Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Mitombo Isa ny Olona Matavy, ka Mampanahy

“Tena mampanahy ny fitomboan’ny isan’ny olona matavy eran-tany”, na olon-dehibe na ankizy, ary hita any amin’ny tany mahantra be koa izany, hoy ny The Lancet. Mpampianatra momba ny toe-karena sy ny sakafo ary ny valanaretina, any amin’ny Oniversiten’i Caroline Avaratra, i Barry Popkin. Nilaza izy fa izany dia mety ho avy amin’ny teknika maoderina izay mamoaka menaka fihinana avy amin’ny katsaka sy saozà ary ny landihazo. “Ho an’ny firenena any Azia sy Afrika, dia ireny no tena manampy kaloria amin’ny sakafon’ny olona isan’andro.” Ankoatra izany, dia azo ampidinina be ny vidin’ny siramamy aondrana, noho ny fomba fiasa arahin’ny governemanta, hany ka mampiasa be dia be amin’io siramamy mora vidy io ireo orinasa mba hanatsarana ny sakafo vokariny. Mihamandroso koa ny fitaovan’ny orinasa maro, ka tsy dia mila miasa sy mihetsika firy intsony ny mpiasa, hany ka lasa mihamatavy tsikelikely. Ny tena mampanahy ny dokotera sy ny manam-pahaizana hafa dia ny aretina mitaiza, toy ny diabeta sy ny fiakaran’ny tosidra ary ny aretim-po ateraky ny hatavezana.

Zavamiaina Vaovao Hafahafa

Nahita mikraoba iray mahaliana teo amin’ny tany volkano any ambany ranomasina, any avaratr’i Islandy, ny mpahay siansa any amin’ny Oniversiten’i Regensburg, any Alemaina. Ao anaty rano mangotraka sy tsy misy oksizenina ary be solifara ihany izy io no mitombo, hoy ny Der Spiegel. Miaina eo ambonin’ny zavamiaina lehibe antsoina hoe Vaingan’afo io mikraoba io, ary toa tsy mitombo raha tsy eo. Izany no iantsoana azy hoe Botry Kely Mitaingin-tsoavaly. Tena bitika io mikraoba io, hany ka “mety hitovy habe amin’ny loham-panjaitra iray ny enina tapitrisa aminy”, araka ilay tatitra. Mampiavaka an’io mikraoba io koa ny isan’ny kromozomany, izay iorenan’ny toetra nolovana: tsy ampy 500 000 akory. “Io botry kely io àry no vitsy kromozoma indrindra”, hoy ny Der Spiegel.

“Fanindrahindrana Olo-malaza”

“Nasehon’ny fikarohana vao haingana fa maka ny toeran’ny fivavahana eo amin’ny fiainan’ny olona maro ny fanindrahindrana olo-malaza”, hoy ny Dr. Raj Persaud. Mirona “hanindrahindra” olo-malaza ny olona iray, raha malemy finoana, hoy i Persaud tao amin’ny The Sunday Times any Londres. Hita izany, rehefa tsy misalasala izy handoa vola be mba hahazoana sy hanangonana zavatra nananan’ireo olo-malaza na nokasihiny. Milaza i Persaud fa maka tahaka ny fitondran-tena sy ny fomba fiainan’ireo ataony andriamanitra kely koa ireo “mpanindrahindra olo-malaza.” Mino ny olona toy izany fa tsy diso mihitsy ireny olo-malaza ireny, ary “manana fitsipika hafa izay tsy azon’ny sarambaben’ny olona ka tsy maintsy andeferana.” Miharihary koa izany fanindrahindrana izany, rehefa hita fa mandeha be ny fivarotana an’ireo zavatra mitondra ny anaran’ireo olo-malaza, ary manaraka an-jambany ny fanapahan-kevitra ara-pahasalamana raisin’izy ireo ny olon-tsotra, hoy ny Dr. Persaud. Hoy koa izy: “Rehefa manindrahindra an’ireo olo-malaza tahaka izany isika, dia manjary ny olona manan-kery indrindra eto an-tany izy ireo, toy ny andriamanitra latsaka an-tany mihitsy.”

Any Inde ny Ampahefatry ny Jamba Rehetra

“Mampalahelo fa any Inde no misy ny ampahefatry ny jamba rehetra maneran-tany, izany hoe 12 tapitrisa”, hoy ny Deccan Herald any Inde. Nanao fanadihadiana tany amin’ny oniversite sy sekoly tany amin’ny tanàna 40 nanerana an’i Inde koa ny “Zavatra Hitan’ny Tanora any Inde, 2002.” Milaza izy io fa “ny antsasaky ny tanora marary maso no tsy mahafantatra akory hoe marary izy.” Araka ny fandinihana, dia ny tsy fahaizan’ny maso mibanjina zavatra iray sy ny katarakta no tena fahita any, nefa azo tsaboina tsara ireo. “Ny tsy fahalalan’ny olona hoe marary izy” sy “ny tsy fahampian’ny mpitsabo maso” no lazain’ilay lahatsoratra fa tena mahatonga ilay zava-manahirana any Inde. Hoy koa izy: “Tsy misy afa-tsy mpitsabo maso 5 000 eto Inde, nefa 40 000 no ilaina, araka ny OMS.”

Voadika Tanteraka Amin’ny Teny Inuit ny Baiboly

Voadika amin’ny teny inuit ny Baiboly manontolo. Nila 23 taona ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Kanadianina vao nahavita azy io. Nanahirana be ilay fandikan-teny. “Tena sarotra ny naneho an-tsoratra ny fomba fiainan’ny olona nanana ondry, rameva sy boriky ary palmie, mba ho azon’ny olona tsy mahalala afa-tsy elefantan-dranomasina sy lambondriaka ary zavamaniry vitsy kely”, hoy i Hart Wiens, talen’ny fandikana ny Soratra Masina ao amin’io Fikambanana io. “Ohatra, misy teny maro ilazana ny palmie ao amin’ny Baiboly. Tsy misy hazo mihitsy anefa any Nunavut [any amin’ny farany avaratr’i Kanada], hany ka sarotra ny mandika sy milaza hoe manao ahoana ireo hazo palmie samihafa ireo.” Tokony ho 28 000 ny Kanadianina mampiasa ny teny inuit. “Efa voadika amin’ny fiteny 2 285 izao ny Baiboly”, hoy ny National Post.

Loza Mety Hateraky ny Internet

Milaza ny Relate, fikambanana mpanome torohevitra momba ny fanambadiana any Angletera, fa mampiady ny mpivady ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny Internet, araka ny nolazain’ny The Times any Londres. “Misy lehilahy sy vehivavy mandany ora maro eo amin’ny Internet, hany ka mitaraina ny vadiny hoe toy ny maty vady mihitsy. Tavela irery izy ireo, rehefa variana eo amin’ny Internet ny vadiny, mandefa hafatra amin’ny olon-tsy fantatra, manao kopia hira sy lalao amin’ny ordinatera na mijery sary vetaveta.” Mety hanimba ny fanambadiana koa ny fahafahana mandefa taratasy amin’ny olon-tiana taloha, amin’ny alalan’ny Internet, sy ny fijerena zavatra manaitaitra ny faniriana hanao firaisana. Mpivady 90 000 eo ho eo isan-taona no omen’ny Relate torohevitra, ka ny 10 isan-jaton’ireo dia manome tsiny ny Internet noho ny olana mahazo azy. Mbola mitombo ihany anefa ny zava-manahirana. Hoy i Angela Sibson, lehiben’ny Relate: “Manao tatitra ny mpanome torohevitra ato aminay fa mitombo ny isan’ny fanambadiana rava noho ny Internet.”

Mitombo Isa ny Mponina Be Taona

Prezidàn’ny Filan-kevitra Ara-toe-karena sy Ara-tsosialin’ny ONU i Ivan Šimonovic. Nilaza toy izao izy tamin’ny Fivoriambe Faharoa Momba ny Be Taona natao tany Madrid, any Espaina, tamin’ny Aprily 2002: “Efa misy, na hisy akony eo amin’ny olona tsirairay eto an-tany ny fitomboan’ny isan’ny mponina be taona maneran-tany. . . . Sambany teo amin’ny tantaran’ny olombelona vao hihoatra ny isan’ny tanora ny isan’ny antitra maneran-tany, amin’ny 2050.” Nilaza i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny ONU, tamin’izay, fa rehefa afaka 50 taona, dia hahatratra 2 000 tapitrisa ny isan’ireo olona 60 taona mahery, izay 600 tapitrisa ankehitriny, ka hihoatra ny isan’ireo latsaka ny 15 taona. Nilaza koa izy fa any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana no hisian’ny 80 isan-jaton’ireo be taona ireo. Mihena ny isan’ny zaza teraka, ary mitombo ny halavan’ny fiainan’ny olona, ka izany no tena nahatonga ilay fiovana. Nangataka ilay fivoriambe hoe tokony hampitomboina ny isan’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny toeram-pitsaboana manokana, mba hanampiana ireo be taona hihantitra “ao anatin’ny filaminan-tsaina sy ny fahamendrehana.”

Hajia Manafintohina

“Manahirana be indraindray ireo sarin’olona sy foto-kevitra ara-pivavahana hita eo amin’ny hajia sasany”, hoy ny gazety Jerusalem Post any Israely. Nahamarika iray amin’ireo hajia navoakan’ny paositra, ho fankalazana ireo volana hebreo, i Alan Silver, mpifindra monina avy any Afrika Atsimo. Hoy ny Post: “Nampiasa lopy i Silver, ka nahita fa niseho imbetsaka teo amin’ilay hajian’ny volana Elola ny anaran’Andriamanitra. Raran’ny lalàna jiosy anefa ny fampiasana an’io noho ny antony tsy ara-pivavahana.” Nasehony tamin’ny rabiny ilay izy. “Namoaka didy ilay raby hoe raran’ny lalàna jiosy ny fampiasana ny hajian’ny volana Elola. Tsy azo atao koa ny mividy azy io, hoy izy, ary raha misy any aminao, dia tsy maintsy apetrakao miaraka amin’ny zava-masina hafa rehetra hoentina halevina izany, fa tsy ariana any amin’ny fako fotsiny.” Tsy io no hajia voalohany niteraka zava-manahirana. Nisy hajia iray natao hahatsiarovana ny Raby Menahem Mendel Schneerson, ary notoherin’ny mpanara-dia azy sasany izany. Nisy nilaza fa “tsy maty” izy ary ny hafa kosa “nilaza fa tsy nety ny milelaka ny ao ambadiky ny hajia misy ny sarin’ilay raby na manisy fitomboka eo amin’ilay izy.” Tsy navoaka àry ilay hajia.