Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?

Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?

Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?

BE ZAVA-MANAHIRANA LOATRA ny tontolo ankehitriny. Fanambadiana maro no rava. Miely patrana ny herisetra eo anivon’ny fianakaviana. An-jato tapitrisa ny olona tsy ampy sakafo. Mitombo ny heloka bevava. Sarotra ny mahita fiadanana sy filaminana. Fa nahoana no toy izany ny toe-piainana? Mety hisy vahaolana ve?

Tsy vitan’ny hoe mamaly ireo fanontaniana ireo ny Baiboly, fa manome tari-dalana eo amin’ny fiainana andavanandro koa. Tsy tokony ho liana amin’izay lazain’ny Baiboly àry ve isika?

Misy mihevitra fa hevi-dravina sy tantara noforonina ary fahendren’ny Ntaolo fotsiny ny Baiboly. Ny hafa kosa mino fa teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy io. Iza amin’ireo no marina? Hanampy anao hahita ny valin’izany fanontaniana izany ilay boky hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Manasa anao izahay handinika ny marina momba izany. Mety hanova ny fiainanao mandrakizay ny fanaovana izany.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Aleksandra Lehibe: Roma, Musei Capitolini