Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandray Soa ny Bevohoka Mikarakara Fahasalamana

Mandray Soa ny Bevohoka Mikarakara Fahasalamana

Mandray Soa ny Bevohoka Mikarakara Fahasalamana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

VEHIVAVY 500 000 mahery no maty isan-taona, noho ny antony mifandray amin’ny fitondrana vohoka, araka ny Tahirin’ny Firenena Mikambana Momba ny Mponina. Lazain’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF) koa, fa vehivavy 60 tapitrisa mahery isan-taona, no mahazo takaitra lehibe vokatry ny fitondrana vohoka, ary efa ho ny ampahatelon’ireo no miaritra ratra na aretina mandra-pahafatiny. Vehivavy maro atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana no reraka sy marary, satria izao no fiainany: bevohoka izy, miteraka ary tsy voakarakara ny fahasalamany. Mety hanimba tokoa ny fitondrana vohoka, eny, mety haningotra ny aina mihitsy. Misy zavatra azon’ny bevohoka atao ve mba hahasalama azy?

Fikarakarana fahasalamana alohan’ny hitondrana vohoka

Fandrindram-piterahana. Tsara raha miresaka momba ny isan’ny zaza haterany ny mpivady. Maro ny vehivavy atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana no manan-janaka kely, nefa mampinono zaza vao teraka, sady efa bevohoka indray. Raha manao fandrindram-piterahana ny mpivady ary mandinika tsara ny toe-javatra misy azy, dia tsy hanao tera-bitro, ka ho afaka haka aina tsara ilay vehivavy vao hiteraka indray.

Sakafo. Araka ny fikambanana iray mikarakara ny fahasalaman’ny bevohoka, dia mila efa-bolana, fara fahakeliny, ny vatan’ny vehivavy vao mahavita manala ny voka-dratsin’ireo zavatra mahery nohaniny, ary manomboka mihinana sakafo hahasoa ny zaza hiforona ao an-kibony. Aorian’izay izy vao tokony hitoe-jaza. Raha ampy tsara, ohatra, ny asidra fôlika ao amin’ny vehivavy bevohoka, dia hikatona tsara ny fantsona ao amin’ny hazondamosin’ilay zaza vao miforona, ka tsy hisy aretina vokatry ny tsy fikatonan’izy io. Eo anelanelan’ny faha-24 sy faha-28 andro iforonan’ny tsaika no mikatona io fantsona io, izany hoe ela be alohan’ny ahafantaran’ny ankamaroan’ny vehivavy fa bevohoka izy. Izany no antony ihinanan’ny vehivavy sasany fanafody na sakafo misy asidra fôlika, rehefa mikasa hiteraka izy.

Tena ilaina koa ny vy. Lasa avo roa heny mantsy ny fatran’ny vy ilain’ny vatan’ny bevohoka. Mety tsy ho ampy ra izy raha tsy ampy ny vy ao amin’ny vatany. Vehivavy maro no tratran’izany atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ireo miteraka misesisesy loatra no tena voa mafy, satria tsy manana fotoana ampy hanavaozana ny tahirim-by ao aminy ny vatan’ilay vehivavy. *

Taona. Maro kokoa ny ankizivavy latsaka ny 16 taona mety ho faty vokatry ny fitondrana vohoka, noho ireo maherin’ny 20 taona. Mety hiteraka zaza sampona koa anefa ny vehivavy maherin’ny 35 taona. Mety hahitana ireto soritr’aretina ireto ny vehivavy, raha tanora loatra dia miteraka, na be taona loatra vao miteraka: ambony ny tosidrany eo amin’ny fahadimy volan’ny kibony, mivonto ny rantsambatany, ary mihabetsaka ny proteinina ao amin’ny fivalanan-drano. Mety hahafaty azy sy ny zanany ireo zavatra ireo.

Aretina. Mety hihombo ny aretina efa ao amin’ny taovam-pamaniana, tranon-jaza ary tsinay, mandritra ny fitondrana vohoka, ka mety hiteraka zaza tsy tonga volana ilay vehivavy na hahitana ny soritr’aretina voalaza etsy aloha. Aleo tsaboina alohan’ny hitondrana vohoka ireo aretina ireo.

Fikarakarana fahasalamana mandritra ny fitondrana vohoka

Fikarakarana ny bevohoka. Mety hisoroka ny fahafatesan’ny bevohoka ny fizaham-pahasalamana tsy tapaka ataon’ny dokotera. Mety hisy mpampivelona mahay, na dia any amin’ny tany tsy misy hopitaly azo aleha tsy tapaka aza.

Hitan’ny mpitsabo mahay, mandritra izany fizaham-pahasalamana izany, ny toe-javatra mety hitaky fikarakarana manokana. Anisan’izany ny fitondrana zaza kambana, ny tosidra ambony, ny tsy metimety ao amin’ny fo sy ny voa, ary ny diabeta. Azo atao vaksiny ny vehivavy bevohoka, any amin’ny tany sasany, mba hiarovana ny zanany vao teraka tsy ho voan’ny tetanosy. Mety hozahana koa ny fahasalamany rehefa enina na fito volana ny kibony, mba hahitana sao voan’ny aretina ateraky ny bakteria sasany izy. Mety hifindra amin’ilay zanany eo am-pahaterahana ny aretina, raha misy izany bakteria izany ny tsinaiben’ilay reny.

Tokony ho vonona hanome ny fanazavana rehetra tokony ho fantatry ny mpitsabo ny vehivavy bevohoka. Tsy tokony hisalasala hametraka fanontaniana koa izy. Tokony hitady ny fanampian’ny mpitsabo avy hatrany izy raha mitranga ireto zavatra ireto: misy ra mandeha, mafana be tampoka ny tarehy, marary andoha be na maharitra ela, marary ny rantsantanana, tsy mahita na manjavona tampoka ny maso, marary be ny kibo, mandoa be, mihamangatsiaka na mihamafana, mihamahalana na mihamatetika ny fihetsehan’ilay zaza ao an-kibo, misy rano mandeha amin’ny fivaviana, tsy mivalan-drano, na marary rehefa mivalan-drano.

Toaka sy zava-mahadomelina. Mety ho votsa saina, ho sampona, ary hafahafa fihetsika ny zanaky ny vehivavy mpisotro toaka na mpidoroka zava-mahadomelina (anisan’izany ny sigara sy paraky). Fantatra aza fa ahitana ny soritr’ireo zava-manahirana ateraky ny fialana amin’ny zava-mahadomelina, eo amin’ny zanaky ny vehivavy mpidoroka. Manoro hevitra ny manam-pahaizana fa tsy tokony hanendry zava-pisotro misy alkaola mihitsy ny vehivavy bevohoka, na dia misy aza mino fa tsy mampaninona ny misotro divay kely indraindray. Tokony hanalavitra ny olona mifoka sigara koa izy.

Fanafody. Tsy tokony hihinankinam-panafody foana ny vehivavy bevohoka, raha tsy fanafody asain’ny dokotera hohaniny ary efa azo antoka fa tsy mampidi-doza azy. Mety hanimba koa ny fihinanana vitaminina fanampiny. Mety hahasampona ilay zaza, ohatra, ny vitaminina A be loatra.

Fitomboan’ny lanja. Tsy tokony ho matavy na mahia loatra ny vehivavy bevohoka. Araka ny boky iray momba ny sakafo sy ny fitandreman-tsakafo, dia maro kokoa ny zaza vao teraka tsy ampy lanja mety ho faty, noho ireo zaza ampy lanja. Mampahatavy loatra kosa ny fihinanana tafahoatra. Hita kokoa ny fitomboan’ny lanjan’ny bevohoka rehefa mananika ny fahenim-bolana ny kibony. Azo lazaina ho antonony ny habetsahan-tsakafo hohaniny mifanaraka amin’izay takin’ny toe-batany, raha ara-dalàna io fitomboana io. *

Fahadiovana sy zavatra hafa. Azo atao tsara ny mandro, fa tsy tokony hotifirina rano ao anaty lalan-jaza. Tsy tokony hifandray mihitsy amin’olona voan’ny areti-mifindra, toy ny bonibony, ny vehivavy bevohoka. Tokony tsy hihinana hena tsy masaka tsara izy, ary hitandrina mba tsy hahakasika tain-tsaka, sao dia voan’ilay aretim-biby antsoina hoe toxoplasmose. Tena ilaina ny mitandro ny fahadiovana, toy ny fanasana ny tanana sy ny sakafo tsy nandrahoina. Mazàna no tsy mampidi-doza ny fanaovana firaisana, raha tsy hoe mandritra ny herinandro vitsivitsy alohan’ny hiterahana angaha, na misy ra mandeha amin’ny lalan-jaza, na efa afa-jaza ilay vehivavy taloha.

Fiterahana mizotra tsara

Tsy dia saro-piterahana ny vehivavy, raha mahakarakara tena tsara mandritra ny fitondrany vohoka. Mazava ho azy fa efa ho nanapa-kevitra izy na hiteraka an-trano, na any amin’ny hopitaly. Ho fantany tsara koa ny ho fizotran’ny fiterahany sy ny fiaraha-miasan’izy sy ilay mpampivelona na dokotera mahay hampiteraka azy. Ho fantatr’io olona io ny safidin’ilay vehivavy, raha afaka misafidy izy, rehefa nahazo fanazavana ampy momba ny fiterahany. Ohatra amin’izany ny hoe hanao ahoana ny paoziny rehefa hanena izy, ary hotatahana ve, sa hampiasana tandra fampiterahana, sa fanafody mampitony fanaintainana. Tsy maintsy misy koa ny fifanarahana momba ireto zavatra ireto: Hopitaly aiza no haleha raha sarotra ilay fiterahana? Inona marina no hatao raha be loatra ny ra very? Tsy maintsy atao vonona ny fanafody mampody ra, ho an’ny tsy manaiky fampidiran-dra, satria maro ny reny maty vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Tokony hoeritreretina mialoha koa izay hatao raha tena ilaina ny fandidiana.

Valisoa, na “lova” avy amin’Andriamanitra ny zanaka, hoy ny Baiboly. (Salamo 127:3) Hizotra tsara kokoa ny fitondrana vohoka sy fiterahana, raha mazava tsara amin’ilay vehivavy ny momba ireo zavatra ireo. Hanao izay rehetra azony atao izy mba hampizotra tsara ny fitondrany vohoka, raha mikarakara tena tsara aloha sy mandritra io fotoana io, ary efa mieritreritra ny lafin-javatra samihafa tafiditra amin’ny hiterahany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Be asidra fôlika sy vy ny atin-kena, legioma, anana, voanjo, ary voamadinika. Tsara raha ampiarahina amin’ny sakafo misy vitaminina C, toy ny voankazo, ny sakafo be vy.

^ feh. 16 Tokony ho 9 ka hatramin’ny 12 kilao ny fitomboan’ny lanjan’ny vehivavy ampy lanja sy sambany vao hiteraka, mandra-pahaterany. Tokony hahazo 12 ka hatramin’ny 15 kilao kosa ny ankizivavy na vehivavy tsy ampy sakafo, ary tsy tokony hahazo afa-tsy 7 ka hatramin’ny 9 kilao ireo efa matavy.

[Efajoro, pejy 14]

TOROHEVITRA HO AN’NY BEVOHOKA

● Ireto avy no tokony ho anisan’ny sakafon’ny vehivavy bevohoka isan’andro: voankazo; legioma, indrindra fa ny legioma maitso antitra, volondaoranjy ary mena; voamaina toy ny tsaramaso, saozà, tsiasisa, voanjobory; voamadinika toy ny varimbazaha, katsaka, avoanina, ary ôrza; sakafo avy amin’ny biby toy ny trondro, akoho, hen’omby, atody, fromazy sy ronono (aleo ronono nalana herotra). Tena tsara hahena ny zavatra matavy, siramamy fotsy ary sira. Misotroa rano betsaka. Aza misotro zavatra be kafeinina sy misy raha simika manome loko sy tsiro. Tsy mahasalama ary mety ho poizina ny zavatra tsy fihinana toy ny tanimanga sy ny toy izany.

● Halaviro ny taratra X be loatra mety hampidi-doza sy ny raha simika manimba. Aza mampiasa loatra fanafody atifitra famonoana bibikely, na zavatra simika fanadiovana ao an-trano. Aza mitanina andro be loatra na manao fampiasan-tena tafahoatra ka mahatonga anao hafana loatra. Aza mitsangana ela loatra na manao ezaka mafy loatra.