Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Niandohan’ilay Raharaha

Ny Niandohan’ilay Raharaha

Ny Niandohan’ilay Raharaha

TANÀNA KELY ANY akaikin’ny Reniranon’i Ohio, any Etazonia, i Stratton. Mampisaraka an’i Ohio sy Virginie Andrefana io renirano io. Manana ben’ny tanàna i Stratton, na dia 300 latsaka monja aza ny mponina ao aminy. Nanjary nisy olana goavana anefa tao amin’io tanàna kely io, tamin’ny 1999. Noteren’ny manam-pahefana hangataka fahazoan-dalana mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa, alohan’ny handehanany isan-trano hitory hafatra avy ao amin’ny Baiboly.

Raharaha goavana izany! Nahoana? Rehefa mamaky izay nitranga ianao, dia ho hitanao fa tsy ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah haneho hevitra ihany no ho voafetra, noho io lalàna navoakan’ny manam-pahefana io. Ho voafetra koa ny zon’ny olon-drehetra any Etazonia.

Ny niandohan’ilay raharaha

Efa nandritra ny taona maro no nitsidika ny mponin’i Stratton ny mpitory avy amin’ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Wellsville, Stratton. Nanomboka tamin’ny 1979, dia nanana olana tamin’ny manam-pahefana sasany tany an-toerana ry zareo noho izany fitoriany isan-trano izany. Nisy polisy nandroaka Vavolombelona vitsivitsy hiala tao an-tanàna, tany am-piandohan’ireo taona 1990. Hoy io polisy io tamin’izy ireo: “Tsy raharahako mihitsy ny zonareo.”

Nipoaka ilay raharaha tamin’ny 1998, rehefa ny ben’ny tanànan’i Stratton mihitsy no nandrahona vehivavy Vavolombelon’i Jehovah efatra. Avy nitsidika izay olona naniry hanao dinidinika ara-baiboly izy ireo tamin’izay, ary handeha hivoaka ny tanàna. Nilaza ny iray tamin’ireo vehivavy ireo fa niteny ilay ben’ny tanàna hoe raha lehilahy izy ireo, dia efa nogadrainy.

Nisy olana indray tatỳ aoriana satria nisy lalàna iray navoakan’ilay tanàna. Milaza io lalàna io fa tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana any amin’ny ben’ny tanàna izay olona te hivarotra na hitaona olona isan-trano. Tsy andoavam-bola izany fahazoan-dalana izany. Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa, io lalàna io dia fanaovana tsinontsinona ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana haneho hevitra ary hampiely vaovao. Nitory tany amin’ny fitsarana àry izy ireo, rehefa tsy nety nanova ny fampiharana ilay lalàna ny tanànan’i Stratton.

Nentina teo amin’ny mpitsaran’ny Faritra Atsimon’i Ohio ilay raharaha, ny 27 Jolay 1999. Nilaza io mpitsara io fa mifanaraka tsara amin’ny lalàm-panorenana ilay lalàna. Mbola nanantitrantitra izany koa ny Fitsarana Ambony Amerikanina ho an’ny Faritra Fahenina, ny 20 Febroary 2001.

Mba handaminana ilay raharaha àry, dia nangataka tamin’ny Fitsarana Tampony hamerina indray ny fitsarana, ny Watchtower Bible and Tract Society of New York sy ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Wellsville.

[Sarintany/Sary, pejy 3]

(Jereo ny gazety)

Los Angeles

New York

OHIO

Stratton