Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanehoana Fitiavana Nandritra ny Fotoan-tsarotra

Fanehoana Fitiavana Nandritra ny Fotoan-tsarotra

Fanehoana Fitiavana Nandritra ny Fotoan-tsarotra

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NIZERIA

ANDRO nanjombona ny alahady 27 Janoary 2002, teto Lagos, eto Nizeria. Nipoaka ny trano iray ambanin’ny tany, fitahirizana fitaovam-piadiana. Nihovotrovotra be ny tanàna manontolo ary nazava ny lanitra, na dia efa hariva aza tamin’izay. Naharitra ora maromaro ilay zavatra nipoaka, ka nisy baomba sy potipoti-javatra be dia be nipitika hatrany amin’ny telo kilaometatra mahery. Nisahotaka ny iray tanàna.

Niely ny tsaho, ka vao mainka natahotra ny olona. Maro be no nandositra teny amin’ny arabe, nefa tsy hainy akory ny antony nandosirany na izay toerana halehany. Maizina ny andro, ka olona an-jato no latsaka tao anaty lakandrano maloto, ary maty, anisan’izany ny ankizy maro be raiki-tahotra. Nisy trano sy sekoly ary orinasa rava, na simba be, ka olona an’arivo no tsy nanana trano intsony sady tsy nanana asa. Voalaza fa 1 000 teo ho eo no maty tamin’iny loza iny. Mbola betsaka noho izany aza ny isa nolazaina, tatỳ aoriana.

Nisy baomba sy bala afomanga ary grenady tsy nipoaka, niisa 1 350 teo ho eo, hita tany amin’ireo faritra be trano fonenana, nanodidina ilay toerana nitrangan’ilay loza. Nahita zavatra vita tamin’ny vy tao amin’ny efitra fandraisany vahiny ny lehilahy iray. Tsy fantany hoe baomba ilay izy, ka noraisiny, nataony tao amin’ny fitoeran’entan’ny fiarany, ary nateriny tany amin’ny manam-pahefana.

Nifandray avy hatrany tamin’ny anti-panahy iray teto Lagos ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Nizeria, raha vao nahare ilay vaovao. Nasainy nijery an’ireo Vavolombelona 36 000 monina eto Lagos koa ny mpiandraikitra mpitety faritany 16, miasa eto amin’ny manodidina. Nandefa vola 1 000 000 naira (66 000 000 FMG eo ho eo), ny sampana, ary nanome toromarika mba hananganana komity hiandraikitra ny fanampiana.

Tamin’ireo Vavolombelona, dia lehilahy iray no naratra mafy noho ny tapa-by avy tamin’ny baomba. Mampalahelo fa tovovavy roa no maty, ary Efitrano Fanjakana roa sy tranona fianakaviana 45 no simba.

Nisy adim-poko tany amin’ny faritra hafa teto an-tanàna, ny 2 Febroary 2002, enina andro taorian’ny nipoahan’ilay trano. Nilaza ny Vokovoko Mena fa olona 100 no maty, 430 no naratra, 3 000 no voatery nandositra, ary trano 50 no may. Nitady avy hatrany an’ireo rahalahiny kristianina tany amin’io faritra io, ilay komity niandraikitra ny fanampiana an’ireo niharan-doza tamin’ilay trano nipoaka.

Tsy nisy maty ireo Vavolombelona, satria nanatrika fivoriamben’ny faritra tany an-toeran-kafa ny ankamaroan’izy ireo, rehefa nitranga ilay adim-poko. Tsy nanana trano intsony anefa ny maro tamin’ireo Vavolombelona anisan’ireo fiangonana dimy tany an-toerana. Nampiantrano azy ireo avy hatrany ny rahalahiny kristianina. Nampiantrano olona 27 ny rahalahy dokotera iray sy ny vadiny.

Nanome sakafo sy fitafiana ary kojakojan-tokantrano be dia be ireo Vavolombelona tsy niharan-doza tamin’ilay trano nipoaka sy ilay adim-poko teto Lagos. Hoy ny mpiandraikitra ny tanàna: “Betsaka lavitra noho izay nilain’ireo niharan-doza ny zavatra nomen’ny rahalahy teto Lagos.” Tsy maintsy nanoratra tany amin’ireo fiangonana ny biraon’ny sampana hoe tsy tokony hanome zavatra fanampiny intsony izy ireo. Fanomezana tsy nampiasaina, nahafeno kamiao telo, no naterina tany amin’ny biraon’ny sampana mba hotehirizina.

Notsidihin’ny anti-panahy ny maro tamin’ireo niharan-doza sy ny havan’ireo maty. Niezaka nanome fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina izy ireo. Nokarakarain’ny komity miandraikitra ny fanampiana ny fanamboarana ireo trano simba. Nomeny kojakojan-tokantrano sy akanjo ary sakafo ireo niharan-doza. Nampian’izy ireo hahita trano koa ireo Vavolombelona voatery nandositra. Sivifolo ny fitambaran’ny olona sy fianakaviana nampian’io komity io.

Nanohina ny fon’ny maro tamin’ireo niharan-doza ny fanampiana azon’izy ireo. Hoy ny Vavolombelona iray tamin’ilay komity: “Raha mbola velona koa aho, dia hataoko ‘aro sy hery’ ho ahy foana i Jehovah!”​—Salamo 46:1, 2.

Voamariky ny olona tsy Vavolombelona ny fifanampian’ireo rahalahy, nandritra ireo fotoan-tsarotra ireo. Niresaka tamin’ny anti-panahy toy izao ny dadatoan’ny Vavolombelona iray maty: “Mbola hiverina atỳ aho satria tena maniry hisaotra anareo sy hangataka fanazavana fanampiny.” Hoy koa izy tamin’ny fianakaviany: “Nahagaga ny zavatra hitako teto Lagos. Na ny havantsika aza tsy nahavita toa an’ireo olona ireo.”

[Sary, pejy 13]

Kamiao feno fanomezana ho an’ireo niharan-doza

[Sary, pejy 13]

Olona sasany nampiana

[Sary, pejy 14]

Nampiantrano olona 27 voatery nandositra izy mivady ireto

[Sary, pejy 14]

Vavolombelona manamboatra trano simba

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Ambony: Sam Olusegun - The Guardian