eoropa

Tamin’ny 799 am.f.i., ireo Vikings danoà dia nanomboka nanafika ilay faritra nantsoina tamin’izay hoe Frise — faritra amorontsirak’i Eoropa izay mitatra manomboka eo akaikin’i Danemark ka hatrany Holandy. Avy tany izy ireo no nivoy nanaraka ony, toa an’i Loire sy i Seine, ary nandroba tanàna sy vohitra tany afovoan’i Eoropa. Tamin’ny 845 am.f.i., dia nandroba an’i Paris mihitsy aza ireo Vikings. I Charles le Chauve, mpanjakan’ny Francs dia nanome volafotsy 3 000 kilao ho azy ireo mba hialany tao amin’ilay tanàna. Niverina anefa izy ireo, ary nanafika hatrany ankoatra an’i Paris mihitsy, ka tonga hatrany Troyes sy Verdun ary Toul.

Nandeha an-tsambo nankany Espaina sy Portogaly ireo Vikings. Tamin’ny 844 am.f.i. no nitrangan’ny fanafihany voalohany tany, araka ny fantatra. Nandroba tanàna kely maromaro izy ireo ary nibodo an’i Séville nandritra ny fotoana voafetra mihitsy aza. “Kanefa”, hoy ny Cultural Atlas of the Viking World, “nanohitra mafy ireo Arabo mpiaro tanàna, hany ka nihataka haingana ireo Vikings, ary saika ringana ny tafiny.” Na izany aza, dia niverina izy ireo tamin’ny 859 am.f.i. — tamin’io fotoana io dia nitondra sambo 62. Rehefa avy nandrava faritra maro tany Espaina izy ireo, dia nanafika an’i Afrika Avaratra; ary na dia efa feno hipoky ny entana norobaina aza ny sambony tamin’izay, dia mbola nankany Italia izy ireo ary nandroba an’i Pise sy i Lina (Luna teo aloha).

Ireo Vikings avy any Soeda dia nandeha an-tsambo niantsinanana niampita an’i Baltika, ka nankany amin’ny sasany tamin’ireo renirano lehibe tany Eoropa Atsinanana — ny ony Volkhov, Lovat’, Dnieper, ary Volga. Izany dia nitondra azy ireo tany amin’ny Ranomasina Mainty sy ireo tany nanankarena tao amin’ny Empira Byzantin, tamin’ny farany. Nisy Vikings mpivarotra tonga hatrany Bagdad mihitsy, rehefa avy nanaraka ny Ony Volga sy ny Ranomasina Caspienne. Tamin’ny farany, dia nisy filoham-poko soedoà tonga mpanapaka ireo tany slavy midadasika, akaikin’ny Ony Dnieper sy Volga. Ireo mpanani-bohitra dia nantsoina hoe ny Rus, teny izay ninoan’ny olona sasany ho niandohan’ilay teny hoe “Rosia” — “Tanin’ny Rus”.

Tonga hatrany Islandy sy Groenlandy ary Terre-Neuve

Nifantoka tamin’ny ankamaroan’ireo nosy an-tsisiny ny Vikings norvezianina. Ohatra, nibodo an’ireo nosy Orcades sy Shetlands izy ireo tamin’ny taonjato fahavalo, ary ireo nosy Féroé sy Hébrides ary ny faritra atsinanan’i Irlandy tamin’ny taonjato fahasivy. Nanjanaka an’i Islandy mihitsy aza ireo Vikings. Tany izy ireo dia nanangana ny antenimiera, ny Althing. Mbola ny Althing foana no fitondrana misy ao Islandy hatramin’izao, ary izy io no antenimiera tranainy indrindra any Andrefana.

Tamin’ny 985 am.f.i., dia nanjanaka faritra iray tany Groenlandy ny Viking iray nantsoina hoe Erik le Rouge. Taoriana kelin’izay, tamin’io taona io ihany, ny Tavaratra iray hafa nantsoina hoe Bjarni Herjolfsson, dia nanainga avy tany Islandy mba ho any amin-dray aman-dreniny tany Groenlandy. Nentin’ny rivotra nivily lalana anefa izy ka nihoatra an’i Groenlandy. “I Bjarni angamba no Tavaratra voalohany nahita an’i Amerika Avaratra”, hoy ny Cultural Atlas of the Viking World.

Nifototra tamin’ny tatitra nataon’i Bjarni, ary angamba taorian’ny taona 1000, i Leif Eriksson, zanakalahin’i Erik le Rouge, ka nandeha an-tsambo niankandrefana avy tany Groenlandy ho any amin’ny Nosy Baffin. Ary avy eo izy dia nidina nanaraka ny morontsirak’i Labrador, ka tonga teo amin’ny tampon-kavoana an-dranomasina, nantsoiny hoe Vinland, anarana izay nalaina avy tamin’ireo voaloboka dia, na voaroy, izay naniry tao. * Nijanona tao nandritra ny ririnina i Leif, talohan’ny niverenany tany Groenlandy. Ny taona nanaraka, dia nankany Vinland i Thorwald, rahalahin’i Leif, nefa maty tamin’ny adiady nifanaovany tamin’ireo teratany izy. Taona vitsivitsy taorian’izay anefa, dia nisy Vikings 60 ka hatramin’ny 160 nanorim-ponenana tao Vinland, nefa noho ireo teratany mbola nankahala azy ireo foana, dia telo taona teo ho eo monja no nijanonany tao, ary tsy niverina intsony izy ireo. Efa ho 500 taona tatỳ aoriana vao naka an’i Amerika Avaratra ho an’i Angletera, i John Cabot, Italianina iray mpamantatra tany vaovao, niasa ho an’i Angletera.

Ny faran’ny vanim-potoanan’ny Vikings

Tamin’ny faran’ny vanim-potoanan’ny Vikings, dia nanorina fanjakana ara-politika vaovao maromaro, izay nanapahan’ireo tarana-mpanjaka skandinavianina, izy ireo. Tsy naharitra ela anefa ny nitoerany ho vahiny, satria Vikings maro tamin’ny farany, no nandray ireo kolontsaina vaovao, na ny fivavahana mihitsy aza. Ohatra, niova finoana nanaraka ny Katolisisma i Rollo, filoham-poko viking, izay naka ny ampahany tamin’ny morontsirak’i Frantsa, izay antsoina hoe Normandia (midika hoe “Tanin’ny Tavaratra”, na ny Normands). Iray tamin’ny taranany i William, Andrianan’i Normandia. Taorian’ny adin’i Hastings tamin’ny 1066, izay nifamelezan’ny taranaky ny Normands sy ireo Vikings anglisy, dia natao ho mpanjakan’i Angletera ny Andriana William, izay nandresy.

Nanakana haingana ny fitaomana fanampiny rehetra nampiharin’ny Skandinavianina tao Angletera i William, sady nanomboka ny vanim-potoana vaovao, ny an’ny tompomenakely, izay nahafaoka ny fitondrana frantsay tamin’ny Moyen Âge, sy ny fananan-tany ary ny toe-karena. Noho izany, “raha tsy maintsy fidina ny daty iray hanamarihana ny fiafaran’ny Vanim-potoanan’ny Vikings”, hoy ilay boky hoe The Vikings, nosoratan’i Else Roesdahl, “dia tsy maintsy ho ny taona 1066 izany”. Tamin’ny taonjato faha-11 koa no nitranga ny tetezamita avy tamin’ny fanjakan’ny Vikings tany am-boalohany tany Skandinavia ho amin’ny fanjakan’ny firenena nahaleo tena.

Feno asa ireo taonjato telo nisian’ny tantaran’ny Vikings. Kanefa, tsy ampy ny fiheverana ireo Vikings ho toy ny baribarianina mpanafika fotsiny, izay nitondra sabatra sy famaky. Izy ireo koa dia hita ho nahay nifanaraka tamin’ny toe-javatra nisy tamin’ny fanjanahana tany lavitra tamin’ny farany, sy tamin’ny fandraisana mihitsy ireo kolontsaina teo an-toerana. Tamin’ny naha mpamboly azy ireo, dia nanorim-ponenana naharitra izy ireo, ary tamin’ny naha mpanapaka azy, dia nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana tany amin’ny firenena hafa izy ireo. Eny, ireo Vikings dia hita ho faran’izay nahay, tsy teo amin’ny familiana sambo sy ny fampiasana sabatra ihany, fa teo amin’ny fambolena sy ny politika koa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tany ivelan’i Skandinavia, dia nantsoina matetika hoe mpanompo sampy, Danoà, Tavaratra, ireo Vikings. Koa satria mampiasa ilay teny hoe “Viking” ny ankamaroan’ireo mpahay tantara maoderina mba hilazana ny Skandinavianina rehetra tamin’ny vanim-potoanan’ny Vikings, dia io teny io no noraisinay ato amin’ity lahatsoratra ity. Tsy mazava tsara ny niandohan’ilay teny hoe “Viking”.

^ feh. 20 Tao L’Anse aux Meadows, eo amin’ny tendrony avaratr’i Terre-Neuve, no nanorenana indray trano skandinavianina mitafo ahi-maitso, araka ny porofo arkeolojika hita tany, teo am-piandohan’ireo taona 1960. Io porofo io dia milaza fa nisy Viking tao, arivo taona talohan’izay, nefa mampisalasala ny hoe anisan’i Vinland malaza io toeram-ponenana io. — Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 8 Jolay 1999.

[Efajoro, pejy 27]

FIVAVAHAN’NY VIKINGS

Ireo Vikings dia nivavaka tamin’andriamanitra maro ao amin’ny angano, toa an’i Odin, i Thor, i Frey, i Freya, ary i Hel. I Odin, ilay andriamanitry ny fahendrena sy ny ady, no loha laharana. I Frigga no vadiny. I Thor no mpandripaka ny olona goavana sy mpanjakan’ny rivotra sy ny orana. I Frey no andriamanitry ny fiadanana sy ny fahavokarana, andriamanitra naloto fitondran-tena izy io. I Freya, anabaviny, no andriamanibavin’ny fitiavana sy ny fahavokarana. I Hel no andriamanibavin’ny tontolon’ireo maty.

Ny angano skandinavianina no fototr’ireo anaran’andro sasany amin’ny herinandro, amin’ny teny anglisy sy amin’ny teny hafa sasany. Ny Tuesday (talata) dia nomena ny anaran’i Tyr, zanakalahin’i Odin (fantatra koa hoe Woden); ny Wednesday (alarobia) dia andron’i Woden; ny Thursday (alakamisy) dia andron’i Thor; ary ny Friday (zoma) dia andron’i Frigga.

Tahaka ireo mpivavaka taminy, ny andriamanitr’ireo Vikings dia toa nahazo ny harenany tamin’ny fangalarana sy ny fahasahiana ary ny hafetsena, hono. Nampanantena i Odin fa ireo izay maty tamin-kerim-po tamin’ny ady, dia hanana toerana ao amin’ny faritry ny lanitra, antsoina hoe Asgard (fonenan’ireo andriamanitra), ao amin’ny efitrano lehibe antsoina hoe Valhalla. Ao izy ireo dia afaka manao fanasana sy miady araka izay irin’ny fony. Ireo andriana vikings matetika dia nalevina niaraka tamin’ny sambo iray na tamin’ny vato nalahadahatra natao miendrika sambo. Nasiana sakafo, fitaovam-piadiana, firavaka, biby nohazaina ary andevo natao sorona mihitsy koa aza niara-nalevina taminy. Ny mpanompovavin’ny mpanjakavavy iray dia azo nampiraisina fasana taminy.

Ny fiarovan-doha nisy tandroka izay ampifandraisina matetika amin’ireo Vikings dia efa nisy 1 000 taona mahery, talohan’ny vanim-potoanan’ny Vikings, ary toa tsy nanaovana raha tsy tamin’ny andro fety ihany. Ireo Vikings mpiady dia nanao fiarovan-doha kitsoloha tsotra vita tamin’ny metaly na hoditra, raha nifidy ny hanao fiarovan-doha aza izy ireo.

[Sarintany, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

FIELEZAN’IREO VIKINGS

NORVEZY

ISLANDY

GROENLANDY

Nosy Baffin

Labrador

Terre-Neuve

DANEMARK

ANGLETERA

IRLANDY

HOLANDY

FRANTSA

PORTOGALY

ESPAINA

AFRIKA

ITALIA

SOEDA

ROSIA

Ranomasina Caspienne

Bagdad

UKRAINE

Ranomasina Mainty

Istanbul

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 24]

Ala tahaka ny sambo lavan’ny Vikings

[Sary nahazoan-dalana]

Pejy faha-2 sy faha-24: Antonion Otto Rabasca, Courtesy of Gunnar Eggertson

[Sary, pejy 25]

Fitaovam-piadian’ny Vikings

Fiarovan-dohan’ny Vikings

[Sary nahazoan-dalana]

Fitaovam-piadiana sy fiarovan-doha: Artifacts on display at the Museum of National Antiquities, Stockholm, Sweden

[Sary, pejy 27]

Leif Eriksson