Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Izay Vao Nahakasika Ahy Ilay Izy”

“Izay Vao Nahakasika Ahy Ilay Izy”

“Izay Vao Nahakasika Ahy Ilay Izy”

Tamin’ny 1994, dia namoaka bokikely miresaka momba izay azo atao rehefa nidonam-pahoriana, ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampionona olona maro izy io, hatramin’ny nivoahany.

Nankasitraka azy io ny mpamaky iray any Pennsylvanie, any Etazonia, ka nanoratra toy izao: “Raha vao nahazo ilay bokikely aho dia nanao anakampo hoe: ‘Tsara izany, raha boky!’ Tsy tsapako anefa hoe tena manampy izy io, raha tsy maty ny zanako vavy, tapa-bolana lasa izay. Tena kivy tanteraka aho ary nitady fanampiana, ka novakiko ilay bokikely. Izay vao nahakasika ahy ilay izy. Voaresaka ao daholo ny zava-nanjo ahy rehetra, ary nahazo fampiononana aho.”

Resahin’ny bokikely Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao ny hoe: Ahoana no hizakako ny alaheloko? Ahoana no ahafahan’ny hafa manampy? Inona no fanantenana ho an’ny maty?

Angamba hahazo fampiononana koa ianao, na ny olona fantatrao, raha mamaky an’io bokikely 32 pejy io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.