Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fanandevozana Tena nankasitrahako ilay andian-dahatsoratra hoe “Hifarana ny Fanandevozana Rehetra!” (8 Jolay 2002) Nanjary fantatro avy tamin’ireo lahatsoratra ireo fa mety handevozin’ny zavatra betsaka ny olona, toy ny zava-mahadomelina sy ny fifohana sigara ary ny lainga. Nandevozin’ny filokana aho. Fantatro tsara fa ratsy ilay izy saingy sarotra be mihitsy ny niala taminy. Nampitomany ahy ilay tantaran’i Ricardo voalaza ao amin’ilay lahatsoratra. Nanampy ahy izany hahita fa raha miezaka ny olona iray, dia ho afaka amin’ireny karazana fanandevozana ireny. Misaotra anareo namoaka lahatsoratra mampionona toy ireny. Tena zava-misy no resahiny.

M. W., Etazonia

Ady Tena faly aho rehefa avy namaky ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Mankasitraka ny Ady ve Andriamanitra?” (8 Mey 2002) Nanahirana ahy io foto-kevitra io satria Vavolombelon’i Jehovah aho, ka nanontany ahy ny olona nitoriako hoe nahoana no niady imbetsaka ny firenen’Isiraely fahiny. Niezaka nanome fanazavana aho, nefa tsy ampy izany. Tsotra sady mampiaiky iny lahatsoratra iny! Nadikako daholo ny hevi-dehibe mba hampiasaiko rehefa misy ilana azy. Tena mila lahatsoratra toy ireny izahay!

V. S., Rosia

Mpitondra tanky tany amin’ny vava ady no asako tamin’ny Ady Lehibe II. Nanangana alitara teo akaikin’ny toerana avo iray azonay izahay, indray maraina. Tadidiko fa nisy antoko-miaramila telo mpitondra tanky, nandohalika teo anoloan’ilay alitara ary notsofin’ny mpitondra fivavahana rano. Nanafika anay anefa ny fahavalo, taoriana kelin’izay, ka maty ireo miaramila rehetra ireo. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izahay mivady tamin’ny 1957, ka fantatray fa tsy niandany tamin’iza na iza Andriamanitra tamin’iny ady iny. Ady ara-panahy no ataonay, nanomboka tamin’izay, ary fantatray tsara izao hoe iza no tena iandanian’Andriamanitra.

F. S., Nouvelle-Zélande

Asan’ny Reny Misaotra tamin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Sarotra Loatra ve ny Asan’ny Reny?” (8 Aprily 2002) Vao 13 taona aho, nefa hitako tamin’ireo lahatsoratra ireo ny zavatra atrehin’i Neny sy izay mbola hatrehiny afaka volana vitsivitsy. Bevohoka dimy volana sy tapany mantsy izy. Miezaka mafy manome voninahitra sy manaja azy kokoa aho izao.

N. B., Etazonia

Tosidra Ambony Misaotra tamin’ilay lahatsoratra tsara hoe “Fomba Hisorohana sy Hampihenana ny Tosidra Ambony.” (8 Aprily 2002) Tsy nitepo ara-dalàna tampoka ny foko ka tsy maintsy nampidirina hopitaly aho. Namaky io lahatsoratra io aho, taorian’izay, ka nohazavainy tamin’ny an-tsipiriany ny fomba atao rehefa ambony ny tosidra. Marina aloha fa nahazo toromarika betsaka tamin’ny dokoterako sy ny manam-pahaizana momba ny sakafo aho. Mora azo anefa iny lahatsoratra iny. Hokarakaraiko tsara, manomboka izao, ny fiainana nomen’i Jehovah ahy!

N. I., Japon

Ambony ny tosidrako, ka nanoro hevitra ahy ny matihanina momba ny fahasalamana hoe tokony hoferako ho roa grama eo ho eo ny sira hohaniko isan’andro. Toa ambony loatra anefa ilay sira enina grama isan’andro, atoron’ny Fifanarahana Brezilianina Fahatelo Momba ny Tosidra Ambony, eo amin’ny pejy 24. Sao dia mba diso fanoratra ianareo?

F. S., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Sira 5,85 grama isan’andro, fara fahabetsany, no natoron’io loharanon-kevitra io hoe tokony hohanina. Mitovitovy amin’ny sira eran’ny sotrokely izany, izany hoe 5,18 grama eo ho eo. Voalaza eo amin’ny fanamarihana ambany pejy anefa, fa tokony hijery dokotera ny olona ambony tosidra na ny olona manana aretina mitovitovy amin’izany. Angamba mety ho kely lavitra noho io voalaza io ny sira asaina hohaniny.

Fankasitrahana Tena mankasitraka anareo aho noho ireo lahatsoratra tena mahaliana avoakanareo, toy ny lahatsoratra momba ny biby. Izaho irery no Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny fianakaviako. Tsy mahasarika ny fianakaviako raha vao lahatsoratra momba ny fivavahana. Tena mahaliana anefa ny lahatsoratra avoakanareo. Tian’ny olona tsy Vavolombelona ny fomba ilazalazan’ireny lahatsoratra ireny ny Mpamorona antsika. Misaotra amin’ny asa tsara ataonareo sy ny gazety tsara tarehy avoakanareo.

T. C., Etazonia