Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitohy ny Fikarohana Vahaolana

Mitohy ny Fikarohana Vahaolana

Mitohy ny Fikarohana Vahaolana

EFA hatrany am-piandohany mihitsy ny fikambanan’ny Firenena Mikambana no nihevitra manokana ny ankizy sy ny olana mahazo azy ireny. Tamin’ny faran’ny 1946, dia nanangana ny Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana ho An’ny Ankizy (UNICEF) izy io, ho fepetra vonjy maika hikarakarana ny ankizy tany amin’ny faritra ravan’ny ady.

Nanjary fikambanana maharitra io tahirim-bola ho an’ny ankizy io, tamin’ny 1953. Na dia fantatra amin’ny fomba ofisialy hoe Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza aza izy io ankehitriny, dia nohazoniny ihany ilay fanafohezan-teny tamin’ny voalohany hoe UNICEF. Araka izany, dia efa antsasa-taonjato mahery izao no nanomezan’ny UNICEF sakafo sy fitafiana ary fikarakarana ara-pitsaboana ho an’ny ankizy maneran-tany, sy niezahany nikarakara ny zavatra ilain’ny ankizy amin’ny ankapobeny.

Nasongadina kokoa ireo zavatra ilain’ny ankizy, fony neken’ny Firenena Mikambana ny fanambarana iray atao hoe Fanambarana Momba ny Zon’ny Ankizy, tamin’ny 1959. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-5.) Nantenaina fa hahatonga ny olona hihevitra manokana ireo olana mahazo ny ankizy io fanambarana an-tsoratra io. Nantenaina koa fa hanampy amin’ny famahana ireny olana ireny izy io, amin’ny fampirisihana ny besinimaro hanome fanampiana ara-bola sy amin’ny fomba hafa.

“Roapolo taona tatỳ aoriana” anefa, “dia mbola tsy azon’ny ankamaroan’ireo ankizy arivo tapitrisa sy sasany eran-tany ihany ny ampahany lehibe amin’ireo ‘zo’ ireo — indrindra fa ireo zo mahakasika ny sakafo, ny fahasalamana, ary ny zavatra ara-nofo”, araka ny voalazan’ny 1980 Year Book, navoakan’i Collier. Koa rehefa takatry ny Firenena Mikambana fa mbola ilaina ihany ny mamaha ireo olana mahazo ny ankizy — ary mifanaraka amin’ny tanjona noferany sy nambarany — dia nanondro ny taona 1979 ho Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Ankizy izy. Nisy antokon’olona miasa ao amin’ny fitondram-panjakana, ao amin’ny biraon’ny tanàna, avy amin’ny fivavahana, ary mpanao asa soa, eran-tany, nanoina haingana ny antso mba hikaroka vahaolana.

“Vazivazy ratsy” fotsiny ve ilay izy?

Mampalahelo fa tsy tsara akory ny toe-piainan’ny ankizy tatỳ amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, nandritra ny Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Ankizy, araka ny tatitra iray nataon’ny UNICEF. Ankizy 200 tapitrisa teo ho eo no mbola tsy ampy sakafo tamin’ny faran’ilay taona, ary tamin’ireo ankizy latsaka ny dimy taona, 15 tapitrisa, maty, dia ny antsasak’izy ireo no azo lazaina hoe maty noho ny tsy fahampian-tsakafo. Tamin’ireo ankizy 100 teraka isa-minitra nandritra io taona io, tany amin’ireny tany ireny, dia ny 15 no maty raha mbola tsy feno herintaona akory. Latsaka ny 40 isan-jato no nahavita ny fianarana tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Rehefa niresaka momba ilay tatitra nataon’ny UNICEF ny lahatsoratry ny mpampanonta tao amin’ny gazety Indian Express, dia naneho ny alahelony ka nilaza fa hita tamin’ny farany fa “vazivazy ratsy” ilay Taona ho An’ny Ankizy.

Nisy olona nahita mialoha fa tsy hahomby ilay izy. Teo am-piandohan’ilay taona mihitsy, ohatra, dia nanoratra toy izao tao amin’ny gazetiboky L’Espresso i Fabrizio Dentice: “Tsy Taona ho An’ny Ankizy fotsiny no ilaina mba hanarenana ny toe-javatra.” Nanazava toy izao ilay gazetiboky: “Ny fomba fiaina amin’izao andro izao no mahatonga antsika ho toy izao, ary io no mila hovana.”

Mbola ho fikarohana vahaolana momba ireo olana mahazo ny ankizy ihany no nanaovana fihaonana an-tampony iray naneran-tany tao amin’ny foiben’ny ONU, tamin’ny Septambra 1990. Anisan’ny fivoriana lehibe indrindra teo amin’ny tantara, nataon’ny mpitondra eran-tany, izy io. Maherin’ny 70 mantsy ny mpitondra fanjakana nanatrika tamin’izany. Ilay fihaonam-be dia natao mba ho fanohanana ilay Fifanekena Momba ny Zon’ny Ankizy, izay nekena tamin’ny 20 Novambra 1989, ary nanan-kery tamin’ny 2 Septambra 1990. Tamin’ny faran’io volana io, dia tany 39 sahady no efa nankatò ilay fifanekena.

Hoy ny fanamarihan’ny UNICEF vao haingana: “Vetivety foana dia nanjary ny fifanekena momba ny zon’olombelona be mpankatò indrindra hatramin’izay ilay izy, ka niteraka risika naneran-tany ho amin’izay hahasoa ny ankizy.” Nanomboka tamin’ny Novambra 1999 tokoa, dia firenena 191 no nanaiky ilay Fifanekena. Nirehareha toy izao ny UNICEF: “Ny fandrosoana vita teo amin’ny fanatanterahana sy ny fiarovana ny zon’ny ankizy tao anatin’ny folo taona nanaraka ny fanekena ilay Fifanekena Momba ny Zon’ny Ankizy dia bebe kokoa noho ny tao anatin’ny fe-potoana hafa na oviana na oviana, mitovy amin’izany, teo amin’ny tantaran’ny olombelona.”

Na teo aza izany fandrosoana izany, dia voatosika hanazava toy izao i Johannes Rau, filoham-pirenena alemà: “Mampalahelo ny hoe amin’izao androntsika izao dia mbola mila ny hampahatsiahivina ihany isika fa manan-jo ny ankizy.” Na hampahatsiahivina fa mbola misy olana lehibe mahazo azy ireo! Niaiky ny UNICEF tamin’ny Novambra 1999 fa “mbola betsaka ny tokony hatao”. Hoy ny fanazavany: “Tombanana ho 12 tapitrisa maneran-tany ny ankizy latsaka ny dimy taona maty isan-taona, ka ny ankamaroany dia noho ny antony azo nosorohina mora foana. Ankizy 130 tapitrisa eo ho eo any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana no tsy mianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra (...). Ankizy 160 tapitrisa eo ho eo no tena, na somary, tsy ampy sakafo. (...) Ankizy maro no tsy ilain’ny olona ka voatery miaritra any amin’ny trano fitaizana zaza kamboty sy fikambanana hafa, ary tsy omena fampianarana sy fikarakarana ara-pahasalamana ampy. Matetika ireny ankizy ireny no ampijalina. Tombanana ho 250 tapitrisa ny ankizy mirotsaka eo amin’ny sehatry ny asa, amin’ny endriny toy izao na izao.” Nisy koa firesahana momba ireo ankizy 600 tapitrisa izay miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny, ary ireo ankizy 13 tapitrisa izay hamoy, fara fahakeliny, ray na reny vokatry ny SIDA, alohan’ny faran’ny taona 2000.

Toa tsy mety hitan’ireo mpitondra ara-politika ny vahaolana mahafa-po amin’ireo olana ireo. Tsy ny ankizy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ihany anefa no mahita olana. Ankizy maro any amin’ny firenena tandrefana koa no tsy mahazo zavatra ilainy, fa miseho amin’ny endriny hafa indray ny azy ireo.

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Mampalahelo ny hoe amin’izao androntsika izao dia mbola mila ny hampahatsiahivina ihany isika fa manan-jo ny ankizy”

[Efajoro/Sary, pejy 5]

Ny Fanambaran’ny ONU Momba ny Zon’ny Ankizy:

● Ny zo homena anarana sy hizaka zom-pirenena.

● Ny zo hahazo firaiketam-po sy fitiavana ary fahatakarana ny fiheviny, ary hanana izay ilainy ara-nofo.

● Ny zo hahazo sakafo ampy sy trano ary fitsaboana.

● Ny zo hokarakaraina manokana raha toa ka manana kilema, na ara-batana izany na ara-tsaina, na eo amin’ny fiaraha-miaina amin’ny hafa.

● Ny zo ho anisan’ny voalohany hahazo fiarovana sy fanampiana ao anatin’ny tarehin-javatra rehetra.

● Ny zo harovana amin’ny fanaovana tsirambina, ny halozana ary ny fanararaotana, amin’ny endriny rehetra.

● Ny zo hanana fahafahana feno hilalao sy hiala voly ary hanana fahafahana mitovy hahazo fampianarana maimaim-poana sy takin’ny lalàna, mba hahafahany hampitombo ny fahaizany sy ho tonga mpikambana ilaina ao amin’ny fiaraha-monina.

● Ny zo hampivelatra ny fahaizany sy ny talenta mety hananany, ao anatin’ny toe-piainana misy fahalalahana sy fahamendrehana.

● Ny zo hotezaina ao anatin’ny rivo-piainana misy fahazoana ny fiheviny, fileferana, fisakaizana eo anivon’ny samy olona, fihavanana ary firahalahiana maneran-tany.

● Ny zo hanana ireo zo ireo na inona na inona foko misy azy, volon-kodiny, na lahy izy na vavy, na inona na inona fivavahany, na heviny ara-politika na heviny manokana, na firenena na fiaraha-monina niaviany, na inona na inona fananany, sarangany teo am-pahaterahana, na saranga hafa.

[Sary nahazoan-dalana]

Miorina amin’ny Everyman’s United Nations io famintinana io

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

UN PHOTO 148038/Jean Pierre Laffont

UN photo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Sary eo amin’ny pejy faha-4 sy faha-5 Giacomo Pirozzi/Panos Pictures