Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Tanora Manana Fahasahiana Efa ela aho no te hilaza taminareo hoe tena tiako ny gazetinareo. Nanapa-kevitra ny hanao izany ihany aho rehefa avy namaky ilay lahatsoratra hoe “Novalian-tsoa ny Fahasahiany.” (8 Mey 2002) Vao haingana aho no nanao zavatra toa an’i Stella. Faly aho fa misy tanora hafa koa mihevitra ny fanompoana an’i Jehovah ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Mampahery ny fitantarana toy ireny na ho an’ny tanora na ho an’ny antitra.

L. P., Etazonia

Manontany ny Tanora Misaotra betsaka noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Ahoana Raha Hitan’ny Mpiara-mianatra Amiko Aho?” (8 Martsa 2002) Ankizilahy faran’izay saro-kenatra aho taloha, ary niakanakana rehefa niteny. Sarotra tamiko ny nitory, indrindra rehefa nifanena tamin’ny mpiara-mianatra tamiko. Fantatro fa tena hanampy ny tanora hafa iny lahatsoratra iny.

W. T., Etazonia

Tena ahafantaran-javatra maro ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Ahoana no Ahitako Mpiray Efitra Mifanaraka Amiko?” (8 Jona 2002) Tsy tanora aho, fa nisaraka tamin’ny vadiko vao haingana. Natahotra aho satria tsy vitako intsony ny nipetra-drery noho ny fisondrotry ny vidim-piainana. Ny hany vahaolana hitako dia ny hitady olona hiara-mipetraka amiko. Nieritreritra aho fa tena ho sarotra izany, satria efa antitra aho. Nila olona hiara-mipetraka taminy koa ny rahavavy tanora iray vao tonga tao amin’ny fiangonanay, ka niara-nifindra trano izahay. Tena nety tsara ilay izy. Sahirana ara-bola indray izahay tatỳ aoriana, ka nisy rahavavy hafa iray nifindra tao aminay. Ao amin’ny fandaminan’i Jehovah ihany vao misy an’izany hoe bebe 60 taona sy tovovavy roa samy hafa fiaviana no miara-mipetraka, kanefa mihavana sy mifankatia! Lasa fianakaviana kely izahay, ary tena nameno ny banga teo amin’ny fiainanay izany, tamin’ny lafiny maro.

L. G., Etazonia

Torohevitra Tsara Misaotra noho ireo gazetinareo, fa tena ahalalan-javatra izy ireny. Misy foto-kevitra isan-karazany ao amin’ny lahatsoratrareo, sady tsy toy ny amin’ny boky hafa satria tsy miangatra ianareo, ary manaja ny zavatra inoan’ny olon-kafa. Mamaky ny Mifohaza! foana aho izao. Toy ny namana akaiky manome torohevitra tsara ahy izy io, mba hiatrehako ny zava-manahirana amin’ny fiainana.

N. P., Brezila

Sofina Misaotra betsaka tamin’ilay lahatsoratra hoe “Arovy ny Sofinao!” (8 Jona 2002) Herintaona izay no niofanako ho manam-pahaizana momba ny sofina, ka fantatro tsara ny vokatra ateraky ny tabataba isan’andro eo amin’ny olona. Tena ilaina mihitsy ny mampitandrina ny tanora noho ny tabataba henoin’izy ireo isan’andro.

C. K., Alemaina

Topy Maso Eran-tany Misaotra tamin’ilay “Topy Maso Eran-tany” nisy hoe “Fanesorana Hevi-diso Momba ny Aretin-tsaina.” (8 Jona 2002) Ketraka sy nikorontan-tsaina mafy aho nandritra ny 18 taona. Nety ihany anefa ny fiainako na teo aza io aretina io. Nitaiza zanakalahy telo aho, ary voakarakarako tsara ny vadiko. Nisy olona maromaro koa nampiako hianatra Baiboly. Tia ahy ny fianakaviako, ary manana namana tsara aho eo anivon’ny fiangonana. Misaotra betsaka anareo mamoaka ny Mifohaza! Mahatonga antsika hahalala ny zavatra fantatry ny olon-kafa izy io.

H. B., Afrika Atsimo

Masai Misaotra betsaka tamin’ilay lahatsoratra hoe “Masai—Vahoaka Miavaka sy Tia Loko Marevaka.” (8 Martsa 2002) Efa hatramin’ny mbola kely aho no naniry hitsidika an’i Kenya. Efa nanao fikarohana be dia be mahakasika ny fomba fiainan’ny Masai aho, nefa tsy nahafantatra fa misy Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Mpitory ny vaovao tsara manontolo andro aho, ary manantena ny hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra any Kenya indray andro any. Miangavy anareo aho hamoaka lahatsoratra momba an’i Afrika foana.

Y. H., Japon