Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nentin’ny Rivotra Ilay Izy

Nentin’ny Rivotra Ilay Izy

Nentin’ny Rivotra Ilay Izy

Nandeha teny amin’ny araben’i Mumbai, any Inde, ny lehilahy iray. Nitsoka tampoka ny rivotra ka nisy taratasy mivalona nilatsaka teo amin’ny tongony. Ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 io taratasy io, ary mitondra ny lohateny hoe “Ny Taonarivo Vaovao​—Inona no Ampanantenain’ny Hoavy ho Anao?” Nanaitra azy io lohateny io, ka nalainy avy hatrany ilay taratasy ary novakiny hatramin’ny farany. Nahaliana azy ilay izy, ka nangataka Baiboly sy boky izy, satria te hahafantatra bebe kokoa.

Misy fanazavana manatanjaka ny finoana ao amin’io taratasy mivalona, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io. Hazavain’izy io tsara fa ny olana mianjady amintsika, toy ny aretina sy ny fahantrana ary ny ady, dia vokatry ny “fitsiriritana tafahoatra sy ny tsy fitokisana ary ny fitiavan-tena—toetra izay tsy ho hain’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny teknolojia na ny politika fotsiny foanana.” Lazain’ilay taratasy koa fa hesorin’Andriamanitra tsy ho ela ny faharatsiana rehetra eto an-tany.

Te hahafantatra bebe kokoa ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny hoavy ve ianao? Mampianatra Baiboly any an-tranon’olona an-tapitrisa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mampiasa boky ara-baiboly izy ireo amin’izany. Iray amin’ireny ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Ireto ny fanontaniana sasany valian’io bokikely io: Iza moa Andriamanitra? Inona no tian’Andriamanitra hatao amin’ny tany? Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? Ahoana no anatsaran’ny Baiboly ny fiainam-pianakavianao?

Ho faly hitsidika anao ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tianao ny hampahafantarany anao izay hataon’Andriamanitra tsy ho ela. Ankoatra izany, dia hanazava bebe kokoa aminao momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Fenoy ilay tapakila etsy ambany raha mahaliana anao izany.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.