Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaiky ny Fahalalahana Haneho Hevitra ny Fitsarana Tampony

Manaiky ny Fahalalahana Haneho Hevitra ny Fitsarana Tampony

Manaiky ny Fahalalahana Haneho Hevitra ny Fitsarana Tampony

ANDRO LEHIBE NY 17 Jona 2002, satria tamin’io ny Fitsarana Tampony no namoaka ny heviny an-tsoratra. Inona no fanapahan-kevitra noraisiny? Nampahafantatra izany ireo lohatenin-gazety. Hoy ny gazety The New York Times: “Tsy Navelan’ny Fitsarana Hoferana ny Fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Izao no nolazain’ny gazety The Columbus Dispatch any Ohio: “Nolavin’ny Fitsarana Tampony ny Fitakiana Fahazoan-dalana.” Hoy kosa ny gazety The Plain Dealer, any Cleveland, any Ohio ihany: “Tsy Mila Fahazoan-dalana avy Amin’ny Lapan’ny Tanàna ny Mpitety Trano.” Ary hoy ny gazety USA Today: “Nandresy ny Fahalalahana Haneho Hevitra.”

Nofoanana ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsaram-paritra sy ny Fitsarana Ambony! Mpitsara 8 no nanaiky izany ary 1 no nanda. Ny Mpitsara John Stevens no nanoratra ny fanazavan’ny Fitsarana, nahatratra 18 pejy. Nanamafy mazava tsara io fanazavana io fa arovan’ny Fanitsiana Voalohany ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanazava ny Fitsarana fa tsy nangataka fahazoan-dalana ny Vavolombelona satria milaza izy ireo fa “ny Soratra Masina no mandidy azy hitory.” Naka teny tao amin’ny fanazavana an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny Fitsarana, hoe: “Toy ny manao tsinontsinona an’Andriamanitra izahay raha mangataka fahazoan-dalana any amin’ny lapan’ny tanàna alohan’ny hitoriana.”

Nohazavain’ny Fitsarana hoe: “Nofoanan’ny Fitsarana foana izay lalàna mandrara ny fitetezan-trano sy fizarana bokikely, nandritra ny 50 taona mahery. Nahatafiditra ny fahalalahana haneho hevitra arovan’ny Fanitsiana Voalohany ny ankamaroan’ireny raharaha ireny, ka ny Vavolombelon’i Jehovah no nitondra azy ireny teny amin’ny Fitsarana. Takina amin’ny fivavahan’izy ireo mantsy ny fitoriana isan-trano. Tamin’ilay raharaha Murdock miady amin’i Pennsylvanie, . . . (1943), ohatra, dia nomarihinay fa milaza ny Vavolombelon’i Jehovah hoe ‘manahaka an’i Paoly izy ireo, ka mampianatra “eo imason’ny olona sy ao amin’ny isan-trano.” Asan’ny Apostoly 20:20. Arahin’izy ireo ara-bakiteny ilay didin’ny Soratra Masina hoe: “Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra.” Marka 16:15. Mino izy ireo fa mankatò ny didin’Andriamanitra rehefa manao izany.’”

Naka izao teny izao tao amin’ilay didim-pitsarana tamin’ny 1943 indray ny Fitsarana avy eo: “Mitovy amin’ny fotoam-pivavahana any am-piangonana sy ny toriteny eny ambony polipitra io asa ara-pivavahana io, araka ny Fanitsiana Voalohany. Tokony halalaka toy ireo fanao any amin’ny fivavahana efa ela sy be mpanaraka izy io.” Naka teny tao amin’ny didim-pitsarana tamin’ny 1939 koa ny Fitsarana, ka hoy izy: “Tsy malalaka intsony fa lasa voasakantsakana ny fizarana bokikely raha tsy maintsy maka fahazoan-dalana vao mahazo manao izany. Fanaovana tsinontsinona ny fahalalahana fototra arovan’ny lalàm-panorenana izany.”—Izy ireo no manao sora-mandry.

Nanao izao fanamarihana tena tsara izao ny Fitsarana avy eo: “Tsy neken’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny hamerana ny zony haneho hevitra malalaka, tamin’ireo raharaha ireo. Tsy niaro ny zony irery anefa izy ireo tamin’izany.” Nohazavaina koa fa “tsy ny Vavolombelona ihany no ‘olon-tsotra’ mety tsy ho afaka haneho ny heviny noho ny fisian’ny lalàna toy ireny.”

Nanazava koa ny Fitsarana fa ilay lalàna “dia manao tsinontsinona ny fitsipika arovan’ny Fanitsiana Voalohany sy ny fahalalahana amin’ny ankapobeny mihitsy. Milaza mantsy izy io fa tsy maintsy mampahafantatra ny fanjakana ny olona hoe te hiresaka amin’ny mpiara-monina aminy, izay vao mahazo fahazoan-dalana hanao izany. . . . Mifanipaka tanteraka amin’ny fahalalahana nolovantsika sy narovan’ny lalàm-panorenantsika hatramin’izay, ny lalàna toy izany.” Nohazavainy koa avy eo ny “voka-dratsin’ny fitakiana fahazoan-dalana toy izany.”

Atahorana ny asan-jiolahy

Ahoana ny amin’ilay filazana hoe miaro amin’ny mpangalatra sy ny jiolahy ilay fahazoan-dalana? Manazava ny Fitsarana hoe: “Ekena aloha fa ara-dalàna raha matahotra isika. Niharihary tamin’ireo didim-pitsarana tany aloha anefa fa tokony hoeritreretintsika koa ny ho fiantraikan’ny fepetra raisintsika eo amin’ny zo arovan’ny Fanitsiana Voalohany.”

Nanazava koa ny Fitsarana hoe: “Toa tsy ho voasakana tsy handondòm-baravarana sy hiresaka zavatra hafa tsy voalaza ao amin’ilay lalàna ny jiolahy, na dia tsy manana fahazoan-dalana aza. Angamba mody hanontany toerana izy, na hangataka hampiasa ny telefaonina. . . . Na angamba naka fahazoan-dalana ihany izy, saingy anarana hafa no nampiasainy ka tsy tratra izy.”

Nampahatsiahy ny didim-pitsarana rehetra tamin’ireo taona 1940 ny Fitsarana, ka nanao hoe: “Narovan’ny Fitsarana foana ny mpiara-mivavaka amin’ireo olona nametraka fitarainana [Vavolombelon’i Jehovah] nandritra ny Ady Lehibe II, tamin’ireo antony tsy dia nisy dikany nitoriana azy ireo. Hita tamin’ny didim-pitsarana navoaka tamin’izany, fa zava-dehibe ny fahalalahana arovan’ny Fanitsiana Voalohany, izay tafiditra koa amin’ity raharaha ity.”

Inona no fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony? Izao izany: “Tsy manan-kery intsony ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Ambony. Averina any amin’izy ireo ity raharaha ity ka hangatahina izy ireo hanao zavatra mifanaraka amin’ilay didim-pitsarana. Izay no baikon’ny Fitsarana Tampony.”

“Momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana.” Izay àry no niafaran’ilay raharaha, araka ny nilazan’ny gazety Chicago Sun-Times azy. Mpitsara 8 no nanaiky ilay didim-pitsarana, ary 1 no nanda.

Inona no hitranga manomboka izao?

Ahoana no fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah avy any amin’ny Fiangonan’i Wellsville an’iny fandresena tany amin’ny Fitsarana Tampony iny? Tsy hirehareha mihitsy izy ireo mba tsy ho sanganehana ny mponin’i Stratton. Tsy mitana lolompo amin’ireo mponina tsara fanahy ireo ny Vavolombelona. Hoy i Gregory Kuhar, Vavolombelona avy any Stratton: “Tsy naniry hampakatra fitsarana mihitsy izahay tamin’ny voalohany. Hita anefa fa tsy mety ilay lalàna. Tsy ho tombontsoanay ihany no nanaovanay an’iny, fa ho tombontsoantsika rehetra.”

Hita fa tena niezaka mafy nanao izay tsy hampahatezitra ny mponin’i Stratton ny Vavolombelona. Hoy ny Vavolombelona iray atao hoe Gene Koontz: “Ny 7 Martsa 1998 izahay no nitory farany tany Stratton, izany hoe efa-taona mahery izay. Izaho mihitsy no efa norahonana hoe hosamborina. Imbetsaka koa izahay no nandre fa nisy Vavolombelona nampitahorin’ny polisy toy izany koa. Nangataka mba hijery ilay lalàna izahay, nefa tsy nahazo valiny mihitsy.”

Hoy ihany izy: “Te hihavana amin’ny mpiara-monina aminay foana izahay. Raha misy tsy te hotsidihinay amin’izy ireo, dia hajainay ny safidiny. Misy olona sariaka anefa any sady te handre ny hafatra ao amin’ny Baiboly.”

Hoy i Gregory Kuhar: “Tsy filana ady tamin’ny mponin’i Stratton no antony nampakaranay fitsarana an’iny raharaha iny. Tianay fotsiny raha hekena ara-dalàna ny zonay haneho hevitra malalaka, araka ny Lalàm-panorenana.”

“Manantena izahay”, hoy izy, “fa hiverina tsy ho ela any Stratton. Tiako erỳ raha izaho no mandondòm-baravarana voalohany rehefa miverina any izahay. Noho ny didin’i Kristy, dia tsy maintsy hiverina any izahay na inon-kidona na inon-kihatra.”

Nisy vokany tany amin’ny tanàna hafa koa ny fiafaran’ilay raharaha “Watchtower miady amin’ny Tanànan’i Stratton.” Rehefa nahafantatra ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony ny manam-pahefana any amin’ny tanàna sasany any Etazonia, dia neken’izy ireo fa tsy manan-kery intsony koa ny lalàna navoakany mba hamerana ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any aminy. Tsy misy olana intsony izao ny asa fitoriana any amin’ny tanàna 90 eo ho eo, any Etazonia.

[Efajoro, pejy 9]

“NANDRESY INDRAY NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH”

Nanoratra ireo teny ireo tao amin’ny Internet i Charles Haynes, manam-pahaizana ambony sady talen’ny fampianarana any amin’ny Foibe Miaro ny Fanitsiana Voalohany. Eo ambanin’ilay lohateny hoe “Ny Fahalalahan’ny Fivavahana” no misy ireo teny nosoratany ireo. Hoy koa izy: “Nahazo ny fandreseny faha-48 teny amin’ny Fitsarana Tampony [ny Vavolombelon’i Jehovah], tamin’ny herinandro. Noho ireny fandresena niavaka nifanesy ireny, dia nihabetsaka ny toe-javatra azo ampiharana ny Fanitsiana Voalohany, mba hiarovana ny fahalalahan’ny Amerikanina rehetra. Tadidio fa raha afaka mametra ny fahalalahan’ny fivavahan’ny olona iray ny fanjakana, dia ho vitany koa ny hametra ny fahalalahan’ny fivavahana hafa, ary na ny fivavahana rehetra mihitsy aza. . . . Marina aloha fa manana zo tsy hihaino sy hanidy ny varavarany ny olona. Tsy zon’ny fanjakana anefa ny milaza hoe iza no tokony handondòna isam-baravarana. Isaorana be dia be àry ny Fitsarana Tampony noho izay nataony.”

Izao no namaranan’i Haynes ny teniny: “Tokony hankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah isika rehetra. Imbetsaka izy ireo no nompana, noroahina tao an-tanàna, ary niharan’ny herisetra mihitsy aza. Mbola miady ho an’ny fahalalahany ara-pivavahana foana anefa izy ireo (ka miady ho antsika koa). Rehefa mandresy izy ireo, dia isika rehetra no mandray soa.”

[Efajoro/Sary, pejy 10, 11]

NY HEVITRY NY GAZETY MOMBA ILAY DIDIM-PITSARANA

“Momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana; Tsy Ilana Fahazoan-dalana ny Fitoriana Isan-trano

Nino ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao, fa momba azy Andriamanitra, rehefa mandondòna isam-baravarana izy ireo. Momba azy ireo koa izao ny Fitsarana Tampon’i Etazonia.”​—Chicago Sun-Times, 18 Jona 2002.

“Nandresy ny Fahalalahana Haneho Hevitra

Tokony hisaotra ny Vavolombelon’i Jehovah ianao amin’ny manaraka, na dia eo am-pisakafoana aza ianao no tonga izy ireo. Tsy ampy iray tapitrisa akory izy ireo [eto Etazonia], nefa izy ireo angamba no niezaka mafy mihoatra noho ny fikambanana hafa mba hiarovana ny fahalalahan’ny Amerikanina rehetra haneho hevitra. Nanao izany izy ireo satria te hanaraka ny toro lalan’ny fivavahany. . . .”

“Mpankany amin’ny Fitsarana Tampony ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho fanoherana ny tsy rariny nataon’ny maro an’isa no nitondran’izy ireo raharaha 24 mahery tany amin’ny Fitsarana Tampony tao anatin’ny 65 taona, ary nandresy foana izy ireo.”​— USA TODAY, 18 Jona 2002.

“Nambara fa Zo Mifanaraka Amin’ny Lalàm-panorenana ny Fandehanana Isan-trano. Nandresy ny Vavolombelon’i Jehovah

Nambaran’ny Fitsarana Tampony tamin’ny alatsinainy fa araka ny lalàm-panorenana, dia manana zo hitety trano hanambara ny hevitra ijoroany ny mpanao politika, mpivavaka, Skoto, ary ny olon-kafa, ka tsy mila maka fahazoan-dalana amin’ny manam-pahefana eo an-toerana.”​—San Francisco Chronicle, 18 Jona 2002.

“Fitsarana Tampony: Tsy Azo Sakanana Tsy Hitety Trano ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Skoto

WASHINGTON—Nambaran’ny Fitsarana Tampony androany, fa arovan’ny Lalàm-panorenana ny zon’ny misionera sy ny mpanao politika, ary ny olon-kafa handondòna isam-baravarana, ka tsy ilana fahazoan-dalana amin’ny manam-pahefana eo an-toerana. . . .”

“Nanatsoaka hevitra ny fitsarana fa tafiditra amin’ireo zo haneho hevitra malalaka voalazan’ny Fanitsiana Voalohany, ny zo hiresaka mivantana amin’ny olona any an-tranony. Mpitsara 8 no nanaiky izany ary 1 no nanda.”​—Star Tribune, Minneapolis, 18 Jona 2002.

[Sary, pejy 9]

Mpitsara Stevens

[Sary nahazoan-dalana]

Stevens: Collection, The Supreme Court Historical Society/Joseph Bailey