Asa Hafahafa Nefa Tiako
Asa Hafahafa Nefa Tiako
MANGINGINA amin’ny maraina, any amin’ny seranan-tsambo milamindamin’i Gibsons. Fotoana fandehanako miasa anefa amin’izay, ka mirohondrohona ny samboko rehefa miainga.
Maro ny asa mifandray amin’ny fitrandrahana ala atỳ amin’ny morontsiraka andrefan’i Kanada, ka mifandray amin’izany koa ny ahy. Vitsy anefa ny asa hafahafa toy ny asako. Mpitady hazo very mantsy aho. Tsy vaovao akory io asa io satria misy efa zafiafin’ny mpitady hazo very ny sasany aminay. Tsy fanaon’ny olona taloha ny nanangona zavatra tsy nilaina intsony mba hampiasaina indray. Tamin’izany anefa, dia efa azo lazaina hoe nanangona zavatra tsy nilaina intsony izahay! Miasa atỳ amin’ny faritr’i Howe sy ny Andilan-dranomasin’i Géorgie aho. Eo anelanelan’ny Nosy Vancouver sy ny morontsirak’i Kolombia Britanika no misy azy ireo. Tapany kely fotsiny amin’ny Faritra Fitadiavana Hazo Very atỳ Vancouver ireo toerana ireo.
Toy izao no fomba iray fitateran’ny kompania mpitrandraka ala izay hazo tapahiny: Atambatambany ireo hazo ary asosany eny ambony rano, na alefany amin’ny sambofisaka. Tsy mandany vola izany fomba fitaterana izany. Betsaka koa ny rano atỳ amin’ny Oseana Pasifika. Sarotsarotra anefa indraindray ny asan’ireo kompania ireo satria miovaova be ny fitsokan’ny rivotra, ary misondrotra sy misintona tampotampoka ny ranomasina. Misy oram-baratra tsy ampoizina koa indraindray. Be dia be àry ny hazo very, ka amin’izay indrindra no ilana anay.
Fitadiavana hazo very
Ny mpiasa manana fahazoan-dalana ihany no afaka maka ireo hazo mbola hamidy, izay tafasaraka tamin’ny hazo rehetra, na niala teny ambony sambofisaka. Mandoa vola isan-taona ny mpitady hazo very raha te hanana fahazoan-dalana. Omena fitaovana fanaovana fitomboka izy amin’ny voalohany. Ny nomeraon’ilay fahazoan-dalana no fitomboka eo amin’ilay fitaovana. Azonay alaina daholo na ny hazo eny ambony rano na ny eny amin’ny torapasika. Asianay fitomboka ilay hazo raha vao azonay.
Sambo ary fomba tsara koa no tokony hoentina. Tsy toy ireny sambo fitondra mitsangantsangana ireny ilay izy. Sambo kely matanjaka sady misy maotera no ampiasainay. Matevina be ny vatan’ireny sambo ireny, ary misy vy feno nifinifiny hanosehana ireo hazo, eo amin’ny lohany. Ataonay ampy tsara koa ny tady fisintonanay hazo. Tady matanjaka tsara mirefy 4,5 metatra eo ho eo izany, ary misy vy maranitra mifaraingo eny amin’ny lohany.
Rehefa mahita hazo azo alaina izahay, dia atsatokay tsara aminy ny faraingo amin’ilay tady. Misy tsato-kazo eo ambony sambo, ka afatotray eo miaraka amin’ilay tady misy faraingo ilay hazo nalainay. Mitondra ny fitaovana rehetra fiarovana amin’ny loza koa izahay.Raha misy olona vao voalohany manao io asa io, dia ho hitany avy hatrany fa tsy mora toy ny fijery azy ilay izy. Vao maraina be dia efa manomboka ny asa, ary toy izany foana mandritra ny taona, na tsara ny andro na ratsy. Sarotra na dia ny hiaingana avy eo amin’ny seranana aza, rehefa ririnina, satria tsy maintsy mamaky ranomandry izahay indraindray.
Aiza izahay no mahita hazo? Miankina betsaka amin’ireto zavatra ireto izany: ny fisondrotry ny ranomasina sy ny fisintonany ary ny rivotra. Mijery ny mety ho toetran’ny ranomasina ny mpitady hazo very za-draharaha, alohan’ny hiaingany amin’ny maraina. Tena tsara rehefa misondrotra be ny ranomasina, satria betsaka kokoa ny hazo hitanay amin’izay sady moramora ny misintona ny hazo avy eny amin’ny torapasika.
Tena ilaina foana ny mijery tsara ny toetrandro. Fantarinay tsara foana ny fiavian’ny rivotra, jerenay ny lanitra sy ny fandehan’ny rahona ary ny lokon’ny rano. Ho avy ny orana, raha avy any atsimoatsinanana ny rivotra.
Raha avy any andrefana kosa izany, dia ho tsara ny andro amin’ny ankapobeny, saingy somary hanonja ny ranomasina. Raha avy any avaratratsinanana indray ny rivotra amin’ny ririnina, dia hangatsiaka be ny andro, hanonja ny ranomasina, ary hisy ranomandry. Manantena izahay amin’izay fa hisy hazo ho very.Mahafinaritra ny manatsatoka ilay faraingo amin’ny hazo mitsingevana, fa ny misintona ny hazo avy eny amin’ny torapasika no tena tsara. Mila mailo foana koa izahay satria mety ho simba be ny sambo raha misy vato midona amin’ny vatany, ao anaty rano.
Misy toerana maromaro fametrahana ny hazo voangona. Afatotray ny hazo rehetra ary apetrakay any mandra-pahatongan’ny andro hanangonana azy isan-kerinandro sy handefasana azy any amin’ny mpandray azy. Mety hahatratra 50 hatramin’ny 100 ny isan’ny hazo voangona. Lanjaina ny hazo ary tombanan’ilay mpandray azy ny mety ho tokom-bidiny, ka arakaraka izay ny vola omeny anay.
Mety hahafinaritra anao ny hanao io asa io. Tandremo anefa! Tsy natao ho an’ny olona saro-tahotra izy io satria maro ny loza mety hitranga. Mety hampidi-doza ny tsy fijerena tsara ny toetrandro. Soa ihany fa misy toerana be dia be azonay ialofana atỳ amin’ny faritr’i Howe rehefa misy oram-baratra. Raha tsy mitandrina koa ny mpitady hazo very ka mianjera ao anaty rano amin’ny ririnina, dia mety ho faty na vetivety monja aza no hilatsahany ao anatin’ilay rano mamanala. Tadidinao ve ilay tady misy faraingo, noresahina terỳ aloha? Mety hiongotra izy io ka hiverina eny amin’ny sambo, raha tsy mitsatoka tsara amin’ilay hazo. Soa ihany fa vitsy no efa voan’ireny vy ireny. Tsy manadino ny nanjo azy mihitsy anefa izay efa voa.
Soa ho ahy sy ny tontolo iainana
Nahoana no tiako ny asako? Toerana fanaovan’ny olona vakansy ny faritr’i Howe. Ahitana olona mandeha sambolay sy lakana eto. Be trano azo ivantanan’ny mpanao vakansy koa eto satria misy nosy maro. Betsaka koa araka izany ny sambo mandeha maotera. Misy sambo mitatitra mpiasa sy mpitsidika foana mandritra ny andro. Maro anefa ireo hazo very eny ambony rano, ka mety hampidi-doza. Tena ilaina àry ny asanay.
Azo ivezivezena foana ny rano, rehefa esorinay ny hazo eny amboniny. Manomboka milentika ny hazo sasany raha efa ela be no teny ambony rano. Mety ho kely sisa no tazana amin’ilay hazo, ka tena mampidi-doza ho an’ny mpandeha sambo. Mbola azonay alaina sy amidy anefa ireny hazo ireny. Lasa tsy dia mampidi-doza àry ny rano rehefa maka azy ireny izahay, ary madio ny tontolo iainana.
Mahafinaritra be sady mahavariana io asa io, ary ahitana zava-baovao foana. Miova foana ny zavatra hitan’ny maso rehefa eny ambony rano. Efa nahita masoandro miposaka mandritra ny ririnina aho, ka nahafinaritra erỳ ny nijery azy. Lasa mavokely mamirapiratra ny ranomandry eny ambony tendrombohitra rehefa tarafiny. Tiako erỳ amin’izay ilay rivotra mamirifiry be sady masirasira iny.
Matetika aho no mahita biby isan-karazany. Efa nahita voromahery naka trondro sy serfa nilomano nivezivezy nankeny amin’ireo nosy aho. Tena mahavariana ny mahita lambondriaka lava vava, milalao ny onja eo aorian’ny samboko. Eo koa ireo trozona volondavenona milomano moramora, sy ireo trozona sada mainty manavatsava onja!
Efa tamin’ny 1930 ny raibeko no nanao ity asa ity. Tia ranomasina izy. Tia nankeny amin’ny torapasika koa izy mba hitady zavatra mbola azo ampiasaina na azo amidy. Nafindrany tamin-dry dada izany fitiavana izany, ary nafindran’i dada taminay. Nifidy an’io asa io àry aho rehefa ampy taona. Marina fa tsy io no asa lehibe indrindra eo amin’ny fiainako. Ny fanompoako an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra amiko, sady tena mahafa-po ahy. Tiako koa anefa ny asako, ary efa ho 50 taona aho no nanao azy io. Mbola mazoto hitady hazo very foana aho hatramin’izao.
Miara-miasa amiko koa ny fianakaviako. Miara-mandeha mitady hazo eny amin’ny torapasika daholo izahay indraindray, amin’ilay takariva mafana iny. Entinay eny amin’ny seranan-tsambo izay hazo hitanay. Mahavariana erỳ amin’izay ny masoandro mody, ny voron-dranomasina mihirahira manodidina anay, ny onja tarafin’ny masoandro eo aorian’ny sambonay, ary ny jiro manangasanga eny an-tseranana. Mahatsiaro ho sambatra aho sady mahatsapa ho akaiky ny Mpamorona. Mino aho fa izany no tena itiavako ny asako.—Nisy nanome.
[Sary, pejy 16]
Mpitady hazo very mamatotra hazo hitany teny amin’ny torapasika
[Sary, pejy 16]
Mahita biby isan-karazany matetika, rehefa mitady hazo very
[Sary, pejy 17]
Miasa foana ny mpandray hazo any amin’ny faritr’i Howe, na amin’ny ririnina aza