Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Tokony Hampiasantsika ny Safidy Malalaka?

Ahoana no Tokony Hampiasantsika ny Safidy Malalaka?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ahoana no Tokony Hampiasantsika ny Safidy Malalaka?

NOMEN’ANDRIAMANITRA safidy malalaka i Adama sy Eva, olombelona voalohany. Nasainy nikarakara ny saha Edena sy nifidy anarana ho an’ny biby i Adama. (Genesisy 2:15, 19) Ary ny zava-dehibe kokoa aza, dia afaka nanapa-kevitra ny hankatò na tsy hankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva.—Genesisy 2:17, 18.

Nandray fanapahan-kevitra tsy hita isa ny olona hatramin’izay, ny ankamaroany tsara, ny sasany niteraka fahavoazana, ary ny hafa tena ratsy mihitsy. Nitondra loza ny safidy ratsy sasany nataony. Na izany aza, dia tsy nanakantsakana ny zontsika hisafidy mihitsy Andriamanitra. Ray be fitiavana izy, ka manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara amin’ny alalan’ny Baiboly. Lazainy mialoha amintsika koa ny vokatry ny safidy ratsy. Lazain’ny Baiboly fa hijinja izay afafintsika isika.—Galatiana 6:7.

Fanapahan-kevitra amin’ny raharahan’ny tena manokana

Milaza mazava ny sitrapony Andriamanitra amin’ny toe-javatra sasany, sady manome toromarika mazava antsika koa. Tsy manome lalàna mifehy ny tsipiriany rehetra amin’ny fiainantsika anefa ny Baiboly. Manome tari-dalana ankapobe kosa izy io matetika, ka afaka manao izay tiantsika sy irintsika ihany isika. Mariho, ohatra, izay lazainy momba ny fialam-boly.

Antsoin’ny Soratra Masina hoe “Andriamanitra finaritra” i Jehovah. (1 Timoty 1:11) Miresaka momba ny “andro ihomehezana” sy “ny andro andihizana” ny Teniny. (Mpitoriteny 3:1, 4) Lazainy koa fa nitendry zavamaneno hampifaliana ny hafa i Davida Mpanjaka. (1 Samoela 16:16-18, 23) Nanatrika lanonam-panambadiana koa i Jesosy, ary nanova ny rano ho divay mihitsy aza izy tamin’izay.—Jaona 2:1-10.

Mampitandrina tsara anefa ny Baiboly hoe: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Tsy mahafaly an’Andriamanitra ny “voso-dratsy” sy ny fitondran-tena maloto, ary mety handrava ny fihavanantsika aminy. (Efesiana 5:3-5) Mety hisy zava-manahirana lehibe mandritra ny fiaraha-mikorana, raha tsy asiana fetrany ny fisotroana toaka. (Ohabolana 23:29-35; Isaia 5:11, 12) Mankahala ny herisetra koa i Jehovah Andriamanitra.—Salamo 11:5; Ohabolana 3:31.

Manampy anao hanana ny fomba fijerin’Andriamanitra momba ny fialam-boly ireo andinin-teny ireo. Manisy fiheverana izay lazain’ny Baiboly ny Kristianina rehefa manao safidy. Mazava ho azy anefa fa hizaka ny vokatry ny safidintsika isika tsirairay, na tsara izany na ratsy.—Galatiana 6:7-10.

Ampirisihina haneho fahendrena sy hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly koa ny Kristianina, eo amin’ny resaka fitafiana, fanambadiana, fitaizana, ary raharaham-barotra. Tsy voaresaka mivantana ao amin’ny Baiboly ny sasany amin’ireo. Misy toro lalana kosa anefa ao, izay hanampy ny Kristianina handray fanapahan-kevitra tsy hanimba ny feon’ny fieritreretany. (Romana 2:14, 15) Tokony hampihatra izao fitsipika izao ny Kristianina, isaky ny hanapa-kevitra momba ny raharahan’ny tenany manokana: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.”—1 Korintiana 10:31.

Tokony hotadidintsika koa ilay toro lalana hoe: ‘Tandremo ny raharahanareo.’ (1 Tesaloniana 4:11) Matetika ny Kristianina no afaka manao safidy maromaro tsy mifanipaka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Koa mety tsy hitovy àry ny safidy ataon’izy ireo. Tsy hahafaly an’Andriamanitra ny hahita ny mpanompony mifampitsara. (Jakoba 4:11, 12) Manome izao torohevitra feno fahendrena izao ny Baiboly: “Aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria . . . mpiraharaha ny an’olona.”—1 Petera 4:15.

Fanapahan-kevitra hanompo an’Andriamanitra

Manasongadina ny soa azo avy amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ny Baiboly. Tsy manery ny olona hivavaka aminy anefa Andriamanitra. Manasa ny olombelona noforoniny kosa izy mba hanompo azy. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe: “Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika.”—Salamo 95:6.

Nasaina hanao izany koa ny firenen’ny Isiraely, maherin’ny 3 500 taona lasa izay, fony izy ireo teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Nampahafantarin’Andriamanitra an’ireo olona an-tapitrisa ireo tamin’izay ny fivavahana marina araka izay voalazan’ny Lalàn’i Mosesy. Tsy maintsy nisafidy izy ireo: Hanompo an’Andriamanitra ve izy ireo sa tsia? Inona no navalin’izy ireo? Niara-niteny izy ireo hoe: “Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay.” (Eksodosy 24:7) Izy ireo ihany no nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah.

Nanomboka nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany. (Matio 4:17; 24:14) Tsy nanery an’iza na iza hanao io asa io izy, fa nanasa ny olona tamim-pitiavana kosa hoe: “Avia hanaraka Ahy.” (Marka 2:14; 10:21) Betsaka no nanaiky ny fanasany sy nanomboka nitory niaraka taminy. (Lioka 10:1-9) Nifidy ny handao an’i Jesosy ny sasany tatỳ aoriana. Nifidy ny hamadika azy i Jodasy. (Jaona 6:66; Asan’ny Apostoly 1:25) Maro kokoa no lasa mpianatra tatỳ aoriana, teo ambany tari-dalan’ny apostoly. Tsy noho ny fampitahorana anefa izany, fa noho ny safidin’izy ireo. Naniry hiaina mandrakizay izy ireo ka “nino.” (Asan’ny Apostoly 13:48; 17:34) Mankatò ny Tenin’Andriamanitra sy manaraka ny fampianaran’i Jesosy an-tsitrapo koa ny Kristianina marina ankehitriny.

Mazava àry fa tian’Andriamanitra hampiasaintsika ny safidintsika malalaka. Omeny tari-dalana koa isika ao amin’ny Baiboly mba hanampy antsika haneho fahendrena rehefa manapa-kevitra. (Salamo 25:12) Tokony handinika ny toro lalan’Andriamanitra ny Kristianina tsirairay rehefa manao safidy mahakasika ny raharahan’ny tenany manokana. Amin’izany fomba izany ihany isika no afaka manompo an’Andriamanitra, amin’ny “saina efa zatra nampiasaina tsara.”—Hebreo 5:14.