Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Mitombo io Zava-manahirana Io?

Nahoana no Mitombo io Zava-manahirana Io?

Nahoana no Mitombo io Zava-manahirana Io?

FANTATRAO ve fa mitana ny laharana fahatelo amin’ny raharaham-barotra lehibe indrindra eran-tany ny fivarotan-tena, aorian’ny fivarotana zava-mahadomelina sy fitaovam-piadiana an-tsokosoko? Lazain’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina, fa mitombo hatrany ny mpivaro-tena.

Voararan’ny lalàna ny fivarotan-tena any amin’ny firenena iray, any Amerika Latinina. Nanao fanadihadiana anefa ny komity iray tao amin’ny antenimierany ary nilaza fa misy ankizivavy mpivaro-tena 500 000 mahery any amin’io tany io.

Any amin’ny tany iray hafa dia ankizy mpivaro-tena 300 000 eo ho eo no hita eny an-dalana, indrindra fa eny amin’ny toerana fivarotana zava-mahadomelina an-tsokosoko.

Ankizivavy iray tapitrisa eo ho eo no voalaza fa ampiasaina hivaro-tena any amin’ny firenena aziatika ary toy ny andevo izy ireo. Malaza ny firenena sasany noho izy be ankizy mpivaro-tena sy be mpizaha tany mba hanao firaisana.

Mihanaka be ny aretina azo avy amin’ny firaisana, toy ny SIDA, hany ka vonona handoa vola be ny olona mba hanaovany firaisana amin’ny ankizy heverina ho mbola virjiny ka mety tsy hisy aretina. “Matahotra ny ho voan’ny SIDA ny lehilahy ka mitady ankizivavy sy ankizilahy tanora kokoa hatrany. Vao mainka mampitombo ny zava-manahirana anefa izany”, hoy i Luíza Nagib Eluf, avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana any Brezila. Hoy izy: “Ny fampiasana zazavavy sy zatovo hivaro-tena no olana lehibe indrindra atrehin’ny vehivavy mahantra, eto Brezila.”

Ny fahantrana sy ny ankizy mivaro-tena

Anisan’ny mahatonga ny ankizy hivaro-tena ny fahoriana sy ny fahantrana. Nisy olona ambony ao amin’ny fitondrana, nilaza fa “ny faharavan’ny fianakaviana sy ny fahoriana ary ny hanoanana” ao amin’ny taniny no mahatonga ny fivarotan-tena sy ny fampiasana ankizy hivaro-tena. Nisy ray aman-dreny nilaza fa ny fahantrana no nahatonga azy ireo handefa ny zanany hivaro-tena. Aleon’ny ankizy mpirenireny mandeha mivaro-tena satria io ihany no hitany fa hahavelona azy.

Nilaza ny gazety O Estado de S. Paulo fa mety ho lasa mpivaro-tena ny ankizivavy rehefa miaraka amin’ny andian-jiolahy. Mety hangalatra sy hivaro-tena tsindraindray izy mba hahazoana sakafo. Lasa asany mihitsy anefa ny fivarotan-tena rehefa mandeha ny fotoana.

Asaina mivaro-tena any an-tany hafa ny zatovo indraindray. Araka ny tatitra nataon’ny UNESCO, dia “vola be no alefan’ireny mpivaro-tena ireny ho an’ny fianakaviany, rehefa jerena ny fahantrana any amin’ny tany aziatika sy afrikanina sasany.” Lazainy koa fa “ampirisihina hivaro-tena ny tanora sy ny ankizy any amin’ireny tany ireny, satria tonga mba hanao firaisana amin’izy ireny ny mpizaha tany avy any amin’ny firenena manankarena.”

Niresaka momba ny loza mianjady amin’ny ankizy mpivaro-tena amoron-dalana any amin’ny tanàna iray any Amerika Latinina ny gazetiboky iray. Nolazainy fa “vao 12 taona monja ny mpivaro-tena sasany. Avy amin’ny tokantrano rava izy ireny matetika. Matory eny amin’izay misy toerana malalaka izy ireo mandritra ny andro, fa mitady lehilahy any amin’ny toerana fandihizan’ny tantsambo kosa rehefa alina.”

Rehefa mahazo rongony ny ankizy mpivaro-tena, dia hanaiky hampanaovina zavatra mahavoafady, izay tsy hataony mihitsy raha tsy tratran’ny zava-mahadomelina izy. Nilaza, ohatra, ny gazetiboky Veja fa nahita kasety vidéo 92 ny polisy. Tao anatin’izany no nanangonan’ny dokotera iray sary nampiseho vehivavy 50 mahery izay nampijaliny tamin-kabibiana, ka tsy ampy taona ny sasany.

Tena maharikoriko izany, nefa mbola nilaza ihany ny tanora mpivaro-tena iray hoe: “Tsy hahita asa tsara karama hividianako sakafo aho, na dia hitady aza, satria tsy manana fahaizana manokana. Fantatry ny fianakaviako ny zavatra ataoko, sady tsy te hiala amin’izao fomba fiaina izao aho. Vatako io ka ampiasaiko amin’izay tiako hanaovana azy.”

Tsy naniry hivaro-tena mihitsy anefa ireo ankizivavy ireo. Nisy mpanao asa soa nilaza fa tanora mpivaro-tena maro no “te hanambady” ary manonofinofy lehilahy hambabo ny fony sy hanambady azy. Nisy zava-tsarotra nahatonga azy ireo hivaro-tena, nefa hoy ny mpikaroka iray: “Ny tena mahatsiravina dia hoe tao an-tranony ihany no nisy nametaveta ny ankamaroany.”

Hifarana ve ny fampiasana ankizy hivaro-tena?

Mbola misy anefa ny fanantenana ho an’ireny ankizy mahonena ireny. Nisy mpivaro-tena avy tamin’ny sokajin-taona rehetra nanova ny fomba fiainany. (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Afaka Miova ny Olona”, ao amin’ny pejy faha-7.) Nanampy olona an-tapitrisa ho lasa mpifanila trano tsara fanahy sy ho mpianakavy azo atokisana ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Izao no vakintsika momba ny olona sasany izay mpijangajanga, mpaka vadin’olona, mpangalatra, mpierina, ary mpimamo, taloha: “Toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.”​—1 Korintiana 6:9-11.

Misy olona miova sy manatsara ny fomba fiainany, toy ny tamin’ny andron’ny Baiboly, koa ankehitriny. Tsy ampy hampitsaharana ny fampiasana ankizy hivaro-tena anefa izany. Misy fitondram-panjakana sy fikambanana miady mafy mba tsy ho tonga ao amin’ny taniny mba hanao firaisana fotsiny ny mpizaha tany. Miezaka koa izy ireo hampitsahatra ny fampiasana ny ankizy hivaro-tena. Tsy afaka manafoana tanteraka ny fahoriana sy ny fahantrana anefa ny olombelona. Tsy vitan’ny mpahay lalàna koa ny manakana ny eritreritra sy ny toe-tsaina mahatonga ny olona haloto fitondran-tena.

Tsy olombelona anefa no afaka mamaha ireo olana rehetra ireo fa ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Anisan’ny mahatonga ny ankizy hivaro-tena ny fahantrana

[Efajoro, pejy 6]

Vidina Lafo

Novetavetain’ny anadahiny iray i Daisy raha vao enin-taona monja. Noho izany, dia niara-nipetraka tamin’ny zokiny lahy izy mandra-pahafenony 14 taona. Tamin’izay izy no nanomboka niasa tao amin’ny boîte de nuit. Narary i Daisy andro vitsivitsy taorian’izay. Noteren’ny tompon’ilay boîte de nuit hivaro-tena izy rehefa sitrana, satria nananany trosa, hono. Mbola tsy afa-trosa foana izy herintaona taorian’izay ary toa tsy ho afa-trosa mihitsy. Nisy tantsambo iray nandoa ny ambin-trosany anefa. Nentin’izy io tany amin’ny tanàna hafa izy ary nandevoziny. Nandao azy i Daisy ary niara-nipetraka tamina lehilahy hafa indray nandritra ny telo taona ary nanambady azy. Tsy nilamina mihitsy ny tokantranony ka nanandrana namono tena intelo izy.

Nianatra Baiboly izy mivady tatỳ aoriana. Nihevitra anefa i Daisy fa tsy mendrika ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izy. Rehefa naseho azy avy tao amin’ny Baiboly àry fa mandray ny olona vonona hiova i Jehovah Andriamanitra, dia nanolo-tena ho azy izy. Niezaka mafy i Daisy mba hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Heveriny ho tsy ampy anefa izany, ka ketraka izy indraindray. Nampikorontan-tsaina azy ny fametavetana azy sy ny fiainany tamin’izy mpivaro-tena. Soa ihany anefa fa nanaiky hampiana izy, ka afaka nandresy izany ary tony kokoa izy ankehitriny.

[Efajoro, pejy 7]

Afaka Miova ny Olona

Nahonena an’i Jesosy Kristy ny olona nijaly sy mpanota, tamin’izy tetỳ an-tany. Fantany fa afaka nanova ny fomba fiainany ny mpivaro-tena, na firy taona izy na firy taona. Nilaza toy izao tamin’ny mpitondra fivavahana mihitsy aza i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Matio 21:31) Natao tsinontsinona ireo olona tso-po ireo noho ny fomba fiainany, nefa voavela ny helony, satria nino ny Zanak’Andriamanitra izy. Vonona ny tsy hivaro-tena intsony ny mpanota nibebaka, mba hahazoany ny fitahiana entin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Niaina nifanaraka tamin’ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo, taorian’izay. Manaiky ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra koa ny karazan’olona rehetra ankehitriny, ka manova ny fomba fiainany.

Raiso, ohatra, i Maria sy Carina ary Estela noresahina tao amin’ny lahatsoratra voalohany. Tsy nety nivaro-tena intsony i Maria na dia noteren’ny reniny aza ary tsy maintsy niady mafy mba tsy hidoroka zava-mahadomelina intsony. Hoy izy: “Nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny aho noho izaho nivaro-tena. Nampiasa zava-mahadomelina aho mba hanadinoako an’izany.” Hoy i Maria mahakasika ny fomba nandraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah azy: “Nampiaiky volana ahy ny fitiavana nasehon’izy ireo. Nanaja ahy daholo na ny kely na ny lehibe. Hitako fa nanaja ny vadiny ny lehilahy. Tena faly aho fa noraisin’izy ireo ho namana.”

Nitsidika an’i Carina ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izy 17 taona. Nanomboka nianatra Baiboly izy, na dia mbola nivaro-tena ihany aza. Takany sy nankasitrahany tsikelikely ny fahamarinana ara-baiboly, ka nifindra tany amina tanàna lavitra izy, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Mbola kely i Estela dia efa nivaro-tena sy niliba ary niboboka toaka. Nanjary liana tamin’ny Baiboly izy, nefa nihevitra fa tsy hamela ny helony mihitsy Andriamanitra. Takany anefa, tatỳ aoriana, fa tena mamela ny olona mibebaka i Jehovah Andriamanitra. Anisan’ny fiangonana kristianina izy izao, manambady ary niteraka telo. Hoy izy: “Tena sambatra aho ankehitriny ary misaotra an’i Jehovah, satria nanafaka ahy tamin’ny fomba fiaina maloto izy ary nandray ahy tao amin’ny fandaminany madio.”

Hamarinin’ireo fitantarana ireo ny tenin’ny Baiboly hoe tian’Andriamanitra ‘hovonjena ny olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’​—1 Timoty 2:4.

[Sary, pejy 7]

Mazàna ny ankizy mivaro-tena no mifoka rongony

[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]

© Jan Banning/Panos Pictures, 1997