Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ratsy ve ny Mifraody?

Ratsy ve ny Mifraody?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Ratsy ve ny Mifraody?

“Mora ny mifraody na dia fantatry ny rehetra aza hoe ratsy ilay izy.”—Jimmy, 17 taona.

EFA mba nalaim-panahy hangala-pijery any amin’izay nosoratan’ny mpiara-mianatra aminao ve ianao tamin’ny fanadinana? Raha eny, dia tsy ianao irery akory no manao izany. Milaza i Jenna, mpianatra any amin’ny kilasy famaranana, fa tsy menatra mifraody ny maro amin’ny mpiara-mianatra aminy. Hoy izy: “Mirehareha erỳ ry zareo rehefa mitantara ny fanaovany an’ilay izy. Hafahafa ny fahitan-dry zareo anao raha tsy mifraody ianao!”

Tamin’ny fanadihadiana iray tany Etazonia, dia 80 isan-jaton’ny tanora nahazo ny naoty ambony indrindra no niaiky fa nifraody, ary tsy tratra mihitsy ny ankamaroan’izy ireo. Nanadihady mpianatra 20 000 mahery any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa sy lise, ny Sekolin’ny Fitsipi-pitondran-tena, naorin’i Josephson, ka nilaza hoe: “Vao mainka mihabetsaka ny mpianatra tsy manao ny marina.” Gaga ny mpanabe satria lasa be dia be mihitsy ny mpianatra mifraody! Hoy mihitsy aza i Gary Niels, talen-tsekoly: “Ny mpianatra tsy mifraody indray izao no vitsy an’isa.”

Saika ny ray aman-dreny rehetra no manantena fa hanao ny marina ny zanany, rehefa any am-pianarana. Mampalahelo anefa fa aleon’ny tanora maro mifraody toy izay hanao ny marina. Inona no fomba vaovao ampiasain’izy ireo amin’izany? Nahoana no misy tanora mifraody? Nahoana ianao no tsy tokony hanao izany?

Mampiasa fitaovana ary fomba izy ireo

Maro ny fomba feno fitaka ampiasain’ny ankizy mifraody, amin’izao fotoana izao. Azo lazaina hoe efa lany andro ny fandikana entimody na valiny nosoratana tamina taratasy, raha oharina amin’ny tetika ampiasain’izy ireo. Misy mampiasa fitaovana elektronika misy efi-jery kely, mba handraisany ny valin’ny fanontaniana alefany any amin’olona ivelan’ny lakilasy. Eo koa ny milina fanaovana kajy, nanatsofohana fanazavana fanampiny. Misy koa kamerà kely afenina any anaty akanjo, ka natao handefasana fanontaniana any an-toeran-kafa. Eo koa ny milina ary fomba fanaovana kajy, natao hampitana hafatra amin’ny ankizy ao amin’ilay kilasy ihany, ka ampiasana hazavana infrarouge. Ny sasany aza mikaroka ao amin’ny Internet mihitsy, satria misy toerana afaka manome devoara efa vita, ho an’ny ankamaroan’ny taranja ao amin’izy ireny!

Mampahatahotra ireo fanao ireo, ka ataon’ny mpanabe izay hampijanonana sy hanovana azy. Sarotra anefa ilay izy. Tsy mitovy hevitra mantsy ny mpianatra tsirairay, na ny mpampianatra tsirairay, momba ny atao hoe mifraody. Raha asaina miara-manao fikarohana, ohatra, ny mpianatra maromaro, dia tsy fantatra intsony hoe rahoviana ilay izy no mbola fiaraha-miasa tsotra, ary rahoviana no efa mifraody. Mety hisy koa ireo miandry ny ankizy hafa fotsiny hanao ilay fikarohana manontolo. Hoy i Yuji, mpianatra any amin’ny lise: “Kamo velona ny mpianatra sasany. Tsy manao na inona na inona ry zareo! Mitovy ihany anefa ny naoty azon-dry zareo sy ny ankizy nanao ilay asa. Mifraody koa izany amiko!”

Nahoana izy ireo no mifraody?

Araka ny fanadihadiana iray, dia ny tsy fianarana lesona no antony lehibe indrindra mahatonga ny ankizy maro hifraody. Ny hafa voataonan’ny toe-tsaina tia mifaninana manjaka any an-tsekoly, na antenain’ny ray aman-dreniny hahazo naoty ambony be, ka ny mifraody no hany hevitra hitany. Hoy i Sam, 13 taona: “Ny naoty ihany no tena zava-dehibe amin’ny ray aman-dreniko. Anontaniany aho hoe: ‘Firy ny naotinao tamin’ny matematika? Firy tamin’ny Anglisy?’ Tsy tiako izany!”

Mahatonga ny ankizy sasany hifraody izany fanerena tsy an-kijanona hahazo naoty ambony izany. Hoy ny boky Ny Fiainan’ny Zatovo Amerikanina (anglisy): “Tsy mety raha voatery loatra ny ankizy. Matetika mantsy, dia tsy mahafinaritra azy intsony ny mianatra, fa ny hahazo naoty ambony no lasa zava-dehibe aminy. Mahavita manao ny tsy marina mihitsy izy indraindray, mba hahazoana izany naoty izany.” Mpianatra maro no manaiky an’io voalaza io. Tsy misy ankizy te hahazo naoty ratsy, indrindra moa raha hoe fanadinana amin’ny faran’ny taona ilay izy. Hoy i Jimmy, mpianatra any amin’ny lise: “Misy ankizy matahotra be sao tsy ho afa-panadinana, ka na hainy aza ny valiny, dia aleony mifraody mba hahazoana antoka tsara.”

Mety ho lasa tsy mampaninona ny mifraody satria maro be ny olona tsy miraharaha ny fanaovana ny marina. Toa tena manampy mihitsy ny mifraody, indraindray. Hoy i Greg, 17 taona: “Nahita ankizy nifraody aho omaly, tamin’ny fanadinana nataonay. Nahazo naoty ambony noho ny ahy izy, rehefa naverina ny devoaranay androany.” Maro no voasarika hifraody rehefa mahita hoe betsaka ny ankizy manao azy io. Hoy i Yuji: “Misy ankizy mieritreritra hoe: ‘Raha mifraody ny ankizy hafa, dia mba tokony hanao izany koa aho.’” Marina ve anefa izany?

Fahazarana mamitaka

Ampitahao ny hoe mangalatra sy mifraody. Mety ve ny mangalatra satria hoe be dia be ny olona manao azy? ‘Mazava ho azy fa tsia’, hoy angamba ianao, indrindra fa raha ny volanao no nisy nangalatra! Mahazo teny fiderana tsy mendrika antsika akory isika, rehefa mifraody. Angamba aza isika indray no nahazo naoty ambony noho ny ankizy tsy nifraody. (Efesiana 4:28) Hoy i Tommy, izay vao avy nahavita fianarana tany amin’ny lise: “Tsy mety mihitsy ny mifraody. Toy ny miteny ianao hoe: ‘Haiko ireo fanontaniana ireo’, nefa tsy hainao akory ilay izy. Mandainga ianao.” Voalaza tsara ao amin’ny Kolosiana 3:9 ny fiheveran’ny Baiboly momba izany: “Aza mifandainga hianareo.”

Mety ho lasa fahazarana sarotra ialana ny mifraody. Hoy i Jenna: “Manjary hitan’ilay ankizy hoe tsy voatery mianatra izy, fa mifraody fotsiny, dia afa-panadinana. Rehefa tsy afaka miantehitra amin’olona intsony anefa izy, dia tsy tafavoaka amin’ny fiainana.”

Mampieritreritra ny toro lalana ao amin’ny Galatiana 6:7, hoe: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” Ireto no mety ho vokany, raha nifraody ianao tany am-pianarana: Manenjika anao ny eritreritrao, tsy matoky anao intsony ny namanao, sarotra aminao ny mianatra zava-baovao satria tsy zatra nikaroka ny sainao. Toy ny kansera lasa miparitaka amin’ny vatana, dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainanao ny fahazaranao mamitaka, ary mety hampisaraka anao amin’ny namana tianao indrindra. Tena azo antoka fa hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra izany, satria tsy mahafaly azy ny famitahana.—Ohabolana 11:1.

Mamita-tena fotsiny ny ankizy mifraody. (Ohabolana 12:19) Tsy misy hafa amin’ny nataon’ny mpitondra tsy nanao ny marina tany amin’ny tanànan’i Jerosalema fahiny no ataon’izy ireo. Izao no tenin’ireo mpitondra ireo: “Ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena.” (Isaia 28:15) Tsy afa-manafina ny zavatra ataony amin’Andriamanitra anefa ny ankizy mifraody.—Hebreo 4:13.

Aza mifraody!

Matetika, dia miezaka mafy sy mitady hevitra be dia be ny ankizy, rehefa hifraody. Ho nahasoa azy kokoa anefa izany ezaka sy hevitra izany, raha nampiasainy nianarana lesona. Izao no ilazan’i Abby, 18 taona, izany: “Raha nitovy tamin’ny fahazotoany nifraody ny fahazotoany niana-desona, dia angamba nahazo naoty tsara mihitsy izy.”

Marina fa mety ho sarotra be ny tsy hifraody. Tsy maintsy manalavitra an’io fandrika io anefa ianao! (Ohabolana 2:10-15) Amin’ny fomba ahoana? Tadidio fa hianatra no antony andehananao any an-tsekoly. Marina aloha fa toa tsy hita indraindray ny antony hianarana zavatra sasany, satria mety tsy hilainao akory izy ireny any aoriana any. Raha ny mifraody anefa no hitan’ny olona iray fa vahaolana, dia hanjary ho sarotra aminy ny hianatra zava-baovao sy hampiasa ny fahalalana azony. Tsy ho azo amin’izao fotsiny ny tena fahaizana, fa ilana fiezahana. Hoy ny Baiboly: “Vidio ny marina, ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.” (Ohabolana 23:23) Tsy tokony hataonao kitoatoa mihitsy àry ny fianarana sy ny famerenana lesona. Manoro hevitra i Jimmy hoe: “Tokony hiana-desona ianao alohan’ny fanadinana. Ho azonao antoka amin’izay, fa ho marina ny valiny homenao.”

Marina fa mety tsy ho hainao daholo ny valiny, indraindray, ka mety ho ambany kokoa ny naotinao. Mety ho hitanao anefa izay zavatra mbola mila hianaranao, raha miezaka tsy mifraody ianao.—Ohabolana 21:5.

Vavolombelon’i Jehovah i Yuji, ilay ankizy noresahina terỳ aloha. Lazainy ny zavatra ataony, rehefa mitaona azy hifraody ny mpiray kilasy aminy: “Tonga dia lazaiko amin’izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah aho. Tena manampy ahy izany satria fantatr’izy ireo fa manao ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mety manoro aho, rehefa misy ankizy mangataka valiny amiko, mandritra ny fanadinana. Hazavaiko aminy ny antony, aorian’izay.”

Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Hebreo: ‘Te hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra izahay.’ (Hebreo 13:18) Mitovy hevitra amin’izany i Yuji. Tena misy vidiny ny naoty ambony azonao, raha miezaka manao ny marina ianao, fa tsy mifraody. Tsy mivadika amin’Andriamanitra ianao rehefa tsy mifraody, ary izany no fanomezana tsara indrindra azonao atolotra ny ray aman-dreninao. (3 Jaona 4) Madio koa ny eritreritrao ary faly ianao satria mampifaly ny fon’i Jehovah Andriamanitra.—Ohabolana 27:11.

Aza mifraody àry, na be mpanao aza izy io! Hifandray tsara amin’ny olon-kafa ianao raha manao izany, ary ny tena zava-dehibe, dia hifandray tsara amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana, ianao.—Salamo 11:7; 31:5.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Tsy tsapan’ny ankizy mifraody, matetika, fa halatra no ataony

[Teny notsongaina, pejy 22]

Mahavita zavatra ratsy kokoa, matetika, ny ankizy mifraody

[Teny notsongaina, pejy 23]

Tsy afaka manafina amin’Andriamanitra ny zavatra ataony ny ankizy mifraody

[Sary, pejy 23]

Hatoky tena ianao raha mianatra tsara, alohan’ny fanadinana