Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Hifarana Ilay “Loza Misoko Mangina”!

Efa Hifarana Ilay “Loza Misoko Mangina”!

Efa Hifarana Ilay “Loza Misoko Mangina”!

“TONDRAKA ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao, raha oharina amin’ireo taona faramparany. . . . Ampy tsara ho an’ny rehetra ny sakafo . . . raha ny tokony ho izy.” Izany no hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). Inona àry no tena olana mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo?

Hoy ny OMS: “Tsy atao ara-dalàna ny famokarana, ary atao zara vilana ny sakafo. Izay no olana. Mampalahelo fa matetika loatra no mitazam-potsiny ireo mahantra tsy manan-kohanina sady noana, atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana mahavokatra. Be dia be anefa ny vokatra aondrana mba hahazoam-bola. Tombony mihelina ho an’ny olom-bitsy izany, fa fahavoazana maharitra ho an’ny maro kosa.” Asehon’ny fanadihadiana nataon’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy Fambolena ary Fiompiana (FAO), fa ‘ny 45 isan-jaton’ny hena sy trondro rehetra dia hohanin’ny ampahadimin’ny mponina manankarena indrindra [eran-tany], fa ny 5 isan-jatony monja kosa no hohanin’ny ampahadimin’ny mahantra indrindra.’

Hoy koa anefa ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza: “Tsy ampy sakafo ny olona, satria sady tsy nahita fianarana firy no tsy mahazo fanazavana marina.” Hoy ihany koa ry zareo: “Zava-dehibe ny drafitr’asa maty paika hanomezana fanazavana, sy ny fandaharam-pampianarana nohatsaraina sy mora azon’ny olona. Raha tsy izany, dia tsy ho ampy ny fahalalana sy ny fahaizana ary ny fitandremana hiadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo.” Rehefa tsy ampy sakafo indray anefa ny olona, dia hihasimba ny fahasalamany ary tsy hahavita fianarana firy izy. Olana mifampidipiditra koa izany.

Ny rariny sy ny tena fitiava-namana

Mbola tsy manary toky ny manam-pahaizana sasany momba ny tsy fahampian-tsakafo, na eo aza ireo vato misakana mahakivy. Nilaza toy izao momba ny fanantenany, ohatra, Andriamatoa Jacques Diouf, tale jeneralin’ny FAO: “Azoko sary an-tsaina ny tontolo iray misy lehilahy sy vehivavy ary ankizy manana sakafo mahavelona sy ampy tsara isan’andro. Tsy ho hita loatra intsony ny fiavahan’ny mpanan-karena be sy ny mahantra faraidiny. Azoko sary an-tsaina fa hisy fandeferana fa tsy fanavakavahana, filaminana fa tsy ady an-trano, fikajiana ny tontolo iainana fa tsy fanapotehana azy io, ary fahasambarana fa tsy famoizam-po.”

Araka ny efa hitantsika anefa, dia tsy ampy mba hahatanteraka an’izany fanantenana izany ny fampitomboana ny vokatra sy ny fizarana ny sakafo. Ny fampanjakana ny rariny sy ny fitiava-namana no ilaina. Tsy fahita anefa ireo toetra tsara dia tsara ireo, eo amin’ny tontolon’ny varotra ankehitriny.

Ho vita ve ny hanaisotra an’ireo vato misakana goavana toy ny fitiavam-bola, fahantrana, ady, ary ny fitiavan-tena, ka ho foana ny tsy fahampian-tsakafo? Sa nofinofy izany?

Ny hany tena vahaolana

Tsy tokony hahagaga antsika ny fisian’ireo olana goavana mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo, raha ny Baiboly no jerena. Hoy mantsy ny voalazany: ‘Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, tsy tia ny tsara, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa mandà ny heriny.’​—2 Timoty 3:1-5.

Afaka hanafoana ireo toetra efa raiki-tampisaka ireo ve ny olombelona raha tsy ampian’Andriamanitra? Toa tsy azo inoana izany, sa ahoana? Voamarikao angamba fa tena maniry hamaha ireo olana ara-tsosialy ny manam-pahefana sasany indraindray. Voasakantsakana sy very maina anefa ny filofosan’izy ireo, satria tia tena sy tia vola ary manao ny tsy mety ny hafa.​—Jeremia 10:23.

Tsy nofinofy anefa ilay vahaolana. Mampanantena ny Baiboly fa hofaranan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tsy rariny sy ny fahoriana rehetra mianjady amin’ny olona ankehitriny.

Izao no fanantenana kanto omen’ny Isaia 9:5, 6: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.”

Io Fanjakana io ilay angatahin’ny olona ao amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo, ka ilazan’izy ireo amin’Andriamanitra hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” (Matio 6:9, 10) Mariho ny tenin’i Isaia hoe: “Ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” Maniry hanome izay ilain’ny olona foana tokoa i Jehovah Andriamanitra. Nataony hamokatra sakafo ampy tsara ho an’ny olon-drehetra ity tany ity.

Hoy ny Salamo 65:9-13: “Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao​—ny onin’Andriamanitra dia tondra-drano—​mamboatra vary ho an’ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany. Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao. . . . Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha.”

I Jehovah, ilay Mpamorona, tokoa no mpanome tsara indrindra ho an’ny olona. Izy no “manome hanina ny nofo rehetra (fa mandrakizay ny famindrampony).”​—Salamo 136:25.

Afaka matoky isika fa hikarakara ny olona rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fitantanan’i Kristy. “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”, hoy ny Baiboly. Hozaraina mitovy koa anefa io sakafo io, satria ‘hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy [i Jesosy Kristy]. Hamonjy ny fanahin’ny malahelo izy.’ (Salamo 72:12, 13, 16) Koa mahereza, fa tsy ho ela dia hofoanana tsy hisy mandrakizay ilay “loza misoko mangina”!

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Azo foanana ny hanoanana sy ny tsy fahampian-tsakafo, raha ny tena izy. Misy ny hoenti-manana an’izany. Ny sarotra dia . . . ny fiaraha-mientan’ny mponina sy ny firenena eran-tany.”​—Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana

[Sary, pejy 10]