Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Mahantra ve ny Kristianina?

Tsy Maintsy Mahantra ve ny Kristianina?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tsy Maintsy Mahantra ve ny Kristianina?

INDRAY mandeha dia nisy filoha tanora iray nanankarena nasain’i Jesosy nivarotra ny fananany rehetra ary hanome izany ho an’ny mahantra. Milaza ilay fitantarana fa nanjombona ny tarehiny noho izany tenin’i Jesosy izany ka niala tamin’alahelo izy, “satria nanana harena be.” Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany avy eo: “Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!” Hoy koa izy: “Ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”—Marka 10:21-23; Matio 19:24.

Inona no tian’i Jesosy holazaina? Tsy azo ampiarahina ve ny harena sy ny fivavahana marina? Tokony hahatsiaro tena ho meloka ve ny Kristianina raha manankarena? Takin’Andriamanitra hihafy be ve izy ireo?

Mandray “ny olona rehetra” Andriamanitra

Tsy nandidy ny Isiraelita mba hiaina tao anatin’ny fahantrana Andriamanitra. Diniho, ohatra, izao: Namboly sy niompy ary nanao raharaham-barotra izy ireo mba hamelomany ny tenany sy ny fianakaviany, tao amin’ny anjara tany nomena azy. Arakaraka ny toe-karena, toetrandro, fahasalamany, ary ny fahaizany nivarotra no nahombiazan’ny ezaka nataony. Nandidy ny Isiraelita ny Lalàn’i Mosesy mba haneho fangoraham-po, raha toa ka nisy sahirana ara-bola ka lasa nahantra. (Levitikosy 25:35-40) Nisy koa anefa lasa nanankarena. Lazaina ho “lehilahy mpanjatobe”, na mpanan-karena be i Boaza, lehilahy nanam-pinoana sy tsy nivadika, izay lasa razamben’i Jesosy Kristy.—Rota 2:1.

Nitovy tamin’izany ny toe-javatra tamin’ny andron’i Jesosy. Tsy nampirisika ny olona hampihafy tena akory i Jesosy, rehefa niresaka tamin’ilay lehilahy nanankarena voalaza tetsy ambony. Nanome fianarana sarobidy kosa izy. Toa tsy afaka ny hanetry tena sy hanaiky ny fomba hamonjen’Andriamanitra ny olona ny mpanan-karena, raha araka ny fijerin’ny olona. Hoy anefa i Jesosy: “Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”—Matio 19:26.

Nandray “ny olona rehetra” ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (1 Timoty 2:4) Anisan’izany ny mpanan-karena, ireo nanana fiainana nampiadana, ary ny mahantra maro. Nisy angamba nanangona harena talohan’ny naha Kristianina azy. Mety ho lasa nanankarena ny Kristianina hafa, noho ny toe-javatra na fanapahan-kevitra tsara nataony teo amin’ny fandraharahana.

Misy mahantra sy manankarena koa ao amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina amin’izao fotoana izao. Miezaka manaraka ny tari-dalan’ny Baiboly momba ny raharaha ara-bola izy rehetra, satria mety hahazo ny rehetra ny fitiavan-karena. Ilay fianarana nomen’i Jesosy mahakasika ilay filoha tanora nanankarena, dia mampitandrina ny Kristianina rehetra fa mety hanan-kery lehibe eo amin’ny olona ny vola sy ny harena.—Marka 4:19.

Fampitandremana ho an’ny mpanan-karena

Tsy ny harena no lazain’ny Baiboly hoe ratsy fa ny fitiavam-bola. Hoy i Paoly, mpanoratra Baiboly: “Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra.” Nomarihiny fa “voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be” ny sasany, satria namela ny zavatra ara-panahy noho ny faniriany hanankarena.—1 Timoty 6:10.

Mahaliana fa nanome toromarika voafaritra tsara ho an’ny mpanan-karena i Paoly. Hoy izy: “Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.” (1 Timoty 6:17) Araka izany, dia mety hanjary hiavonavona sy hihevi-tena ho ambony noho ny hafa ny mpanan-karena. Mety halaim-panahy koa izy hihevitra fa ny harena no antoky ny tena fiadanana, nefa Andriamanitra ihany no afaka manome izany.

Afaka miaro ny tenany amin’izany loza izany ny Kristianina manankarena, raha ‘manankarena amin’ny asa tsara.’ Tafiditra amin’izany asa izany ny fahazotoana “manome sy miantra”, ary manampy ny mahantra. (1 Timoty 6:18) Afaka mampiasa ny volany mba hampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra koa ny Kristianina, na manankarena izy na mahantra. Izany no zava-dehibe indrindra amin’ny Kristianina marina. Raha malala-tanana toy izany ny olona iray, dia mampiseho fa mety ny fomba fiheverany ny harena. Izany koa dia mahatonga azy ho tian’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, izay tia ny olona manome amin’ny fifaliana.—Matio 24:14; Lioka 16:9; 2 Korintiana 9:7.

Ny zava-dehibe kokoa

Mazava àry fa tsy takina ho mahantra ny Kristianina. Tsy tokony ho tapa-kevitra ny ‘hanankarena’ koa anefa izy. (1 Timoty 6:9) Mazoto miasa mba hahitany fivelomana araka ny antonony fotsiny izy. Tsy hitovy ny vokatry ny ezaka ataony, fa ho arakaraka ny toe-javatra sy ny toe-karena eo amin’ny faritra misy azy.—Mpitoriteny 11:6.

Tokony hiezaka hifantoka amin’izay “zavatra tsara indrindra” na zava-dehibe kokoa ny Kristianina, na manao ahoana na manao ahoana ny fari-piainany. (Filipiana 1:10) Rehefa mametraka ny zavatra ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany izy, dia “hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.”—1 Timoty 6:19.