Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Dina Lehibe sy ny Fitadiavana Fahafahana

Ilay Dina Lehibe sy ny Fitadiavana Fahafahana

Ilay Dina Lehibe sy ny Fitadiavana Fahafahana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

MIKORIANA mamakivaky ny faritra tsara tarehin’i Surrey ny ony Tamise. Misy tsangambato iray fahatsiarovana ny zava-nitranga efa ho arivo taona lasa, eo amin’ny iray amin’ireo saha manamorona an’io ony io. Runnymede no anaran’io toerana io, ary teo ny Mpanjaka Jean (nanjaka tamin’ny 1199-1216) no nihaona tamin’ireo andriana nanohitra azy, dia ireo tompon-tany natanjaka tsy faly tamin’ny fanamparam-pahefany. Nitaraina izy ireo noho ny tsy rariny natao taminy, ka nitaky ny hanomezan’ny mpanjaka azy zo sasany. Voatery ny mpanjaka, ka nasiany fitomboka ihany ilay antontan-taratasy nantsoina tatỳ aoriana hoe “Dina Lehibe.”

Nahoana izy io no lazaina ho “ny hany lalàna manan-kery indrindra eo amin’ny tantaran’i Eoropa sy Amerika Avaratra”? Mampahafantatra antsika zavatra maro momba ny fitadiavan’ny olona fahafahana ny valin’izany.

Fehezan-dalàn’ireo andriana

Tsy nifankahazo tamin’ny Eglizy Katolika ny Mpanjaka Jean. Nanohitra ny Papa Innocent III izy rehefa tsy nanaiky an’i Stephen Langton ho Arsevekan’i Cantorbéry. Tsy nanampy azy intsony àry ny eglizy, ary noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana izy. Niezaka hamitram-pihavanana anefa ny Mpanjaka Jean. Nekeny homena ny papa ny fanjakany tany Angletera sy Irlandy. Naverin’ny papa taminy ihany ireo, rehefa nilaza izy fa tsy hivadika amin’ny eglizy ary nandoa ny hetra tokony haloany isan-taona. Teo ambany fahefan’ny papa ny Mpanjaka Jean nanomboka tamin’izay.

Nanampy trotraka ny fahasahiranan’ny Mpanjaka Jean koa ny olana ara-bola. Nandritra ny faha-17 taona nanjakany, dia in-11 izy no nitaky hetra tamin’ny tompon-tany. Nanjary nahiahin’ny olona ho tsy azo itokisana ilay mpanjaka noho ireo disadisa teo amin’ny raharaham-piangonana sy ny raharaha ara-bola. Vao mainka nanamarina izany ahiahy izany ny toetran’ny Mpanjaka Jean.

Tsy nanaiky handoa hetra intsony ny andriana tany avaratra, ka nisy hotakotaka be vokatr’izany. Nanao diabe nankany Londres izy ireo ary nikomy tamin’ny mpanjaka. Nisy adihevitra be tamin’ireo andaniny roa ireo; ny mpanjaka moa tao amin’ny lapany tao Windsor, ary ny andriana kosa tany Staines, tanàna teo atsinanana kelin’i Windsor. Nifanaraka tany ambadimbadika tany ry zareo ka nihaona tao Runnymede, teo anelanelan’ireo tanàna nipetrahan’izy ireo. Tao àry no notombohin’ny mpanjaka ilay fehezan-dalàna nisy andininy 49, ny alatsinainy 15 Jona 1215. Manomboka toy izao izy io: ‘Ity no fehezan-dalàna tadiavin’ireo andriana ary eken’ny mpanjaka.’

Fahafahana voafehin’ny lalàna

Hita avy hatrany fa tsy natokisan’ny olona ny zavatra nataon’ny Mpanjaka Jean, ary betsaka ny tsy tia azy sy ny papa. Nandefa iraka hihaona tamin’ny papa tany Roma anefa ny mpanjaka, ka namoaka didy teo no ho eo nanafoana ilay fifanarahana tao Runnymede ny papa. Raikitra vetivety teo àry ny ady an-trano tany Angletera. Maty tampoka anefa ny Mpanjaka Jean, herintaona taorian’izay, ka i Henri zanany lahy sivy taona no nanjaka nandimby azy.

Nataon’ireo mpanohana an’ilay mpanjaka tanora àry izay namoahana indray an’ilay fifanarahana tany Runnymede. Miresaka momba an’io fanontana nohavaozina io ilay bokikely hoe Dina Lehibe (anglisy), ka milaza fa “ilay lalàna hanafoanana ny fitondrana tsy refesi-mandidy, dia novana ho fanambarana nanome fahafahana ny olona mahay mandanjalanja mba hiray hina hanampy [ny mpanjaka].” Navoaka imbetsaka io fifanarahana io nandritra ny fanjakan’i Henri. Mbola nantitranterin’i Édouard I, mpandimby an’i Henri, izy io ny 12 Oktobra 1297 ka nampidirina ho anisan’ny lalàm-panorenana mihitsy tamin’ny farany.

Nanisy fetrany ny fahefan’ny mpanjaka ilay Dina Lehibe. Asehon’izy io tsara fa voafehin’ny lalàna toy ny olom-peheziny rehetra ny mpanjaka. Nilaza ny heviny momba azy io i Winston Churchill, mpahay tantara sady praiminisitra nalaza tany Angletera tamin’ny taonjato faha-20. Nilaza izy fa ny Dina Lehibe dia nanoritra mazava tsara “ny fomba hanomezana fahefana ny olon-tokana mitondra ny fanjakana, nefa koa hisorohana ny fanamparam-pahefan’ireo mpitondra tsy refesi-mandidy na tsy misaina.” Hevitra tsara tokoa izany! Nidika ho inona ho an’ny ankamaroan’ny olona kosa anefa ilay dina? Tsy nidika zavatra firy ho azy ireo mihitsy izy io. Nitanisa ny zon’ny “olona afaka” fotsiny izy io, izany hoe ny zon’ireo olona ambony vitsy an’isa tamin’izany fotoana izany. *

Izao kosa no lazain’ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), momba ny Dina Lehibe: “Hatramin’izay nisiany mihitsy, izy io dia lasa mariky ny fanoherana sy fitaovana fitaomana ny olona hanohitra ny tsindry hazo lena. Mihevitra ireo taranaka mifandimby fa miaro ny fahalalahan’izy ireo izay efa tandindomin-doza izy io.” Hita fa marina izany satria antitranterina foana io Dina Lehibe io rehefa manomboka fivoriana ny Parlemanta anglisy.

Nampiasa andininy tao amin’ny Dina Lehibe koa ireo mpisolovavan’i Angletera tamin’ny taonjato faha-17, mba hanomezana zo sasany, toy ny fahafahana hotsaraina, hampiharana ny habeas corpus, * hitovy zo eo anatrehan’ny lalàna, tsy hosamborina an-keriny, ary ny hanamarinan’ny parlemanta ny fitakiana hetra. Nilaza àry i William Pitt, mpanao politika anglisy, fa aminy dia anisan’ny ‘tena ilaina indrindra amin’ny Lalàm-panorenana Anglisy’ ny Dina Lehibe.

Nitohy ny fitadiavana fahafahana

Niaiky toy izao i Lord Bingham, lehiben’ny fitsarana tany Angletera sy Pays de Galles tamin’ny 1996 ka hatramin’ny 2000: “Imbetsaka no hita fa ny tena nahatonga an’ilay Dina Lehibe ho sarobidy, dia tsy izay voarakitra tao anatiny akory fa izay noheverina fa nolazainy.” Niely nanerana an’ireo tany miteny anglisy ihany anefa ny fahafahana filamatra nifandray tamin’izay noraketin’izy io.

Nitondra kopian’ny Dina Lehibe ireo mpanjana-tany niala tany Angletera hankany Etazonia, tamin’ny 1620. Nikomy ireo zanatany anglisy tany Amerika tamin’ny 1775, satria tsy navela hanana solontena tany amin’ny fanjakana anglisy akory ry zareo nefa nitakiana hetra. Nilaza ireo nandrafitra ny lalàn’ny Massachusetts tamin’izay, fa mifanohitra amin’izay voalazan’ny Dina Lehibe izany fitakiana hetra izany. Sarin-dehilahy mitana sabatra sy ilay Dina Lehibe no teo amin’ny fitomboka ofisialy nampiasain’ny fanjakana Massachusetts tamin’izany fotoana izany.

Nanaiky ny fitsipika momba ny fahafahana voafehin’ny lalàna ireo solontenan’ilay firenena vaovao, nandritra ny fihaonana nandrafetana ny lalàm-panorenana ho an’i Etazonian’i Amerika. Niainga avy tamin’ny fanekena an’io fitsipika io no nanaovana ny Fanambarana ny Zon’ny Olom-pirenena Amerikanina. Nanangana ilay tsangambato ao Runnymede àry ny Fikambanan’ny Mpisolovava Amerikanina tamin’ny 1957, ho fanekena amin’ny fomba ofisialy ny Dina Lehibe. Izao no soratra eo amin’izy io: “Fahatsiarovana ny Dina Lehibe—Mariky ny Fahafahana Voafehin’ny Lalàna.”

Narafitra tamin’ny 1948 ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona nataon’ny Firenena Mikambana. Nanampy tamin’ny fanaovana izany ilay mpanao politika amerikanina atao hoe Eleanor Roosevelt. Nantenainy ho lasa “Dina Lehibe iraisam-pirenena ho an’ny olona rehetra eran-tany” izy io. Mampiseho tokoa ny tantaran’ilay Dina Lehibe, fa tena mitady fahafahana ny olombelona. Faniriana tsara izany, kanefa mbola tandindomin-doza ny zon’olombelona any amin’ny tany maro. Hita foana fa tsy vitan’ny fanjakana ny miantoka fahafahana ho an’ny olon-drehetra. Izany no anisan’ny mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisa hiandrandra fahafahana tsara lavitra, voafehin’ny lalàn’ny fanjakana hafa tanteraka, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.

Mahavariana izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra, hoe: “Izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana.” (2 Korintiana 3:17) Raha te hahafantatra momba izany fahafahana omen’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona izany ianao, nahoana raha manontany Vavolombelon’i Jehovah rehefa mandalo izy ireo? Ho hitanao fa mahaliana sady manafaka ny valiny ho azonao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 “Olom-bitsy ihany no nantsoina hoe ‘olona afaka’ tamin’ny 1215. Manondro ny ankamaroan’ny olona kosa izy io nanomboka tamin’ny taonjato faha-17.”—Tantaran’ny Kolontsaina Tandrefana (anglisy).

^ feh. 14 Io no teny latinina hanondroana ny lalàna izay mitaky ny hamotopotorana raha ara-dalàna ny hitanana am-ponja olona iray.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

ILAY DINA LEHIBE

“Fehezan-dalàn’ireo Andriana” no niantsoana an’ilay Dina Lehibe taloha. Notombohin’ny Mpanjaka Jean io fehezan-dalàna nisy andininy 49 io. Nampiana andininy hafa izy io rehefa afaka andro vitsivitsy ka lasa nisy andininy 63, ary mbola nanisy fitomboka azy io indray ny mpanjaka. Niaraka tamin’ny dina kely kokoa mikasika ny lalàna momba ny ala izy io rehefa navoaka indray tamin’ny 1217. Nantsoina hoe Dina Lehibe ilay fehezan-dalàna nanomboka tamin’izay.

Mizara ho sivy ireo andininy 63 ao anatiny, ka misy, ohatra, fizarana miresaka momba ny fitarainan’ny andriana, ny fanavaozana ny lalàna sy ny rafi-pitsarana, ary ny fahalalahan’ny fivavahana. Izao no vakin’ny andininy faha-39, izay fototry ny fahalalahan’ny olona tsirairay araka ny lalàna anglisy: “Tsy azo atao ny misambotra na mampiditra am-ponja ny olona afaka, manitsakitsaka ny zony na maka ny fananany, manilika azy tsy ho anisan’ny fiaraha-monina na mandefa azy any an-tsesitany, mitondra azy ho toy ny olona very zo, misambotra azy an-keriny na maniraka olona hanao izany. Tsy misy azo atao ireo raha tsy amin’ny alalan’ny fitsarana ara-dalàna ataon’ny olona mitovy aminy na amin’ny alalan’ny lalàna ao amin’ilay tany.”

[Sary]

Sary eo an-damosina: Ilay Dina Lehibe nohavaozina fanintelony

[Sary nahazoan-dalana]

By permission of the British Library, 46144 Exemplification of King Henry III’s reissue of Magna Carta 1225

[Sary, pejy 22]

Mpanjaka Jean

[Sary nahazoan-dalana]

From the book Illustrated Notes on English Church History (Vols. I and II)

[Sary, pejy 22]

Omen’ny Mpanjaka Jean ny solontenan’ny papa ny satroboninahiny

[Sary nahazoan-dalana]

From the book The History of Protestantism (Vol. 1)

[Sary, pejy 23]

Mihaona amin’ireo andriana ny Mpanjaka Jean ary manaiky hanisy fitomboka ny Dina Lehibe, tamin’ny 1215

[Sary nahazoan-dalana]

From the book The Story of Liberty, 1878

[Sary, pejy 24]

Fahatsiarovana ny Dina Lehibe any Runnymede, any Angletera

[Sary nahazoan-dalana]

ABAJ/Stephen Hyde

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

Sary eo an-damosina erỳ ambony: By permission of the British Library, Cotton Augustus II 106 Exemplification of King John’s Magna Carta 1215; Fitomboky ny Mpanjaka Jean: Public Record Office, London