Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nohazavaina Teo Anatrehan’ny Fitsarana Tampony Ilay Raharaha

Nohazavaina Teo Anatrehan’ny Fitsarana Tampony Ilay Raharaha

Nohazavaina Teo Anatrehan’ny Fitsarana Tampony Ilay Raharaha

TAPAKA FA NY 26 Febroary 2002 no hanazavana ilay raharaha eo anatrehan’i William Rehnquist, Filohan’ny Fitsarana Tampony, sy ireo mpitsara valo miara-miasa aminy. Mpisolovava efatra no nisolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanomboka ny fanazavany ny solontenan’ny mpisolovavan’ny Vavolombelona, ary nanaitra ny fampidiran-dresany: “Asabotsy maraina amin’ny 11 ora izao any amin’ny Tanànan’i Stratton. [Nandondòna intelo teo amin’ilay latabatra teo anoloany izy.] ‘Manahoana tompoko. Noho ny zava-nitranga tato ho ato, dia tonga eto aminao aho mba hilaza fa misy vaovao tsara nolazain’ny Mpaminany Isaia. Niresaka an’io vaovao io i Kristy Jesosy, dia ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.’”

Hoy izy avy eo: “Meloka izay miresaka izany hafatra izany isan-trano any amin’ny Tanànan’i Stratton, raha tsy naka fahazoan-dalana tamin’ny manam-pahefana.”

‘Tsy mangata-bola ve ianareo?’

Nametraka fanontaniana mivantana tamin’ny mpisolovavan’ny Vavolombelona ny Mpitsara Stephen Breyer, hoe: “Marina tokoa ve fa tsy mangata-bola na ariary aza ny Vavolombelon’i Jehovah sady tsy mivarotra Baiboly na zavatra hafa, fa milaza fotsiny hoe: ‘Te hiresaka aminao momba ny fivavahana aho’?”

Namaly ilay mpisolovava hoe: “Tena azo porofoina, Andriamatoa Filoha, fa tsy nangata-bola ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Tanànan’i Stratton. Toy izany koa any amin’ny tanàna hafa. Milaza fotsiny izy ireo, indraindray, hoe afaka manome izay foiny ilay olona, raha te hanao izany. . . . Tsy mitady vola izahay fa te hiresaka amin’ny olona momba ny Baiboly fotsiny.”

Mila fahazoan-dalana avy amin’ny manam-pahefana ve?

Tena tsara ilay fanontaniana napetraky ny Mpitsara Antonin Scalia, hoe: “Araka ny hevitrao, tsy mila mangataka fahazoan-dalana amin’ny ben’ny tanàna ve izany ny olona raha hiresaka zavatra mahaliana amin’ny mpiara-monina aminy?” Namaly ilay mpisolovava hoe: “Antenainay fa tsy hanaiky ity Fitsarana ity raha misy lalàna avoakan’ny Fanjakana hoe tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana ny olom-pirenena vao mahazo mitsidika ny mpiara-monina aminy mba hiresaka.”

Anjaran’ny ankilany izao no nanazava

Anjaran’ny Tanànan’i Stratton izao ny nilaza ny heviny. Nanazava ny antony namoahana ilay lalàna ny mpisolovavany, hoe: “Namoaka io lalàna io ny Tanànan’i Stratton satria tsy tiany ho voahelingelina ny mponina, ary koa mba tsy hisian’ny asan-jiolahy. Zavatra tsotra no takin’ilay lalàna: Tsy maintsy maka fahazoan-dalana izay rehetra te hitety tranon’olona, ary mitondra izany rehefa mitety trano.”

Ny votoatin’ilay raharaha avy hatrany no noresahin’ny Mpitsara Scalia, ka nanontany izy hoe: ‘Efa nisy raharaha toy ity ve nandalo teto amintsika [Fitsarana Tampony]? Tsy resaka fitaomana olona ihany mantsy ilay izy, fa ao koa ny fangataham-bola sy ny varotra. Mbola anisan’ilay izy koa aza ny firesahana momba an’i Jesosy Kristy sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Efa nisy raharaha toy izany ve nandalo teto amintsika?’

“Mbola tsy nahita raharaha mitovy amin’ity mihitsy aho, tato anatin’ny roanjato taona”, hoy izy. Namazivazy azy Andriamatoa Rehnquist, Filohan’ny Fitsarana, hoe: “Ianao aza tsy ampy roanjato taona akory.” Nihomehy daholo ny olona tao amin’ny fitsarana. Hoy ihany ny Mpitsara Scalia: “Betsaka ny zavatra tafiditra amin’ilay izy ka tena vaovao amiko.”

Hevitra tsara ve?

Nivantana ny fanontanian’ny Mpitsara Anthony Kennedy, hoe: “Hevitra tsara ve, hoy ianao, ny hoe tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana amin’ny manam-pahefana aho vao mahazo miresaka amin’ny olona etsy akaiky etsy? Tsy fantatro ny ankamaroan’ny olona eo, nefa aho hiresaka amin’izy ireo, ohatra, hoe: ‘Mampieritreritra ahy ny momba ny fanangonana fako eto an-tanàna’, na hoe, ‘Lasa ny saiko momba ny Solombavam-bahoakantsika’, na resaka mitovitovy amin’izany. Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana amin’ny manam-pahefana ve aho aloha vao afaka hiresaka an’izany? Hafahafa izany amiko.”

Notohizin’ny Mpitsara Sandra O’Connor toy izao izany fanontaniana izany: “Ary ahoana ireny ankizy mangataka zavatra isan-trano ireny? Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana koa ve ry zareo?” Niara-namelabelatra an’io hevitra io avy eo, ny Mpitsara O’Connor sy Scalia. Nanontany koa ny Mpitsara O’Connor hoe: “Ary ahoana raha hindrana siramamy iray kaopy amin’ny mpiara-monina? Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana ve aho vao mahazo mindrana siramamy iray kaopy amin’ny mpiara-monina amiko?”

Mpitaona olona ve ny Vavolombelona?

Nanontany ny Mpitsara David Souter hoe: “Fa nahoana no mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah io lalàna io? Fa angaha ry zareo mpitaona olona, na mpivarotra mitety trano na mpivaro-mandeha, sa mpikarama? Tsy mpanao an’ireo mihitsy ry zareo, sa tsy izany?” Namaky tamin’ny an-tsipiriany an’ilay lalàna ny mpisolovavan’i Stratton. Nilaza izy avy eo fa nokilasin’ny fitsaram-paritra ho mpitaona olona ny Vavolombelon’i Jehovah. Namaly azy ny Mpitsara Souter hoe: “Malalaka be mihitsy izany ny famaritanao ny atao hoe mpitaona olona, raha lazainao fa anisany ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Namaky ny famaritan’ny diksionera ny atao hoe mpitaona olona ny Mpitsara Breyer, mba hampisehoana fa tsy mihatra amin’ny Vavolombelona ilay izy. Hoy izy avy eo: “Tsy hitako tao amin’ilay fanazavana an-tsoratra nomenao ny antony hitakiana amin’ireo olona ireo [Vavolombelon’i Jehovah] haka fahazoan-dalana any amin’ny lapan’ny tanàna, nefa izy ireo tsy mitady vola, tsy mivarotra, tsy mitaona olona. Fa nahoana izy ireo no takin’ny tanànan’i Stratton hanao izany?”

“Fahazoan-dalana” hiresaka

Nanazava ny mpisolovavan’i Stratton hoe navoaka ilay lalàna satria “tsy tian’ny tanànan’i Stratton ho voakorontana ny mponina ao aminy.” Nohazavainy fa natao hiarovana azy ireo amin’ny mpisoloky sy ny jiolahy io lalàna io. Novakin’ny Mpitsara Scalia ilay lalàna mba hampisehoana fa azon’ny ben’ny tanàna anontaniana tsara ny mombamomba izay olona maka fahazoan-dalana sy izay tian’ilay olona hatao. “Ho fantatra tsara amin’izay hoe fahazoan-dalana hanao inona no tadiaviny.” Izao no fanamarihany avy eo: “Tsy azoko hoe nahoana ny olona iray no tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana raha te handresy lahatra ny mpiara-monina aminy.”

Hoy ihany ny Mpitsara Scalia: “Tokony horaisina any amin’ny lapan’ny tanàna koa ve izany ny peta-tondron’ny olona tsirairay alohan’ny handondònany varavarana? Tsy dia atahorana hanao asan-jiolahy akory ireo olona ireo, ka izany ve no hitakiana amin’ny mponina rehetra hangataka fahazoan-dalana any amin’ny lapan’ny tanàna, alohan’ny handondònana varavarana? Tsy mety mihitsy izany.”

Miaro ny mponina tokoa ve ilay lalàna?

Tapitra ny 20 minitra natokana ho an’ny mpisolovavan’i Stratton, ka nomeny ny fampanoavana, ny fitenenana. Nanazava ny fampanoavana fa miaro ny mponina ilay lalàna, satria olon-tsy fantatra ilay tonga ao an-trano “sady tsy nasaina akory.” Nilaza izy avy eo hoe: “Heveriko àry fa rariny ilay tanàna raha hilaza hoe ‘mampanahy anay izany.’ ”

Nilaza ny Mpitsara Scalia hoe: “Izao izany ny hevitr’ilay tanàna: Tsy maintsy maka fahazoan-dalana any amin’ny ben’ny tanàna foana [ny Vavolombelon’i Jehovah], na dia handondòna any am-baravaran’ny olona manirery vonona handray azy ireo sy mitady olona hiresahana aza.”

“Fepetra kely fotsiny”

Nanasongadina hevitra tena tsara ny Mpitsara Scalia, nandritra izany fanadihadiana izany. Hoy izy: “Ekentsika rehetra angamba fa ny tany misy mpitondra tsy refesi-mandidy ihany no milamina indrindra. Tsy dia misy asan-jiolahy any, ary iarahantsika mahalala izany. Betsaka kosa ny tsy fanarahan-dalàna any amin’ny tany misy fahalalahana. Ny fanontaniana anefa dia hoe: Hihena tokoa ve ny tsy fanarahan-dalàna raha ampiharina ilay lalàna hoe tsy mahazo mandondòm-baravarana, raha tsy mangataka fahazoan-dalana?” Namaly ny fampanoavana hoe “fepetra kely fotsiny io.” Hoy anefa ny Mpitsara Scalia: ‘ “Fepetra kely fotsiny hoe?” Mbola tsy nahita tanàna namoaka lalàna toy izany mihitsy isika, ka nentina tetỳ amin’ny fitsarana. Tsy fepetra kely io, amiko.’

Resy lahatra ihany ny fampanoavana, rehefa avy niteny ny iray tamin’ireo mpitsara, ka hoy izy: “Misalasala ihany aho hilaza hoe azo sakanana tsotra izao tsy handondòm-baravarana ny olona.” Izay no namaranany ny teniny.

Rehefa nilaza ny heviny ny mpisolovavan’ny Vavolombelona, dia nasongadiny fa tsy hahafantarana ny tena antony handehanan’ny olona isan-trano ilay lalàna. Hoy izy: “Afaka mankany amin’ny lapan’ny tanàna aho, ka miteny fotsiny hoe: ‘[Ranona] no anarako’, dia mahazo fahazoan-dalana aho ary afaka mitety trano.” Nomarihiny koa fa manana fahefana tsy hanome fahazoan-dalana ny ben’ny tanàna, na milaza aza ilay olona fa tsy anisan’ny fikambanana iray izy. ‘Afaka manapa-kevitra araka izay tiany àry ny ben’ny tanàna’, hoy izy. Nampiany avy eo hoe: “Tena mifandray amin’ny fahalalahana fototra voalazan’ny Fanitsiana Voalohany, tompoko, ny asanay [Vavolombelon’i Jehovah].”

Namarana ny fotoana Andriamatoa Rehnquist, taoriana kelin’izay, ka hoy izy: “Eo am-pelatanan’ny [Fitsarana Tampony] izao ny raharaha.” Adiny iray mahery kely no naharetan’ny fanazavana rehetra. Hita fa zava-dehibe io adiny iray io rehefa nivoaka ny didim-pitsarana an-tsoratra, tamin’ny volana Jona 2002.

[Sary, pejy 6]

Andriamatoa Rehnquist, Filohan’ny Fitsarana

Mpitsara Breyer

Mpitsara Scalia

[Sary nahazoan-dalana]

Rehnquist: Collection, The Supreme Court Historical Society/Dane Penland; Breyer: Collection, The Supreme Court Historical Society/Richard Strauss; Scalia: Collection, The Supreme Court Historical Society/Joseph Lavenburg

[Sary, pejy 7]

Mpitsara Souter

Mpitsara Kennedy

Mpitsara O’Connor

[Sary nahazoan-dalana]

Kennedy: Collection, The Supreme Court Historical Society/Robin Reid; O’Connor: Collection, The Supreme Court Historical Society/Richard Strauss; Souter: Collection, The Supreme Court Historical Society/Joseph Bailey

[Sary, pejy 8]

Efitrano fitsarana

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph by Franz Jantzen, Collection of the Supreme Court of the United States