Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Vahaolana Rehefa Ela ny Ela!

Ny Vahaolana Rehefa Ela ny Ela!

Ny Vahaolana Rehefa Ela ny Ela!

ALAO sary an-tsaina ange e! Tontolo ahitana ankizy tena ilaina sy tena tiana avokoa, ary samy sambatra manan-dray aman-dreny be fiahiana sy fitiavana, izay maniry marina ny hanome ny tari-dalana tsara indrindra araka izay azony atao ho an-janany. Alao sary an-tsaina koa ange e! Tontolo ahitana ankizy salama ara-batana sy ara-tsaina avokoa, tontolo tsy ahitana ankizy mpirenireny mihitsy, tsy ahitana intsony ankizy tsy afaka miaina ny fahazazany, noho izy efa miasa vokatry ny fahasahiranana ara-bola.

Faniry izany an? Mazava ho azy. Ary azo inoana ve? Eny, hoy ny Vavolombelon’i Jehovah, ary izany dia noho ny antony roa.

Afaka manome ny ampahany amin’ilay vahaolana ny ray aman-dreny

Tsy isalasalana fa hanaiky ianao fa tena manana ny fahefana hamaha — ary indraindray aza, hisoroka mihitsy — ny sasany amin’ireo olana mahazo ny ankizy ny olon-dehibe. Eny, izany tokoa raha toa ka vonona ny hanao izany izy ireo. Eny, ny ray aman-dreny ihany dia efa manana ny iray amin’ireo vahaolana.

Ohatra, ny olon-dehibe izay afaka manaraka ny torohevitry ny Baiboly mba “tsy hiala amin’ny lahy ny vavy (...) ary ny lahy aoka tsy hiala amin’ny vavy”, dia tsy manan-janaka mijaly noho ny fiainana ao amin’ny tokantrano ravan’ny fisarahan-toerana na ny fisaraham-panambadiana. — 1 Korintiana 7:10, 11.

Ny olon-dehibe vonona ny hanaraka ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hitondra tena tsara, tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana’, dia tsy manan-janaka mijaly noho ny fahoriana izay tsy afa-misaraka amin’ny fananana ray aman-dreny mamo lava na mpidoroka zava-mahadomelina. — Romana 13:13; Efesiana 5:18.

Ny olon-dehibe vonona ny hanaraka ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hifady ny fijangajangana’, dia manampy mba tsy hahatonga firy ny zanany hahatsapa ho tsy ilaina rehefa mihalehibe, angamba noho izy ao anatin’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny. — 1 Tesaloniana 4:3; Matio 19:9.

Ny olon-dehibe vonona ny hanaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe “Aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy”, sy ny olon-dehibe ‘tia zanaka’, dia tsy manan-janaka izay mahatsapa ny fijaliana ara-batana na ara-tsaina ateraky ny endriny iray amin’ireo fampijaliana maro samihafa. — Kolosiana 3:21; Titosy 2:4.

Raha fintinina, raha toa ny olon-dehibe rehetra ka vonona hanaraka ny torohevitr’i Jesosy, ao amin’ny Baiboly, manao hoe: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany”, moa ve hisy zaza an-tapitrisany maro tsy ilaina sady tsy tiana? — Matio 7:12.

Soa ihany fa misy olon-dehibe maro vonona ny hanao izay rehetra voalaza etsy ambony. Mampalahelo anefa fa tsy ny rehetra no toy izany, ary eo indrindra no mipetraka ny olana. Ary na dia ireo vonona ny hanao izany aza, dia mahita fa matetika ny ezaka ataony no very maina, noho ny tsy fahalavorarian’olombelona sy ny zavatra tsy azon’izy ireo anoharana. Afaka manome ny ampahany amin’ny vahaolana amin’ireo olana mahazo ny ankizy ny olombelona, saingy mazava fa tsy afaka manome ny vahaolana manontolo izy ireo.

Fitondram-panjakan’Andriamanitra hanome ny vahaolana manontolo

Nino mafy i John Ruskin, mpanoratra, voatonona ao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, fa “ny adidin’ny Fanjakana iray voalohany indrindra dia ny manao izay hahazoana antoka fa hahazo trano, fitafiana, sakafo, ary fanabeazana tsara ny zaza teraka rehetra ao aminy, mandra-pahatratrarany ny taona ahafahany manapa-kevitra samirery”. Niaiky anefa i Ruskin fa “mba [hanatanterahana] izany, ilay Fitondram-panjakana dia tsy maintsy manana fahefana eo amin’ny olona, fahefana izay tsy azontsika nofinofisina akory aza ankehitriny”.

Fitondram-panjakana izay manana ny fanohanan’Andriamanitra ihany no manana ilay fahefana tsara noresahin’i Ruskin. Ary efa nampanantenaina ny hahatongavan’ny fitondram-panjakana toy izany indrindra — ilay nasian’i Jesosy firesahana ao amin’ny Matio 6:9, 10. Raha vantany vao mandray an-tanana tanteraka ny raharahan’ny tany io fitondram-panjakana naorin’Andriamanitra io, dia hampihatra ny fahefany eo amin’ny olona rehetra — ka hanome trano, fitafiana, sakafo ary fampianarana ho an’ny olom-peheziny rehetra, anisan’izany ny ankizy. (Isaia 65:17-25). Tsy izay ihany anefa no hataon’io fitondram-panjakana tonga lafatra io.

Hamerina ny olombelona ho amin’ny fahalavorariana ny Fanjakan’Andriamanitra, ka ho afaka hanisy fifandanjana lavorary eo amin’ny fomba hitaizany ny zanany. (Joba 33:24-26). Hotezaina ao anatin’ny firahalahiana feno fihavanana izay hisy maneran-tany ny ankizy, dia ilay filamatra voalaza ao amin’ny Fanambaran’ny ONU Momba ny Zon’ny Ankizy. (Salamo 46:8, 9). Tsy hisy ilana intsony mihitsy Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Ankizy na Fifanekena Momba ny Zon’ny Ankizy.

Ho mora amin’i Kristy Jesosy, ilay Mpanjakan’io fitondram-panjakana any an-danitra io, ny hamerina ny ray aman-dreny sy ny zanaka sembana ho amin’ny fahasalamana tanteraka. Ny fanasitranana mahagaga nataony fony izy tetỳ an-tany no antoka ny amin’izany. (Lioka 6:17-19; Jaona 5:3-9; 9:1-7). Ho vitany hatramin’ny fananganana ankizy efa nodimandry sy ray aman-dreny efa nodimandry koa aza! — Matio 9:18-25.

Tena mahafaly ny mahalala fa akaiky ny fotoana hanaovan’Andriamanitra zavatra ho tombontsoan’ny ankizy eto an-tany!

[Efajoro/Sary, pejy 12]

Fanampiana ho An’ny Tanora

Liana mafy amin’ny fanampiana ny tanora hanalavitra olana sy amin’ny fampisehoana aminy ny fomba tsara indrindra iatrehana ireo olana tsy azo ihodivirana, ny Vavolombelon’i Jehovah. Tao anatin’ireo taona maro lasa àry izy ireo dia namoaka fitaovana maro, natao hanomezana fahafaham-po ny zavatra ilain’ny tanora — manomboka amin’ny zaza mbola tsy mandeha mianatra ka hatramin’ny zatovo. Anisan’ireny zavatra navoaka ireny ny boky Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly sy Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, ary koa ny vidéo iray mitondra ny lohateny hoe Manontany ny Tanora Ahoana no Hahazoako Tena Namana? Azonao atao ny mahazo izany any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao, na amin’ny fanoratana any amin’ny mpampanonta ity gazety ity.

Raha ny amin’ireo zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah, dia asehony azy ireo fa ilaina sy tiana izy ireo, amin’ny firesahana tsy tapaka aminy momba ny olana mahazo azy. Matetika ny ray aman-dreny no mampiasa ireo boky na ilay vidéo tsara dia tsara voalaza etsy ambony ho fototry ny fandaharana mandroso sy tsy tapaka natao hampiofanana tanora. Mety ho tianao koa angamba ny hanao toy izany amin’ireo zanakao.