Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Nandao Anay i Dada?

Nahoana no Nandao Anay i Dada?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Nahoana no Nandao Anay i Dada?

“Tsy nazava tsara tamiko mihitsy ny antony nandaozan’ny rainay anay. Izay nolazain’ny reninay tamiko ihany no mba fantatro.” — James. *

REHEFA manamboatra valizy ka mandao ny tokantrano ny raim-pianakaviana iray, dia matetika no mahatsapa alahelo sy fahatezerana be ireo ilaozany. “Nalahelo tokoa aho, rehefa nisaraka i Dada sy i Neny”, hoy i James, 14 taona, voatonona tetsy ambony. Ary rehefa lasa tsy manome fanazavana ny raim-pianakaviana iray ary tsy mifandray amin’ny fianakaviany avy eo, dia mety hiady amin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka, nariana na tezitra ny zanany, mandritra ny taona maro ho avy. *

Raha ny rainao mihitsy no nandao anareo, dia angamba fantatrao ny antony, ka mankarary fo anao. “Lasa niaraka tamin’ny vehivavy hafa iray i Dada”, hoy ny tanora iray atao hoe Michael. “Hitako niaraka taminy izy indray mandeha, ka tezitra be aho. Tamiko dia toy ny namadika anay i Dada.” Amin’ny tarehin-javatra sasany anefa, dia mety hitondra fanamaivanana, ilay fandaozana. Alkaolika ny rain’i Melissa, ka hoy i Melissa: “Raha nijanona tato an-trano izy, dia ho mafy kokoa taminay ny niaritra izany.”

Amin’ny tarehin-javatra maro anefa, dia tsy fantatry ny ankizy velively ny antony nandaozan’ny rainy ny tokantrano, ka vao mainka toa mankarary fo ny tsy maha eo azy. Marina fa fantatrao angamba hoe nisy olana teo amin’ny ray aman-dreninao, kanefa mety ho tsy noeritreretinao mihitsy hoe hisaraka izy ireo. Hoy ny tsaroan’i Robert: “Rehefa nandao anay i Dada, dia tena tsy azoko ny zava-drehetra nitranga. Fantatro fotsiny fa nisy olana be, satria niady lava ny ray aman-dreninay.”

Nahoana no mandao ny tokantrano ny raim-pianakaviana sasany? Raha ny rainao no nandao anareo, dia tokony hihevitra izany ho fanariany anao ve ianao? Ary nahoana no malaina hiresaka zavatra betsaka momba izany aminao ny ray aman-dreninao? Tsy tokony hanome fanazavana anao ve izy ireo?

Ny antony mampahalaina azy ireo hiresaka

Tsy mahafinaritra na oviana na oviana ireo antony andaozan’ny raim-pianakaviana iray ny ankohonany. Matetika ny anton’izany dia fanitsakitsaham-bady — fitondran-tena ratsy izay mazàna no nafenina tsara tamin’ilay fianakaviana. Rehefa fantatry ny vehivavy iray ny faharatsiam-pitondran-tena toy izany, dia mety hanapa-kevitra ny hisaraka amin’ny vadiny izy. Mety hangataka azy mba handeha mangingina mihitsy aza izy, raha mbola tsy nateriny tany amin’ny fitsarana akory ireo taratasy fangatahana fisaraham-panambadiana. Mety tsy ho fantatry ny ankizy mihitsy ny antony itrangan’izany.

Miezaha anefa hahatakatra ny antony mety hahatonga ny reninao halaina hilaza mazava izay nitranga. Voalohany aloha, dia mihevitra izy angamba fa hiteraka alahelo fotsiny ny fampahafantarana ny fitondran-tena ratsin’ny rainao. Hevero koa fa tsy maintsy mandratra ny fon’ny vehivavy iray ny mahafantatra fa nanitsakitsaka azy ny vadiny. (Malakia 2:13, 14). Koa raha fanitsakitsaham-bady no antony nampisaraka ny ray aman-dreninao, dia aza gaga raha malahelo loatra noho ilay toe-javatra ny reninao, ka tsy mety miresaka momba izany.

Ahoana ny amin’ny rainao? Tsy mahagaga raha tsy te hiresaka momba izany aminao izy, raha nanitsakitsaka ny reninao. Mahatsiaro tena ho meloka tokoa noho ny fitondran-tena ratsiny ny lehilahy sasany, ka tsy mahatanty na dia ny hifanatrika amin-janany aza! Na dia mahamenatra aza anefa ny fitondran-tenany, dia raim-pianakaviana maro no mbola tia ny zanany, ary mety hiezaka hifandray amin’izy ireo indray.

Amin’ny tarehin-javatra sasany, dia mety handao ny fianakaviana ny ray noho ny fitondran-tena ratsin’ny vadiny, ary manao izay rehetra azony atao izy mba ho akaiky ny zanany hatrany. Amin’ny tarehin-javatra hafa anefa, dia tsy vokatry ny fanitsakitsaham-bady mihitsy ny fisarahana, fa fiafaran’ny fifamalian’ny mpivady nandritra ny taona maro. * (Ohabolana 18:24). Koa satria tsy misy mahita izany matetika, dia mety ho tsy fantatrao hoe momba ny inona ny adin’izy mivady.

Ao amin’ny Ohabolana 25:9, dia milaza ny Baiboly hoe: “Miadia ihany ny adinao amin’ny namanao, kanefa aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina”. Indraindray dia raharahan’izy mivady manokana no ifamaliany. Sarotra aminao angamba ny hino ny hoe mety ho tsara kokoa ho anao ny tsy mahare momba ireny zavatra ireny. Ankoatra izany, dia matetika no manaratsy kokoa ny tarehin-javatra ny manambara “izay tsy tian’ny sasany holazaina”. Mety hirona hiandany amin’ny andaniny na ny ankilany ianao — ka hampisara-bazana fotsiny ny fianakavianao. Rehefa ela ny ela àry, dia ho tsara kokoa ho anao ny hihazonan’ny ray aman-dreninao ny tsipirian’ny fifandirany ho azy samirery.

Miezaha hampitony ny fahatezerana amin’ny fahaiza-mahataka-javatra

Na izany aza, dia sarotra ny tsy ho tezitra na ho sosotra, rehefa nandao ny tokantrano ny rainao, ka tsy hainao valiana ilay fanontaniana hoe: Nahoana? Manao izao fanamarihana izao anefa ny Baiboly, ao amin’ny Ohabolana 19:11: “Ny [fahaiza-mahataka-javatra ananan’ny olona iray, NW ] manindry [fa tsy voatery manaisotra] ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” Ankoatra izany, dia tsy mila mahafantatra ny tsipiriany rehetra akory ianao mba hananana fahaiza-mahataka-javatra.

Ohatra, ny Baiboly dia manampy antsika hahatakatra fa tsy lavorary ny ray aman-drenintsika. Milaza izy io hoe: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23). Ny fanekena izany fahamarinana mankarary fo izany dia hanampy anao hanana fomba fijery araka ny tokony ho izy momba ny fahadisoan’ny ray aman-dreninao. Ohatra, raha tsy nanaja ny voadim-panambadiany ny rainao, dia fahadisoana lehibe izany — izay hampamoahana azy eo anatrehan’Andriamanitra. (Hebreo 13:4). Tsy voatery hidika akory izany hoe nanary anao izy na tsy tia anao.

‘Manam-pahoriana amin’ny nofo’ daholo ny mpivady rehetra. (1 Korintiana 7:28). Ary misy lehilahy sy vehivavy tafalatsaka ao anatin’ny fanaovan-dratsy, noho ny faneren’ny fiainana eto amin’ity tontolo mikorontana ity, na dia tsy azo alan-tsiny aza ny fanaovan’izy ireo izany. Hoy ny tsaroan’i Robert: “Naniry izay tsara indrindra ho anay i Dada. Nentiny àry izahay mianakavy nifindra monina tany amin’ny faritra iray izay noheveriny fa hahitany fivelomana tsara kokoa, ka hanananay trano tsara tarehy ary mba ho sambatra izahay mianakavy.” Tsara fikasa ny rainy nefa tsy ela dia nandamòka ny ezaka nataony mba hananan’ny fianakaviany fiainana tsara kokoa. Manazava i Robert hoe: “Nihananjary tapatapaka tamin’ny fanatrehana ireo fivoriana kristianina i Dada. Avy eo dia tsy nanana asa intsony izy. Rehefa afaka kelikely, dia nanjary namono ny reniko sy ny anabaviko izy.” Tsy ela dia niharatsy aoka izany ny tarehin-javatra, ka nisaraka ny rainy sy ny reniny.

Nety ho nivonto fo noho ny tsy fahombiazan’ny rainy i Robert. Nahatakatra ny toe-javatra nisy ny rainy anefa izy, ka nihanalefaka ny fahatezerany. Na dia nampalahelo izaitsizy aza ny fisarahan’ny ray aman-dreniny, dia nampianatra zava-dehibe an’i Robert izany. Hoy i Robert: “Rehefa hanan-janaka aho, dia tsy maintsy ho eo amin’ny toerana voalohany ny zavatra ara-panahy.”

Tsy maintsy niezaka mafy hampitony ny fahatezerany koa i Michael, voatonona tetsy aloha. “Naniry hampitondra faisana ny raiko aho noho izay nataony taminay”, hoy ny fiekeny. Nihazona fifandraisana tamin’ny rainy anefa izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tsy tezitra intsony mihitsy aza i Michael, ka nanohy ny fiainany.

Angamba ianao koa te hiezaka hihazona fifandraisana ara-dalàna amin’ny rainao, araka izay azo atao. Marina fa mety ho nandratra ny fonao sy ny an’ny reninao izy. Azo inoana anefa fa tsy fantatrao daholo ny zava-misy rehetra. Ary na dia fantatrao aza fa diso izy satria nanao ratsy, dia mbola rainao foana izy. Manana adidy hanaja azy ianao, fara fahakeliny. (Efesiana 6:1-3). Halaviro “ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy”, rehefa miresaka aminy. (Efesiana 4:31). Raha azo atao, dia aza miditriditra amin’ny adin’izy mivady manokana. Amin’ny fanomezanao toky azy mivady fa tianao izy ireo, dia mety hanana fifandraisana tsara amin’izy roa ianao.

Tsy fahadisoanao izany

Ny fandaozan’ny rainao ny tokantrano angamba no iray amin’ireo zavatra mankarary fo indrindra hatrehinao. Na dia tsy fantatrao mihitsy aza anefa ny antony rehetra nandaozany anareo, dia tsy mila mihevitra izany ho fahadisoanao ianao. Marina fa mety ho toa ianao mihitsy no nariany. Mahalana anefa ny mpivady no misaraka, noho ny ankizy. Nivoady teo anatrehan’Andriamanitra ny hiaraka hatrany ny ray aman-dreninao. Andraikiny — fa tsy andraikitrao — ny hanefa izany. — Mpitoriteny 5:4-6.

Na izany aza, raha mahatsiaro tena ho very hevitra, meloka, na tompon’andraikitra ianao, nahoana raha lazaina amin’ny ray aman-dreninao izany? Mety hanomboka hiresaka izy ireo, ka hanome toky anao, ary izay no mety hilainao. Niaiky toy izao i James, izay voatonona tetsy am-piandohana: “Nihevitra aho fa ny tenako no mendrika ny homen-tsiny, mandra-pakan’ny raiko sy ny reniko fotoana niresahana tamiko.” Nahatsiaro tena ho meloka koa ny zatovo iray antsoina hoe Nancy, rehefa nisaraka ny rainy sy ny reniny. Rehefa niresaka imbetsaka tamin’ny reniny i Nancy, dia nanao izao fanatsoahan-kevitra izao: “Tsy tokony hanamelo-tena noho izay ataon’ny ray aman-dreniny ny ankizy.” Eny, mety tsy hitambesaran’ny fihetseham-po mila tsy ho tanty ianao, raha avelanao “hitondra ny entany”, dia ny andraikiny, ny ray aman-dreninao. (Galatiana 6:5). Ahoana anefa no hahafahanao hiaina amim-pahombiazana ao anatin’ny fianakaviana tsy misy ray? Hitondra valiny sasantsasany amin’izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 4 Jereo ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Fianakaviana Tsy Misy Ray — Fisakanana ny Hiverenan’izany”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Febroary 2000.

^ feh. 12 Lazain’ny Baiboly mazava anefa, fa ny hany antony araka ny Soratra Masina hamaranana fanambadiana iray, izay mamela ny andaniny roa hanambady indray, dia ny fijangajangana. — Matio 19:9.

[Sary, pejy 17]

Aza manamelo-tena noho ny olana ara-panambadian’ny ray aman-dreninao