Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Syria—Mbola Ahitana Taratry ny Lasa Iray Mahaliana

Syria—Mbola Ahitana Taratry ny Lasa Iray Mahaliana

Syria—Mbola Ahitana Taratry ny Lasa Iray Mahaliana

TEO amin’ny sampanan-dalana iray tamin’ny andro fahiny no nisy azy. Toerana nihaonan’ireo mpanao diabe avy tany Mediterane ho any Chine, sy avy tany Ejipta ho any Anatolie izy io. Nandeha teo koa ny tafik’i Akada, Babylona, Ejipta, Persia, Gresy, ary Roma. Toy izany koa ny Tiorka sy ny mpanao ady masina, taonjato maro tatỳ aoriana. Niady mba hahazo azy io ny tafika frantsay sy anglisy ankehitriny.

Misy toerana iray any, mbola antsoina amin’ny anarana nahalalana azy an’arivony taona maro lasa izay. Tsy iza izany fa i Syria. Mbola ahitana taratry ny lasa ihany ilay toerana, na dia betsaka aza ny zavatra niova. Tena mahaliana ny mpianatra Baiboly io faritra io, satria tafiditra ao amin’ny tantaran’ny Baiboly i Syria.

Damaskosy: Tanàna fahiny

Raiso, ohatra, i Damaskosy, renivohitr’i Syria. Iray amin’ireo tanàna tranainy indrindra nisy mponina foana izy, hatramin’ny fotoana nanorenana azy. Eo am-pototry ny tendrombohitra iray any Libanona no misy an’i Damaskosy. Mamakivaky azy ny Renirano Barada, hany ka toy ny tany lonaka mamelombelona eo amoron’ny Tany Efitra lehiben’i Syria ilay tanàna. Toy izany no izy hatramin’ny an-jato taona. Toa nandalo teo amin’io tanàna io i Abrahama, rehefa nianatsimo nankany Kanana. Tao koa izy no naka an’i Eliezera, lehilahy “avy any Damaskosy”, mba hanompo tao amin’ny ankohonany.—Genesisy 15:2.

Niady tamin’i Saoly, mpanjaka voalohany teo amin’ny Isiraely, ireo mpanjaka syrianina avy tany Zoba, arivo taona tatỳ aoriana. (1 Samoela 14:47) Niady tamin’ny mpanjakan’i Arama (anarana hebreo niantsoana an’i Syria) koa i Davida, mpanjaka faharoa teo amin’ny Israely, ka nandresy azy, ary ‘nametraka miaramila tany Syria momba an’i Damaskosy.’ (2 Samoela 8:3-8) Efa hatramin’ny ela àry i Israely sy Syria no mpifahavalo.—1 Mpanjaka 11:23-25.

Efa nihatony ny fifankahalan’ny Syrianina sy ny Jiosy, tamin’ny taonjato voalohany. Nisy synagoga jiosy maromaro mihitsy aza tany Damaskosy tamin’izay. Tadidinao angamba fa teny an-dalana avy tany Jerosalema nankany Damaskosy no niovan’i Saoly (na Paoly) avy any Tarsosy ho kristianina.—Asan’ny Apostoly 9:1-8.

Tsy ahitana porofon’ny fandalovan’i Abrahama na ny fandresen’i Davida ny tanànan’i Damaskosy ankehitriny. Mbola misy sisa tavela tamin’ny tanànan’i Roma fahiny sy tamin’ilay lalam-be nantsoina hoe Via Recta (Lalana Imahitsy), izay mamakivaky azy io, anefa ao. Tao amin’ny trano iray tamin’io lalana io no nahitan’i Ananiasy an’i Saoly, izay niova ho kristianina, tsy lavitra an’i Damaskosy. (Asan’ny Apostoly 9:10-19) Tsy misy itoviany intsony ilay lalana tamin’ny andron’i Roma fahiny sy ilay ankehitriny, dia ilay toerana nanombohan’ny apostoly Paoly ny fanompoany niavaka. Mifarana eo amin’ny vavahady romanina antsoina hoe Bab-Sharqi ny Lalana Imahitsy. Misy trano eo an-tampon’ny mandan’ilay tanàna. Azontsika tsara àry ilay filazana fa afa-nandositra i Paoly, rehefa nampidinina tamin’ny sobika avy teo amin’ny varavarankelin’ilay manda.—Asan’ny Apostoly 9:23-25; 2 Korintiana 11:32, 33.

Palmyre: Tany lonaka an’efitra manan-tantara

Lalana adiny telo eo ho eo any avaratratsinanan’i Damaskosy no misy an’i Palmyre. Izy io dia toerana miavaka iray, antsoina koa hoe Tadmora, ao amin’ny Baiboly. (2 Tantara 8:4) Eo amin’ny antsasa-dalana manelanelana ny Ranomasina Mediterane sy ny Ony Eofrata no misy an’io tany lonaka an’efitra io, ary loharano avy any an-tendrombohitra any avaratra, izay mipoitra eto, no manondraka azy. Nanaraka ny Croissant fertile ary nampitohy an’i Mezopotamia sy ny faritra tany andrefana io lalana falehan’ny mpivarotra fahiny io, ka nianavaratra lavitra an’i Palmyre. Nisy korontana ara-politika anefa tany avaratra tamin’ny taonjato voalohany, ka naleon’ny olona nanaraka ny lalana tany atsimo, izay fohy kokoa. Izany no nampiroborobo ny tanànan’i Palmyre.

Nampiasain’i Roma mba hiarovana ny faritra atsinanan’ny fanjakany i Palmyre, ka nampidiriny ho anisan’ny provansin’i Syria, nefa natao tanàna nahaleo tena tatỳ aoriana. Nisy tempoly lehibe, andohalambo avo be, sy toerana fandroana ary toerana filalaovana teatra nanemitra ny arabe iray tsara tarehy nisy laharan’andry. Natao rarivato ho an’ny mpandeha an-tongotra ny andaniny roa nisy ireo laharan’andry, fa ny lalam-be teo afovoany kosa navela tamin’izao, mba handehanan’ireo mpanao diabe sy ny ramevany. Nijanona kely tao Palmyre izy ireo, rehefa nandalo teo amin’ny lalana nampifandray an’i Chine sy Inde tany Atsinanana tamin’ny tontolo grika-romanina tany Andrefana. Voatery nandoa hetra izy ireo tao, noho ireo entam-barotra nentiny, toy ny landy sy ny zava-manitra.

Tokony ho 200 000 ny isan’ny mponina tany Palmyre tamin’ny fotoana nampiroborobo azy, tamin’ny taonjato fahatelo. Niady tamin’i Roma i Zénobie, mpanjakavaviny fatra-paniry laza, tamin’izany fotoana izany, nefa resy tamin’ny taona 272. Tsy fantatr’i Zénobie akory hoe nanatanteraka faminaniana tao amin’ny Daniela, izay nosoratana 800 taona talohan’io, izy, tamin’izay. * (Daniela, toko faha-11) Mbola natao toby miaramila fiarovana ny fanjakan’i Roma ihany i Palmyre taorian’izay, kanefa tsy tafaverina intsony ny heriny sy ny famirapiratany taloha.

Hatrany amin’ny Ony Eofrata

Lalana adiny telo mianavaratratsinanana, mamakivaky ny tany efitra, no misy ny tanànan’i Dayr az Zawr, izay ahitana ny Ony maherin’i Eofrata. Any amin’ny tendrombohitr’i Anatolie atsinanana ny loharanon’io renirano manan-tantara io, izay miditra ao Syria eo avaratra kelin’i Karkemisy, ary mamakivaky an’i Syria mba ho any Irak any atsimoatsinanana. Misy sisan-javatry ny tanàna syrianina roa eo akaikin’ny sisin-tanin’i Irak.

Tokony ho 100 kilaometatra any atsimoatsinanana, dia misy sisa tavela amin’ny tanànan’i Doura-Europos, izay tanàna mafy orina fahiny, eo amoron’ny Ony Eofrata. Any atsimoatsinanana, 25 kilaometatra miala avy eo indray ny tanànan’i Mari, izay niroborobo ara-barotra taloha. Noravan’i Hammourabi, mpanjakan’i Babylona, izy io, tamin’ny taonjato faha-18 talohan’i Kristy (T.K.). Namelona indray ny tantara ny soratra tamin’ny takela-tanimanga, miisa 15 000 eo ho eo, fara fahakeliny, hita tao amin’ny tahirin-javatry ny lapam-panjakana.

Noravan’ny miaramilan’i Hammourabi koa ny tapany ambony tamin’ny manda, rehefa nandrava ilay tanàna izy ireo, fa ny tapany ambany kosa nofenoiny biriky sy tany. Izany dia niaro ireo sary hoso-doko teo amin’ny rindrina, sarivongana, seramika, ary rakitry ny ela maro hafa, tsy ho simba, mandra-pahitan’ny mpiady tany frantsay an’ilay toerana tamin’ny 1933. Afaka mijery ireo zavatra ireo any amin’ny tranombakok’i Damaskosy sy Alep ary koa ao amin’i Louvres, any Paris, isika.

Tanàna fahiny any avaratrandrefan’i Syria

Tonga any Alep (Haleb) ianao, raha manaraka an’i Eofrata any avaratrandrefana. Toa an’i Damaskosy, i Alep dia iray amin’ireo tanàna tranainy indrindra eran’izao tontolo izao, izay nisy mponina foana hatramin’ny fotoana nanorenana azy. Anisan’ireo toerana mahafinaritra ny maso indrindra any Moyen-Orient ny tsena mitafon’i Alep.

Eo atsimo kelin’ny Alep i Tell Mardikh, toerana nisy ny tanàna-fanjakan’i Ebla fahiny. Tanàna natanjaka ara-barotra i Ebla ary nanapaka ny faritra avaratr’i Syria teo anelanelan’ny taona 2500 sy 2000 T.K. Hita tamin’ny fihadian-tany natao tao amin’io toerana io ny sisa tavela amin’ny tempoly iray natokana ho an’i Ishtar, andriamanibavy babylonianina. Hita tany koa ny lapam-panjakana iray sy ny takela-tanimanga maherin’ny 17 000 tao amin’ny efitra fitahirizan-javatra. Azo jerena any amin’ny tranombakok’i Idlib, tanàna kely 25 kilaometatra avy eo, ireo rakitry ny ela avy any Ebla.

Any atsimo, eo amin’ny lalana mankany Damaskosy, no misy an’i Hama, na Hamata, araka ny Baiboly. (Nomery 13:21) Mandalo ao Hama ny Ony Orontes, ka izany no mahatonga azy ho iray amin’ny tanàna tsara tarehy indrindra any Syria. Eo koa i Ras Shamra, ilay toerana nisy ny tanànan’i Ougarit fahiny. Seranana niroborobo ara-barotra i Ougarit nandritra ireo 2 000 taona farany T.K., ary tafalatsaka lalina tao amin’ny fivavahana tamin’i Bala sy Dagona. Nanomboka tamin’ny 1929, dia nisy mpihady tany frantsay namongatra takela-tanimanga sy sary halimo maro be, izay misy soratra mampiseho ny fivavahana vetaveta tamin’i Bala. Azontsika tsara izao ny antony nanamelohan’i Jehovah ny Kananita, mpivavaka tamin’i Bala, sy namongorany azy ireo.—Deoteronomia 7:1-4.

Eny, mbola ahitana taratry ny tantarany fahiny i Syria ankehitriny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Jereo ny lahatsoratra hoe “Ilay Andriambavy Mainty Volo Tany An-tany Efitr’i Syria”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1999, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

RANOMASINA MEDITERANE

‐‐ Sisin-tany iadiana

EJIPTA

ISRAELY

JORDANIA

LIBANONA

SYRIA

DAMASKOSY

Barada

Orontes

Hama (Hamata)

Ougarit (Ras Shamra)

Ebla (Tell Mardikh)

Alep (Haleb)

Karkemisy (Djerablous)

Eofrata

Zénobie

Dayr az Zawr

Doura-Europos

Mari

Palmyre (Tadmora)

IRAK

TORKIA

[Sary, pejy 24]

Damaskosy (eo ambany) sy ny Lalana Imahitsy (eo ambony)

[Sary, pejy 25]

Trano feta mitarehin-tranon-tantely

[Sary, pejy 25]

Ougarit

[Sary, pejy 25]

Hama

[Sary, pejy 26]

Mari

[Sary, pejy 26]

Alep

[Sary nahazoan-dalana]

© Jean-Leo Dugast/Panos Pictures

[Sary, pejy 26]

Lapam-panjakana, any Ebla

[Sary, pejy 26]

Mpiandry any Zenobie

[Sary, pejy 26]

Palmyre

[Sary, pejy 26]

Eofratra, eo Doura Europos

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Ankizy: © Jean-Leo Dugast/Panos Pictures; Trano feta mitarehin-tranon-tantely: © Nik Wheeler