Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Fahotana Tsy Hahazoana Famelan-keloka Ve?

Misy Fahotana Tsy Hahazoana Famelan-keloka Ve?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Misy Fahotana Tsy Hahazoana Famelan-keloka Ve?

MISY sazy ratsy kokoa noho ny fahafatesana ve? Eny, izany dia ny fahafatesana tsy misy fanantenana fitsanganana amin’ny maty, noho ny fahotana tsy hahazoana famelan-keloka. Nilaza i Jesosy fa misy karazana fahotana ‘tsy hahazoana famelan-keloka.’—Matio 12:31.

Mpamela heloka anefa Andriamanitra, araka ny lazain’ny Baiboly. Mety hirona hitana lolompo ny olona ka tsy hamela heloka, fa Andriamanitra kosa ‘mamela heloka dia mamela heloka tokoa.’ (Isaia 55:7-9) Nandefa ny Zanany malala tetỳ an-tany mihitsy Andriamanitra mba hanao sorona tena sarobidy ka afaka namono ny fahotantsika, na dia mafy taminy aza izany.—Jaona 3:16, 17; Asan’ny Apostoly 3:19; 1 Jaona 2:1, 2.

Hanangana amin’ny maty an’ireo olona maro meloka noho ny fahotana lehibe nataony Andriamanitra, amin’ny fotoana mety. Tsy hampamoahina intsony noho izay nataony taloha anefa izy ireo. (Asan’ny Apostoly 24:15; Romana 6:23) Nilaza tokoa mantsy i Jesosy fa, ankoatra ilay fahotana tsy hahazoana famelan-keloka dia ‘hahazoana famelan-keloka ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra.’ (Matio 12:31) Koa mety hanontany tena ianao hoe: ‘Inona ilay zavatra faran’izay ratsy ka tsy hahazoana famelan-keloka avy amin’Andriamanitra?’

Rehefa tsy misy fibebahana azo atao intsony

Nampitandrina ny amin’ny ota iniana atao i Jesosy rehefa niresaka ny amin’ny “fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.” Tsy misy fanafahana amin’io karazana ota io “na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy”, hoy koa izy. (Matio 12:31, 32) Tsy hatsangana amin’ny maty izay meloka noho ny karazan’ota toy izany.

Inona no atao hoe manota amin’ny fanahy masina? Avy amin’ny fo izy io, ary mampiseho toe-tsaina sy zava-kendrena feno hasomparana. Vao mainka lehibe ilay fahotana satria fanahy iniana toherina ny fanahy masin’Andriamanitra. Indro misy ohatra: Ny lalàna any amin’ny tany sasany dia manisy fiavahana eo amin’ny vonoan’olona, arakaraka ny antony sy ny fomba nanatanterahana ilay heloka. Ny vonoan’olona an-tsitrapo sady nomanina mialoha ihany no ampiharana ny fanasaziana ho faty.

Mpiteny ratsy ny apostoly Paoly taloha, nefa hoy izy: “Nahazo famindrampo aho, satria tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovako izany.” (1 Timoty 1:13) Ny hoe manota amin’ny fanahy masina dia minia manohitra azy io. Tafiditra amin’izany ny toe-po ratsy izay tonga amin’ny fetra tsy ahafahana miova intsony.

Hita fa io karazana ota io no noresahin’i Paoly rehefa nanoratra izy hoe: “Izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana.” (Hebreo 6:4-6) Hoy koa ilay apostoly: “Raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.”—Hebreo 10:26.

Noho ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny nanana izany fitondran-tena izany no nahatonga an’i Jesosy nampitandrina ny amin’ny fahotana tsy hahazoana famelan-keloka. Tsy narahin’izy ireo anefa ilay fampitandremana. Nasainy novonoina aza i Jesosy, raha ny marina. Nahare porofo tsy azo nolavina izy ireo tatỳ aoriana fa nanao zava-nahagaga ny fanahy masina. Nolazaina taminy fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy! Nazava fa i Jesosy no Kristy! Mbola nanao zava-dratsy hanoherana ny fanahy masina ihany anefa izy ireo, rehefa nanakarama an’ireo miaramila romanina mba handainga momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.—Matio 28:11-15.

Fampitandremana ho an’ny Kristianina marina

Nahoana ny Kristianina marina no tokony handray am-po ilay fampitandremana ny amin’ny fahotana tsy hahazoana famelan-keloka? Satria mety hanjary hanana fo ratsy isika, na dia manana fahalalana araka ny marina an’Andriamanitra sy iasan’ny fanahiny aza. (Hebreo 3:12) Tokony hitandrina isika mba tsy hihevitra fa tsy hahazo antsika mihitsy izany. Jereo, ohatra, i Jodasy Iskariota. Mpanara-dia an’i Jesosy nahatoky izy taloha. Tsy maintsy ho nanana toetra tsara izy matoa voafidy ho anisan’ireo apostoly 12. Nisy fotoana anefa nanombohany namela eritreritra sy fanirian-dratsy hitombo tao aminy, ary resin’izany izy tamin’ny farany. Efa nangala-bola izy nandritra ny fotoana nahitany maso an’ireo fahagagana lehibe nataon’i Jesosy. Ninia namadika ny Zanak’Andriamanitra noho ny vola izy avy eo.

Nisy Kristianina nahatoky taloha ninia niala tamin’Andriamanitra, angamba noho ny fahatsapana fahatezerana latsa-paka, avonavona, na fitiavan-karena. Lasa mpivadi-pinoana miady amin’ny fanahin’Andriamanitra izy ireo ankehitriny. Minia manohitra izay tanterahin’ny fanahy mazava tsara izy ireo. Nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka ve ireny olona ireny? I Jehovah no Mpitsara farany.—Romana 14:12.

Tsy hitsara ny hafa isika fa haneho fahendrena kosa raha mitandrina mba tsy hanao fahotana miafina izay mety hanamafy ny fontsika. (Efesiana 4:30) Mampahery koa ny mahalala fa tena hamela antsika i Jehovah raha mibebaka isika, na dia nanao fahotana lehibe aza.—Isaia 1:18, 19.

[Sary, pejy 12, 13]

Nisy Fariseo nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka