Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Tsara Kokoa ny Sakafon’i “Neny An-telefaonina”

Te hihinana sakafo matsiro ny mpitovo be atao, any Madrid, Espaina, nefa tsy manam-potoana handrahoana sakafo, na tsy te hahandro. Nahita hevitra àry izy ireo. Manakarama “neny an-telefaonina”, amin’ny alalan’ny Internet izy ireo, hoy ny gazety espaniola El País. Ikarakaran’io neny io sakafo mahasalama sy azo tehirizina andro maromaro izy ireo, ary aterina amin’ny taxi izany, indroa isan-kerinandro. Ireto avy izany sakafo izany: Trondro, paty, legioma, voamadinika, hena, voankazo, ary sakafo vita amin’ny ronono. Antsoin’ilay “neny an-telefaonina” tsy tapaka ny “zanany” tsirairay mba hahafantarana ny zavatra mbola ananany ao anaty vata fampangatsiahana sy ny sakafo tiany ary ny zavatra ilainy. Afaka manatitra sakafo isan’andro, ho an’olona efatra na mihoatra any am-piasana io neny io. Misy sakafo ho an’ny faran’ny herinandro koa.

Tionelina ho An’ny Saobakaka

Gaga ny injeniera manamboatra ny Lalam-ben’i Nosy Vancouver any Kanada, rehefa nahita fa efa nisy lalana hafa manapaka eo amin’ilay toerana hanaovana ilay lalam-be. “Lalan’ny saobakaka” ilay izy. Nisy “saobakaka tandrefana ana hetsy, mirefy telo santimetatra”, namakivaky an’ilay lalam-be mbola tsy vita, hoy ny gazety Beautiful British Columbia. Avy tany amin’ny heniheny fanatodizany izy ireo ka hiverina hody any an-tanety. “Niady saina ireo injeniera nanao ilay tetik’asa”, satria mety hahafaty an’ireo saobakaka ireo ilay lalam-be. Inona no vahaolana hitan’izy ireo? Nilaza i Craig Barlow, mpiandraikitra ny tontolo iainana eo amin’ilay toerana, fa “nasian’ny injeniera fefy ny sisin’ilay lalam-be, mba hitarihana ireo saobakaka mpifindra monina ireo ho ao amin’ny tionelina maina ao ambany, namboarina manokana ho azy ireo.” Lazain’ilay gazety fa ‘tsy zakan’ny saobakaka tandrefana mihitsy ny rano maloto sy ny fiovana fonenana ary ny fiovan’ny toetrandro.’

Hararaotin’ny Mpisoloky ny Loza Tamin’ny 11 Septambra

Tsy ampy iray andro taorian’ilay fanafihan’ny mpampihorohoro tamin’ny 11 Septambra 2001, dia nanomboka nanararaotra an’ireo olona nalahelo sy ireo nalala-tanana, ny mpangalatra sy ny mpisoloky. Mody nanao mpamonjy voina ny sasany, ary nangalatra teo amin’ilay toerana. Hatramin’ny fiara be mpitrongy tany, milanja telo taonina aza, dia nisy nangalatra, indray alina. Maro be koa ny mpisoloky. Nisy nivarotra fitaovana sandoka sy fanafody sandoka, fiarovana amin’ny poizina nalefan’ny mpampihorohoro, na fanesorana izany poizina izany. Ny hafa indray nivarotra vovoka ho fahatsiarovana, nefa tsy vovoka avy eo amin’ilay toerana nisian’ny loza akory. Nisy maromaro nitondra taratasy sandoka mba hahazoana fiantohana aina, sy mba hanamboarana zavatra simba. Nisy mpivady nitady hangata-bola, ka nilaza hoe simba noho ilay loza ny tranony. Enina kilaometatra niala teo anefa ny tranony. Maro no nahazo vola rehefa nilaza fa “maty” ny havany. Mbola velona anefa ilay havany, na tsy nisy akory. Nisy nandehandeha nivarotra saina na mari-pahatsiarovana, ka nilaza fa homena ny fikambanana mpamonjy voina ny vola azo tamin’izany. Tsy nomen’izy ireo an’ilay fikambanana akory anefa ilay vola. Nisy mpisandoka maromaro nangataka vola tamin’ny alalan’ny Internet, ka mody nilaza fa homena ireo tra-boina izany. Ny sasany naka anarana tao amin’ny lisitr’ireo olona tsy hita, niantso ny fianakavian’ilay olona mba hahazoana fanazavana bebe kokoa, ary nangalatra ny anarany avy eo. Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ireo halatra sy fisolokiana ireo.

Mbola Misy Foana ny Tioberkilaozy

Mbola tsy fongotra tanteraka ny tioberkilaozy (BK), indrindra fa any amin’ny firenena tena mahantra, hoy ny gazety Clarín, avy any Buenos Aires. Lazain’io gazety io fa “olona 14 000 isan-taona no voany” any Arzantina. “Mitatitra ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana . . ., fa mbola mahafaty olona roa tapitrisa eo ho eo, isan-taona, io aretina io.” Marina fa noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fahantrana, matetika, no ahazoana BK, nefa tena mora mifindra izy io ka atahorana ho voany daholo ny olona rehetra. Hoy ny Dr. Julio Montaner, mpikaroka fanafody vaovao hiadiana amin’ny BK: “Tena mora mifindra ny tioberkilaozy, ary mahavoa ny karazan’olona rehetra.” Nilaza izy fa mety hifindran’ny BK ny olona, na any anaty fiaramanidina, na eo an-tanànany, na any am-piasany.

Sambany Norarana ny Fandotoana ny Hazavana

Milaza ny gazety Berliner Morgenpost fa ny Repoblika Tseky no firenena voalohany namoaka lalàna mandrara ny fandotoana ny hazavana. Nanan-kery nanomboka tamin’ny 1 Jona 2002 io lalàna antsoina hoe Fiarovana ny Atmosfera io. Maro be ny astronoma sy ny mponina nankasitraka azy io. Izao no famaritan’io lalàna io ny fandotoana ny hazavana: “Ny hazavana rehetra namboarin’olombelona, ka manazava faritra hafa ankoatra ny faritra ilana azy, indrindra fa ny habakabaka.” Voatery nahenan’ny mponina sy ny fikambanana sasany ny hazavana tsy ilaina, satria manembantsembana ny fijerena ny lanitra amin’ny alina izany. Mampiasa jiro misy sarony izy ireo, mba tsy hitaratra eny amin’ny habakabaka. Nampihena be ny hazavana tsy nilaina izany saron-jiro izany, tany an-tanànan’i Brno, na dia talohan’ny 1 Jona aza. “Tena tsara ny vokatr’ilay izy”, hoy ilay astronoma tseky, Jan Hollan.

Olana Eran-tany eo Amin’ny Famakian-teny

Manao ahoana tokoa ny fahaizan’ny mpianatra ankehitriny? Nanao fitsapana tamin’ny mpianatra 15 taona, niisa 265 000, avy any amin’ny lise any amin’ny tany 32, ny Fikambanana Misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Fampandrosoana Ara-toe-karena. Tian’io fikambanana io ho fantatra “raha manana ny fahalalana sy fahaizana ilaina hiatrehana ny fiainana ny mpianatra madiva hanapitra ny fianarana takin’ny lalàna.” Hitan’izy ireo tamin’izany fa “tena zara raha mahay mamaky teny” ny 6 isan-jaton’ny mpianatra. “Zavatra faran’izay tsotra ilaina amin’ny famakian-teny” no hain’ny 12 isan-jato, “toy ny mitady hevitra tsotra ao anaty lahatsoratra na mijery loha hevitra.” Ny ankizivavy no nahay namaky teny kokoa noho ny ankizilahy, tamin’ny antsalany, tamin’ireo tany rehetra ireo. Ny ankizy failandey no nahay namaky teny indrindra, ary ny ankizy japoney sy koreanina no nahay siansa sy matematika indrindra. “Tamin’ny tany 20 amin’ny 28, dia ankizy iray na mihoatra, ao anatin’ny efatra, no tsy tia mankany am-pianarana.”

Lohateny Lehibe Tsy Naseho

Nanontany ny gazety frantsay Médias hoe: “Inona avy no vaovao tsy naseho tamin’ny gazety, rehefa nitranga ilay ‘Loza’ [tamin’ny 11 Septambra 2001]?” Ireto avy no lohateny lehibe tsy naseho tao amin’ny gazetim-pirenena sy gazetim-paritra 12 any Frantsa: Fiaramanidina mpiady amerikanina voatifitra tany Irak, horohoron-tany tany Taïwan, rivo-doza nahafaty olona dimy tany Japon, ary ady ara-pivavahana nahafaty olona 165, fara fahakeliny, tatsy Nizeria. Anisan’ny vaovao tsy nolazaina tamin’iny koa ny raharaha nahafa-baraka nandritra ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena iray, sy ankizilahy 14 taona maty notsatohan’ny ankizivavy 15 taona tamin’ny antsy. Gazety ara-panatanjahan-tena iray, mpiseho isan’andro, no hany nampiseho ny lohateny lehibe efa nomaniny. Ny antony, araka ny filazan’ny Médias, dia satria tara ilay sary saika hatao teo amin’ny lohateny lehibe. Sarina mpilalao baolina kitra ilay izy, izay nangina iray minitra noho ny loza tamin’ny 11 Septambra, talohan’ny nilalaovan’izy ireo.

Voka-dratsin’ny Sigara Tato Anatin’ny 40 Taona

Miteny ny gazety The Independent any Londres fa namoaka fampitandremana mitondra ny lohateny hoe Fifohana Sigara sy Fahasalamana, ny Oniversiten’i Londres ho An’ny Mpitsabo, tamin’ny 1962. “Io no fampitandremana mivantana voalohany momba ny loza ateraky ny sigara sy paraky, avy tamina fikambanana ara-panjakana teto Grande-Bretagne.” Tamin’izany fotoana izany, dia 70 isan-jaton’ny lehilahy no nifoka sigara, ary 43 isan-jato ny vehivavy. Nandritra ireo 40 taona nanaraka, dia “olona dimy tapitrisa, no maty noho ny fifohana sigara teto Grande-Bretagne, izany hoe avo 12 heny noho ireo maty tamin’ny Ady Lehibe II.” Milaza ny The Independent fa efa 29 isan-jaton’ny lehilahy sy 25 isan-jaton’ny vehivavy, sisa izao no mifoka sigara. “Mbola anaovana dokam-barotra sy lazaina hoe tsara” anefa ny sigara, “ary mbola amidy amin’ny tanora.” Araka ny tatitra vao haingana nataon’ny Oniversiten’i Londres, dia mihabetsaka indray izao ny sigara fohin’ny olona, ary mbola antony lehibe manimba ny fahasalamam-bahoaka izy io. Andriamatoa Richard Doll no nahita, tamin’ny 1950, fa miteraka kanseran’ny havokavoka ny fifohana sigara. Manoro hevitra izy hoe mbola azo atao foana ny miala amin’ny sigara. “Izao no hafatro”, hoy izy, “aza mifoka sigara intsony raha te ho ela velona ianao.”