Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Herin’ny Tsiky

Ny Herin’ny Tsiky

Ny Herin’ny Tsiky

VETIVETY ihany ilay izy, nefa mety ho tadidinao foana. Tena sarobidy koa izy io, nefa afaka manome azy na ny olona tena mahantra aza. Mila azy io koa na dia olona mpanan-karena be aza. Inona izany? Ny tsiky.

Mihetsika ny hozatra eo amin’ny tarehy rehefa mitsiky, mamiratra ny maso ary somary mitatra kely ny sisiny roa amin’ny vava. Fampisehoana hafaliana ny tsiky. Manomboka mitsiky ny zazakely, amin’ireo herinandro vitsivitsy voalohany ahaterahany, ary mazava ho azy fa tena mahafaly ny ray aman-dreny izany. Mandeha ho azy ireny tsiky voalohany ireny. Lazain’ny manam-pahaizana fa manao io karazana tsiky io ny zazakely, matetika, rehefa manonofy. Toa mifandray amin’ny fihetseham-po sy ny fiasan’ny rafi-pitatitra foibe izy io. Mety mbola hanao io karazana tsiky io isika na dia efa olon-dehibe aza. Ohatra, rehefa avy misakafo na rehefa mihaino mozika.

Rehefa feno iray volana sy tapany eo ho eo kosa ny zazakely, dia ny fahitana olona na ny fandrenesana feo no mampitsiky azy. Mampifalifaly antsika ny tsiky avy amin’ny fo, na zazakely isika na olon-dehibe. Voalaza mihitsy aza fa misy vokany tsara amin’ny fahasalamantsika ny tsiky toy izany. Mpitsabo ny tsy fahaiza-miteny i Mirtha Manno sy Rubén Delauro, ary mitantana sekoly mampianatra ny olona hanatsara ny fahasalamany amin’ny alalan’ny tsiky sy ny fomba hafa. Tsiky sy Fahasalamana no anaran’io sekoly io. Nilaza izy ireo fa raha vao mitsiky fotsiny isika, dia taitra ny fihary anankiray ao amin’ny atidoha, ka mamoaka zavatra simika mahafalifaly.

Ny antony hafa mahasarobidy ny tsiky, dia noho izy io misy vokany tsara eo amin’ny olon-kafa. Tsy voatery miteny isika, fa tonga dia mahalaza ny ao am-pontsika ny tsiky amim-pahatsorana. Mety ho tsiky eo am-piarahabana izany, na tsiky ampisehoana fangorahana, na tsiky fampaherezana. Na dia ny fijerena sarin-jazakely mitsiky mahafinaritra aza, indraindray, dia mety hampitsiky.

Afaka manampy antsika ho tony sy hahay handresy kokoa ny hakiviana sy ny zava-tsarotra ny tsiky mahafinaritra avy amin’ny olona. Hoy ny Baiboly: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany.” (Ohabolana 3:27) Io fihetsika tsotra io àry dia efa mety handraisantsika sy ny olon-kafa soa. Nahoana ianao raha miezaka mizara ilay fanomezana sarobidy indrindra, dia ny tsiky avy amin’ny fo?