Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita ao amin’ny pejy 13 ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina” [frantsay], navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Taiza i Mosesy sy Arona no tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, ka nanjary tsy nahazo niditra ny Tany Nampanantenaina? (Nomery 20:12, 13)

2. Iza ireo andian-jiolahy nangalatra ny omby sy ny borikivavin’i Joba, sady namono ny mpanompony? (Joba 1:14, 15)

3. Iza tamin’ireo naman’i Daniela telo lahy, no nantsoina hoe Mesaka, tany Babylona? (Daniela 1:7)

4. Inona ilay vokatry ny fanahy voatonona manaraka ny fitiavana? (Galatiana 5:22)

5. Taiza no nanipazan’ilay anjely matanjaka ilay “vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary”, mba hampisehoana ny fandravana tampoka an’i Babylona Lehibe? (Apokalypsy 18:21)

6. Inona ny fanomezana nangatahin’i Gehazy tamin’i Namàna, ka mody nataony hoe nirahin’i Elisa izy? (2 Mpanjaka 5:22)

7. Iza ilay mpanjaka amorita tsy namela ny Isiraelita hamakivaky ny taniny, na dia nampanantena aza izy ireo fa tsy haka na dia rano hosotroina aza? (Nomery 21:21-23)

8. Iza no nivarotra ilay zohy tao Makpela tamin’i Abrahama, mba handevenana an’i Saraha? (Genesisy 23:8-10)

9. Araka ny Ohabolana 29:25, inona no maha ratsy ny “tahotra olona”, ary ahoana no ialana amin’izy io?

10. Inona ilay vokatry ny fanahy fahatelo? (Galatiana 5:22)

11. Inona no nataon’i Finehasa, ka nankasitrahan’i Jehovah, ary nampijanona ilay areti-mandringana nahafaty Isiraelita 24 000? (Nomery 25:6-14)

12. Samy fitaovana fanaovana inona moa ny bata, kaba, kora, efaha, hina, homera, loga, ary ny omera? (2 Mpanjaka 7:16)

13. Inona avy ireo zavatra tsy maintsy hofadina, araka ny taratasin’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema ho an’ireo rahalahy tany Antiokia sy Syria ary Kilikia? (Asan’ny Apostoly 15:28, 29)

14. Nahoana ny mpanjakavavin’i Sheba no nankany Jerosalema mihitsy? (1 Mpanjaka 10:4)

15. Inona no zavatra iray nitovian’ny fivoriana masina rehetra nasain’i Jehovah nataon’ny Isiraely? (Levitikosy 23:7)

16. Iza amin’ireo Filazantsara efatra no fohy indrindra?

17. Iza ilay nokapain’i Petera tamin’ny sabatra ny sofiny havanana, rehefa tonga mba hisambotra an’i Jesosy ny olona? (Jaona 18:10)

18. Inona avy ireo fiteny telo nanoratana ny Baiboly? (Ezra 4:7, fanamarihana ambany pejy; Apokalypsy 9:11)

19. Iza no firenena mpifindrafindra monina indrindra, izay mponina an-day sy mpiompy? (Jeremia 3:2)

20. Nahoana ny Isiraelita no tsy navela hijinja ny vokatra teny an-tsisin’ny tanimbariny? (Levitikosy 19:9, 10)

[Efajoro, pejy 13]

Valin’ny Fanontaniana

1. Ny ranon’i Meriba

2. Ny Sabeanina

3. Misaela

4. Fifaliana

5. Tany an-dranomasina

6. “Talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova”

7. Sihona

8. Efrona Hitita

9. Mamandrika izy io. Mitoky amin’i Jehovah

10. Fiadanana

11. Novonoiny i Zimry, filoha simeonita, sy ilay vehivavy midianita nijangajangany tao an-dainy

12. Famarana

13. “Ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana”

14. Hijery “ny fahendren’i Solomona rehetra”

15. Tsy nisy nahazo nanao taozavatra

16. Marka

17. Malko, mpanompon’ny mpisoronabe

18. Hebreo sy aramianina ary grika

19. Arabo

20. Mba hisy havela “ho an’ny malahelo sy ny vahiny”