Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fefy Misy Vokany eo Amin’ny Toetrandro

Fefy Misy Vokany eo Amin’ny Toetrandro

Fefy Misy Vokany eo Amin’ny Toetrandro

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

NANASARAKA ny fanjakana tany amin’ny faritra andrefan’i Aostralia, nanomboka tany avaratra ka hatrany atsimo ilay izy, taloha. Io fefy hazo sy tariby mirefy 1 830 kilaometatra io no fefy lava indrindra eran-tany. Vita tamin’ny 1907 izy io. Fefy Fisakanana Bitro no anarany ofisialy.

Araka ny anarany dia naorina indrindra ilay fefy mba ho manda fiarovana tamin’ny fihanaky ny bitro nirohotra niankandrefana namakivaky an’i Aostralia tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Mbola eo foana ny ankamaroan’io fefy efa ho zato taona io. Nanjary nifantoka tamin’io fefy io anefa ny mpahay siansa tato anatin’ireo taona faramparany, noho ny antony mahagaga. Toa misy vokany tsy mivantana amin’ny toetrandro eo an-toerana mantsy io fefy nataon’olombelona io.

Hodinihintsika aloha ny tantaran’io fanorenana miavaka io. Hojerentsika avy eo hoe amin’ny ahoana ny fefy mirefy iray metatra mahery kely fotsiny no mety hisy vokany toy izany.

Ezaka tsy nahomby

Mpiasa 400 no niasa mafy nanorina ilay fefy, nanomboka tamin’ny 1901 ka hatramin’ny 1907, mba hiadiana tamin’ny firongatry ny bitro. Araka ny Minisiteran’ny Fambolena any Aostralia Andrefana dia “fitaovana 8 000 taonina teo ho eo no nentin’ny sambo, ary avy eo fiarandalamby, ho any amin’ny fanatobiana entana. Soavaly sy rameva ary ampondra indray no nitondra izany fitaovana izany tany amin’ilay toeram-panorenana lavitra ny tanàna.”

Nodiovin’ny mpiasa ireo potipoti-javatra sy zavamaniry teo amin’ny andaniny roa, telo metatra avy eo amin’ilay fefy. Natao andrin’ilay fefy ny sasany tamin’ireo hazo, ary nanafarana andry vy ny toerana tsy nisy hazo. Tsy natao sakana ho an’ny bitro fotsiny ilay izy rehefa vita, fa lasa lalana mikitoantoana namakivaky ilay kontinanta koa.

Toy ny harato goavana ilay fefy, ka rehefa nandeha ary tafiditra tao ireo bitro dia tsy afaka nihetsika intsony, ary maty tao. Nianika ilay fefy anefa ireo bitro. Tamin’ny fomba ahoana? Nanohy niankandrefana foana ry zareo, nananika teo amin’ny antontan’ireo fatina bitro hafa teo akaikin’ilay tariby, ary nanao rodobe nita ilay fefy. Nisy fefy roa hafa fanampiny naorina avy teo amin’ilay voalohany. Nirefy 3 256 kilaometatra ny fitambaran’ireo fefy ireo.

Fisehoan’ny fiaretana

Vitsy ireo mpitaingina rameva sy bisikileta, toa an-dry F. Broomhall, izay nanara-maso io fefy goavana io. Hoy i Broomhall ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fefy Lava Indrindra Eran-tany: “Ny andraikitry ny mpanara-maso dia . . . ny mikarakara tsara an’ilay Fefy sy lalan-kely . . ., manapaka ireo bozaka sy hazo mba hihazonana ny haben’ny faritra eo amin’ny andaniny roa amin’ilay fefy, mikojakoja ireo vavahady natao isaky ny [32 kilaometatra] eo ho eo, ary koa manaisotra ny [fatin’ireo bitro] tavela eo amin’ilay fefy.”

Tsy maintsy ho anisan’ny asa mampitoka-monina indrindra eran-tany ny asan’ireo mpanara-maso ireo. Nasaina niandraikitra fefy an-kilaometatra izay mitomandavana toa tsy nisy fiafarany hatreny am-paravodilanitra ny mpanara-maso tsirairay, ary ny ramevany no hany namany tamin’izany. Tsy nanana rameva ho namana akory aza ny mpanara-maso sasany, satria bisikileta no nampiasainy mba handehanana tamin’ilay lalana nikitoantoana nanaraka ilay fefy niandraiketany. Mampiadana kokoa ny asan’ny mpanara-maso izay sisa tavela amin’ilay fefy ankehitriny, satria fiara tsy mifidy lalana no ampiasainy.

Tsy hoe tsy fahombiazana tanteraka

Voaporofo fa nandaitra tamin’ny fanakanana mpanimba zavatra iray hafa antsoina hoe émeu (vorona lehibe mitovitovy amin’ny aotirisy) ilay fefy, na dia tsy nampijanona ny fihanaky ny bitro aza. Tapa-kevitra ny hifindra monina tany amin’ny tany mahavokatra any andrefan’ilay fefy ny 100 000 mahery tamin’io vorona goavana tsy manidina io, tamin’ny 1976. Nampijanona ny fandrosoan’ireo vorona ilay fefy ka voavonjy ihany ny ankamaroan’ny vokatra tamin’io taona io, na dia vorona 90 000 aza no voatery novonoina.

Nohamafisina na nafindra toerana ny 170 kilaometatra tamin’ilay fefy hatramin’iny krizy iny, mba hiarovana ny toeram-pambolena any amin’ny faritra andrefan’i Aostralia. Mora tafihin’ny émeu mpifindra monina sy ireo andian’alikadia mivezivezy mantsy iny faritra iny. * Nanjary tsipika mampisaraka àry ilay fefy ka ny tany tsy voavoly eo ampovoan’i Aostralia no any atsinanana, ary ireo saha voakarakara tsaran’ny mpamboly kosa no atỳ andrefana.

Fefy nampiova toetrandro

Io tsy fitoviana lehibe eo amin’ny zavamaniry io no mety ho azo anazavana ny toa vokatr’ilay fefy eo amin’ny toetrandro. Hoy ny gazety ara-tsiansa iray: “Toa tsy mampino fa nitombo ny rotsakorana any atsinanan’ilay fefy ary nihena kosa any andrefany.” Ampy rano tsara foana àry ny zavamanirin’ny faritra atsinanana fa ny mpamboly atỳ amin’ny faritra andrefana kosa tsy maintsy miankina amin’ny fitarihan-drano foana. Izao no mety ho anton’izany, araka ilay gazety: “Tsy lalina ny fakan’ireo voly any andrefana ka tsy mamoaka rano be toy ireo zavamanirin’ny faritra atsinanana.”

Manome antony iray hafa i Tom Lyons, mpampianatra siansa momba ny atmosfera, ka hoy izy: “Araka ny hevitray dia miloko matroka lavitra noho ny voly eny an-tsaha ny zavamaniry eo amin’ilay faritra. Noho izany, dia betsaka kokoa ny hafanana avoakany eny amin’ny atmosfera, ary miteraka . . . rivotra misafotofoto izay mitarika fiforonan’ny rahona.”

Angamba tsy afaka niaro ny mpamboly tamin’ny fihanaky ny bitro tany amin’ny faritra andrefan’i Aostralia ilay Fefy Fisakanana Bitro. Ny toa vokatr’ilay izy teo amin’ny toetrandro anefa dia mampianatra sy manaporofo amintsika fa tena ilaina ny mijery lavitra rehefa mikarakara ny tany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Fefy Hiarovana Fanjakana izao no ahafantarana io fefy io.

[Sarintany, pejy 14, 15]

Fefy Fisakanana Bitro

[Sary, pejy 15]

Bitro

[Sary, pejy 15]

Fanaraha-maso ilay fefy, teo am-piandohan’ny taonjato faha-20

[Sary, pejy 15]

Émeu

[Sary, pejy 15]

Ilay Fefy Fisakanana Bitro mirefy 1 833 kilaometatra no fefy lava sy tsy mitapatapaka indrindra eran-tany. Manasaraka ilay tany tsy voavoly sy ilay toeram-pambolena izy io, ary lasa fefy nampiova toetrandro

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Ny sary rehetra miloko: Minisiteran’ny Fambolena any Aostralia Andrefana; ambony afovoany: Courtesy of Battye Library Image number 003582D