Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Polisy Misaotra anareo tamin’ireo lahatsoratra hoe “Nahoana Isika no Mila Polisy?” (8 Aogositra 2002) Maty tamin’ny lozam-piarakodia ny raiko, telo taona lasa izay. Polisy roa teo an-toerana no nampandre ny fianakavianay, sady nanampy sy nampionona anay. Rehefa nitomany aza ny reniko, dia nofihinin’ny iray tamin’izy ireo. Azoko antoka fa tsy mora amin’ireo polisy ireo mihitsy ny manatontosa andraikitra toy izany. Hahavita inona tokoa isika, raha tsy misy azy ireo?

D. E., Etazonia

Nisy fanontaniana nanitikitika ahy, rehefa nahita ireo lahatsoratra momba ny polisy aho. Mety amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny manao io asa io? Amiko mantsy, dia tsy maintsy hamoaka basy sy hampiasa azy io ianao, rehefa rafitra ny ady, ka mety hamono olona.

J. S., Aostralia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Naneho fankasitrahana fotsiny ny asa mahasoa ataon’ny polisy ireo lahatsoratra ireo. Mitandro ny filaminana sy manatanteraka asa hafa tena ilaina tokoa izy ireo. Tsy hanao asa tsy maintsy hitondrany fitaovam-piadiana ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy te hivesatra trosan-dra izy ireo. (Eksodosy 20:13; Matio 26:51, 52) Tsara homarihina anefa, fa tsy voatery hitondra fitaovam-piadiana ny ankamaroan’ny mpitandro filaminana, ary tsy mitondra basy ny ankamaroan’ny polisy any amin’ny firenena sasany.

Vao avy namaky ilay lahatsoratra momba ny antony ilantsika polisy aho. Tena tsara ilay lahatsoratra, ary ekeny fa sarotra ny asan’ny polisy, izay miezaka mitandro ny filaminana eto amin’ity tontolo misafotofoto ity. Niaraka nitety faritra izahay mivady, tany amin’ireo taona 1970. Nipetraka tao amin’ny efitra ambanin’ny Efitrano Fanjakana tranainy iray izahay, rehefa nitsidika fiangonana iray tao an-drenivohitra. Nafana tamin’izay, ka novohanay kely ny varavarankely mba hidiran’ny rivotra. Nofohazin’ny vadiko aho tamin’ny roa ora maraina, satria nisy olona roa lahy tao ambadiky ny varavarankely tao ivelany. Nihaino ny resak’izy ireo aho. Nilaza ny iray fa nihidy foana io varavarankely io. Mety hisy olona ao, hoy ilay namany, satria misy fiara mijanona eo amin’ny parking. Hay polisy izy ireo, ary nety ho nanara-maso tsy tapaka an’ilay Efitrano Fanjakana. Mamy kokoa ny torimasonay taorian’izay!

P. S., Etazonia

Tonga tamin’ny fotoana nilana azy ilay lahatsoratra momba ny polisy, indrindra taorian’ilay fanafihan’ny mpampihorohoro ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena sy ny Pentagone, eto Etazonia. Antenaina fa ankasitrahantsika kokoa izao ny polisy, ny mpamono afo, ary ny olon-kafa miasa ho an’ny daholobe, satria miaro ny mponina sy ny fananany amin’ny fampihorohoroana sy ny asan-jiolahy amin’ny ankapobeny koa izy ireo.

H. B., Etazonia

Mpiray Efitra Efa ela no niandrasako lahatsoratra momba ny mpiray efitra. Novakiko ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Ahoana no Ahitako Mpiray Efitra Mifanaraka Amiko?” (8 Jona 2002) Gaga aho, rehefa nahita fa tsy voatery hinamana be amin’ny mpiray efitra aminy ny olona rehetra, na hiaraka aminy any amin’izay rehetra alehany, ary ara-dalàna izany. Voalaza tao koa anefa fa tena manampy ny mpiray efitra, amin’ny fandaniana sy ny raharaha ao an-trano. Misaotra anareo nampahafantatra izany fomba fijery voalanjalanja izany.

S. M., Japon

Hiara-mipetraka amina Vavolombelona iray any Dresde aho, rehefa afaka tapa-bolana. Tena tsara sady tonga amin’ny fotoana ilako azy ireo torohevitra ao amin’ny lahatsoratra momba ny mpiray efitra, ao amin’ny nomerao 8 Mey sy 8 Jona ary 8 Jolay 2002. Enga anie ka hisy toy ireny foana!

R. P., Alemaina