Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Habibiana Mahatsiravina”

“Habibiana Mahatsiravina”

“Habibiana Mahatsiravina”

NANJARY mpivaro-tena i Maria * tamin’izy 14 taona. Ny reniny ihany no nanery azy hanaraka io fomba fiaina maharikoriko io. Nolazainy mantsy fa tsara tarehy i Maria ka tena ho tian’ny lehilahy, sady hahazo vola be. Nentin’ny reniny tany amin’ny hotely i Maria isan-kariva mba hahita lehilahy. Nijanona teny akaiky teny ny reniny mba handray ny karama. Nanao firaisana tamina lehilahy telo na efatra i Maria isaky ny alina.

Nipetraka teny akaikin-dry Maria i Carina, 13 taona. Noteren’ny fianakaviany hivaro-tena koa izy mba hanampiana ny fidiram-bola kelin’izy ireo. Izany rahateo no ataon’ny fianakaviana maro mpamboly fary eo amin’ny tanànan-dry zareo. Eritrereto koa i Estela, izay mipetraka any an-toeran-kafa. Mbola kely izy dia efa tsy nandeha nianatra intsony, ary tsy nahay namaky teny sy nanoratra akory izy, nefa nanomboka nivaro-tena. I Daisy indray dia novetavetain’ny zokiny lahy tamin’izy vao enin-taona. Nametaveta azy imbetsaka ny havany akaiky taorian’izay. Lasa mpivaro-tena izy, rehefa 14 taona.

Mampanahy tokoa ny fisian’ny ankizy mivaro-tena any amin’ny faritra maro ary mahatsiravina ny vokany. Matetika mantsy ny ankizy no lasa mpidoroka zava-mahadomelina na voarohirohy amin’ny asan-jiolahy, rehefa mivaro-tena, na isan’andro izany na tsindraindray. Maro amin’izy ireo no kivy sy mahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, satria zara raha mahita, na tena tsy mahita fomba hialana amin’io fomba fiaina mahonena io.

Misy manam-pahefana mahatsapa ny loza ateraky ny fanerena ankizy hivaro-tena. Marina ny tenin’i Fernando Henrique Cardoso, Filoha brezilianina taloha, hoe: “Habibiana mahatsiravina ny fanerena ankizy hivaro-tena.” Izao no fanamarihana mampieritreritra, momba ny fanerena ankizy hivaro-tena, tao amin’ny gazety brezilianina iray: “Mahita faisana isan’andro ny firenena milefitra sy manaiky ary mampirisika an’io fanao io, mba hahazoam-bola. Tsinontsinona mantsy izany vola izany, raha oharina amin’ny loza aterak’io fanao io eo amin’ilay olona sy ny fianakaviany ary ny mpiara-monina.”

Mitombo ihany anefa io olana io, na dia misy aza olona tsara fikasa sy te hampitsahatra ny fampiasana ankizy hivaro-tena. Inona no mahatonga io toe-javatra maharikoriko io? Nahoana no olona maro aoka izany no milefitra, na mampirisika hanaraka io fanao mahatsiravina io?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.

[Teny notsongaina, pejy 3]

“Habibiana mahatsiravina ny fanerena ankizy hivaro-tena.”​​—FERNANDO CARDOSO, FILOHAN’I BREZILA TALOHA

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Ny karazana fametavetana rehetra dia manazimbazimba ny maha olona ny olona. Noho izany, dia manitsakitsaka ny zon’olombelona izay manao izany, na firy taona na firy taona ilay olona nohararaotiny, na lahy na vavy, na inona na inona fokony sy firazanany ary saranga misy azy.”​—AVY AMIN’NY UNESCO