Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moa ve ny Ranjonao Mihetsiketsika Foana?

Moa ve ny Ranjonao Mihetsiketsika Foana?

Moa ve ny Ranjonao Mihetsiketsika Foana?

ALINA ny andro. Miadana sy maka aina ao am-pandrianao ianao. Manomboka amin’izay ilay izy — ilay mamolivoly ao amin’ny ranjonao. Tsy azonao odiana tsy re ilay izy. Ny hany fomba hahazoana fahamaivamaivanana, dia ny mitsangana sy ny mandehandeha kely. Manampy ny fandehandehanana, nefa miverina indray ilay zavatra tsapanao rehefa miverina matory ianao. Ta hatory ianao nefa tsy afaka. Raha mitovitovy amin’ny zavatra iainanao izany, dia tsy irery ianao. Ohatra, ny 15 isan-jaton’ny mponina amerikanina angamba no miaina ao anatin’io tarehin-javatra io.

Tsy vaovao akory io aretina io, na dia tsy hain’ny dokotera maro aza ny mamantatra azy, na ny mitsabo azy araka ny tokony ho izy. Tamin’ny 1685 ny dokotera iray dia nanoratra ny amin’ireo olona izay mahatsapa fa “mihetsiketsika foana” ny sandriny sy ny ranjony rehefa tonga ao am-pandriana izy, hany ka “tsy afaka matory intsony izy, fa toy ny hoe any amin’ny Toerana Fampijalijaliana lehibe indrindra”.

Anisan’ny olana tsy ahafahana mamantatra io aretina io ny tsy fisian’ny fitsirihana any amin’ny laboratoara amantarana raha voan’izy io ny olona iray na tsia. Fantatra amin’ny soritr’aretina asehony izy io. Ny dokotera mahay iray dia mety hanontany hoe: ‘Amin’ny ranjonao iray sa amin’izy roa no tsapanao ho mamolivoly? Efa tsapanao tamin’ny sandrinao koa ve izy io? Afaka ve ilay tsy metimety rehefa mitsangana ianao ary mandeha, na mandro, na orinao ny tongotrao? Mahatsapa ilay tsy metimety ve ianao rehefa tsy maintsy mipetraka maharitra, toy ny any anaty fiarakodia na fiaramanidina? Amin’ny alina ve no tena manelingelina anao indrindra izy io? Misy amin’ny fianakavianao ve mahita olana mitovy amin’izany? Milaza ve ny vadinao fa indraindray dia mitsipaka tampoka ny tongotrao rehefa matory ianao?’ Raha eny no valin-teninao amin’ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo, dia mety hanatsoaka hevitra ny dokotera fa voan’ny aretin’ny ranjo mihetsiketsika foana (syndrome de jambes sans repos, RLS) ianao.

Ireo voan’izy io

Ho an’ny sasany, ny RLS dia aretina tsy dia manao ahoana, misy soritra tsindraindray fotsiny. Ho an’ny hafa kosa dia mafy kokoa izy io, miteraka tsy fahampian-torimaso matetika izay miteraka harerahana mandritra ny andro, ka manembantsembana be ny fiainana andavanandro. Hoy ny olona iray voan’izy io: “Tsapako ho toy ny hoe misy kankana maro be mandadilady sy mihahohaho ao amin’ny ranjoko. Mila manetsiketsika ny tongotro aho vao afaka ilay izy.”

Mahavoa ny lehilahy sy ny vehivavy izy io, ary fahita kokoa sy mahery kokoa eo amin’ireo olona efa zokinjokiny. Fahita indrindra eo amin’ireo olona eo amin’ny faha-50 taonany izy io, na dia matetika aza no efa niseho am-polony taona maro mialoha ireo soritr’aretina. Indraindray ireo soritr’aretina dia hita ho efa nisy hatramin’ny fahazazana. Matetika anefa no tsy fantatra ny RLS rehefa ny ankizy no voa. Koa satria tsy afaka mipetraka tsara, na tsy mahatombin-tsiraka foana ny tanora voan’izy io, dia matetika izy ireo no lazaina fa “mipelipelika be”.

Sarotra ny milaza marina izay mahatonga ny RLS, na dia hitan’ireo manam-pahaizana manokana ho aretina mifandray amin’ny rafi-pitatitra aza izy io. Tsy fantatra ny antony mahavoa ny ankamaroan’ireo voan’izy io. Nampifandraisina tamin’ny anton-javatra sasany anefa ny RLS. Ohatra, izy io dia manaranaka, ka mifindra avy amin’ny fototarazon’ny ray aman-dreny ho amin’ny zanany. Ny vehivavy bevohoka sasany dia mahita ireo soritr’aretin’ny RLS, indrindra fa mandritra ireo volana farany itondrany vohoka. Mazàna ilay aretina no miala, rehefa teraka izy. Indraindray ny olana ara-pahasalamana toy ny tsy fahampian’ny vy na ny vitaminina sasany no miteraka azy io. Ny aretina mitaiza koa dia mety hahatonga ireo soritr’aretina — indrindra fa ny fahasimban’ny voa, ny diabeta, ny rohana mamely ny tonon-taolana ary ny neuropathie périphérique sy ny fahasimban’ireo fitatitra ao amin’ny tanana sy ny tongotra.

Fitadiavana fanamaivanana

Mampalahelo fa tsy misy fanafodiny ny RLS, ary matetika no miharatsy ny soritr’aretina rehefa mandeha ny taona. Soa ihany anefa fa azo tsaboina tsara izy io, nefa matetika tsy hampiasana fanafody. Tsy misy vahaolana tokana; tsy voatery hety amin’olon-kafa izay mety amin’ny olona iray. Izay voan’izy io dia mila mahita hoe fahazarana na asa, na fanafody inona no mampihombo na mampisinda ireo soritr’aretina.

Ny dingana voalohany amin’ny fitsaboana dia ny mandinika raha misy toe-javatra ara-pahasalamana azo ahitsy, miteraka ireo soritr’aretina. Ho an’ireo tsy ampy vy na vitaminina, dia mety ho ny fihinanana sakafo misy vy na vitaminina B12 fotsiny no mety hilaina mba hampisinda ireo soritr’aretina. Mety hampidi-doza ny fahasalaman’ny tena anefa ny fihinanana vitaminina sy mineraly be loatra. Noho izany, dia tokony ho ny mpitsabo no hanapa-kevitra raha tokony homena vy na vitaminina fanampiny ny olona iray.

Mampihombo ireo soritr’aretina ny kafeinina ho an’ny olona sasany. Misy kafeinina ny kafe, ny dite, ny sôkôlà ary ny zava-pisotro tsy misy alkaola maro. Mety hampisinda na hanala tanteraka ireo soritr’aretina ny fampihenana na fampijanonana tanteraka ny kafeinina. Mazàna koa ny fisotroana alkaola no mahatonga ireo soritr’aretina haharitra kokoa sy hihamafy kokoa. Nahita fanamaivanana koa ny sasany, rehefa nampihena ny alkaola ao amin’ny sakafo, na nanafoana azy io tanteraka.

Fizakana ny RLS

Mety hanampy anao ny fanovana ny fomba fiainanao, raha voan’ny RLS ianao. Ny fahazarana tsy miovaova momba ny torimaso dia tena afaka ny hanampy, satria matetika ny harerahana sy ny faharendremana no mampihombo ireo soritr’aretina. Raha mety, dia tsara indrindra ny hananana toerana fatoriana mangina sy mangatsiatsiaka ary mampiadana. Manampy koa ny fatoriana amin’ny ora raikitra isan’alina sy ny fifohazana amin’ny ora raikitra isa-maraina.

Hanampy anao hatory tsara amin’ny alina ny fandaharana fanaovana fanatanjahan-tena tsy tapaka. Mety hisy vokany mifanohitra amin’izany anefa ny fanaovana fanatanjahan-tena mafy ao anatin’ny adiny enina alohan’ny hatorianao. Ny olona sasany voan’ny RLS dia nahita fa manampy azy ireo hatory ny fanaovana fanatanjahan-tena araka ny antonony, alohan’ny hatoriana indrindra. Manaova fanandramana fanatanjahan-tena samihafa mba hahitana izay mety indrindra aminao.

Aza toherina ilay fanerena hihetsika. Raha manandrana hanakana an’ilay fihetsehana ianao, dia mazàna mihombo ireo soritr’aretina. Ny vahaolana tsara indrindra matetika, dia ny mitsangana sy ny mandehandeha kely. Mahita fanamaivanana kely ny sasany rehefa mandeha, manala vonkina, mandro amin’ny rano mafana na mangatsiaka, na manotra ny ranjony. Raha tsy maintsy mipetraka maharitra ianao, toy ny rehefa manao dia lavitra, dia mety hanampy anao ny fihazonana ny sainao hiasa amin’ny famakiana boky.

Ahoana ny amin’ny fanafody? Ny Restless Legs Syndrome Foundation, any Raleigh, Caroline Avaratra, Etazonia, dia milaza fa “mety hanjary ho tena ilaina ny fananganana fitsaboana amin’ny alalan’ny fanafodin’ny farmasia”. Koa satria tsy misy fanafody tokana mety ho an’ny rehetra voan’ny RLS, ny mpitsabo anao dia mety hila ny hitady izay fanafody mety indrindra aminao. Hitan’ny sasany ho mandaitra indrindra ny fampiasana fanafody maromaro mitambatra. Indraindray ny fanafody nety nandritra ny fotoana kelikely dia tsy mandaitra intsony. Mety hampidi-doza ny fampiasana fanafody, indrindra fa ny fampiasana fanafody maromaro mitambatra, ka noho izany dia zava-dehibe ny miara-miasa akaiky amin’ny mpitsabo anao mba hamaritana izay mety indrindra aminao.